Ry tanora kristiana — Miorena mafy amin’ny finoana
“TSY maintsy tonga daholo ny rehetra.” Toy izany ilay filazana. Tsy maintsy tonga ao amin’ny fivoriambe iray hatao ao amin’ilay efitrano ny mpianatra rehetra ao amin’ny sekoly iray any Japana. Tsy niombon-kevitra tamin’ny fiheverana sasany naseho tao amin’ny hira fanevan’ny sekoly ny mpianatra tanora kristiana iray. “Fantatro”, hoy izy nieritreritra, “fa hatao ao ilay hira fanevan’ny sekoly. Nefa tsy hahita fahasahiranana mihitsy aho. Hipetraka any aoriana toy ny mahazatra fotsiny aho.”
Rehefa niditra tao amin’ilay efitrano anefa ilay tanora Vavolombelon’i Jehovah, dia nahita fa efa nameno ny laharan-tseza tany aoriana avokoa ny mpampianatra sy ny mpandraharaha rehetra. Noho izany, dia voatery nipetraka teo anoloan’izy ireo izy. Nony nitsangana hanao ilay hira fanevan’ny sekoly ny mpianatra hafa, dia nijanona nipetraka tamim-panajana izy. Nisafoaka noho izany anefa ireo mpampianatra. Nanandrana nanery azy hitsangana izy ireo. Afaka maka sary an-tsaina ny tenanao ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany ve ianao? Inona no ho nataonao?
Ny antony ilàna finoana matanjaka
Hahafinaritra raha tsy mila vaniny amin’ny kristiana ny olona ka mamela azy ireo hiaina mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly. Matetika anefa dia voatery miatrika tarehin-javatra feno fanerena ny kristiana. Tsy tokony hanaitra antsika izany satria i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra mihitsy, no niteny hoe: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20). Ankoatra ireo fanenjehana an-karihary, dia miatrika fisedrana ny finoana hafa isan-karazany koa ny mpanompon’i Jehovah.
Mila finoana matanjaka mandrakariva ny tanora kristiana mba hiatrehana ireo fitsapana mianjady aminy any an-tsekoly. Mety ho voatery hifanerasera amina mpiara-mianatra mampiasa fiteny vetaveta na manana fihetsika manala baraka an’Andriamanitra izy ireny. Mety ho tojo fanantitranterana mitombo ny amin’ny fanindrahindram-pirenena na fanerena hiditra ao amina fikambanana, na politika ampiharina any an-tsekoly, na asa hafa mety hanimba ny fiainany ara-panahy, ny tanora kristiana. Mety hanandrana hanery ny tanora kristiana hanaiky lembenana ny mpampianatra na ny mpianatra namany. Noho izany, ny tanora tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy miantehitra amin’ny fanahin’i Jehovah mba hananana ny finoana ilaina hanomezana fanambarana mazava ny amin’ny fanantenany. — Matio 10:19, 20; Galatiana 5:22, 23.
‘Aoka ianao ho vonona hanao fiarovana’
Sahaza ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe kristiana ity torohevitry ny apostoly Petera ity: “Ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.” (1 Petera 3:15). Inona no ilaina mba hahavonona ny tena hamaly toy izany? Voalohany indrindra, dia tsy maintsy mahatakatra izay ampianarin’ny Soratra masina ianao. Mba hitanana fihetsika hentitra any an-tsekoly raha ny amin’ny raharaha toy ny fanindrahindram-pirenena na politika na fanaranam-po amin’ny zava-mahadomelina na fitondrantena, dia tsy maintsy mahatakatra ny anton’ny toerana tanan’ny kristiana sy tsy maintsy mino izany amim-pahatsorana aloha ianao.
Niteny toy izao tamin’ireo kristiana namany, ohatra, ny apostoly Paoly: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:33). Ekenao ve izany? Araka ny notondroin’i Paoly, dia mora foana ny hahavoafitaka raha ny amin’ny fifaneraserana. Mety hiseho ho sakaiza sy mahafinaritra ny olona iray. Nefa raha tsy miombon-kevitra aminao izy eo amin’ny fiahiana ny asan’i Jehovah na ny finoana ireo fampanantenan’ny Baiboly mihitsy aza, dia naman-dratsy izy izay. Nahoana? Satria miorina amin’ny fotopoto-pitsipika hafa ny fiainany ary ireo zavatra tena lehibe amin’ny kristiana iray dia mety ho tsy dia zava-dehibe loatra aminy.
Tsy mahagaga izany satria niteny toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Tsy afaka ny ho kristiana marina ny olona iray sady ho anisan’ity tontolo ity izay manana an’i Satana ho andriamaniny. (2 Korintiana 4:4). Hitanao ve hoe amin’ny ahoana ny fisarahana toy izany amin’izao tontolo izao no miaro ny kristiana iray amin’ny fahasimbana sy ny fifandrafiana mampahory olona maro be aoka izany amin’izao andro izao? Raha izany àry no izy, dia afaka mahatakatra ny antony tsy maintsy hitananao izany fisarahana izany ianao, na dia milaza tsy fahafahanao mandray anjara amin’ny asa sasany any an-tsekoly aza izany.a
Nasehon’izay nitranga tamin’ny zazavavy tanora kristiana iray ny maha-zava-dehibe ny hiorenana mafy amin’ny finoana sy ny hametrahana ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana. (Matio 6:33). Rehefa nampahafantarina ny fotoana fanaovana famerenana ny fety fanomezana diplaoma, dia hitany fa nifanindry tamin’ny fotoana hanaovana ny fivoriamben’ny fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah efa nokasainy hatrehina izany. Nanoratra taratasy feno fanajana nanazava ny antony tsy hahatongavany amin’ny fanaovana famerenana izy ary nanome izany ny mpampianatra azy talohan’ny nanombohan’ny fampianarana. Rehefa nirava, dia niantso azy hiresaka aminy manokana ilay mpampianatra, ary nangataka azy hanazava indray ny antony tsy hahatongavany amin’ny fanaovana famerenana. Hoy ilay zazavavy: “Tiany ho hita raha tsy niova ny teniko. Moa ve hevitro izany sa kosa mirakitra fotsiny ny hevitry ny reniko ilay taratasy? Rehefa nahita ny fiekeko manokana ny amin’ilay raharaha izy dia tsy nanohitra ahy.”
‘Manaova fiarovana eo anatrehan’ny rehetra’
Tsapan’ny tanora kristiana fa raha mampahafantatra mazava ny toerana tanany amin’ireo mpampianatra sy mpandraharaha ary amin’ireo mpianatra izy alohan’ny hitrangan’ny fanontaniana lehibe iray, dia tsy lehibe loatra ny fanerena rehefa misy zava-manahirana tsy maintsy hatrehina. Mitantara ny tanora kristiana japone iray fa fony izy 11 taona, dia nitaky ny hanatrehan’ny mpianatra rehetra fankalazana ny noely ilay sekoly nianarany. Nanery azy handray anjara ireo mpianatra tao amin’ny kilasy ambony kokoa, nefa tsy tonga izy, ary nahatakatra ny toerana tanany ilay mpampianatra azy. Nahoana? Satria tany amin’ny fanombohan’ny taom-pianarana tany ho any, dia nanatona ny mpampianatra ilay Vavolombelona sy ny ray aman-dreniny ary nanazava lafiny maro isan-karazany amin’ny toerana tanany amin’ny maha-kristiana.
Na dia rehefa manao ny asa fitoriana aza ny tanora kristiana sasany dia matahotra ny hifanena amin’ny mpiray kilasy aminy na ny mpampianatra. Mahatsapa ho toy izany ve ianao? Raha izany no izy, nahoana no tsy manao ny dingana voalohany ka mamela ireo mpiray kilasy aminao hahafantatra fa mitory isan-trano ianao, sy ny antony anaovanao toy izany? Nitantara toy izao ny Vavolombelon’i Jehovah iray 14 taona: “Mahafantatra ny toerana tanako amin’ny maha-kristiana daholo ny ao am-pianarana. Eny tokoa, fantatr’izy ireo tsara mihitsy izany, hany ka rehefa tojo mpiray kilasy aho eny am-panaovana fanompoana dia tsy mahatsapa ho sanganehana. Mazàna no mihaino ireo mpiara-mianatra, ary imbetsaka izy ireny no mandray zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly.” Mitantara ny zatovolahy iray 12 taona fa tsy andriny izay hahitana mpiray kilasy aminy rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana izy. Tsy mba matahotra izy rehefa mieritreritra an’izany, fa mamerimberina tsy tapaka kosa izay zavatra holazainy rehefa mitranga izany. Araka izany, dia vonona izy ny hanome antony marim-pototra ny amin’ny zavatra inoany.
Any amin’ny sekoly maro be, dia voalaza fa raharaha miankina amin’ny safidy ireo zavatra atao ivelan’ny sekoly. Nefa raha ny marina, dia manao fanerena lehibe amin’ny isam-batan’olona mba handray anjara amin’izany ireo mpampianatra sy mpianatra. Nahita fomba tsara iray hiatrehana izany fanerena izany ny kristiana iray 20 taona. Hoy izy hoe: “Nanompo tamin’ny naha-mpitory maharitra mpanampy aho nandritra ny nianarako tany amin’ny lise. Nahafantatra avokoa ny rehetra fa voatana aoka izany tamin’ny fanaovana ny asako ara-pivavahana aho ka tsy afaka niaraka tamin’izy ireo nanao zavatra hafa.” Nanao toy izany koa ny zandrivavin’io Vavolombelona io. Ny tanora kristiana sasany avy nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy nandritra ny taom-pianarana, dia manao avy hatrany ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana manontolo andro rehefa vita ny fianarany.
Aza hadinoina na oviana na oviana ny vokany tsara azo avy amin’ny fitondrantena tsara dia tsara anananao sy ny fanambarana amin-kerim-po ataonao. Toy izay hijanona hangina fotsiny, nahoana no tsy aseho fa miorina mafy amin’ny finoana ianao amin’ny firesahana amim-panajana nefa amim-pahasahiana? Toy izany no nataon’ny zazavavy isiraelita iray izay nentina ho babo ary tonga mpanompon’i Namana, jeneraly syriana. (2 Mpanjaka 5:2-4). Noderaina ny anaran’i Jehovah noho ny fahaiza-mitari-javatra nataon’io zatovovavy io. Ny fanananao finoana sahala amin’izany koa dia hanome voninahitra an’Andriamanitra ary mety hanampy ny hafa hitana ny toerany amin’ny maha-mpidera ny anarany azy ireo.
Ny zava-misy dia hoe tsy azontsika atao ny sady hanaiky lembenana raha ny amin’ny finoantsika no mbola hitoetra ho kristiana. Niteny toy izao i Jesosy: “Na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handa Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.” (Matio 10:32, 33). Andraikitra lehibe ny hoe mafy orina amin’ny finoana amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy, sa tsy izany?
Fanampiana mety ho azo
Mba hitanana toerana hentitra amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah, dia mila finoana matanjaka ianao. Mba hananana izany, dia tsy maintsy mianatra amim-paharisihana ny Baiboly sy manatrika ireo fivoriana kristiana ary manao ny asa fanompoana ianao. Raha mbola mahatsapa ianao fa misy zavatra tsy ampy, inona no azonao atao? Niteny toy izao i Jakoba mpianatra: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5). Resaho amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka ny zava-manahirana anao; afaka hanatanjaka anao mba hiatrika ireo fitsapana na fisedrana ny finoanao izy.
Inona koa no azon’ny tanora kristiana iray atao? Hoy ny bokin’ny Ohabolana amintsika: “Maneke ny rainao izay niteraka anao, ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” (Ohabolana 23:22). Nanohana an’io torohevitra io ny apostoly Paoly satria niteny toy izao izy: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” (Kolosiana 3:20). Afaka manampy anao hiorina mafy amin’ny finoana ny ray aman-dreny kristiana. Henoy ny fanoloran-kevitra ataon’izy ireo. Amin’ny fanampian’izy ireo, dia jereo ny Soratra masina sy ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly hitadiavana hevitra sy torohevitra ary fanandraman-javatra. Samy ho faly ianao sy ny ray aman-dreninao amin’izany, ary hanampy anao handresy ny hasarotan-kenatra na ny tahotra izany. — 2 Timoty 1:7.
Hararaoty amin’ny fomba feno ireo fandaharana nataon’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny kongregasiona kristiana. Manaova fiomanana tsara ho amin’ireo fivoriana. Miresaha amin’ireo loholona voatendry sy ny hafa izay efa nandalo zavatra mitovy amin’izay atrehinao ankehitriny. Niteny toy izao i Solomona: “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara.” (Ohabolana 1:5). Mianara àry avy amin’ireny olona be taona kokoa ireny. Azonao atao koa ny mianatra avy amin’ireo tanora kristiana miatrika amim-pahombiazana ireo zava-manahirana sahala amin’ny anao.
Mitondra fitahiana ny fahatokiana
Amin’ny fiorenana mafy amin’ny finoana, dia hampihatra ny torohevitr’i Paoly ny amin’ny mba ‘hiorenana tsara, tsy hiovana, hahefana be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’, ianao. (1 Korintiana 15:58). Fantatr’i Jehovah ary takany ny zava-manahirana atrehinao. Efa nanatanjaka olona maro be niatrika fahasahiranana mitovy amin’izany izy, ary hanatanjaka anao koa. Raha miantehitra amin’Andriamanitra ianao, dia hanohana anao izy satria hoy ny mpanao salamo: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” — Salamo 55:22.
Nanoratra toy izao i Petera: “Manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy.” (1 Petera 3:16). Raha toa ianao ka tsy mety manaiky lembenana raha ny amin’ny lalàna sy fotopoto-pitsipika marin’Andriamanitra, dia hanana fieritreretana madio, izay tena fitahiana avy amin’i Jehovah tokoa. Ambonin’izany, dia hanome ohatra tsara ho an’ireo tanora kristiana mety hanana finoana malemy ianao. (1 Timoty 4:15, 16). Mety hampirisika azy ireo hanao fiezahana mba hahatongavana ho mafy orina amin’ny finoana ny fitondrantenanao, ka amin’izay izy dia ho afaka hiaritra ireo fitsapana.
Azonao atao aza ny manampy ireo izay manohitra any am-boalohany ny toerana tananao amin’ny maha-kristiana. Tadidio izao teny ara-tsindrimandry mameno fanantenana izao: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.” (Mpitoriteny 11:6). Iza no mahafantatra izay vokatra tsara ho azo avy amin’ny famafazanao voa tsara amin’ny alalan’ny asa feno fahatokiana ataonao?
Anisan’ireo fitahiana lehibe indrindra hojinjainao ny fananana hatrany ny fankasitrahan’i Jehovah. Farany, ny fiorenana mafy amin’ny finoana dia hiafara amin’ny fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3; ampitahao amin’ny Jakoba 1:12.) Tsy misy fahafahana vetivety avy amin’ny fitsapana azo noho ny fanekena lembenana mendrika ny hamoizana io fanomezana io.
Ahoana ny amin’ilay tanora noresahina teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity? Niaritra ny fitsapana azy izy. Rehefa vita ny fivoriamben’ny sekoly, dia niezaka tamim-pahaiza-mandanjalanja izy nanazava ny toerana tanany tamin’ireo mpampianatra. Na dia niresaka tamin’ny olona tsy nanaiky ny teniny aza izy, dia afa-po tamin’ny fahafantarana fa nampifaly ny fon’i Jehovah. (Ohabolana 27:11). Nanohy niaro ny finoany izy mandra-pahavitan’ny fianarana nataony. Avy eo izy dia tonga mpitory maharitra. Enga anie ny fiaretanao amim-pahatokiana hahita fiafarana mahasambatra sahala amin’izany. Ho to izany raha mampiseho ianao fa miorina mafy amin’ny finoana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana momba izany sy momba ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly hafa, dia jereo ilay boky hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 25]
FANAMPIANA METY HO AZO
◻ Henoy ny fahendren’ireo ray aman-dreninao matahotra an’Andriamanitra.
◻ Hararaoty ireo fandaharana ara-panahy ao amin’ny kongregasiona kristiana.
◻ Miresaha amin’ireo loholona voatendry sy ny hafa izay mety ho efa nahita zava-manahirana sahala amin’ny anao.
◻ Miresaha amin’ireo tanora kristiana hafa izay miatrika amim-pahombiazana ny vato misakana mitovy amin’izany.