Aza Diso ny Zava-kendren’ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra
‘Izay itoeran’ny fanahin’i Jehovah no itoeran’ny fahafahana.’ — 2 KORINTIANA 3:17, NW.
1. Nahoana ny Isaia 65:13, 14 no mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
JEHOVAH no Andriamanitry ny fahafahana. Ary fitahiana toy inona moa ny fahafahana avy amin’Andriamanitra! Satria manana izany fahafahana izany ireo mpanompony nanolo-tena, dia mihatra amin’izy ireo ireto tenin’i Jehovah Tompom-piandrianana ireto: “Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena; indro, ny mpanompoko hisotro, fa hianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa hianareo kosa ho menatra; indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa hianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.” — Isaia 65:13, 14.
2. Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no manana fanambinana ara-panahy?
2 Ao anatin’izany toe-piainana feno fanambinana ara-panahy izany ny vahoakan’Andriamanitra satria tarihin’ny fanahiny, na heriny miasa, izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Tompo [Jehovah, MN] izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo [Jehovah, MN] no itoeran’ny fahafahana.” (2 Korintiana 3:17). Inona no zava-kendren’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra? Ary inona no takina amintsika mba hampiasana azy io amin’ny fomba feno?
Ny fahafahana ananan’Andriamanitra
3. Karazana fahafahana manao ahoana no ananan’Andriamanitra, ary nahoana?
3 Jehovah irery ihany no manana fahafahana feno. Tsy misy na dia iray aza amin’ireo zavaboariny afaka mametra ny fahafahany satria izy no Andriamanitra Tsitoha sady Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao. Araka ny nolazain’i Joba, lehilahy nahatoky, dia “iza moa no afaka hanohitra azy? Iza no hilaza aminy hoe: ‘Inona no ataonao?’ ” (Joba 9:12, MN). Toy izany koa, i Nebokadnezara mpanjaka babyloniana dia voatery niaiky hoe: “Tsy misy mahasakana [an’Andriamanitra], na manao aminy hoe: Inona no ataonao?” — Daniela 4:32 [4:35, MN].
4. Amin’ny ahoana no hoe mametra ny fahafahany i Jehovah?
4 Ireo fotopoto-pitsipika marin’ny tenan’i Jehovah ihany anefa dia mametra izany fahafahana feno izany. Izany dia naseho an’ohatra fony i Abrahama nampiseho ny fanahiany ny amin’ireo mponina tany Sodoma ka nanontany hoe: “Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” Ny valintenin’Andriamanitra dia mampiseho fa manaiky ny andraikitra hanao izay marina izy. Tsy ho nandringana an’i Sodoma izy raha toa ka mbola nisy mponina marina tao. (Genesisy 18:22-33). Mametra ny fahafahany koa Andriamanitra satria ny fitiavany sy ny fahendreny dia mahatonga azy ho tsy mora tezitra sady maneho fifehezan-tena izy. — Isaia 42:14, MN.
Ireo faritra mametra ny fahafahan’ny olombelona
5. Lafin-javatra sasantsasany inona avy no mametra ny fahafahan’ny olombelona?
5 Na dia manana fahafahana feno aza i Jehovah, ny hafa rehetra dia manao zavatra ao anatin’ireo faritra mametra azy ireo noho ny maha-izy azy, ny fahaizany ary ny fonenana misy azy ary koa ny lafin-javatra toy ny hafohin’ny fiainan’ny olombelona mpanota voafetra ankehitriny. Andriamanitra dia namorona ny olombelona hanana fahafahana tanteraka hanao zavatra tao anatin’ny fonenana noferan’i Jehovah ho azy. Misy antony maro hafa koa maha-voafetra, fa tsy feno, ny fahafahan’ny olombelona.
6. Inona no ifandraisan’ny mahatonga antsika hampamoahin’Andriamanitra amin’ny fahafahantsika?
6 Voalohany, ny fahafahan’ny olombelona dia voafetra satria namorona ny olombelona mba hahatanteraka ny zava-kendreny, Andriamanitra. Jehovah dia ‘mendrika ny handray ny fankalazana sy ny voninahitra ary ny hery, satria nahary ny zavatra rehetra izy, ary noho ny sitrapony, dia nisy sy ary izy rehetra.’ (Apokalypsy 4:11, MN). Ny olona àry dia ampamoahin’ny Mpanao azy, izay nanao lalàna ara-drariny natao hifehy ny olona. Teo amin’ny Isiraely fahizay teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia nitaky ny hamonoana ho faty ireo olona niteny ratsy ny anarany na nandika ny lalàna momba ny Sabata, Andriamanitra. (Eksodosy 20:7; 31:14, 15; Levitikosy 24:13-16; Nomery 15:32-36). Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàna aza isika, amin’ny maha-kristiana antsika, dia voafetra ny fahafahantsika satria ampamoahin’i Jehovah, izay Mpitsara antsika, Mpanome lalàna antsika ary Mpanjakantsika, isika. — Isaia 33:22; Romana 14:12.
7, 8. a) Amin’ny ahoana ireo lalàna fizika no mametra ny fahafahan’ny olombelona? b) Lalàna hafa inona avy no mametra ny fahafahantsika olombelona?
7 Faharoa, ny fahafahan’ny olombelona dia voafetra noho ireo lalàna fizikan’Andriamanitra. Noho ny lalàna momba ny herin’ny tany misintona, ohatra, dia tsy afaka mitsambikina avy eny amin’ny tampon’ny trano avo be ka tsy hitondra voka-dratsy na fahafatesana ho an’ny tenany, ny olona iray. Mazava fa mametra ny fahafahan’ny olona hanao zavatra sasantsasany ireo lalàna fizikan’Andriamanitra.
8 Fahatelo, ny fahafahan’ny olombelona dia voafetra noho ireo lalàna ara-pitondrantenan’Andriamanitra. Azo inoana fa efa nahamarika ny fahatanterahan’izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny Galatiana 6:7, 8 ianao, manao hoe: “Izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.” Tsy azo lavina fa mametra ny fahafahantsika ireo lalàna ara-pitondrantenan’i Jehovah Andriamanitra, nefa takina amintsika ny fankatoavana azy ireo mba hahazoana fiainana.
9. Amin’ny ahoana ny maha-anisan’ny fitambaran’olona antsika no mametra ny fahafahantsika?
9 Fahefatra, ny fahafahan’ny olona dia voafetra satria anisan’ny fitambaran’olona izy. Noho izany, dia tokony hanana fahafahana izy, kanefa hatramin’ny fetra tsy hanelingelenany tsy araka ny rariny ny fahafahan’ny hafa ihany. Tsy maintsy manaiky “ireo manam-pahefana ambony” ao amin’ny fitondram-panjakana ny kristiana, ka hankatò azy ireo raha mbola tsy mitaky ny handikantsika ireo lalàn’Andriamanitra koa izy ireo. (Romana 13:1, MN; Asan’ny apostoly 5:29). Tokony hankatò ireo lalàna mikasika ny fandoavana hetra, ny hafainganam-pandeha itondrantsika ny fiarakodia iray, sy ny sisa, isika, ohatra. Ny tsy maintsy ankatoavantsika ireny lalàn’i “Kaisara” ireny dia porofo fanampiny mampiseho fa tsy feno ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika. — Marka 12:17; Romana 13:7.
Nahoana no fahafahana voafetra?
10, 11. Nahoana i Jehovah no nanome fahafahana voafetra ho an’ny olombelona?
10 Nahoana Andriamanitra no nanome ny olombelona fahafahana voafetra? Ny antony iray dia mba hahafahan’ny Mpamorona hanana zavaboary manan-tsaina eto an-tany izay hanome voninahitra sy fiderana azy amin’ny alalan’ny teny sy ny fitondrantenan’izy ireo tsara dia tsara. Ny olombelona no afaka manao izany, fa tsy ny biby. Ny biby, izay fehezin’ny fanaovan-javatra tsy amim-pisainana (instinct), dia tsy mahafantatra na inona na inona momba ny fitsipi-pitondrantena. Afaka manazatra alika iray tsy haka zavatra iray ianao, nefa tsy afaka mampianatra azy ny maha-ratsy ny mangalatra. Ny biby iray, izay mandeha ho azy avy hatrany toy ny ôrdinatera ny zavatra ataony rehetra, raha azo atao ny milaza izany, dia tsy afaka hanapa-kevitra ny hanome fiderana sy voninahitra an’Andriamanitra, fa ny olona kosa dia afaka mifidy amin-kalalahana ny hanompo ny Mpanao azy noho ny fitiavana sy ny fankasitrahana.
11 Nanome io fahafahana io ho an’ny olombelona koa Andriamanitra mba hahasoa sy hahasambatra azy ireo. Afaka mampiasa ny fahafahany voafetra izy ireo amin’ny fanaovan-javatra sy famoronan-javatra, amin’ny fahavononana hanisy soa ny hafa sy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny hafa. Manana fahafahana hisafidy koa ny olombelona raha ny amin’ny raharaha toy ny asa fivelomana sy ny toerana onenana. Amin’izao andro izao, ireo lafin-javatra ara-toekarena sy ara-politika mazàna dia mametra ny fahafahan’ny olona hanao safidy, nefa izany dia mety ho noho ny faniriana mihoa-pampan’ny olombelona, fa tsy noho ny fomba namoronan’Andriamanitra ny olombelona tany am-boalohany akory.
12. Nahoana ny ankamaroan’ny taranak’olombelona no ao anatin’ny fanandevozana?
12 Na dia nanome fahafahana lehibe ho an’ny olombelona aza i Jehovah, ny ankamaroan’izy ireo amin’izao andro izao dia ao anatin’ny fanandevozana mahakivy. Inona no nitranga? Diso ny zava-kendren’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra i Adama sy Eva, ireo mpivady olombelona voalohany. Nihoatra ny fetra nomen’Andriamanitra ny fahafahany izy ireo ary nihaika ny zon’i Jehovah hanapaka teo aminy, tamin’ny naha-Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao azy. (Genesisy 3:1-7; Jeremia 10:10; 50:31, MN). Tsy nianina tamin’ny fampiasana ny fahafahany mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, fa nampiasa azy io tamim-pitiavan-tena, mba hanapahan-kevitra tsy tamim-piankinana ny amin’izay tsara sy izay ratsy, ka tamin’izany dia nanaraka an’i Satana tamin’ny fikomiany tamin’i Jehovah. Tsy nahazo fahafahana betsaka kokoa anefa i Adama sy i Eva nanota, fa nanjary niharan’ny fameperana sy fanandevozana feno fisedrana, fihenan’ny fahafahany ary farany dia fahafatesana. Nandova io famoizana ny fahafahana io ny taranak’izy ireo. “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” “Fahafatesana no tambin’ny ota.” — Romana 3:23; 5:12; 6:23.
13. Nahoana i Satana no afaka nanandevo ny olombelona?
13 Noho ny fikomiana tany Edena, dia nanjary andevon’i Satana Devoly koa i Adama sy i Eva ary ny taranany. Tena ‘mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa tokoa izao tontolo izao’! (1 Jaona 5:19). Noho ny heriny sy fahaizany ambony lavitra no nahafahan’i Satana namitaka sy nanandevo ny taranak’olombelona tafasaraka tamin’Andriamanitra rehetra. Ambonin’izany, dia nisy olona tia tena nanapaka teo amin’ny namany ka nampiditra loza taminy. (Mpitoriteny 8:9). Noho izany, ny taranak’olombelona amin’ny ankapobeny ankehitriny dia eo ambanin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana, ny fanandevozan’i Satana sy ireo demoniany ary ny fanandevozan’ny fandehan-javatra ara-politika sy ara-toekarena ary ara-pivavahana eo amin’izao tontolo izao.
Natao hety ny tena fahafahana
14. Mifamatotra akaiky amin’inona ny fanantenana ny tena fahafahana?
14 Ny fahazoana fahafahana avy amin’ny fahotana, ny fahafatesana ary ny Devoly sy ny tontolony dia mifamatotra akaiky amin’ny fahatapahan-kevitr’Andriamanitra handamina ilay raharaha momba ny zony amin’ny maha-Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao azy. Satria nampipoitra io raharaha io i Satana, dia nampaharitra azy i Jehovah, tsy misy hafa amin’ny nampaharetany an’i Farao nandritra ny fotoana kelikely. Izany dia mba hahafahan’i Jehovah hanaporofo amin’ny fomba feno ny heriny ary koa mba hanambarana ny anarany any amin’ny tany rehetra. (Eksodosy 9:15, 16). Tsy ho ela Andriamanitra dia hanamarina ny tenany amin’ny maha-Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao azy ary hanamasina ny anarany masina amin’ny fanesorana ny fahafaham-baraka nentin’ny fikomian’i Satana, i Adama ary i Eva, taminy. Noho izany, ireo matahotra an’i Jehovah dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana ary hampidirina ao amin’ny tontolo vaovao iray hanjakan’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra. — Romana 8:19-23.
15. Inona no anjara asan’i Jesosy eo amin’ny famerenana ny fahafahana amin’ny taranak’olombelona?
15 Mba hamerenana ny fahafahana amin’ny taranak’olombelona, dia naniraka ny Zanany ho olombelona tetỳ an-tany Andriamanitra. Tamin’ny fanomezana an-tsitrapo ny ain’olombelona tanteraka nananany, dia nanome ny sorom-panavotana izay ny fototra hanafahana ny taranak’olombelona, i Jesosy Kristy. (Matio 20:28). Nanambara hafatra momba ny fahafahana koa izy. Tany am-piandohan’ny fanompoany, dia nampihatra ireto teny ireto tamin’ny tenany izy: “Ny fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka ahy hahasitrana ny torotoro fo izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava.” — Isaia 61:1; Lioka 4:16-21.
16. Dingana inona avy no tsy maintsy nataon’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany mba hahazoana ny tena fahafahana?
16 Amin’ny fomba ahoana no hahazoan’ny olona izany fahafahana izany? Hoy i Jesosy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Noho izany, dia nanjary nanana fahafahana ara-panahy ireo mpanara-dia an’i Jesosy. (Jaona 8:31, 32, 36). Ankoatra izany, dia nilaza toy izao tamin’i Pontio Pilato, governora romana, i Jesosy: “Izao no nahaterahako, ary izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra miandany amin’ny marina dia mihaino ny feoko.” (Jaona 18:37, MN). Ireo Jiosy nanaiky ny fahamarinana notorin’i Jesosy Kristy sy nasehony tamin’ny ohatra dia nibebaka noho ny fahotany, nanitsy ny lalan-diso narahiny, nanolotra ny tenany ho an’i Jehovah ary natao batisa toa an’i Jesosy. (Matio 3:13-17; Asan’ny apostoly 3:19). Tamin’izany fomba izany izy ireo dia nanjary nanana fahafahana voafetra avy amin’Andriamanitra.
17. Nahoana i Jehovah no nanome fahafahana ny mpanompony?
17 Manome fahafahana an’ireo mpanompony mahatoky i Jehovah ho fanamarinana ny fiandrianan’ny tenany manokana, voalohany indrindra, kanefa mba hitondra fiadanana sy soa ho azy ireo koa. Nanafaka ireo Isiraelita avy tamin’ny fanandevozana egyptiana izy mba hahafahan’izy ireo hankalaza azy amin’ny maha-fanjakà-mpisorona sy vavolombelony azy ireo. (Eksodosy 19:5, 6; Isaia 43:10-12). Toy izany koa fa namoaka ny vahoakany hiala avy tamin’ny fahababoana babyloniana i Jehovah mba hanorina indray ny tempoly ary hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina, voalohany indrindra. (Ezra 1:2-4). Rehefa tsy niraharaha afa-tsy izay nampiadana azy manokana teo amin’ny ara-nofo ireo lasan-ko babo, dia naniraka an’i Hagay sy i Zakaria mpaminaniny i Jehovah mba hampahatsiaro azy ireo ny amin’ny andraikiny teo anatrehan’Andriamanitra. Ny fametrahana ny fahafahany nomen’Andriamanitra azy ireo ho eo amin’ny toerana araka ny tokony ho izy, araka izany, dia nitarika ho amin’ny famitana ilay tempoly ho voninahitr’Andriamanitra, ary ho amin’ny fiadanana sy fahafinaretana ho an’ny vahoakany.
Aoka isika tsy ho diso ny zava-kendren’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra
18. Nahoana no azo lazaina fa tsy diso ny zava-kendren’ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy, ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao?
18 Ahoana ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny? Amin’ny maha-fandaminana, izy ireo dia tsy diso ny zava-kendren’ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy. Tany amin’ireo taona 1870, dia nanomboka nanafa-tena tamin’ireo fahadisoana babyloniana sy nahazo ny fahafahana kristiana, izy ireo. Izany dia nifanaraka tamin’ny Ohabolana 4:18 izay manao hoe: “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” Kanefa, toy ny nitondrana ny vahoakan’Andriamanitra fahizay ho any amin’ny fahababoana babyloniana nandritra ny fotoana kelikely, dia nisy fotoana naha-latsaka tao anatin’ny fanandevozan’i Babylona Lehibe an’ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny 1918. (Apokalypsy 17:1, 2, 5). Niravoravo ireo mpikambana tao amin’io empiran’ny fivavahan-diso io fony niampatra maty tamin’ny heviny ara-panahy ireo “vavolombelona roa” ara-panoharana. Noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory anefa, tamin’ny 1919, dia novelomina indray ireo mpanompony voahosotra, rehefa avy nafahana teo amin’ny lafiny ara-panahy. (Apokalypsy 11:3, 7-11). Nampiasa ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy izy ireo ka nanjary vavolombelona be zotom-po ho an’ny Avo Indrindra. Noho izany, dia tena nety indrindra ny nandraisan’izy ireo tamim-pifaliana ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah! (Isaia 43:10-12). Nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, dia nanjary niaraka tamin’ireo Vavolombelona voahosotra ny “olona betsaka”, izay manantena ny hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany. Ireo koa dia tsy diso ny zava-kendren’ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy. — Apokalypsy 7:9-17.
19, 20. a) Inona no fomba miavaka iray ampiasan’ny vahoakan’i Jehovah tsara ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy? b) Amin’ny fomba miavaka hafa ahoana no ampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsara ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy ireo?
19 Mampiasa tsara amin’ny fomba roa mendrika homarihina indrindra ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy ny vahoakan’i Jehovah. Voalohany aloha, dia mampiasa azy io mba hanarahana fomba fiaina marina sy mahitsy izy ireo. (1 Petera 2:16, MN). Ary laza tsara dia tsara toy inona moa no azon’izy ireo noho izany! Ohatra, nisy lehilahy iray tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana tany Zurich, any Soisa, ary nilaza fa naniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy. Rehefa nanontaniana ny antony izy, dia nilaza fa Vavolombelona ny anabaviny taloha saingy noroahina noho ny fahalotoam-pitondrantena. Hoy izy: ‘Izany no fandaminana tiako hiarahana — fandaminana izay tsy milefitra eo anoloan’ny fitondrantena ratsy.’ Misy antony tsara nanamarihan’ny Nouvelle Encyclopédie catholique fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahazo ny laza ho ny “iray amin’ireo antokon’olona tsara fitondrantena indrindra eto ambonin’ny tany”.
20 Mampiasa ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanatanterahana ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana nanirahana azy hataony, toy ny nataon’i Jesosy. (Matio 4:17). Amin’ny alalan’ny teny am-bava sy ny pejy vita pirinty, ara-potoana sy tsy ara-potoana, dia manambara ny Fanjakan’i Jehovah izy ireo. Amin’ny fanaovana izany, dia mandray soa be dia be ny tenan’izy ireo avy satria manatanjaka ny finoany sy mampamirapiratra ny fanantenany. Ambonin’izany, io asa io dia mahatanteraka ny famonjena ny tenany sy ny an’ireo izay mihaino azy. (1 Timoty 4:16). Momba io asa io, dia hoy ny boky Ireo Fihetsiketsehana ara-pivavahana marisika (anglisy): “Ho sarotra ny hahita mpikambana ao amin’antokon’olona hafa izay miezaka mafy eo amin’ny fivavahany toy ny Vavolombelona.”
21. Inona no porofo fa mitahy ny fanompoan’ny vahoakany i Jehovah?
21 Endrey ny fitahian’i Jehovah antsika eo am-panatontosantsika ny zava-kendren’ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika! Izany dia hita amin’ny filazana asa tamin’ny taon-dasa: nisy tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana maherin’ny efatra tapitrisa mahery, ary maherin’ny folo tapitrisa ireo nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Araka ny tatitra iray, i Irlanda dia nahita tampon’isa 29 nifanarakaraka teo amin’ny isan’ny mpitory isam-bolana; i Meksika nahita tampon’isa 78 tao anatin’ny 80 volana; ary i Japana nahita tampon’isa 140 nisesy!
Ampiasao tsara ny fahafahana nomen’Andriamanitra anao
22. Inona no hevi-dehibe ao amin’ireo fanontaniana mampieritreritra tokony hataontsika amin’ny tenantsika?
22 Raha Vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena ianao, moa ve ianao mampiasa tsara ny fahafahana nomen’Andriamanitra anao? Ho tsara ny hanontanian’ny tsirairay avy amintsika tena toy izao: ‘Moa ve aho mitandrina mba hampiasa ny fahafahana nomen’Andriamanitra ahy mba tsy hanafintohina na iza na iza noho ny fitondrantena ratsy? Moa ve aho mankatò amim-pitandremana tsara ireo lalàn’i Kaisara, nefa mametraka ny lalàn’Andriamanitra amin’ny toerana voalohany? Moa ve aho miara-miasa amin’ny fomba feno amin’ireo loholon’ny kongregasiona? Moa ve aho mampiasa amin’ny fomba feno ny fahafahana nomen’Andriamanitra ahy eo am-pitoriana ny vaovao tsara? Moa ve aho “be zavatra hatao ao amin’ny asan’ny Tompo” foana? Moa ve aho may ny hikatsaka asa tsy ara-pivavahana hataoko antom-piainana nefa afaka ny hampiasa ny fahafahana nomen’Andriamanitra ahy amin’ny fomba tsaratsara kokoa amin’ny fanitarana ny fanompoako, amin’ny fiezahana hahazo andraikitra lehibe kokoa ao amin’ny kongregasiona na eo amin’ny fanompoana manontolo andro?’ — 1 Korintiana 15:58, MN.
23. Inona no tokony hataontsika mba tsy hahatonga antsika ho diso ny zava-kendren’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra?
23 Enga anie isika rehetra ‘hanandrana ka hizaha fa tsara i Jehovah’. (Salamo 34:8). Aoka isika hatoky azy, hitandrina ireo lalàny ary hankalaza ny anarany masina amin’ny fanambarana amin-jotom-po ny Fanjakany. Tadidio fa ireo izay ‘mamafy be dia hijinja be koa.’ (2 Korintiana 9:6). Noho izany, dia aoka isika hanolotra fanompoana an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra ka hampiseho fa tsy diso ny zava-kendren’ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika isika.
Ahoana no Havalinao?
◻ Karazana fahafahana inona no ananan’Andriamanitra?
◻ Inona avy ireo zavatra mametra ny fahafahan’ny olombelona?
◻ Tamin’ny ahoana no nahatonga ny tena fahafahana hety?
◻ Inona no tsy maintsy ataontsika mba tsy ho diso ny zava-kendren’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra isika?
[Sary, pejy 16]
Voafetran’ny lalàna toy ny an’ny herin’ny tany misintona ny fahafahan’ny olombelona