Ny Fiainana — Fanomezana avy Amin’Andriamanitra
MANDRITRA ny efatra amby roapolo ora isan’andro, ny fontsika dia manosika ra sarobidy eran’ny vatantsika. Matory isika, fa ny havokavotsika kosa manohy miitatra sy mifintina. Misakafo isika, ary dia mandeha ho azy ny fandevonan-kanina. Mitranga isan’andro izany rehetra izany, tsy misy ezaka firy na ezaka amim-pahatsiarovan-tena avy amintsika akory. Ireo fisehoan-javatra toa zava-miafina sady mahatalanjona ireo, izay raisintsika mora foana ho toy ny mandeha ho azy, dia anisan’ilay fanomezana antsointsika hoe fiainana. Amin’ny heviny iray, izany dia fanomezana azo atao hoe mahagaga.
Diniho ny fandehan’ny fahatorontoronina sy ny fiterahana eo amin’ny olombelona. Na dia manilika tambatsela vahiny aza ny vatana raha ny tena izy, ny vohoka kosa dia manao zavatra maningana raha ny amin’ny tsirivavy notorontoronina. Tsy mandray ilay tsimoka mitombo ho toy ny tambatsela vahiny izy ka hoe hanilika azy, fa mamelona sy miaro azy kosa mandra-pahavonon’izy io hivoaka ho toy ny zazakely. Raha tsy eo ny fahaizan’ny vohoka hanao io zavatra maningana tena iankinan’ny aina mba tsy hanarahana ny lalàna momba ny fanilihana tambatsela vahiny io, dia tsy hisy ny fiterahana eo amin’ny olombelona.
Na dia eo aza anefa izany, dia ho fohy ny fiainan’ny zaza vao teraka iray raha tsy nisy ny fisehoan-javatra iray mitranga ao am-bohoka raha mbola efa-bolana monja ilay tsaika. Amin’io fotoana io, dia manomboka mitsentsitra ny ankibeny izy, ka manazatra ireo hozatra izay hahatonga azy atỳ aoriana ho afaka hamahan-tena rehefa hinono amin-dreniny izy. Ary izany dia iray monja amin’ireo zavatra iankinan’ny aina izay voalamina ela be alohan’ny hahaterahan’ny zazakely iray.
Rehefa ao am-bohoka ny tsaika iray, dia misy lavaka iray eo amin’ny rindrin’ny fony. Io lavaka io anefa dia mihidy ho azy rehefa teraka izy. Ambonin’izany, dia misy lalan-dra lehibe iray manodidina ny havokavoka rehefa ao am-bohoka ilay tsaika. Mihidy anefa izy io rehefa teraka ilay zaza; amin’izay ny ra dia mankao amin’ny havokavoka izay ahazoany oksizena rehefa manomboka miaina i Zazakely.
Mbola vao fiandohana fotsiny izany rehetra izany. Mandritra ny fiainana manontolo, dia misy fitohitohizana rafitra voavolavola tamim-pahakingana (toy ny rafi-piaina, ny rafi-pikorianan-dra, ny rafi-pitatitra ary ny rafitra endocrine) izay hanatanteraka sy hampirindra ny fomba fiasany avy, amin’ny fomba iray mandaitra izay mahavery hevitra ny sain’ny olombelona — ka izany rehetra izany dia mba hampaharetana ny fiainana. Tsy mahagaga raha nanoratra toy izao momba an’Andriamanitra ny mpanoratra fahizay iray: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” — Salamo 139:14.
Mazava fa ny mpanoratra ireo teny kanto ireo dia tsy nino fa vokatry ny kisendrasendra na ny zavatra tsy nampoizina jamba araka ny fivoarana miandalana fotsiny, ny fiainana. Raha izany no ho izy, dia tsy hanana adidy na andraikitra marina isika raha ny amin’ny fomba tokony hampiasantsika ny fiainantsika. Kanefa, ireo fomba fiasan-javatra mihazona ny aina dia mazava fa manome taratry ny fisian’ny famolavolana, ary ny famolavolana dia mitaky ny hisian’ny mpamolavola iray. Milazalaza io fotopoto-pitsipika io toy izao ny Baiboly: “Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4). Noho izany dia iankinan’ny aina ny ‘mahafantatra fa i Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika fa tsy isika’. (Salamo 100:3, fanamarihana ambany pejy). Eny, mihoatra noho ny kisendrasendra tsara fiafara ny fiainana; fanomezana avy amin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy izy io. — Salamo 36:9.
Raha izany àry no izy, inona avy ireo andraikitsika eo anatrehan’ilay Mpanome ny fiainana? Amin’ny fomba ahoana no antenainy hampiasantsika ny fiainantsika? Izany sy ny fanontaniana mifandray aminy dia hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.