Ady ho An’ny Fahaveloman’ny Baiboly Espaniola
INDRAY andro tamin’ny volana Oktobra 1559, dia nisy Katolika espaniola teo amin’ny 200 000 teo ho eo, nitangorona tany amin’ny tapany avaratry ny tanànan’i Valladolid. Ilay zavatra nanintona dia autodafé iray (fandoroana velona ny olona noho izy tsy nety nanaiky ho Katolika), ka tamin’izay dia “niharam-pahavoazana roa no nodorana velona, ary folo no nokendaina.” “Hérétiques” (olona nolazaina fa niala tamin’ny finoana) izy ireo.
Ny tenan’ilay mpanjaka tanora nalaza, Philippe II, mihitsy no nitari-draharaha tamin’ilay zava-nitranga. Rehefa nitalaho famindram-po ny voaheloka iray, dia namaly tamin’ny fomba henjana ny mpanjaka hoe: “Raha olon-tsy mendrika toa anao izao ny zanako manokana, dia ny tenako mihitsy no hitondra ny fehezan-kitay handoroana azy.” Inona no heloka vitan’ilay niharam-pahavoazana tsy nambinina? Namaky ny Baiboly fotsiny izy.
Tamin’izay fotoana izay ihany, ny fandaminan’ny Inquisition Katolika dia niasa mafy tany amin’ny tanànan’i Séville any Andalousie. Tany, ny antokona moanina tao amin’ny mônasiteran’i San Isidro del Campo, dia vao naharay fandefasana an-tsokosoko ny Baiboly tamin’ny fiteny espaniola. Hisy mpitati-bolana hamadika azy ireo ve? Ny sasany izay nahatakatra fa notandindomin’ny fahafatesana ny tenany, dia nandositra ilay tany. Ny 40 tamin’ireo nijanona anefa dia tsy nambinina kokoa ka nodorana teo amin’ny tsato-kazo, anisan’izany ilay lehilahy nampiditra an-tsokosoko ireo Baiboly tao amin’ilay tany. I Espaina tamin’ny taonjato faha-16 dia toerana nampidi-doza ho an’ireo mpamaky ny Baiboly — vitsy no afa-nandositra ny vahohon’ny Inquisition.
Anisan’ireny afa-nandositra vitsy ireny ny moanina taloha iray, i Casiodoro de Reina (c. 1520-1594). Nandositra nankany Londres izy, kanefa na dia tany aza izy dia tsy afa-doza. Nampanantena valisoa ho an’izay mahasambotra azy ny Inquisition, ary ny ambasadaoron’i Espaina tao amin’ny lapam-panjakana anglisy dia nanao tetika mba hitarihana azy hiverina tany amin’ny faritra nofehezin’i Espaina tamin’ny fomba rehetra. Tao anatin’ny fotoana fohy dia nanery azy handao an’i Angletera ny fiampangana lainga azy ho nanitsakitsa-bady sy nanao sodomia.
Nialokaloka tany Francfort aloha izy, nanana fidiram-bola kely dia kely ary ankohonana hovelomina nitombo isa hatrany. Tatỳ aoriana, ny fitadiavana fialokalofana ara-pivavahana dia nitondra azy tany Frantsa, Holandy, ary farany tany Soisa. Nandritra izany fotoana rehetra izany anefa dia niasa mafy hatrany izy. ‘Raha tsy tamin’ny fotoana naharariako na nanaovako dia lavitra (...) dia tsy niala teny amin’ny tanako ny penina’, hoy ny fanazavany. Nandany taona maro tamin’ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny espaniola izy. Tamin’ny farany, dia kopia 2 600 tamin’ny Baibolin’i Reina no natomboka natonta tany Soisa tamin’ny 1568, ary vita tamin’ny 1569. Endriny iray niavaka tamin’ny fandikan-tenin’i Reina, ny nampiasany ny Iehoua (Jehová) fa tsy Seńor (Tompo) handikana ny Tétragramme, dia ireo litera hebreo efatra amin’ny anarana manokan’Andriamanitra.
Ny Baiboly espaniola teo am-panaovana azy
Mifanohitra amin’ny tokony ho izy, fa tamin’ny fotoana nielezan’ny Baiboly betsaka tany Eorôpa noho ny famoronana ny milina fanontana pirinty, dia nanjary tsy fahita firy izy ireny tany Espaina. Tsy toy izany foana anefa no izy. Nandritra ny taonjato maro dia ny Baiboly no boky niely patrana indrindra tany Espaina. Nisy kopia natao sora-tanana maro tamin’ny fiteny latina, ary nandritra ny taonjato vitsivitsy, dia tamin’ny fiteny gôtika mihitsy aza. Nanazava ny mpanoratra tantara iray fa nandritra ny Moyen-Age, “ny Baiboly — tamin’ny naha-loharanon’ny aingam-panahy sy fahefana azy, tamin’ny naha-fari-pitsipika ho an’ny finoana sy ny fitondrantena azy — dia nisongadina kokoa tany Espaina noho ny tany Alemaina sy Angletera.” Isan-karazany ireo tantara ao amin’ny Baiboly, Salamo, rakibolana fanazavan-teny, tantara ara-pitondrantena sy ny boky toy izany nanjary be mpividy indrindra tamin’izany fotoana izany.
Nisy mpanao kopia za-draharaha nanao kopia tamim-pitandremana fatratra sora-tanana momba ny Baiboly voafantina. Na dia nila mpanao kopia 20 nandritra ny herintaona naninjitra aza ny fanaovana kopia ny sora-tanana loha laharana iray monja, dia nisy Baiboly latina maro sy fanazavana mikasika ny Baiboly latina an’arivony maro niely tany Espaina hatramin’ny taonjato faha-15.
Ankoatra izany, rehefa nanomboka nandroso ny fiteny espaniola, dia taitra ny fahalianana hanana ny Baiboly amin’ny fiteny nahazatra teo an-toerana. Tamin’ny taonjato faha-12, ny Baiboly dia efa voadika tamin’ny fiteny romance na fiteny espaniola tany am-boalohany, fiteny nampiasain’ny sarambambem-bahoaka.
Fifohazana vetivety
Tsy naharitra ela anefa ilay fifohazana. Rehefa nampiasa ny Soratra Masina mba hiarovana izay ninoany ireo Waldensiana sy ny Lollards ary ny Hussites, dia haingana sy nahery vaika ny fihetsika naterak’izany. Nihevitra ny famakiana ny Baiboly ho nampiahiahy ireo manam-pahefana katolika, ary ireo fandikana vaovao tamin’ny fiteny niombonana dia nampangaina teo no ho eo.
Ny Kaonsily katolika tany Toulouse (Frantsa), izay nivory tamin’ny 1229, dia nanambara hoe: “Raranay ny fananan’ny lahika ireo bokin’ny Testamenta Taloha na Testamenta Vaovao voadika amin’ny fiteny iombonana. Raha misy olona tia fivavahana maniry izany, dia afaka manana Salamo izy na Litorjy [boky misy hira sy vavaka] (...) fa na ahoana na ahoana, dia tsy tokony hanana ireo boky voalaza etsy ambony voadika amin’ny fiteny romance izy.” Efa-taona tatỳ aoriana, i Jacques I tany Aragon (mpanjaka tao amin’ny faritra lehibe amin’ilay tany saiky nosy), dia nanome ho an’izay rehetra nanana Baiboly tamin’ny fiteny niombonana, valo andro monja mba hanomezana izany an’ilay eveka teo an-toerana mba hodorana. Ny tsy fanaovana izany, dia nahatonga ilay tompony, na klerjy izany na lahika, hahiahina ho niala tamin’ny finoana.
Na dia teo aza ireny fandrarana ireny — izay tsy narahina akaiky mandrakariva — dia afaka nirehareha noho ny fananany Baiboly tamin’ny fiteny romance nandritra ny tapany farany tamin’ny Moyen-Age ny Espaniola teratany sasany. Nifarana tampoka izany tamin’ny fiorenan’ny Inquisition espaniola teo ambany fanapahan’ny Mpanjakavavy Isabella sy ny Mpanjaka Ferdinand tamin’ny 1478. Tamin’ny 1492, tao amin’ny tanànan’i Salamanque fotsiny, dia nisy kopian’ny Baiboly sora-tanana 20 sarobidy aoka izany nodorana. Ireo hany sora-tanana tamin’ny fiteny romance niangana dia ireo nipetraka tao amin’ny fitahirizam-bokin’ny mpanjaka sy ny an’ireo andriandahy matanjaka vitsivitsy izay tsy niharan’ny fiahiahiana.
Nandritra ireo roanjato taona nanaraka, ny hany Baiboly katolika ôfisialy navoaka tany Espaina — ankoatra ny Vulgate Latine — dia ny Complutensian Poliglott, ilay Baiboly amin’ny fiteny maro samy hafa voalohany izay notohanan’ny Kardinaly Cisneros. Azo antoka fa boky natao ho an’ireo avara-pianarana ilay izy, fa tsy natao velively ho an’ny olon-tsotra. Eninjato monja ny kopia natao, ary vitsy no afaka nahatakatra azy satria izy io dia nanana ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly amin’ny fiteny hebreo, arameana, grika ary latina — fa tsy espaniola. Ankoatra izany, dia nidangana be ny vidiny. Ducat volamena telo ny vidiny (mitovy amin’ny karama enim-bolana ho an’ny mpiasa tsotra).
Nandeha an-tsokosoko ny Baiboly espaniola
Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16, dia nitsangana ny “Tyndale” espaniola iray nitondra ny anarana hoe Francisco de Enzinas. Zanaka tompomenakely iray nanankarena izy io, ary nanomboka nandika ny Soratra Grika Kristiana tamin’ny fiteny espaniola fony izy mbola mpianatra tanora. Tatỳ aoriana dia nataony pirinty tany Pays-Bas ny fandikan-teniny, ary tamin’ny 1544 izy dia nanandrana tamin-kerim-po hahazo fanomezan-dalana tamin’ny mpanjaka mba hizarana izany tany Espaina. Tany Bruxelles tamin’izay fotoana izay ny emperoran’i Espaina, i Charles I, ary nohararaotin’i Enzinas izany fahafahana izany mba hangatahana ny faneken’ny mpanjaka ny volavolan-keviny.
Natao tatitra araka izao manaraka izao ny resaka nahavariana nifanaovan’ireo lehilahy roa ireo: “Karazam-boky inona ity?” hoy ny fanontanian’ilay emperora. Namaly toy izao i Enzinas: “Tapany amin’ny Soratra Masina antsoina hoe Testamenta Vaovao izy ity.” “Iza no nanoratra ilay boky?” hoy ny fanontaniana natao taminy. “Ny fanahy masina”, hoy ny navaliny.
Namela ny famoahana ilay boky ny emperora, nefa nisy izao fepetra tokana izao — raha manome ny tombo-kasem-panekeny koa ilay mpampikaonfesy azy, izay moanina espaniola iray. Nampalahelo i Enzinas, fa tsy azo avy hatrany izany fanekena izany, ary tsy ela dia nataon’ny Inquisition tany an-tranomaizina izy. Rehefa afaka roa taona dia afa-nandositra izy.
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia natao pirinty tany Venise any Italia, ny fanontana nasiana fanitsiana an’io fandikana io, ary io fanontana ny Soratra Masina io no nentin’i Julián Hernández mangingina tany Séville, any Espaina. Tratra anefa izy, ary taorian’ny roa taona nampijalijaliana azy sy nanaovana azy an-tranomaizina, dia novonoina ho faty niaraka tamin’ny mpiara-mianatra Baiboly hafa izy.a
Tamin’ny Kaonsilin’ny Trente (1545-1563), ny Eglizy Katolika dia mbola namerina indray ny fanamelohany ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny nahazatra teo an-toerana. Namoaka lisitry ny boky voarara izy, anisan’izany ireo fandikan-tenin’ny Baiboly rehetra izay natao tsy nahazo ny faneken’ny fiangonana. Teo amin’ny fampiharana, izany dia nidika fa voarara daholo ireo Baiboly tamin’ny fiteny espaniola nahazatra teo an-toerana ary ny fananana ny iray tamin’izany fotsiny dia nety ho niafara tamin’ny naha-azo antoka ny fahafatesan’ilay olona.
Taona vitsivitsy taorian’ny namoahana ny fandikan-tenin’i Reina, dia nanisy fanitsiana izany fandikan-teny izany i Cipriano de Valera, moanina taloha hafa iray, izay afa-nandositra ny fahatezeran’ny Inquisition tany Séville. Io fandikana io dia natao pirinty tany Amsterdam tamin’ny 1602 am.f.i., ary nentina tany Espaina ny kopia sasany taminy. Ilay fandikana Ny Baibolin’i Reina-Valera tany am-boalohany nasiana fanitsiana, dia mbola ny fandikan-teny maro mpampiasa indrindra ihany eo amin’ireo Protestanta miteny Espaniola.
Nivoha ireo fanakanana
Farany, tamin’ny 1782, ny tribonalin’ny Inquisition dia namoaka didim-panjakana fa azo atao ny mamoaka ny Baiboly raha toa izy io ka mahatafiditra fanamarihana momba ny tantara sy ny fampianaran’ny eglizy. Tamin’ny 1790, i Felipe Scio de San Miguel, eveka katolika tany Segovia, dia nandika Baiboly iray tamin’ny fiteny espaniola tamin’ny fampiasana ny Vulgate Latine. Nampalahelo anefa fa lafo be izy io — 1 300 royales, vidiny tsy takatra mihitsy tamin’izany fotoana izany — ary ireo teny nampiasainy dia tsy mazava aoka izany ka nilazalaza azy io ho “tena tsy nahita fahombiazana” ny mpanoratra tantara espaniola iray.
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ny mpanjaka espaniola Fernando VII dia nandidy ny evekan’i Astorga, i Félix Torres Amat, mba hanao fandikana nohatsaraina, niorina koa tamin’ny Vulgate Latine. Nivoaka tamin’ny 1823 io fandikan-teny io ary nozaraina betsaka kokoa noho ilay fandikan-tenin’i Scio. Kanefa noho izy io tsy niorina tamin’ny Hebreo sy Grika tany am-boalohany, dia teo ilay lafy ratsiny nahazatra vokatry ny fandikana teny avy amin’ny teny efa nadika.
Na dia teo aza izany fandrosoana izany, dia mbola tsy niaiky ny eglizy sy ireo mpanapaka tao amin’ilay tany fa tokony hovakin’ny olon-tsotra ny Baiboly. Tany amin’ireo taona 1830, rehefa nangata-dalana hanao pirinty Baiboly tany Espaina i George Borrow, solontenan’ny Fikambanan’ny Baiboly Britanika sy Vahiny, dia nilazan’i Mendizabal, minisitry ny governemanta, toy izao izy: “Tsy Baiboly no ilainay, tompokolahy havako, fa basy sy vanja hampiato an-keriny ireo mpikomy, ary ambonin’izany rehetra izany, vola hahafahanay hanarama ny miaramila.” Nanohy nandika ny Filazantsaran’i Lioka tamin’ny fiteny Gitan espaniola i Borrow, ary natao an-tranomaizina noho ny fiezahany izy tamin’ny 1837!
Farany dia tsy azo nosakanana intsony ny onja. Tamin’ny 1944, ny eglizy espaniola dia nanonta pirinty ny fandikan-teniny voalohany ny Soratra Masina niorina tamin’ireo fiteny tany am-boalohany — 375 taona teo ho eo taorian’ny fandikana nataon’i Casiodoro de Reina. Fandikan-teny nataon’ireo manam-pahaizana katolika atao hoe Nácar sy Colunga izy io. Narahin’ny fandikana nataon’i Bover sy Cantera izy io tamin’ny 1947. Hatramin’izay, dia tondraka ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny espaniola.
Fandresena azo antoka
Na dia niady mafy mba hahavelomana nandritra ny taonjato maro aza ny Baiboly espaniola, dia nandresy ihany tamin’ny farany. Ny sorona lehibe nataon’ireo mpandika teny be herim-po toa an’i Reina dia azo antoka fa tsy very maina. Firy amin’ireo olona mividy Baiboly amin’izao andro izao moa no mba miato mba hieritreretana ny amin’ny fotoana nandrarana ny fananana Baiboly?
Amin’izao andro izao, dia ny Baiboly no be mpividy indrindra any Espaina sy any amin’ireo tany miteny Espaniola, ary misy fandikan-teny maro be azo ampiasaina. Tafiditra ho anisan’izany ny Versión Moderna (Fandikan-teny Môderna, 1893), izay mampiasa amin’ny fomba tsy miovaova ny anaran’Andriamanitra hoe Jehová; ny Fanontana ny Baiboly nataon’i Pauline (1964) izay mampiasa ny anarana hoe Yavé ao amin’ny Soratra Hebreo; ny Nueva Biblia Española (Baiboly Espaniola Vaovao, 1975), izay mampalahelo fa tsy mampiasa na ny hoe Jehová na ny hoe Yavé; ary ny Traducción del Nuevo Mundo (Fandikan-tenin’izao Tontolo izao Vaovao, 1967), navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, izay mampiasa ny anarana hoe Jehová.
Mitsidika isan-kerinandro ny tranon’ireo olona miteny Espaniola an-tapitrisany maro ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampy azy ireo hahatakatra ny hasarobidin’ny Soratra Masina — boky iray izay mendrika ny hahafatesana ho azy sy hivelomana aminy. Raha ny marina, ny tantaran’ny ady nataon’ny Baiboly espaniola mba hahavelomana dia porofo iray fanampiny fa “ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.” — Isaia 40:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy boky na inona na inona azo nampidirina tao amin’ilay tany raha tsy nisy taratasy fahazoan-dalana manokana, ary tsy nisy mpivaro-boky afaka nanokatra entana nisy boky tonga raha tsy nahazo fanomezan-dalana ôfisialy avy tamin’ny Birao Masina (Inquisition).
[Sary, pejy 10]
Naverina nadika indray ny “Complutensian Poliglott” ka noho izany dia azo dinihina mora foana. (Jereo pejy faha-8)
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of the Biblioteca Nacional, Madrid, Spain