Moa ve ny Fiangonana Tany Am-boalohany Nampianatra fa Trinite Andriamanitra?
Fizarana Faha-4 — Oviana ary Ahoana no Nandrosoan’ny Fampianarana ny Amin’ny Trinite?
Ny lahatsoratra telo voalohany amin’ity fitohitohizana ity dia nampiseho fa ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia tsy nampianarin’i Jesosy na ireo mpianany na ireo Rain’ny Fiangonana tany am-boalohany. (La Tour de Garde tamin’ny 1 Novambra 1991, 1 Febroary 1992 ary 1 Aprily 1992). Ity lahatsoratra farany ity dia handinika ny fomba nandrosoan’ny ny fampianarana fototra ny amin’ny Trinite sy ny anjara asan’ny Konsilin’i Nicée tamin’ny 325 am.f.i.
TAMIN’NY 325 am.f.i., ny emperora romana Constantin dia nangataka ny hisian’ny konsilin’ireo eveka tao amin’ny tanànan’i Nicée, tany Azia Minora. Ny fikasany dia ny handamina ireo fifandirana ara-pivavahana tsy an-kijanona momba ny fifandraisan’ny Zanaka amin’ilay Andriamanitra Tsitoha. Momba ny vokatr’izany konsily izany, dia hoy ny Encyclopædia Britannica:
“Ny tenan’i Constantin no nitarika ny fivoriana, nitondra ny adihevitra ary nanolotra mihitsy (...) ilay teny fototra ilazana azy manambara ny fifandraisan’i Kristy amin’Andriamanitra tao amin’ilay fanekem-pinoana navoakan’ilay konsily, manao hoe ‘mitovy firafitra [ho·mo·ouʹsi·os] amin’ny Ray’. (...) Resin’ny tahotra ilay emperora ireo eveka ka roa monja no tsy nanao sonia ilay fanekem-pinoana ary ny ankamaroany dia nanao izany tsy fidiny.”1
Moa ve io mpanapaka mpanompo sampy io nisalovana toy izany noho ny finoany ara-baiboly? Tsia. Hoy ny nambaran’ny A Short History of Christian Doctrine: “Tsy nanana fahatakaran-javatra na dia kely akory aza i Constantin raha ny amin’ireo fanontaniana napoitran’ny Teôlôjia grika.”2 Ny zavatra takany dia hoe nandrahona ny naha-iray ny empirany ireo fifandirana ara-pivavahana, ary tiany ho voalamina izany.
Moa ve izy io nanorina ny fampianarana ny amin’ny Trinite?
Moa ve ny Konsilin’i Nicée nanorina, na hoe nanamafy, ny Trinite ho fampianaran’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana? Maro no milaza fa izany no izy. Zavatra hafa anefa no asehon’ireo zava-misy.
Ny fanekem-pinoana navoakan’io konsily io dia tena nanoritra zavatra sasantsasany momba ilay Zanak’Andriamanitra, izay hamela mpitondra fivavahana samihafa hihevitra azy ho mitovy amin’ilay Andriamanitra Ray amin’ny heviny sasany. Kanefa hanome fahazavana antsika ny fahitana izay tsy nolazain’ny Fanekem-pinoan’i Nicée. Araka ny navoaka tany am-boalohany, dia izao no nambaran’io fanekem-pinoana io manontolo:
“Mino Andriamanitra iray izahay, dia ny Ray tsitoha, mpanao ny zavatra hita sy tsy hita rehetra;
“Ary koa Tompo iray, dia i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, nateraky ny Ray, hany naterany, izany hoe avy amin’ny firafitry ny Ray, Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, hazavana avy amin’ny hazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, nateraka fa tsy natao, mitovy firafitra amin’ny Ray, Izay nisian’ny zavatra rehetra, dia ireo zavatra any an-danitra sy ireo zavatra eto an-tany, Izay, noho isika olombelona sy noho ny famonjena antsika, dia nidina ka naka nofo, tonga olombelona, nijaly ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, niakatra nankany an-danitra ary ho avy mba hitsara ny velona sy ny maty;
“Ary ny Fanahy Masina.”3
Moa ve io fanekem-pinoana io milaza fa persona telo ao amin’ny Andriamanitra iray ihany ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina? Moa ve izy io milaza fa izy telo ireo dia mitovy raha ny amin’ny maha-mandrakizay, ny hery, ny toerana tanana ary ny fahendrena? Tsia, tsy milaza izany izy io. Tsy misy fitenenana ilazana ny telo izay iray eto na dia kely akory aza. Ny Fanekem-pinoan’i Nicée tany am-boalohany dia tsy nanorina na nanamafy ny Trinite.
Raha misy zavatra ataon’io fanekem-pinoana io dia ny fampitoviana ny Zanaka amin’ny Ray izay “mitovy firafitra” aminy. Kanefa tsy milaza na inona na inona tahaka izany momba ny fanahy masina izy io. Ny hany lazainy dia hoe ‘mino ny Fanahy Masina izahay’. Tsy ilay fampianarana ny amin’ny Trinite inoan’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, izany.
Na dia ilay fitenenana fototra hoe “mitovy firafitra” (ho·mo·ouʹsi·os) aza dia tsy voatery hidika fa io konsily io dia nino ny fitovian’ny Ray sy ny Zanaka raha ny amin’ny isa. Hoy ny nambaran’ny New Catholic Encyclopedia:
“Mampisalasala ihany raha toa ilay Konsily ka nanam-pikasana ny hanamafy ny maha-iray ny Ray sy ny Zanaka eo amin’ny firafitra.”4
Na dia nidika aza ilay konsily fa iray raha ny amin’ny isa ny Zanaka sy ny Ray, dia mbola tsy ho Trinite ihany izany. Ho Andriamanitra roa izay iray fotsiny izany, fa tsy telo izay iray, araka ny takin’ny fampianarana ny amin’ny Trinite.
“Fomba fihevitry ny vitsy an’isa”
Tany Nicée, moa ve ireo eveka tamin’ny ankapobeny nino fa nitovy tamin’Andriamanitra ny Zanaka? Tsia, satria nisy fomba fihevitra nifanipaka teo amin’izy ireo. Ohatra, ny iray tamin’izany dia ny an’i Arius, izay nampianatra fa ny Zanaka dia nanana fiandohana voafaritra tsara teo amin’ny fotoana, ka noho izany dia tsy nitovy tamin’Andriamanitra fa teo ambany fahefany tamin’ny lafiny rehetra. I Athanase kosa tetsy an-daniny dia nino fa ny Zanaka dia nitovy tamin’Andriamanitra tamin’ny heviny sasany. Ary nisy fomba fihevitra maro hafa koa.
Momba ny fanapahan-kevitr’ilay konsily hihevitra ny Zanaka ho mitovy firafitra (consubstantiel) amin’Andriamanitra, dia hoy ny nambaran’i Martin Marty: “Raha ny tena izy ny Nicée dia nampiseho ny fomba fihevitry ny vitsy an’isa; tamin’ny maro izay tsy nanana ny fomba fijerin’i Arius, dia nanelingelina sady tsy azo nekena ilay fifanarahana.”5 Mitovy amin’izany koa, ilay boky hoe A Select Library of Nicene and Post-Nicene Fathers of the Christian Church dia manamarika fa “ny vitsy an’isa ihany no nanaraka fampianarana voalaza mazava tsara iray izay nifanohitra tamin’ny Arianisma, na dia nahavita nampanaiky ny hafa ny zava-nokendreny aza io vitsy an’isa io.”6 Ary hoy ny marihin’ny A Short History of Christian Doctrine:
“Ny toa tsy azo nekena indrindra teo imason’ny eveka sy teolojiana maro avy tany Atsinanana dia ilay hevitra nampidirin’ny tenan’i Constantin mihitsy tao amin’ilay fanekem-pinoana, dia ny homoousios [“mitovy firafitra”], izay nanjary ny fototry ny tsy fifanarahana teo amin’ny ady teo amin’ny orthodoxie (fanarahana fampianarana nekena hatramin’izay) sy ny hérésie (fialana amin’ny fampianarana nekena hatramin’izay) taorian’izay.”7
Taorian’ilay konsily, dia nitohy nandritra ny am-polony taona maro ilay fifandirana. Ireo izay nanaraka ny hevitra nampitovy ny Zanaka tamin’ilay Andriamanitra Tsitoha aza dia nanjary tsy tian’ny olona nandritra ny fotoana kelikely. Hoy i Martin Marty, ohatra, momba an’i Athanase: “Niakatra, avy eo dia nidina, ny fitiavana azy ary nalefa an-tsesitany matetika aoka izany izy [tao anatin’ireo efa-taona nanaraka ilay konsily], hany ka nanjary mpivezivezy ara-bakiteny.”8 Nandany taona maro tany an-tsesitany i Athanase satria ireo manam-pahefana ara-politika sy tao amin’ny fiangonana dia nanohitra ny fomba fiheviny izay nampitovy ny Zanaka tamin’Andriamanitra.
Koa tsy marina àry ny fanambarana fa ny Konsilin’i Nicée tamin’ny 325 am.f.i. no nanorina na nanamafy ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Tsy nisy tamin’izany fotoana izany ilay nanjary fampianarana ny amin’ny Trinite tatỳ aoriana. Ny hevitra fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina dia samy Andriamanitra marina sady mitovy raha ny amin’ny maha-mandrakizay, ny hery, ny toerana tanana ary ny fahendrena, ary anefa dia Andriamanitra iray ihany — Andriamanitra telo izay iray — dia tsy avy tamin’io konsily io na avy tamin’ireo Rain’ny Fiangonana talohany. Manambara izany toy izao ny The Church of the First Three Centuries:
“Ny fampianarana maoderina fantatry ny olona momba ny Trinite (...) dia tsy mahazo fanohanana avy amin’ny tenin’i Justin [Le Martyr]: ary izany fanamarihana izany dia azo itarina amin’ireo Ray talohan’ny Nicée rehetra; izany hoe, ireo mpanoratra kristiana rehetra nandritra ireo taonjato telo taorian’ny nahafatesan’i Kristy. Marina fa miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy ara-paminaniana na masina, izy ireo, kanefa tsy toy ny hoe mitovy, tsy toy ny hoe manana ny maha-izy azy iray monja raha ny amin’ny isa, tsy toy ny hoe Telo izay Iray, na amin’ny heviny ahoana na amin’ny heviny ahoana eken’ireo Mpanohana ny Trinite ankehitriny. Ny mifanohitra amin’izany indrindra no zava-misy. Ny fampianarana ny amin’ny Trinite, araka ny ampianarin’ireo Ray ireo, dia hafa tanteraka amin’ny fampianarana maoderina. Izany dia ambaranay ho toy ny zava-misy azo porofoina, toy ny zava-misy rehetra eo amin’ny tantaran’ny fomba fihevitr’olombelona.”
“Mihaika na iza na iza izahay mba hanonona mpanoratra iray mendrika ny homarihina, niaina tamin’ireo taonjato telo voalohany, ka nino io fampianarana [ny amin’ny Trinite] io araka ny hevitra inoana ankehitriny.”9
Ny Nicée anefa dia nahaforona fiovana miavaka. Nanokatra ny varavarana ho amin’ny fanekena amin’ny fomba ofisialy ny Zanaka ho mitovy amin’ny Ray izy io, ary izany dia nitarika ho amin’ny hevitra ny amin’ilay Trinite fantatra tatỳ aoriana. Hoy ny marihin’ny boky hoe Second Century Orthodoxy, nataon’i J. A. Buckley:
“Hatramin’ny faran’ny taonjato faharoa fara faharatsiny, ny Fiangonana narahin’ny rehetra dia nitoetra ho tafaray tamin’ny heviny fototra iray; izy rehetra dia samy nanaiky ny maha-tsitoha ny Ray. Izy rehetra dia samy nihevitra ny Ray Tsitoha ho ny hany fara tampony, tsy mety miova, tsy azo lazalazaina amin’ny teny ary tsy manam-piandohana. (...)
“Rehefa tsy teo intsony ireo mpanoratra sy mpitarika tamin’ny taonjato faharoa ireo, ny Fiangonana dia nanjary (...) nikorisa moramora, nefa tamin’ny fomba tsy azo najanona, mba ho tonga (...) tamin’ny Konsilin’i Nicée, izay nahatratra ny fara heriny tamin’io fanafoanana niandalana ny finoana tany am-boalohany io. Tao, ireo vitsy an’isa mora nisendaotra dia namoritra ireo be an’isa mora nanaiky, mba hanaraka io fialany tamin’ny finoana io, ary noho ny fanohanan’ireo manam-pahefana ara-politika, dia nanery sy nanangoly ary nampitahotra ireo izay niezaka mafy ny hihazona tsy hisy pentina ny fahadiovana tsy voaloton’ny finoany.”10
Ny Konsilin’i Constantinople
Tamin’ny 381 am.f.i., ny Konsilin’i Constantinople dia nanamafy ny Fanekem-pinoan’i Nicée. Ary nanampy zavatra koa izy io. Niantso ny fanahy masina hoe “Tompo” sy “mpanome fiainana” izy io. Ilay fanekem-pinoana tamin’ny 381 am.f.i. nitarina (izay ampiasaina any amin’ireo fiangonana amin’izao andro izao amin’ny fotony ary antsoina hoe “ny Fanekem-pinoan’i Nicée”), dia mampiseho fa ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana dia teo an-dalam-panolorana fitenenana ilazana ny fampianarana fototra sy masaka tsara iray ny amin’ny Trinite. Kanefa na dia io konsily io aza dia tsy nahatonga ilay fampianarana ho feno. Miaiky toy izao ny New Catholic Encyclopedia:
“Mahaliana fa, 60 taona taorian’ny Nicée I, ny Konsilin’ny Constantinople I [381 am.f.i.] dia nanalavitra ny fampiasana ny hoe homoousios tamin’ny famaritany ny maha-andriamanitra ny Fanahy Masina.”11
“Nahasahiran-kevitra ireo manam-pahaizana ny toa fahalemen’ilay fitenenana tao amin’io fanekem-pinoana io; ohatra ny amin’izany ny tsy fampiasany ny teny hoe homoousios momba ny Fanahy Masina raha ny amin’ny maha-mitovy firafitra (consubstantiel) amin’ny Ray sy ny Zanaka azy.”12
Miaiky toy izao koa io firaketana io ihany: “Tsy hita ao amin’ny Soratra Masina ny hoe homoousios.”13 Tsia, tsy mampiasa io teny io ny Baiboly, na momba ny fanahy masina izany na momba ny Zanaka raha ny amin’ny maha-mitovy firafitra amin’Andriamanitra azy. Izy io dia teny tsy ara-baiboly izay nanampy mba hitarika ho amin’ny fampianarana ny amin’ny Trinite izay tsy ara-baiboly, eny, mifanipaka amin’ny Baiboly mihitsy aza.
Na dia taorian’ny Constantinople aza, dia mbola taonjato maro no lasa talohan’ny nanekena ny Trinite nanerana ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana. Hoy ny New Catholic Encyclopedia: “Tany Andrefana (...) dia toa nisy fanginana lehibe nanjaka momba ny Constantinople I sy ny fanekem-pinoany.”14 Io boky fakàn-teny io dia mampiseho fa ny fanekem-pinoan’ilay konsily dia tsy neken’ny ankamaroan’ny olona tany Andrefana raha tsy tany amin’ny taonjato fahafito na fahavalo.
Miaiky koa ireo manam-pahaizana fa ny Fanekem-pinoan’i Athanase, izay tononina matetika ho toy ny famaritana fototra sy fanohanana ny Trinite, dia tsy nosoratan’i Athanase akory, fa nosoratan’ny mpanoratra tsy fantatra iray tatỳ aoriana be. Manazava toy izao ny New Encyclopædia Britannica:
“Tsy fantatry ny eglizy tany atsinanana io fanekem-pinoana io raha tsy tamin’ny taonjato faha-12. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-17, ireo manam-pahaizana dia nanaiky, tamin’ny ankapobeny, fa ny fanekem-pinoan’i Athanase dia tsy nosoratan’i Athanase (maty tamin’ny 373), fa azo inoana fa natao tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa tamin’ny taonjato faha-5. (...) Ny herin’ilay fanekem-pinoana dia toa niharihary voalohany indrindra tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa sy i Espaina tamin’ny taonjato faha-6 sy faha-7. Nampiasaina tao amin’ny litorjian’ny eglizy tany Alemaina izy io tamin’ny taonjato faha-9 ary tany Roma tatỳ aoriana kokoa.”15
Ny fomba nandrosoany
Ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia nanomboka ny fandrosony miadana tao anatin’ny taonjato maro. Ny hevitra momba ny Trinite an’ireo filozofa grika toa an’i Platon, izay niaina taonjato maromaro talohan’i Kristy, dia nitsofoka miandalana tao amin’ireo fampianaran’ny fiangonana. Milaza izany toy izao ny The Church of the First Three Centuries:
“Hazoninay mafy fa niforona tsikelikely sy tatỳ aoriana kokoa ny fampianarana ny amin’ny Trinite raha ampitahaina amin’ny hafa; fa niandoha avy tamin’ny loharano hafa tanteraka noho ny Soratra Jiosy sy Kristiana izy io; fa niitatra izy io ary natsofoka ho anisan’ny Kristianisma tamin’ny alalan’ireo Ray nanaiky ny hevitr’i Platon; fa tamin’ny andron’i Justin, sy ela taorian’izay, dia nampianarina hatraiza hatraiza ny maha-miavaka tsara ny maha-izy ny Zanaka sy ny maha-ambany kokoa azy; ary koa fa tamin’izay vao nanjary hita ny fanoritana manjavozavo voalohany ny amin’ny Trinite.”16
Talohan’i Platon, dia efa fahita ireo fitambaran-telo, na trinite, tany Babylona sy Egypta. Ary ireo ezak’ireo olom-piangonana mba hisarihana ireo tsy mpino ho ao amin’ny tontolo romana dia nitarika ho amin’ny fampidirana miandalana ny sasany tamin’ireo hevitra ireo tao amin’ny Kristianisma. Tamin’ny farany, izany dia nitarika ho amin’ny fanekena ny finoana fa ny Zanaka sy ny fanahy masina dia nitovy tamin’ny Ray.a
Na dia ny teny hoe “Trinite” aza dia ela vao nekena. Tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faharoa i Théophile, evekan’i Antioka any Syria, no nanoratra tamin’ny teny grika ary nampiditra ny teny hoe tri·asʹ, midika hoe “fitambaran-telo”, na “trinite”. Tamin’izay, ilay mpanoratra latina hoe Tertullien tany Carthage, tany Afrika Avaratra, dia nampiditra tao amin’ireo sorany ny teny hoe trinitas, izay midika hoe “Trinite”.b Ny teny hoe tri·asʹ, dia tsy hita ao amin’ireo Soratra Grika Kristiana azo tamin’ny tsindrimandry, ary ny teny hoe trinitas dia tsy hita ao amin’ny fandikan-teny latinan’ny Baiboly antsoina hoe Vulgate. Samy tsy ara-baiboly ireo teny roa ireo. Kanefa ny teny hoe “Trinite”, miorina amin’ny hevitry ny mpanompo sampy, dia tafatsofoka tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratr’ireo fiangonana ary, taorian’ny taonjato fahefatra, dia nanjary anisan’ny fampianarany.
Noho izany, dia tsy nandinika ny Baiboly tamin’ny fomba lalina ireo manam-pahaizana mba hahitana raha nampianarina tao io fampianarana io na tsia. Ny politikan’ny fiangonana sy ny politika ivelan’ny fivavahana no tena nanapaka ny amin’ny fisian’io fampianarana io. Ao amin’ny boky hoe The Christian Tradition, ilay mpanoratra azy hoe Jaroslav Pelikan dia misarika ny saina ho amin’ireo “lafin-javatra tsy ara-teolojia ao amin’ilay ady hevitra, izay toa vonona hatrany hatrany ny hanapaka ny amin’ny ho fiafarany ny maro aminy, kanefa dia voasakan’ny hery hafa mitovy fahefana aminy ihany. Ireo fampianarana matetika dia toa fahavoazana — na vokatra — ateraky ny politikan’ny fiangonana sy ireo fifandonana noho ny tsy fitovian-toetra.”17 Nilaza izany toy izao i E. Washburn Hopkins, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Yale: “Ny famaritana farany nekena ny amin’ny trinite dia raharaha momba ny politikan’ny eglizy voalohany indrindra.”18
Endre ny tsy maha-azo ekena ny fampianarana ny amin’ny Trinite, raha oharina amin’ny fampianarana tsotra ao amin’ny Baiboly fa Andriamanitra dia tsitoha sady tsy manan-tsahala! Araka ny ilazan’Andriamanitra azy, “hampitovinareo amin’iza moa Aho, sy amin’iza no hanoharanareo Ahy, ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?” — Isaia 46:5.
Izay nasehony
Inona no nasehon’ny fandroson’ny hevitra ny amin’ny Trinite miandalana? Anisan’ny fialana amin’ny Kristianisma marina nolazain’i Jesosy mialoha izy io. (Matio 13:24-43). Nilaza mialoha toy izao koa ny apostoly Paoly momba ny fivadiham-pinoana ho avy:
“Ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; dia hanentsin-tadiny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.” — 2 Timoty 4:3, 4, Baiboly Katolika.
Ny iray amin’izany angano izany dia ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Ny angano hafa sasany izay tsy manana ifandraisana amin’ny Kristianisma nandroso miandalana koa dia: ny tsy fetezan’ny fanahy (âme) olombelona ho faty, ny afo fandiovana, ny Limby ary ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afoben’ny helo.
Koa inona àry ny fampianarana ny amin’ny Trinite? Izy io, raha ny tena izy, dia fampianaran’ny mpanompo sampy izay aseho amim-pitaka ho toy ny fampianarana kristiana. Naroson’i Satana mba hamitahana ny olona izy io, mba hisafotofoto sy hifono zava-miafina ho azy ireo Andriamanitra. Izany dia mahatonga azy ireo koa ho vonona kokoa hanaiky hevitra ara-pivavahana diso hafa sy fanao ratsy.
“Ny voany”
Ao amin’ny Matio 7:15-19, i Jesosy dia nilaza fa ho azo atao ny hanavaka ny fivavahan-diso amin’ny fivavahana marina amin’izao fomba izao:
“Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. (...) Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.”
Diniho ny ohatra iray. Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 13:35: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Ary ao amin’ny 1 Jaona 4:20 sy 21 koa ny Tenin’Andriamanitra azo tamin’ny tsindrimandry dia manambara hoe:
“Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.”
Ampiharo amin’izay nitranga tamin’ireo ady lehibe roa tamin’ity taonjato ity, sy tamin’ireo ady hafa, io fotopoto-pitsipika fototra ny amin’ny tsy maintsy ananan’ny Kristiana marina fifankatiavana io. Nifanandrina teo amin’ny saha fiadiana ary nifamono noho ny tsy fitovian-kevitry ny fireneny avy ny olona anisan’ny fivavahana mitovy ihany ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana. Samy mihambo ho Kristiana ny andaniny sy ny ankilany, ary samy notohanan’ny klerjiny avy, izay nihambo fa niandany taminy Andriamanitra. Voa ratsy izany famonoan’ny “Kristiana” iray ny “Kristiana” hafa izany. Fandikana ny fitiavana kristiana izany, fandavana ireo lalàn’Andriamanitra. — Jereo koa 1 Jaona 3:10-12.
Andro fampamoahana
Noho izany, ny fialana tamin’ny Kristianisma dia tsy nitarika ho amin’ny finoana zavatra tsy araka an’Andriamanitra toy ny fampianarana ny amin’ny Trinite, ihany, fa ho amin’ny fanao tsy araka an’Andriamanitra koa. Kanefa ho avy ny andro fampamoahana iray, satria hoy i Jesosy: “Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” Izany no antony ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra toy izao:
“Mialà aminy [fivavahan-diso] hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.” — Apokalypsy 18:4, 5.
Tsy ho ela Andriamanitra dia ‘hanome fo’ ireo manam-pahefana ara-politika mba hiodina hamely ny fivavahan-diso. “Hahatsinontsinona azy (...) sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo” izy ireo. (Apokalypsy 17:16, 17). Ho ringana mandrakizay ny fivavahan-diso sy ny filozofian’ny mpanompo sampy arahiny momba an’Andriamanitra. Raha ny marina, Andriamanitra dia hilaza amin’ireo mpanaraka ny fivavahan-diso toy ny nolazain’i Jesosy tamin’ny androny toy izao: “Avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” — Matio 23:38.
Ho tafita velona amin’ireo fitsaran’Andriamanitra ny fivavahana marina, mba hanomezana amin’izay an’Ilay nantsoin’i Jesosy hoe “Andriamanitra tokana sady marina” ny laza sy ny voninahitra rehetra. Izy Ilay nampahafantarin’ny mpanao salamo toy izao: “Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” — Jaona 17:3; Salamo 83:18.
Fakàn-teny:
1. Encyclopædia Britannica, 1971, Boky faha-6, pejy faha-386.
2. A Short History of Christian Doctrine, nataon’i Bernhard Lohse, 1963, pejy faha- 51.
3. Io boky io ihany, pejy faha-52-53.
4. New Catholic Encyclopedia, 1967, Boky faha-VII, pejy faha-115.
5. A Short History of Christianity, nataon’i Philip Schaff sy i Henry Wace, 1892, Boky faha-IV, pejy faha-xvii.
6. A Select Library of Nicene and Post-Nicene Fathers of the Christian Church, nataon’i Martin E. Marty, 1959, pejy faha-91.
7. A Short History of Christian Doctrine, pejy faha-53.
8. Io boky io ihany, pejy faha-91.
9. The Church of the First Three Centuries, nataon’i Alvan Lamson, 1869, pejy faha-75-76, 341.
10. Second Century Orthodoxy, J. A. Buckley, 1978, pejy faha-114-115.
11. New Catholic Encyclopedia, 1967, Boky faha-VII, pejy faha-115.
12. Io boky io ihany, Boky faha-IV, pejy faha-436.
13. Io boky io ihany, pejy faha-251.
14. Io boky io ihany, pejy faha-436.
15. The New Encyclopædia Britannica, 1985, Fanontana faha-15, Micropædia, Boky 1, pejy faha-665.
16. The Church of the First Three Centuries, pejy faha-52.
17. The Christian Tradition, nataon’i Jaroslav Pelikan, 1971, pejy faha-173.
18. Origin and Evolution of Religion, nataon’i E. Washburn Hopkins, 1923, pejy faha-339.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa, dia jereo ny bokikely hoe Tokony hino ny Trinite ve ianao?, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Araka ny nasehon’ireo lahatsoratra teo aloha amin’ity fitohitohizana ity (hita ao amin’ireo La Tour de Garde voalaza tany am-boalohany), na dia nampiasa ireo teny ireo aza i Théophile sy i Tertullien, dia tsy nieritreritra ny Trinite inoan’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao.
[Sary, pejy 22]
Hataon’Andriamanitra izay hiodinan’ireo manam-pahefana ara-politika hamely ny fivavahan-diso
[Sary, pejy 24]
Ho tafita velona amin’ireo fitsaran’Andriamanitra ny fivavahana marina