Aoka isika hibanjina mihoatra noho ny “Fiadanana sy filaminana” aorin’olombelona
Ny marina dia hoe: tsy afaka hitondra na oviana na oviana fiadanana marina sy maharitra ny olombelona. Nahoana? Satria tsy ny olombelona no tena tsy mpandala fiadanana, na dia miray petsapetsa amin’ny heloka nandritra ny tantarany voapentin’ny ra aza izy. Mahery kokoa noho ny olombelona ilay tena tsy mpandala fiadanana. Tsy iza izy io fa i Satana Devoly, izay lazalazain’ny Baiboly ho “mamitaka ny tany onenana manontolo”. — Apokalypsy 12:9, MN.
HOY ny Baiboly hoe: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy [Satana] avokoa.” (1 Jaona 5:19). Noho izany, ny fanatratrarana ny tena fiadanana sy ny filaminana maharitra dia tsy maintsy mahafaoka ny fanesorana an’i Satana tsy ho eo amin’ny sehatra, miaraka amin’ny fandehan-javatra maneran-tany naoriny sy feheziny an-karihary. (Ampitahao amin’ny Isaia 48:22; Romana 16:20.) Tsy afaka manao izany ny olombelona.
Ahoana àry no mety hahatongavana amin’ny fiadanana sy filaminana? Noho ny herin’Ilay matanjaka lavitra noho i Satana. Andriamanitra Tsitoha dia nanome fe-potoana ho an’ny asan’i Satana eo amin’ny taranak’olombelona. Rehefa migadona io fe-potoana io, dia hihatra amin’izao tontolo izao eo ambany fahefan’i Satana ny “fandringanana tampoka”. (1 Tesaloniana 5:3-7). Ny porofo rehetra dia mitondra ho amin’ny fanatsoahan-kevitra fa hitranga tsy ho ela izany.
Fiadanana sy filaminana dieny izao!
Ahoana anefa ny amin’ny ankehitriny? Mety hisy ny fari-piadanana sy filaminana marina na dia amin’izao andro izao aza. Amin’ny fomba ahoana? Tsy toy izay nandraman’ny filoha ara-pivavahana maro be tamin’ny fitsabahana amin’ireo politikan’ity tontolo ity akory, fa amin’ny fanarahana ireo didy sy torohevitr’Andriamanitra kosa.
Tena nitondra fiadanana tokoa ve ny fomba fanaovan-javatra toy izany? Eny, izany tokoa. Ohatra, nanandrana izany ny Vavolombelon’i Jehovah ary nahita fa tena azo atao ny manana ny fiadanana marina sy fari-pilaminana. Ny fanarahana ireo didin’Andriamanitra aharihary ao amin’ny Baiboly dia namela azy ireo ho tafaraka amin’ny maha-fandaminana iraisam-pirenena iray ao anatin’ny tena fiadanana na inona na inona volon-kodiny, na fireneny, na fiteniny. — Salamo 133:1.
Amin’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, amin’ny heviny ara-panoharana dia efa ‘nanefy ny sabany ho fangady izy ireo ary tsy nianatra ady intsony’. (Isaia 2:2-4). Mahatsapa fiarovana ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra izy ireo ary matoky fa miahy azy ireo rahalahiny ara-panahy. (Romana 8:28, 35-39; Filipiana 4:7). Raha misalasala ny amin’ny fahamarinan’izany ianao, dia manasa anao izahay hitsidika azy ireo any amin’ny iray amin’ireo Efitrano Fanjakanany ary ny tenanao mihitsy no aoka hijery.
Fiadanana sy filaminana haneran-tany
Izany anefa akory tsy ny fahatanterahana faran’ny fampanantenan’ny Baiboly fiadanana sy filaminana marina. Tsy izany velively! Vao taratr’izay ho endrik’ity tontolo ity fotsiny izany rehefa ho nanaraka ireo lalàn’Andriamanitra ny rehetra. Tsy ho ela dia ho tonga zavatra tena hisy izany taratra izany.
Hoy ny apostoly Paoly hoe: “Na rahoviana na rahoviana izy ireo [ireo tsy manompo an’Andriamanitra] no miteny hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, [mihevitra fa nahatondra fiadanana sy filaminana araka izay fomba hitan’ny tenany ihany tamin’ny farany] avy eo ny fandringanana tampoka dia tsy maintsy hihatra aminy avy hatrany.” (1 Tesaloniana 5:3, NW). Hahariharin’Andriamanitra fa ampy ny fotoana namitahan’i Satana ny taranak’olombelona. Izay no ho fotoana hanesorany azy tsy ho eo amin’ny sehatra, miaraka amin’ny fandehan-javatra simba maneran-tany eo ambany fahefany. Izay no ho fotoana hanatanterahana ity faminanian’i Daniela ity: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.
Moa ve izany ho fanaovan-javatra tsy ara-drariny avy amin’Andriamanitra? Tsy izany mihitsy. Ny fandringanana tampoka dia hihatra amin’ireo izay mendrika izany ihany, araka ny didim-pitsaran’Andriamanitra sy ireo fari-pitsipik’Andriamanitra. Moa ve ianao matoky ny Mpamorona fa hanapa-kevitra ara-drariny ny amin’izany raharaha izany? Azo antoka fa afaka mametraka ilay raharaha eo am-pelatanany amim-patokiana isika! Ary inona no ho vokatry ny asa fitsarany? Milaza toy izao ny ohabolana: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany.” (Ohabolana 2:21, 22). Hisy halahelo ny fahaverezan’ny ratsy fanahy ve?
Rehefa hofongorana ireo tsy mpandala fiadanana, dia fiadanana sy filaminana marina no ho anjaran’ny taranak’olombelona manerana ny tany eo ambany fanapahana feno fahasoavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. “Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9). Mino an’io fampanantenan’ny Baiboly io ve ianao? Moa ve ianao matoky fa hitranga tsy ho ela izany zavatra izany? Raha manana fisalasalana ianao, dia mampirisika anao izahay handinika misimisy kokoa ilay raharaha. Raha ny marina, dia ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra no hany fomba hahatratraran’ny olombelona ny zava-kendreny hatry ny ela momba ny tena fiadanana sy ny filaminana marina.
[Sary, pejy 8]
Manana fiadanana marina sy fari-pilaminana tsara ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao.