Manomboka fomba fiaina iray handraisana valisoa ireo nahazo ny diplaoman’i Gileada
“TENA fotoana iray mahafaly tokoa ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy fahasivifolon’i Gileada!” Tamin’ireo teny ireo no nampidiran’ny mpitari-draharaha, i Karl F. Klein, anisan’ny Kolejy foibe, ny fandaharana fizarana diplaoma. Raha nampahatsiahy ny fotoana nanombohan’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower izy, dia nanampy hoe: “Iza no nanampo, tamin’ny 1943, fony nizarana diplaoma ny kilasy voalohan’i Gileada, fa rehefa afaka 48 taona atỳ aoriana ange ka mbola hiaraka ho tonga ihany isika hanatrika ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy hafa, dia ny faha-90?”
Kanefa, tamin’ny 3 Martsa 1991, dia nisy andro nafana tsy ara-potoana tany New Jersey, teo amin’ireo vahiny nasaina 4 000 sy mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela, tafavory tao amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe any Jersey City, eo am-pitan’ilay renirano manoloana ny tanànan’i New York indrindra, mba hanatrika ny fizarana diplaoma ho an’ireo misionera vaovao ireo. Alohan’ny hanombohana ny fiainan’ny misionera, dia handray torohevitra vitsivitsy farany ireo nahazo diplaoma tamin’ny andro nizarana izany tamin’izy ireo.
Nanomboka tamin’ny hira ny fandaharana. Taorian’izany, dia tohina lalina ny mpanatrika rehetra rehefa nanolotra ny vavaka fanombohana i Frederick W. Franz, 97 taona, prezidàn’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower. Avy eo, taorian’ny fanamarihana fampidiran-dresaka nataon’ny mpitari-draharaha, ireo nahazo diplaoma rehetra sy ny mpanatrika rehetra, dia nihaino tamim-pahalianana fitohitohizan-dahateny fohy sady azo ampiharina.
I Max H. Larson, anisan’ny Komitin’ny fanontam-pirinty, no niteny voalohany, tamin’ilay foto-kevitra hoe “Mpiara-miasa amin’i Jehovah”. Rehefa avy nanintona ny saina ho amin’ny sambofiara fiarovana namboarin’i Noa sy ny fianakaviany izy, dia niteny hoe: ‘Ankehitriny i Jehovah dia eo am-panangonana fianakaviana iraisam-pirenena iray an-tapitrisany maro, ary mikasa ny hitsimbina an’io fianakaviambe io amin’ny fahoriana lehibe.’ Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ny sambofiara maoderina, dia ny paradisa ara-panahy! ‘Ianareo’, hoy izy nampahatsiahy ireo vao nahazo diplaoma, ‘dia ho any amin’ny faritra maro samihafa manerana ny tany, izay hiarahanareo miasa amin’i Jehovah eo amin’ny fanorenana ny sambofiara maoderina’. Ho fampiomanana azy ireo ny amin’izay miandry azy, dia nilaza toy izao izy: ‘Mitaky fiezahana avy aminareo izany. Mitaky faharetana izany. Ho tojo vato misakana ianareo. Eo no hilanareo ny fahakingana azonareo tamin’ny fampiofanana nomena anareo.’
I Daniel Sydlik, mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe, dia nitsidika vao haingana ireo misionera hatramin’ny ela any Japana sy Costa Rica. Raha namelabelatra ny foto-kevitra hoe “Fomba fiaina andraisana valisoa ny anareo” izy, dia nanome fanipazan-kevitra mahasoa vitsivitsy nangoniny avy tamin’ireo misionera mahita fahombiazana ireo. Nisy anabavy iray, hoy izy nanazava, nampita taminy torohevitra vitsivitsy toy izao, nomen’ny reniny: ‘Tiavo ny asa fanompoana. Mahaiza mifandray amin’ny olona. Ampiasao ny fiainanao hanaovan-javatra ho an’ny hafa, dia ho fahasambarana ho anao izany.’ Nilaza toy izao ny anabavy hafa iray: ‘Nandritra ny taona maro izahay dia nanjary nahatsapa fa raha tsy manantena be loatra avy amin’ny hafa ny tena dia tsy ho mora diso fanantenana. Na inona na inona fihetsika feno hatsaram-panahy sy fiheverana nasehon’ny hafa dia noraisinay ho zava-dehibe izany.’ Ny fampiharana ny torohevitra azo ampiharina toy izany dia tsy isalasalana fa hanampy ireo nahazo diplaoma mihitsy ho tonga misionera mahomby.
“Aoka ianareo hahari-po amin’ny rehetra”, hoy ny 1 Tesaloniana 5:14, MN. I Leon Weaver, anisan’ny komitin’ny Sampandraharaha momba ny asa no nanazava an’io andinin-teny io rehefa niresaka ny amin’ny foto-kevitra hoe “Aoka ianareo haharitra amin’ny asa rehetra ataonareo”, izy. Iza no tafiditra amin’ny hoe “rehetra” izay tsy maintsy anehoantsika faharetana? Namaly toy izao ny mpandahateny: “Ireo izay ho hitanareo eny amin’ny saha fitoriana. Ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny kongregasionanareo vaovao. Ireo misionera toa anareo. Ireo ao amin’ny sampana. Ny vadinareo. Ny tenanareo.’ Nahoana no tokony hanana faharetana amin’ny asa rehetra ataontsika? ‘Ry rahalahy sy anabavy’, hoy ny mpandahateny nanazava, ‘ny faharetana dia mampihena ny fihenjanana sy ny fanahiana. Ny faharetana dia mahatonga fiadanana. Ny faharetana dia mamelombelona hatrany ny fanantenana. Ny faharetana dia manampy antsika hihazona ny fifaliantsika eo am-panaovana fanompoana.’
I Albert D. Schroeder, mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe sady mpitantsoratra voalohany tao amin’ny Sekolin’i Gileada, no niteny nanaraka izany. Raha niresaka ny amin’ny foto-kevitra hoe “Manaraha hatrany ilay Maodelinareo — Jesosy Kristy” izy, dia nanorina ny famelabelarany tamin’ny Filipiana toko faha-2 [MN]. “Tahirizo ao aminareo izao toe-tsaina izao [“Aoka hosaintsaininareo izao”, fanamarihana ambany pejy] izay tao amin’i Kristy Jesosy koa”, hoy ny andininy faha-5. ‘Izany dia milaza’, hoy ny nohazavain’ny mpandahateny, ‘fa ilaintsika ny manana fisainana voalanjalanja, toy ny nananan’i Jesosy mihitsy fisainana voalanjalanja.’ Nanomboka tamin’ny andininy faha-6 izy manaraka izany ary nanao famakafakana mahaliana iray nampisehoana fa nanome porofo aloha i Paoly fa nanana fandanjalanjana i Jesosy (andininy faha-6-8), ary avy eo dia nanoritra ireo fomba namalian’i Jehovah soa azy noho ny fomba fiainany feno fankatoavana (andininy faha-9-11). ‘Anisan’ny tombontsoanareo’, hoy izy namarana ny teniny, ‘ny mitory an’i Jesosy Kristy Tompo, manampy ny hafa hanana ny toe-tsaina nananany.’
Inona no teny farany nataon’ireo mpampianatra ho an’ireo mpianany? Niresaka ny amin’ny foto-kevitra hoe “Hiaro anao ny fahaiza-misaina” i Jack D. Redford. (Ohabolana 2:10, 11, MN). ‘Koa satria ho any ivelany ianareo izao’, hoy izy nanazava, ‘ny fahasambaranareo dia tsy miankina amin’ny maha-ianareo anareo na izay anananareo na amin’ny nahazoanareo ny diplaoman’i Gileada koa aza. Ny fahasambaranareo dia hiankina amin’ny fomba fisainanareo. Raha mampiasa ny fahaizanareo misaina ianareo ka mampihatra ny fahalalana anananareo, hoy ny nohazavainy, dia ho sambatra.’ Raha nampiseho ny maha-zava-dehibe ny fahaiza-misaina izy dia nanazava hoe: ‘Ny fahasamihafana misy eo amin’ny asa marina sy ny asa tsy marina dia ny fisainana. Izay saininao no mametra ny ataonao.’ Namarana ny teniny tamin’izao teny fampaherezana ho an’ireo mpianatra izao i J. D. Redford: ‘Misy olona maro be tena manam-pahaizana izay mahantra ara-toe-tsaina eo amin’izao tontolo izao, ary misy olona maro be antonontonony eo amin’ny fahaizana izay nanjary kinga ara-toe-tsaina. Ataovy àry izay hananana izany hakingana izany. Aoka ianareo ho vonona hampiasa ny sainareo. Ampiasao ny fahalalanareo. Atreho amim-pahombiazana ireo zava-manahirana. Mahaiza mifanaraka tsara amin’ny olona. Maneke ny manam-pahefana. Aoka ianareo hahita vokatra eo amin’ny asanareo. Miareta eo amin’ny asa nanendrena anareo.’
I Ulysses V. Glass, mpitantsoratra ao amin’ny sekoly, dia nifidy ilay lohahevitra hoe: “Jehovah no manohana antsika”, miorina amin’ny Salamo 37:23, 24. ‘Tsy maintsy midera an’ity kilasy ity aho’, hoy ny nomarihiny, ‘noho ny fahalianany amin’ny fianarana.’ Nampahatsiahy azy ireo ny amin’ny sasantsasany amin’ireo fanampiana nomen’i Jehovah hanohanana azy ireo izy, dia ny Tenin’Andriamanitra, ny mpanompo mahatoky sy malina eo ambany fitarihan’i Jesosy mba hanome fanazavana sy fahatakarana ny Soratra masina, zavatra vita an-tsoratra maro be isan-karazany, fivoriana sy fivoriambe. ‘Ireo fanampiana nampiasainareo tamin’ny fianaranareo’, hoy izy nanohy ny teniny, ‘dia toy ny tehina sy kiady ara-panahy. Mila azy ireo isika ho fanohanana antsika ara-panahy, ary izy ireny koa dia ahafahantsika hiresaka amim-pahefana rehefa mampita ny Tenin’Andriamanitra amin’ny hafa isika.’ Ho famaranana dia nanome izao torohevitra izao ho an’ireo mpianatra izy: “Raha feno fitiavana ny olona ny fonareo, dia hanaiky izany ireo olona tso-po. Hahomby ianareo eo amin’ny fanompoanareo, ary ho fantatrareo fa mitantana anareo i Jehovah.’
Ny mpandahateny farany tamin’ny fandaharana ny maraina dia i Carey W. Barber, anisan’ny Kolejy foibe, izay nifidy ny lohahevitra hoe “Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty hianareo”. Nanazava ny Lioka 13:23, 24 izy ary nanamarika hoe: ‘Maro be ireo maniry ny fitahiana eo amin’ny fiainana, nefa faran’izay vitsy no maniry an-tsitrapo ny hiezaka mafy araka izay ilaina mba hahazoana izany.’ Ahoana ny amintsika? ‘Tsara ny hanontaniantsika tena hoe: “Midika inona ho ahy manokana io fanoharana ny amin’ny varavarana ety io?” ’ Ireo izay tsy mahomby amin’ny fidirana amin’ny varavarana ety dia tsy nahomby, tsy hoe satria tsy ho vita ny manao izany, fa satria tsy maniry an-tsitrapo hanao fiezahana izy. ‘I Jehovah akory tsy mitaky be loatra amintsika’, hoy ny nohazavain’ny mpandahateny. ‘Noho ny fanampian’i Jehovah’, hoy izy namarana ny teniny, ‘dia enga anie isika rehetra mba hanao fiezahana ampy amim-pifaliana mba hisisihana amin’ny varavarana ety idirana ao amin’ny tontolo vaovao misy fiainana mandrakizay, fiadanana, fifaliana, ary fahasambarana, ho voninahitr’i Jehovah mandrakizay!’
Nanaraka izany fanamarihana izany, dia nampita ireo firarian-tsoa voaray avy any amin’ny faritra isan-karazany maneran-tany ny mpitari-draharaha. Tonga izao ny fotoana handraisan’ireo mpianatra ny diplaomany. Avy any amin’ny tany enina ireo mpianatra, avy any Kanada, Finlanda, Alemaina, Grande-Bretagne, Soisa, ary Etazonia. Ny fanendrena azy kosa anefa dia hitondra azy any amin’ny tany toa an’i Arzantinina, Bénin, Bôlivia, Repoblika Dominikana, Papouasie Nouvelle-Guinée, Peroa, St. Lucie, ary Taïwan. Ary nanao ahoana ny fihetseham-pon’ireo nahazo diplaoma tamin’ny andro nizarana izany tamin’izy ireo? Tao amin’ny taratasy iray nanohina ny fo nalefa ho an’ny Kolejy foibe sy ny fianakavian’ny Betela, dia niteny toy izao, ohatra, izy ireo: “Matoky ny fanohanan’ny Kolejy foibe sy ny fianakavian’ny Betela ary ny fandaminan’i Jehovah iray manontolo izahay. Rehefa miatrika fitsapana izahay, dia zavatra ho sarobidy izany fanohanana izany. Velom-pankasitrahana tokoa izahay noho izany.”
Taorian’ny fiatoana, dia nanomboka tamin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nohafohezina, notarihin’i Karl A. Adams, ny fandaharana ny tolakandro. Taorian’izay, ireo mpianatra dia nampiseho an-tsehatra fanandraman-javatra tena nisy ny amin’ny fomba fanohinana ny fo eo amin’ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra. Farany, ny mpanatrika rehetra, anisan’izany ireo nahazo diplaoma mahaforona ny kilasy faha-90, dia nanatrika fampisehoana tantara iray nifanentana nitondra ny lohateny hoe Aoka ianao tsy ho azon’ny tebitebin’ny fiainana, natolotry ny mpitory teo an-toerana.
Niteny ho an’ny rehetra i Karl Klein, mpitari-draharaha, rehefa nilaza toy izao tao amin’ny fanamarihana farany nataony: “Tena nandraisantsika soa tokoa ny nahatongavana teto, tamin’ity andro fahatelo amin’ny volana Martsa 1991 ity!” Nifarana tamin’ny hira famaranana avy eo ilay fandaharana nahafinaritra, narahin’ny vavaka nataon’i Harold J. Dies.
[Efajoro, pejy 9]
Ny antontan’isa momba ilay kilasy
Isan’ny tany niaviany: 6
Isan’ny tany nandefasana azy: 10
Isan’ny mpianatra: 24
Antsalan’ny taonany: 31,2
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fahamarinana: 15
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 11
[Sary, pejy 8]
Ny kilasy faha-90 nahazo diplaoma avy tao amin’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia isaina avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana. 1) Miller, M.; Helenius, S.; Marsh, L.; Kleeman, A.; Loosli, Y.; Nizan, H. 2) Skogen, R.; Nutter, D.; Noack, E.; Diehl, L.; Hair, J. 3) Marsh, C.; Helenius, H.; Loosli, M.; Danio, A.; Danio, A.; Nizan, D. 4) Miller, L.; Noack, J.; Hair, L.; Kleeman, W.; Skogen, D.; Diehl, S.; Nutter, W.