Aza Mitsahatra ny Mifampandroso
“Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana”. — EFESIANA 4:29
1, 2. a) Nahoana no azo lazaina ara-drariny fa zavatra mahatalanjona ny fitenenana? b) Fampitandremana inona no mety raha ny amin’ny fomba fampiasa ny lelantsika?
“KOFEHY mahagaga mamatotra ny mpisakaiza, ny fianakaviana ary ny fitambaran’olona ny fitenenana. (...) Amin’ny alalan’ny sain’olombelona sy ny fikainkon’ny fitambaran-kozatra, isika dia mamoaka feo mitory fitiavana, faniriana, fanajana — rehefa mety ho fihetseham-pon’olombelona, raha ny marina.” — Hearing, Taste and Smell.
2 Tsy taova fitelemana na fanandramana tsiron-javatra fotsiny akory ny lelantsika; izy io dia tapany amin’ny fahaizantsika mizara izay eritreretintsika sy tsapantsika. ‘Rantsana kely ny lela’, hoy ny nosoratan’i Jakoba. “Izy no isaorantsika [an’i Jehovah, NW ], dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’Andriamanitra.” (Jakoba 3:5, 9). Eny, afaka mampiasa ny lelantsika amin’ny fomba tsara dia tsara isika, toy ny fiderana an’i Jehovah. Kanefa noho ny tsy fahatanterahana, dia mety hampiasa mora foana ny lelantsika mba hilazana zavatra mandratra na tsy manorina koa isika. Izao no nosoratan’i Jakoba: “Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.” — Jakoba 3:10.
3. Lafiny roa inona avy amin’ny tenintsika, no tokony hasiantsika fiheverana?
3 Na dia tsy misy olona afaka mifehy tanteraka ny lelany aza, dia azo antoka fa tokony hikely aina mba hihatsara isika. Manoro hevitra antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” (Efesiana 4:29). Diniho fa io fananarana io dia manana lafiny roa: izay tokony hikelezantsika aina hohalavirina sy izay tokony handramantsika hatao. Aoka hofakafakaintsika ireo lafiny roa ireo.
Fanalavirana ny teny maloto
4, 5. a) Ady inona no ataon’ny Kristiana amin’ny fiteny maloto? b) Sary inona no mety tsara amin’ilay fitenenana hoe “teny maloto”?
4 Mampirisika antsika toy izao aloha ny Efesiana 4:29: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto”. Mety tsy ho mora izany. Ny antony iray dia satria mahazatra aoka izany eo amin’izao tontolo izao manodidina antsika ny teny ratsy. Mandre teny ratsy isan’andro ny tanora kristiana maro, satria mety hieritreritra ireo mpiray kilasy fa manampy fanamafisana ny teniny izany na mahatonga azy ireo ho toa matanjaka kokoa. Mety tsy ho afaka hanalavitra tanteraka ny fandrenesana teny maloto isika, kanefa dia afaka, sady tokony hanao ezaka amim-pitandremana tsara mba tsy handray azy ireny. Tsy manan-toerana ao an-tsaintsika sy ao amin’ny vavantsika izy ireny.
5 Ao ambadik’ilay fampitandremana nataon’i Paoly dia misy teny grika iray izay mifandray amin’ny trondro efa simba na voankazo lo. Alao sary an-tsaina ange izao e: Mandinika olona iray miha-tsy mahandry, ary avy eo dia romotra tanteraka, ianao. Farany dia mipoaka ny fahatezerany, ary mahita trondro lo mivoaka avy ao am-bavany ianao. Avy eo dia hitanao misy voankazo lo sy maimbo mipotsaka avy any, ary miporitika eny amin’ny olona rehetra akaiky azy. Iza io olona io? Loza raha ny iray amintsika izany! Ny sary toy izany anefa dia mety hifanentana raha ‘mamela teny maloto hivoaka avy ao am-bavantsika’ isika.
6. Ahoana no iharan’ny Efesiana 4:29 amin’ny teny manakiana sy tsy manorina?
6 Fomba hafa fampiharana ny Efesiana 4:29, ny fanalavirantsika ny ho be fanakianana foana. Ekena fa isika rehetra dia samy manana hevitra manokana sy safidy mahakasika ireo zavatra tsy tiantsika na tsy ekentsika, kanefa moa ve ianao efa mba tafaraka tamin’olona izay toa manan-teny holazaina tsy manorina (na teny holazaina maro be) mahakasika izay olona, na toerana, na zavatra rehetra tononina? (Ampitahao amin’ny Romana 12:9; Hebreo 1:9.) Ny teniny dia manaratsy, manambany, na mandrava. (Salamo 10:7; 64:2-4; Ohabolana 16:27; Jakoba 4:11, 12). Mety tsy ho tsapany hoe hatraiza izy no mitovy amin’ireo mpanakiana voalazalazan’i Malakia. (Malakia 3:13-15). Toy inona no mety ho fahatafintohinany raha milaza aminy ny olona iray eo anilany fa misy trondro lo, na voankazo lo, miporitsaka avy any am-bavany!
7. Fandinihan-tena inona no tokony hataon’ny tsirairay amintsika?
7 Na dia mora aza ny mamantatra ny olon-kafa rehefa tsy mitsahatra milaza zavatra tsy manorina sy manakiana izy, dia manontania tena hoe: ‘Mirona hitovy amin’izany ve aho? Izany marina tokoa ve?’ Ho fahendrena indraindray ny hieritreretana ny hevitr’ireo teny ataontsika. Moa ve izy ireo voalohany indrindra tsy manorina sy manakiana? Moa ve isika mitovitovy amin’ireo telo lahy mpampionona sandoka an’i Joba? (Joba 2:11; 13:4, 5; 16:2; 19:2). Nahoana no tsy mitady lafiny manorina holazaina? Raha fanakianana ranofotsiny ny resadresaka iray, nahoana izany raha ahodina ho amin-javatra mampandroso?
8. Fianarana inona mikasika ny teny no omen’ny Malakia 3:16, ary ahoana no ahafahantsika mampiseho fa mampihatra izany fianarana izany isika?
8 Nampiseho izao tsy fitoviana izao i Malakia: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” (Malakia 3:16). Voamarikao ve ny fihetsik’i Jehovah teo anatrehan’ny teny nampandroso? Inona no azo inoana fa ho fiantraikan’ny resadresaka toy izany teo amin’ny mpiara-miasa? Afaka maka fianarana manokana avy amin’ny tenintsika isan’andro isika. Ho tsara kokoa, ho antsika sy ho an’ny hafa, raha manome taratry ny ‘fanati-piderantsika ho an’Andriamanitra’ ny resadresaka fanaontsika. — Hebreo 13:15.
Miasà ho fampandrosoana ny hafa
9. Nahoana moa ireo fivoriana kristiana no manome fahafahana tsara dia tsara hampandrosoana ny hafa?
9 Ireo fivorian’ny kongregasiona dia manome fahafahana tsara dia tsara hiresaka ny amin’izay “tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” (Efesiana 4:29). Afaka manao izany isika rehefa manao lahateny mikasika fanazavana ao amin’ny Baiboly, na rehefa mandray anjara amin’ny fampisehoana, na rehefa milaza hevitra mandritra ireo tapany misy fanontaniana sy valiny. Amin’izay isika dia mahita ny fahamarinan’ny Ohabolana 20:15 hoe: “Ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.” Ary iza moa no mahafantatra hoe fon’olona firy no tohinintsika na ampandrosointsika?
10. Rehefa avy nieritreritra ny amin’ny olona mazàna niresahantsika isika, fanitsiana inona no mety hilaina hatao? (2 Korintiana 6:12, 13).
10 Ny fotoana aloha sy aorian’ny fivoriana dia mety tsara mba hampandrosoana ny hafa amin’ny resadresaka izay mahasoa ny mpihaino. Mora erỳ ny mandany ireny fotoana ireny amin’ny fanaovana resaka mahafinaritra amin’ny havana sy namana vitsivitsy izay manavanana antsika. (Jaona 13:23; 19:26). Kanefa, mifanaraka amin’ny Efesiana 4:29, nahoana raha mitady olon-kafa hiresahana? (Ampitahao amin’ny Lioka 14:12-14.) Azontsika faritana mialoha ny hilaza zavatra hafa ankoatra ny ‘Manahoana’ ara-pomba sy miserana fotsiny, amin’ny olona vaovao sasany, na amin’ireo zokiolona, na amin’ireo tanora, na mipetraka mihitsy aza raha miresaka amin’ireo mbola kely mba hitovy haavo kokoa aminy. Ny tena fahalianana marina asehontsika sy ny fotoana atokantsika ho an’ny resaka mampandroso dia hahatonga ny hafa ho afaka kokoa hanana fihetseham-po toy ny an’i Davida voalaza ao amin’ny Salamo 122:1.
11. a) Fahazarana inona no nampitomboin’ny sasany mahakasika ny toerana ipetrahana? b) Nahoana ny sasany no manao fanahy iniana manovaova ny toerana ipetrahany?
11 Fanampiana hafa iray mba hanaovana resadresaka mampandroso, ny fanovaovana ny toerana ipetrahantsika any amin’ny fivoriana. Ny reny mitaiza kely iray dia mety hila ny hipetraka manakaiky ny toerana fivoahana, na ny kilemaina iray mety hila fipetrahana manakaiky ny lalantsara mampisaraka ireo laharan-tseza, fa ahoana kosa ny amintsika hafa rehetra? Ny fahazarana fotsiny dia mety hitarika antsika hiverina amin’ny toerana fipetrahana na faritra sasany; na dia ny vorona aza dia miverina ho azy any amin’ny akaniny. (Isaia 1:3; Matio 8:20). Amim-pahatsorana anefa, satria isika afaka mipetraka na aiza na aiza, nahoana raha manovaova ny toerantsika — eny amin’ny ilany havia, ny ilany havanana, eny alohaloha, sy ny toy izany — ka amin’izay dia hifankahalala tsaratsara kokoa amin’olona samy hafa? Na dia tsy misy fitsipika hanaovantsika izany aza, ireo loholona sy ireo olona matotra hafa izay nanovaova ny toerana nipetrahany dia nahita fa mora kokoa ny mizara izay mahasoa ny maro, fa tsy izay ho an’ny namana akaiky vitsivitsy monja.
Aoka ianao hampandroso araka ny fomban’Andriamanitra
12. Fironana tsy faniry inona no niharihary nandritra ny tantara?
12 Ny fanirian’ny Kristiana iray hampandroso ny hafa dia tokony hanosika azy hanahaka an’Andriamanitra amin’io lafiny io fa tsy hanaraka ny fironan’olombelona hanorina fitsipika maro be.a Nirona hatramin’ny ela hanapaka ny hafa manodidina azy ny olombelona tsy tanteraka, ary nisy aza mpanompon’Andriamanitra sasany resin’io fironana io. (Genesisy 3:16; Mpitoriteny 8:9). Tamin’ny andron’i Jesosy, ireo filoha jiosy dia ‘namehy entana mavesatra teo amin’ny hafa kanefa ny tenany tsy nety nanetsika izany’. (Matio 23:4). Novan’izy ireo ho lovantsofina nandidindidy ireo fomba fanao tsy nisy naha-ratsy azy. Tamin’ny fiahian’izy ireo tafahoatra ny amin’ny fitsipik’olombelona, dia nataony tsirambina ireo zavatra izay nolazain’Andriamanitra fa tena lehibe. Tsy nisy olona nandroso noho ny fanorenan’izy ireo fitsipika maro be tsy araka ny Soratra Masina; tsy fomban’Andriamanitra tsotra izao fotsiny ny fomban’izy ireo. — Matio 23:23, 24; Marka 7:1-13.
13. Nahoana no tsy mety ny fanorenana fitsipika maro be ho an’ny samy Kristiana?
13 Maniry marina tokoa ny hanaraka ny lalàn’Andriamanitra ny Kristiana. Na dia isika aza anefa, dia mety ho voan’ny fironana hanorina fitsipika mavesatra maro be. Nahoana? Voalohany, dia tsy mitovy ny fitiavan-javatra na ny safidy, koa mety ho hitan’ny sasany fa azo ekena izay tsy tian’ny hafa sy heveriny fa tokony hofoanana. Tsy mitovy koa ny Kristiana eo amin’ny fandrosoany ho amin’ny fahamatorana ara-panahy. Kanefa, moa ve ny fanorenana fitsipika maro no fomban’Andriamanitra mba hanampiana ny hafa handroso ho amin’ny fahamatorana? (Filipiana 3:15, DIEM; 1 Timoty 1:19; Hebreo 5:14). Na dia tena eo am-pandehanana amin’ny lalana izay hita fa tafahoatra na mampidi-doza aza ny olona iray, moa ve ny fitsipika misy fandrarana no vahaolana tsara indrindra? Ny fomban’Andriamanitra dia ny hanandraman’ireo olona mahafeno fepetra manarina ny olona mania iray amin’ny fampisaintsainana azy amim-pahamoram-panahy. — Galatiana 6:1.
14. Noho ny fikasana inona no nanaovana ireo lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraely?
14 Marina fa, fony izy nampiasa ny Isiraely ho vahoakany, Andriamanitra dia namoaka lalàna an-jatony maro mikasika ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly, ny sorona, ary ny fomba fanariana ny maloto mihitsy aza. Izany dia nety tsara ho an’ny firenena iray niavaka, ary maro tamin’ireo lalàna no nanana heviny ara-paminaniana ka nanampy mba hitarihana ny Jiosy ho amin’ny Mesia. Nanoratra toy izao i Paoly: “Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika.” (Galatiana 3:19, 23-25). Taorian’ny nanafoanana ny Lalàna teo amin’ny hazo fijaliana, Andriamanitra dia tsy nanome lisitra lava be misy fitsipika eo amin’ny ankamaroan’ny lafim-piainana ho an’ny Kristiana, toy ny hoe izany no fomba hitanana azy ireo handroso amin’ny finoana.
15. Fitarihana inona no omen’Andriamanitra ireo mpivavaka kristiana?
15 Marina aloha fa tsy hoe tsy manan-dalàna akory isika. Mandidy antsika Andriamanitra mba hifady ny fanompoan-tsampy, ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady ary ny fampiasana ny ra amin’ny fomba ratsy. Norarany indrindra ny famonoana olona, ny lainga, ny spiritisma, ary ny fahotana hafa isan-karazany. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 1 Korintiana 6:9, 10; Apokalypsy 21:8). Ary ao amin’ny Teniny Izy dia manolotra torohevitra mazava mikasika raharaha maro. Kanefa na dia izany aza, dia manana andraikitra lehibe lavitra noho ireo Isiraelita isika hianatra sy hampihatra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Afaka mampandroso ny hafa ireo loholona amin’ny fanampiana azy ireo hahita sy handinika ireny fotopoto-pitsipika ireny toy izay hitady, na hanorina fitsipika fotsiny.
Ireo loholona izay mampandroso
16, 17. Modely tsara dia tsara inona no nomen’ireo apostoly raha ny amin’ny fanorenana fitsipika ho an’ny mpiray finoana?
16 Nanoratra toy izao i Paoly: “Na toy inona na toy inona fandrosoana efa vitantsika, dia aoka isika hanohy handeha amin’ny fomba milamina araka io fomba mahazatra io ihany.” (Filipiana 3:16, NW ). Mifanaraka amin’io fomba fijerin’Andriamanitra io, ilay apostoly dia nifampiraharaha tamin’ny hafa tamin’ny fomba izay nampandroso. Ohatra, nipoitra ny fanontaniana mba hahafantarana raha azo atao na tsia ny nihinana hena izay nety ho avy tany amin’ny tempolin’ny sampy. Moa ve io loholona io namoaka fitsipika ho an’ny rehetra tao amin’ny kongregasiona voalohany, angamba mba hisian’ny fampitoviana na fanatsorana? Tsia. Niaiky izy fa ny fahasamihafana eo amin’ny fahalalana sy ny fandrosoana ho amin’ny fahamatorana dia mety hitarika ireny Kristiana ireny ho amin’ny safidy tsy nitovy. Raha ny amin’ny tenany, izy dia tapa-kevitra ny hamela ohatra tsara dia tsara. — Romana 14:1-4; 1 Korintiana 8:4-13.
17 Asehon’ny Soratra Grika Kristiana fa ireo apostoly dia nanome torohevitra mahasoa mikasika raharaha manokana sasany, toy ny momba ny fitafiana sy ny fihaingoana, kanefa dia tsy nampiasa fitsipika maro azo nampiharina tamin’ny toe-javatra rehetra izy ireo. Amin’izao andro izao, izany dia ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpiandraikitra kristiana izay ta hampandroso ny andian’ondry. Ary izany, raha ny marina, dia manitatra ny fomba fifampiraharahana fototra izay narahin’Andriamanitra na dia tamin’ny Isiraely fahizay aza.
18. Fitsipika inona avy mikasika ny fitafiana no nomen’i Jehovah ny Isiraely?
18 Tsy nanome lalàna be antsipiriany momba ny fitafiana ho an’ireo Isiraelita Andriamanitra. Miharihary fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia nampiasa kapaoty, na akanjo ivelany nitovy, na dia mety ho nisy petakofehy na be loko kokoa aza ny an’ny vehivavy. Ny lehilahy sy ny vehivavy koa dia samy nanisy sa·dhinʹ, na akanjo anatiny. (Mpitsara 14:12, NW; Ohabolana 31:24, NW; Isaia 3:23). Lalàna inona momba ny fitafiana no nomen’Andriamanitra? Na ny lehilahy na ny vehivavy dia samy tsy nahazo nanisy akanjo izay nampitovy azy tamin’ny olona tsy tahaka azy, miharihary fa noho ny fikasana hanao sodomia. (Deoteronomia 22:5). Mba hampisehoana ny fisarahany tamin’ireo firenena nanodidina, ireo Isiraelita dia tsy maintsy nanisy somotraviavy teo amin’ny sisin’ny akanjony, ary kofehy manga teo ambonin’ilay somotraviavy, ary angamba somotraviavy navona teo amin’ny zoron’ny kapaoty. (Nomery 15:38-41). Amin’ny fotony, dia izany ihany no toromarika nomen’ny Lalàna momba ny didin’akanjo.
19, 20. a) Fitarihana inona no omen’ny Baiboly ho an’ny Kristiana mikasika ny fitafiana sy ny fihaingoana? b) Fomba fijery inona no tokony hananan’ireo loholona raha ny amin’ny fanorenana fitsipika momba ny fisehoana ivelany manokana?
19 Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàna aza ny Kristiana, moa ve isika manana fitsipika amin’ny antsipiriany mikasika ny fitafiana na ny fihaingoana navoaka ho antsika ao amin’ny Baiboly? Tsy dia izany loatra. Nanome fotopoto-pitsipika voalanjalanja izay azontsika ampiharina Andriamanitra. Izao no nosoratan’i Paoly: “Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy”. (1 Timoty 2:9). I Petera dia nampirisika ireo vehivavy kristiana mba tsy hifantoka amin’ny fihaingoana ara-batana, fa tokony hifantoka kosa amin’ny “toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana [“tony sy malefaka”, NW ]”. (1 Petera 3:3, 4). Matoa noraketina an-tsoratra ny torohevitra toy izany, dia angamba nisy Kristiana tamin’ny taonjato voalohany sasany nety ho nila ny ho maotina kokoa sy hifehy tena kokoa teo amin’ny fitafiany na ny fihaingoany. Kanefa, tsy nitaky — na nandrara — lamaody sasany ireo apostoly fa nanome fotsiny torohevitra nampandroso.
20 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hohajaina, ary amin’ny ankapobeny dia hajaina noho ny fisehoany ivelany maotina. Na dia izany aza, dia miovaova arakaraka ny tany sy ny faritra na ny kongregasiona mihitsy aza ny lamaody. Marina aloha fa ny loholona iray manana hevitra manokana mafy na fitiavan-javatra sasany eo amin’ny fitafiana sy ny fihaingoana dia mahazo manapa-kevitra mifanaraka amin’izany ho an’ny tenany sy ny fianakaviany. Kanefa, raha ny amin’ny andian’ondry, dia ilainy ny mitadidy ao an-tsainy ny hevitr’i Paoly hoe: “Kanefa tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.” (2 Korintiana 1:24). Eny, amin’ny fanoherana ny faniriana hanorina fitsipika ho an’ny kongregasiona, ireo loholona dia miasa ho fampandrosoana ny finoan’ny hafa.
21. Ahoana no ahafahan’ireo loholona manome fanampiana mampandroso raha misy olona manao zavatra tafahoatra eo amin’ny fitafiana?
21 Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, indraindray dia misy olona vaovao na osa ara-panahy mety hanaraka fanao mampisalasala na tsy mampiseho fahendrena eo amin’ny fomba fitafy, na ny fampiasana ireo zavatra fanosotra amin’ny tarehy, na ny firavaka. Ahoana amin’izay? Eo indray koa dia manome fitarihana ho an’ny loholona kristiana izay maniry hanampy amim-pahatsorana, ny Galatiana 6:1. Alohan’ny hanapahan’ny loholona iray hevitra ny hanome torohevitra, dia azony atao ny maka hevitra amim-pahendrena any amin’ireo loholona namany, tsara kokoa raha tsy any amin’ny loholona iray izay fantany fa mitovy fitiavan-javatra sy fomba fihevitra aminy. Raha toa misy akony eo amin’ny maro ao amin’ny kongregasiona ny fironan’izao tontolo izao eo amin’ny fitafiana, ny fitambaran-doholona dia afaka midinika ny amin’ny fomba tsara indrindra hanolorana fanampiana, toy ny amin’ny alalan’ny tapany amin’ny fivoriana atao amin-katsaram-panahy sy mampandroso, na amin’ny fanolorana fanampiana manokana. (Ohabolana 24:6; 27:17). Ny tanjon’izy ireo dia ny hampirisika ilay fomba fijery hita taratra ao amin’ny 2 Korintiana 6:3 manao hoe: “Tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana”.
22. a) Nahoana isika no tsy tokony ho sahiran-kevitra raha misy tsy fitoviana madinika eo amin’ny fomba fijery? b) Ohatra tsara dia tsara inona no nomen’i Paoly?
22 Ireo loholona kristiana ‘miandry ny ondrin’Andriamanitra izay andraikiny’ dia maniry ny hanao izany araka ny nanoritan’i Petera azy, izany hoe “tsy ho mpanjakazaka amin’ireo izay lovan’Andriamanitra”. (1 Petera 5:2, 3, NW ). Eo am-panaovan’izy ireo ny asany feno fitiavana, dia mety hipoitra ny fanontaniana mahakasika raharaha izay mety hisy fahasamihafan’ny safidy. Angamba mety ho fomba eo an-toerana ny mitsangana mba hamaky ny fehintsoratra mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Ireo fandaharana ho an’ny asa fanompoana sy tsipirian-javatra maro hafa mahakasika ny fanompoana mihitsy dia azo atao araka ny fomba eo amin’ilay faritra. Kanefa, moa ve ho zava-doza raha misy olona manana fomba somary samy hafa kely fotsiny? Ireo mpiandraikitra be fitiavana dia maniry ‘hanao ny zavatra rehetra amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana’. Izany teny izany dia nampiasain’i Paoly mikasika ireo fahaizana mahagaga. Asehon’ny teny manodidina anefa fa ny zavatra nahaliana indrindra an’i Paoly dia ny “hampandroso ny fiangonana”. (1 Korintiana 14:12, 40). Tsy naneho fironana hanorina fitsipika maro be tsy nisy farany izy, toy ny hoe ny fitoviana feno, na fandairan-javatra tanteraka no zava-nokendreny voalohany indrindra. Izao no nosoratany: “Nomen’i Kristy [fahefana] (...) hananganana, fa tsy handravana anareo [izahay]”. — 2 Korintiana 10:8.
23. Inona ireo fomba sasany izay azontsika anahafana ny ohatr’i Paoly teo amin’ny fampandrosoany ny hafa?
23 Tsy isalasalana fa niasa mba hampandroso ny hafa i Paoly tamin’ny teny nanorina sy nampahery. Tsy niaraka tamin’ny antokona sakaiza vitsivitsy monja izy, fa nanao ezaka mihoatra noho ny nantenaina kosa mba hitsidihana rahalahy sy anabavy maro be, na ireo matanjaka ara-panahy izany na ireo nila ny fampandrosoana manokana. Ary nanantitrantitra ny fitiavana izy — fa tsy ny fitsipika — satria “ny fitiavana no mampandroso”. — 1 Korintiana 8:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao anatin’ny fianakaviana, ny fisian’ny fitsipika isan-karazany dia mety ho toa fahendrena, arakaraka ny toe-javatra. Ny Baiboly dia manome lalana ny ray aman-dreny hanapa-kevitra ho an’ny zanany tsy ampy taona. — Eksodosy 20:12; Ohabolana 6:20; Efesiana 6:1-3.
Hevitra ho Famerenana
◻ Nahoana no mety ny hiovana raha mirona hanao teny tsy manorina sy feno fanakianana isika?
◻ Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika hampandroso kokoa ao amin’ny kongregasiona?
◻ Inona no modely nomen’Andriamanitra mikasika ny fanorenana fitsipika maro ho an’ny hafa?
◻ Inona no hanampy ireo loholona hanalavitra ny fanorenana fitsipik’olombelona ho an’ny andian’ondry?