Tandremo ny teny ara-paminanian’Andriamanitra!
Hevi-dehibe ao amin’ny Petera faharoa
NY TENY ara-paminaniana na hafatr’i Jehovah dia toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina, ary ilain’ny kristiana marina ny mitandrina izany fatratra. Tsy mora ny manao izany rehefa manandrana mampirisika fivadiham-pinoana ny mpampianatra diso. Nefa azo atao izany noho ny fanampian’Andriamanitra. Ary tsy maintsy mifikitra amim-pahatokiana amin’ny tenin’Andriamanitra isika raha te ho tafita velona amin’ny andron’i Jehovah mihamanatona haingana.
Ny taratasy ara-tsindrimandry faharoan’i Petera dia afaka manampy antsika hitandrina ny teny ara-paminanian’Andriamanitra. Nanoratra an’io epistily io i Petera, angamba avy tany Babylona, tany amin’ny 64 am.fan.ir. Miaro ny fahamarinan’Andriamanitra izy ao amin’ny taratasiny, mampitandrina ireo mpiray finoana aminy ny amin’ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah tahaka ny mpangalatra, ary manampy ny mpamaky azy mba tsy ho voatariky ny hevi-dison’ny olona mpankahatra lalàna. Koa satria efa akaiky dia akaiky antsika ny andron’i Jehovah, dia azontsika atao ny mandray soa amin’ny fomba maro avy amin’ny tenin’i Petera azo tamin’ny tsindrimandry.
Matokia ny teny ara-paminaniana
Amin’ny maha-kristiana antsika, dia mila ny manazatra ny tenantsika haneho ireo toetra tsaran’Andriamanitra isika ary tsy maintsy mitandrina ny teny ara-paminaniana. (1:1-21, MN). Mba tsy hanjary halaindaina na tsy hamokatra, dia ilaintsika ny ‘finoantsika hampiana fahatanjahan-tsaina, fahalalana, fifehezan-tena, fiaretana, fifikirana amin’Andriamanitra, firaiketam-po amin’ny rahalahy, ary fitiavana’. Fony i Petera nahita an’i Jesosy niova tarehy sy nandre an’Andriamanitra niresaka ny amin’i Kristy tamin’izany fotoana izany, dia natao azo antoka kokoa ny teny ara-paminaniana. (Marka 9:1-8). Izany teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izany no ilaintsika hotandremana.
Mitandrema tena amin’ny mpivadi-pinoana
Amin’ny fitandremana fatratra ny teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia azontsika atao ny mitandrin-tena amin’ny mpivadi-pinoana mbamin’ireo olona hafa manimba. (2:1-22). Nampitandrina ny amin’ireo mpampianatra diso hiditra an-tsokosoko ao amin’ny kongregasiona i Petera. Na ahoana na ahoana, dia hamaly fitsarana fanamelohana ireny mpivadi-pinoana ireny i Jehovah, toy ny nitsarany ireo anjely tsy nankatò sy izao tontolo izao tsy tia an’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, ary ny tanànan’i Sodoma sy Gomora. Manamavo ny fahefana avy amin’Andriamanitra ireny mpampianatra diso ireny ary manangoly ny osa hanaraka azy ho amin’ny fanaovan-dratsy. Tsara kokoa ho an’ny mpivadi-pinoana toy izany ny tsy nahalala akory “ny làlan’ny fahamarinana toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy”.
Ho avy ny andron’i Jehovah!
Tahaka ireo izay mitandrina ny teny ara-paminaniana amin’izao andro farany izao, dia tsy azontsika atao mihitsy ny mamela ny tenantsika ho voataonan’ireo mpaniratsira izay manesoeso ny hafatra momba ny fanatrehan’i Jesosy. (3:1-18). Hadinon’izy ireo fa ilay Andriamanitra nampanantena ny handringana ity fandehan-javatra ity ange no nandringana ilay tontolo talohan’ny safodrano. Tsy tokony hoheverina ho fahelana loatra ny faharetan’i Jehovah satria tiany hibebaka ny olona. Ity fandehan-javatra ity dia ho ringana amin’ny “andron’i Jehovah, [MN]” ary hosoloana “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. Noho izany, dia tokony hanao izay farany azontsika atao isika mba ‘tsy hanan-tsiny amam-pondro amin’ny fihavanana’. Toy izay ho voafitaky ny mpampianatra sandoka, dia aoka kosa isika hitombo amin’ny fahalalana an’i Jesosy Kristy.
Aoka isika handray am-po ireo tenin’i Petera. Aza manadino na oviana na oviana ny mitandrin-tena amin’ireo mpampianatra sandoka. Aoka ianao hiaina amin’ny fahafantarana fa ho avy tsy ho ela ny andron’i Jehovah. Ary tandremo mandrakariva ny teny ara-paminanian’Andriamanitra.
[Efajoro/Sary, pejy 23]
Nazera any amin’ny taritara: Jehovah dia “tsy nanafaka ireo anjely nanota tamin’ny famaizana, fa tamin’ny fanjerana azy ireny any amin’ny taritara, dia natolony ho ao an-davaka maizim-pito izy ireny mba hotahirizina ho amin’ny fitsarana.” (2 Petera 2:4, MN). Izany akory tsy ilay taritara araka ny angano aseho ho toy ny toerana any ambanin’ny tany igadran’ireo andriamanitra sandoka kely, i Cronus sy ireo fanahy Titan hafa, ao amin’ny Iliad nataon’i Homer. Ny taritara lazain’ny Baiboly kosa dia ny toe-piainana mietry sy azo oharina amin’ny fonja izay tao no nanjeran’i Jehovah ireo anjely tsy nankatò tamin’ny andron’i Noa. (Genesisy 6:1-8; 1 Petera 3:19, 20; Joda 6). Ny ‘haizim-pito’ dia vokatry ny fisarahan’izy ireo tamin’ny fahazavana ara-panahy avy amin’Andriamanitra satria izany fandroahana tsy ho anisan’ny fianakaviany intsony. Koa satria izy ireo tahirizina ho amin’ny fitsarana fanamelohany, dia tsy manana afa-tsy fahatsinjovan-javatra maizina. Ny taritara dia fambara mialoha ny fanipazana any amin’ny lavaka tsy hita noanoa hanjo an’i Satana sy ireo demoniany alohan’ny fanombohan’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy. Hiseho aorian’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy ny fandringanana azy ireo. — Matio 25:41; Apokalypsy 20:1-3, 7-10, 14.
[Sary]
I Zeosy dia nanipy andriamanitra kely tany amin’ny taritara araka ny angano