“Ento ho ao An-trano Firaketana ny Ampahafolon-karena Rehetra”
“Izahao toetra Aho, (...) raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo”. — MALAKIA 3:10.
1. a) Tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i., fanasana inona moa no nomen’i Jehovah ny vahoakany? b) Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., inona no vokatry ny nahatongavan’i Jehovah tao amin’ny tempoly mba hanao fitsarana?
TAMIN’NY taonjato fahadimy al.f.i., dia tsy nahatoky teo anatrehan’i Jehovah ireo Isiraelita. Nihazona ny ampahafolon-karena izy ireo sady nitondra biby tsy mendrika mba hatao fanatitra tany amin’ny tempoly. Na dia izany aza, dia nampanantena i Jehovah fa, raha nitondra ny ampahafolon-karena manontolo tao an-trano firaketana izy ireo, dia hampidina fitahiana manana amby ampy izy. (Malakia 3:8-10). Tokony ho 500 taona tatỳ aoriana, dia tonga tao amin’ny tempoly tao Jerosalema i Jehovah mba hanao fitsarana, tamin’ny alalan’i Jesosy, ilay iraky ny fanekena nalefany. (Malakia 3:1). Tamin’ny naha-firenena azy, ny Isiraely dia hita fa tsy nahafeno fepetra, kanefa ireo olona teo aminy izay niverina tamin’i Jehovah dia nomena fitahiana tondraka. (Malakia 3:7). Voahosotra mba ho zanak’i Jehovah ara-panahy izy ireo, dia ireo olom-baovao, “ny Isiraelin’Andriamanitra”. — Galatiana 6:16; Romana 3:25, 26.
2. Rahoviana ny Malakia 3:1-10 no tokony hanana fahatanterahana faharoa, ary asaina hanao inona mifandray amin’izany isika?
2 Tokony ho 1 900 taona taorian’izay, tamin’ny 1914, dia nomena ny fiandrianana ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy, ary kely sisa dia hahita fahatanterahana faharoa ireo teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ao amin’ny Malakia 3:1-10. Mifandray amin’io zava-niseho nampientana io, ireo Kristiana amin’izao andro izao dia asaina mba hitondra ny ampahafolon-karena manontolo ho ao an-trano firaketana. Raha manao izany isika, isika koa dia hahazo fitahiana manana amby ampy.
3. Iza moa no nanamboaran’ilay iraka lalana teo alohan’i Jehovah a) tamin’ny taonjato voalohany? b) talohan’ny ady lehibe voalohany?
3 Momba ny fahatongavana ho ao amin’ny tempoly, dia hoy i Jehovah: “Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo alohako”. (Malakia 3:1). Ho fahatanterahan’izany tamin’ny taonjato voalohany, dia tonga teo amin’ny Isiraely nitory fibebahana noho ny heloka i Jaona Mpanao Batisa. (Marka 1:2, 3). Moa ve nisy asa fanomanana ny fahatongavan’i Jehovah fanindroany ho ao amin’ny tempoliny? Eny. Nandritra ny am-polony taona maro talohan’ny ady lehibe voalohany, dia niseho teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao ireo Mpianatra ny Baiboly nampianatra foto-pampianarana ara-baiboly madio ary nanala sarona ireo lainga nanala baraka an’Andriamanitra, toy ny fampianarana momba ny Trinite sy ny afobe. Nampitandrina ny amin’ny fahatongavan’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914 koa izy ireo. Maro no nanaiky ireo mpitondra fahazavana momba ny fahamarinana ireo. — Salamo 43:3; Matio 5:14, 16.
4. Fanontaniana inona no tsy maintsy novaliana nandritra ny andron’ny Tompo?
4 Nanokatra ilay antsoin’ny Baiboly hoe “ny Andron’ny Tompo” ny taona 1914. (Apokalypsy 1:10). Tokony hisy fisehoan-javatra manan-tantara hitranga mandritra izany andro izany, anisan’izany ny fampahafantarana ny “mpanompo mahatoky sy malina” sy ny fanendrena azy io “ho mpanapaka ny [fananan’ny Tompo] rehetra”. (Matio 24:45-47, NW ). Tany amin’ny 1914, dia fiangonana an’arivony maro no nihambo ho kristiana. Antokon’olona iza no heken’ilay Tompo, i Jesosy Kristy, ho ny mpanompony mahatoky sy malina? Izany fanontaniana izany dia novaliana tamin’ny fotoana nahatongavan’i Jehovah tao amin’ny tempoly.
Ny fahatongavana tao amin’ny tempoly ara-panahy
5, 6. a) Tempoly inona no nahatongavan’i Jehovah mba hanao fitsarana? b) Fitsarana inona no azon’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana avy tamin’i Jehovah?
5 Tempoly inona anefa no nahatongavany? Mazava fa tsy teo amin’ny tempoly ara-bakiteny iray tany Jerosalema izany. Ny farany tamin’izany tempoly izany dia noringanina tamin’ny 70 am.f.i. Manana tempoly lehibe kokoa iray izay nasehon’ilay tany Jerosalema anefa i Jehovah. Niresaka ny amin’io tempoly lehibe lavitra io i Paoly ary nampiseho fa tena lehibe tokoa izy io, manana toerana masina any an-danitra sy kianja eto an-tany. (Hebreo 9:11, 12, 24; 10:19, 20). Tao amin’io tempoly ara-panahy lehibe io no nahatongavan’i Jehovah mba hanao asa fitsarana. — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 11:1; 15:8.
6 Oviana izany no nitranga? Araka ny porofo mafy orina misy, izany dia tamin’ny 1918.a Inona no vokany? Raha ny amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, i Jehovah dia nahita azy ho fandaminana izay feno ra ny tanany, fandehan-javatra ara-pivavahana voaloto, izay nijangajanga tamin’izao tontolo izao, nifampisakaiza tamin’ny manankarena ary nampahory ny mahantra, sady nampianatra foto-pampianaran’ny mpanompo sampy fa tsy nampihatra ny fanompoam-pivavahana marina. (Jakoba 1:27; 4:4). Tamin’ny alalan’i Malakia, dia efa nampitandrina toy izao i Jehovah: “Ho vavolombelona faingana [aho] hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy to sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ny karamany mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty”. (Malakia 3:5). Nanao izany rehetra izany, ary zava-dratsy kokoa noho izany aza, ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana. Tamin’ny 1919, dia efa hita mazava fa nanameloka azy ho amin’ny fandringanana miaraka amin’ny sisa rehetra amin’i Babylona Lehibe, dia ny fikambanana maneran-tanin’ny fivavahan-diso, i Jehovah. Nanomboka tamin’izay, dia nalefa tamin’ny olona mahitsy fo ilay antso manao hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko”. — Apokalypsy 18:1, 4.
7. Iza no neken’i Jesosy ho toy ny mpanompony mahatoky sy malina?
7 Iza àry ilay mpanompo mahatoky sy malina? Tamin’ny taonjato voalohany, dia niantomboka tamin’ny antokon’olona vitsy izay nanaiky ny asa fanambarana nataon’i Jaona Mpanao Batisa sy i Jesosy, ilay iraky ny fanekena, izy io. Amin’izao taonjato misy antsika izao kosa, izany dia ireo an’arivony vitsivitsy izay nanaiky ilay asa fanomanana nataon’ireo Mpianatra ny Baiboly nandritra ireo taona talohan’ny 1914. Niaritra fitsapana mafy izy ireo nandritra ny ady lehibe voalohany, kanefa nasehony fa nifikitra tamin’i Jehovah ny fony.
Asa fanadiovana
8, 9. Tany amin’ny 1918, tamin’ny lafiny inona avy no nilan’ny mpanompo mahatoky sy malina fanadiovana, ary fampanantenana inona no nataon’i Jehovah tamin’io lafiny io?
8 Na dia io antokon’olona io aza anefa dia nila fanadiovana. Ny sasany izay nifandray taminy dia niseho ho fahavalon’ny finoana ka tsy maintsy nesorina. (Filipiana 3:18). Ny hafa kosa tsy vonona ny hiantsoroka ireo andraikitra tafiditra tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ka niala. (Hebreo 2:1). Ankoatra izany, dia nisy fanao babyloniana tavela teo anivony izay nila ny hofoanana. Teo amin’ny lafin’ny fanaovana fandaminana koa dia tsy maintsy nodiovina ny mpanompo mahatoky sy malina. Tsy maintsy nianarany sy nampihariny ihany koa ny fitanana toerana mialanalana araka ny tokony ho izy eo anatrehan’izao tontolo izao. Ary rehefa mihamanjary simba ihany ity tontolo ity, izy ireo kosa dia mila ny miezaka mafy mba hihazona ny fahalotoana ara-pitondrantena sy ara-panahy ho any ivelan’ny kongregasiona. — Ampitahao amin’ny Joda 3, 4.
9 Eny, nilaina ny fanadiovana, kanefa efa nampanantena tamim-pitiavana toy izao momba an’i Jesosy nahazo ny fiandrianana i Jehovah: “Hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.” (Malakia 3:3). Nanomboka tamin’ny 1918, tamin’ny alalan’io iraky ny fanekena io, i Jehovah dia nanatanteraka ny fampanantenany ka nanadio ny vahoakany.
10. Karazana fanatitra inona no nentin’ny vahoakan’Andriamanitra, ary fanasana inona no nomen’i Jehovah azy ireo?
10 Ireo rahalahin’i Kristy voahosotra sy ny olona betsaka niaraka taminy tatỳ aoriana teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia samy nandray soa avy tamin’ny fanaovan’i Jehovah ny asan’ny mpandrendrika sy ny mpanadio volafotsy. (Apokalypsy 7:9, 14, 15). Tamin’ny naha-fandaminana azy ireo, dia tonga izy ireo, tsy tamin’izay ihany fa ankehitriny koa, mba hanolotra fanatitra amim-pahamarinana. Ary ny fanatiny dia “mamin’i Jehovah (...) toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha.” (Malakia 3:4). Ireo no nasain’i Jehovah tao amin’ny faminaniana toy izao: “[Ento ho ao an-trano firaketana ny ampahafolon-karena rehetra, NW ] mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” — Malakia 3:10.
Fanatitra sy ampahafolon-karena
11. Nahoana no tsy takina intsony ireo fanatitra araka ny fandehan-javatra teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy?
11 Tamin’ny andron’i Malakia, ny vahoakan’Andriamanitra dia nitondra fanatitra sy ampahafolon-karena ara-bakiteny, toy ny vary, ny voankazo ary ny biby fiompy. Na dia tamin’ny andron’i Jesosy aza, ireo Isiraelita nahatoky dia nitondra fanatitra ara-bakiteny tany amin’ny tempoly. Kanefa, taorian’ny fahafatesan’i Jesosy, dia niova izany rehetra izany. Nofoanana ny Lalàna, anisan’izany ny baiko momba ny fanolorana fanatitra sy ampahafolon-karena ara-nofo voafaritra tsara. (Efesiana 2:15). Nahatanteraka ny sary ara-paminanian’ireo fanatitra teo ambanin’ny Lalàna i Jesosy. (Efesiana 5:2; Hebreo 10:1, 2, 10). Amin’ny fomba ahoana àry no ahafahan’ny Kristiana mitondra fanatitra sy ampahafolon-karena?
12. Karazana fanatitra sy sorona ara-panahy inona avy no ataon’ny Kristiana?
12 Ho azy ireo, dia miavaka tsara fa ara-panahy ny fanatitra ataony. (Ampitahao amin’ny Filipiana 2:17; 2 Timoty 4:6, fanamarihana ambany pejy.) I Paoly, ohatra, dia niresaka momba ny asa fitoriana ho toy ny fanatitra rehefa nilaza izy hoe: “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” Nanondro ny fisian’ny karazana fanatitra ara-panahy hafa iray koa izy rehefa nampirisika hoe: “Aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.” (Hebreo 13:15, 16). Rehefa mampirisika ny zanany mba hirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana ireo ray aman-dreny, dia azo lazaina fa manolotra azy ireo ho an’i Jehovah, tsy misy hafa amin’ny nanateran’i Jefta ny zanany vavy ho “fanatitra hodorana” ho an’Andriamanitra, izay nanome azy ny fandresena. — Mpitsara 11:30, 31, 39.
13. Nahoana no tsy takina amin’ny Kristiana ny hanomezany ny ampahafolon’ny fivelomany ara-bakiteny?
13 Ahoana anefa ny amin’ny ampahafolon-karena? Moa ve ny Kristiana voatery manokana ny ampahafolon’ny fivelomany ara-nofo ka hanome izany ho an’ny fandaminan’i Jehovah, mitovy amin’ny atao any amin’ny fiangonana sasany amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana? Tsia, tsy takina aminy izany. Tsy misy andinin-teny milaza izany fitsipika izany ho an’ny Kristiana. Rehefa nanangona fanomezana ho an’ireo tsy ampy fivelomana tany Jodia i Paoly, dia tsy nanonona ampahany voafaritra tsara iray izay tokony homena. Izao kosa no nolazainy: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny [fanomezana tsy fidiny, NW ], na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintiana 9:7). Rehefa niresaka momba ireo tao amin’ny fanompoana manokana i Paoly, dia nampiseho fa, na dia nahazo fanohanana araka ny mety tsara tamin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo aza ny sasany, ny tenany dia vonona ny hiasa sy hamelon-tena. (Asan’ny Apostoly 18:3, 4; 1 Korintiana 9:13-15). Tsy nisy ampahafolon-karena nasaina nomena ho amin’izany zava-kendrena izany.
14. a) Nahoana ny fitondrana ny ampahafolon-karena no tsy mampiseho ny fanomezantsika izay antsika rehetra ho an’i Jehovah? b) Inona no asehon’ny ampahafolon-karena?
14 Mazava fa, ho an’ny Kristiana, ny ampahafolon-karena dia mampiseho, na sary anehoana zavatra iray. Koa satria ny hoe ampahafolo na ny isa folo matetika dia mampiseho fahafenoana eto an-tany ao amin’ny Baiboly, moa ve ny ampahafolon-karena mampiseho fa tokony hanome izay antsika rehetra ho an’i Jehovah isika? Tsia. Rehefa nanolo-tena ho an’i Jehovah isika ka nanamarika izany tamin’ny batisa anaty rano, dia tamin’izay no nanomezantsika izay antsika rehetra ho azy. Nanomboka tamin’ny fotoan’ny fanoloran-tenantsika, dia tsy misy na inona na inona antsika ka tsy efa an’i Jehovah. Kanefa, mamela ny olona hampiasa izay azy araka izay tiany i Jehovah. Ny ampahafolon-karena àry dia mampiseho ny ampahany amin’izay antsika ka entintsika ho an’i Jehovah, ary ampiasaintsika eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah, ho mariky ny fitiavantsika azy sy ny fanekentsika fa azy isika. Tsy voatery ho ny ampahafolo ara-bakiteny akory ny ampahafolon-karena amin’izao androntsika izao. Amin’ny toe-javatra sasany, dia ho kely kokoa izany. Amin’ny toe-javatra hafa, dia ho be kokoa izany. Mitondra izay anosehan’ny fony ny hitondrana azy sy izay amelan’ny toerana misy azy, ny olona tsirairay avy.
15, 16. Inona no tafiditra amin’ny ampahafolon-karena ara-panahintsika?
15 Inona no tafiditra amin’io ampahafolon-karena ara-panahy io? Voalohany aloha, dia manome an’i Jehovah ny fotoanantsika sy ny herintsika isika. Ny fotoana lanintsika any amin’ireo fivoriana, any amin’ny fanatrehana ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy fivoriamben’ny distrika, eny amin’ny asa fanompoana, izany rehetra izany dia zavatra omentsika an’i Jehovah — anisan’ny ampahafolon-karenantsika. Ny fotoana sy hery lanintsika hitsidihana ireo marary sy hanampiana ny hafa — izany dia anisan’ny ampahafolon-karenantsika. Ny fanampiana eo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy ny fandraisana anjara amin’ny fikojakojana sy fanadiovana izany efitrano izany dia anisany ihany koa.
16 Tafiditra amin’ny ampahafolon-karenantsika koa ny fanaovantsika fanomezana ara-bola. Noho ny fitomboana tsy misy ohatra izany ao amin’ny fandaminan’i Jehovah tamin’ireo taona faramparany, dia nitombo koa ny andraikitra ara-bola. Ilaina ny hisian’ny Efitrano Fanjakana vaovao, ary koa biraon’ny sampana vaovao sy Efitrano Fanaovana Fivoriambe vaovao. Miaraka amin’izany koa ny fikarakarana ireo efa voaorina. Ny fandoavana ny zavatra ilain’ireo izay nanolotra ny tenany mba hanao fanompoana manokana — ka matetika dia nahafoy zavatra be dia be mba hanaovana izany — koa dia zava-tsarotra goavana tsy maintsy resena. Tamin’ny 1991, ny vola naloa mba hanohanana ireo misionera sy ireo mpiandraikitra mpitety faritany ary ireo mpisava lalana manokana fotsiny dia tafakatra ho 40 tapitrisa dolara (13 arivo tapitrisa ariary) mahery, izay avy amin’ny fanomezana an-tsitrapo avokoa.
17. Inona marina no tokony homentsika ho ampahafolon-karena ara-panahintsika?
17 Inona marina àry no tokony homentsika ho ampahafolon-karenantsika manokana? Tsy nametra ampahany voafaritra iray i Jehovah. Na dia izany aza, ny fahatsapana fandavan-tena, ny fitiavana marina an’i Jehovah sy ireo rahalahy, ary koa ny fahatsapana fa ilaina maika dia maika ny mamonjy aina, dia mampirisika antsika hitondra ny ampahafolon-karena ara-panahintsika manontolo. Mahatsiaro ho voatosika hanompo an’i Jehovah hatramin’ny faran’izay azontsika atao isika. Raha toa ka mahihitra isika na manome tsy fidiny ny tenantsika na ny fananantsika, dia hitovy amin’ny fandrobana an’Andriamanitra ihany izany. — Ampitahao amin’ny Lioka 21:1-4.
Mahazo fitahiana manana amby ampy
18, 19. Ahoana no nitahiana ny vahoakan’i Jehovah noho izy ireo nitondra ny ampahafolon-karenany manontolo?
18 Nanomboka tamin’ny 1919, dia nanana fihetsika feno fahalalahan-tanana teo anoloan’ny zavatra ilain’ny asa fitoriana ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny fanomezana ny fotoanany, ny heriny ary ny fananany ara-nofo. Tena nitondra ny ampahafolon-karenany manontolo tao an-trano firaketana marina izy ireo. Ho vokatr’izany, dia nanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah ka nampidina fitahiana manana amby ampy. Hita tamin’ny fomba nanaitra indrindra izany teo amin’ny fitomboan’ny isan’izy ireo. Ireo voahosotra an’arivony vitsivitsy ihany no nanompo an’i Jehovah fony izy tonga tao amin’ny tempoly tamin’ny 1918. Kanefa nitombo izany, hany ka amin’izao andro izao, ireo voahosotra miaraka amin’ireo ondry hafa namany, dia miisa ho efatra tapitrisa mahery any amin’ny tany 211 samy hafa. (Isaia 60:22). Ireo koa dia notahina tamin’ny alalan’ny fahatakarana ny fahamarinana mitombo hatrany. Nihananjary azo antoka kokoa tamin’izy ireo ny teny ara-paminaniana. Niorina mafy ny fatokiany ny fahatanterahan’ireo fikasan’i Jehovah. (2 Petera 1:19). Tena vahoaka ‘ampianarin’i Jehovah’ marina izy ireo. — Isaia 54:13.
19 Tamin’ny alalan’i Malakia, dia nilaza mialoha ny amin’ny fitahiana fanampiny iray i Jehovah: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” (Malakia 3:16). Amin’ireo fandaminana rehetra mihambo ho kristiana, dia ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no mihevitra ny anarany sady mankalaza azy io eo amin’ireo firenena. (Salamo 34:3). Endre ny fahasambaran’izy ireo mahazo toky fa mahatsiaro ny fahatokiany i Jehovah!
20, 21. a) Fifandraisana voatahy inona no ananan’ireo Kristiana marina? b) Raha ny amin’ny Kristianisma, zavatra miavaka inona no mihamazava hatrany?
20 Ny sisa voahosotra dia vahoaka manokan’i Jehovah, ary ny olona betsaka, izay mirohotra hiaraka amin’izy ireo, dia miara-mijinja ny fitahiana entin’ny fanompoam-pivavahana marina aminy. (Zakaria 8:23). Tamin’ny alalan’i Malakia, dia mampanantena toy izao i Jehovah: “Ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy.” (Malakia 3:17). Fitahiana toy inona moa ny azy ireo manana ny fanehoam-piheverana amim-pitiavana toy izany avy amin’i Jehovah!
21 Tena mihamiharihary hatrany ny fahasamihafana eo amin’ireo Kristiana marina sy ireo sandoka. Ny vahoakan’i Jehovah dia mikely aina hihazona ny fari-pitsipiny, fa ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana kosa mihamilentika hatrany ao amin’ny fahalotoana misafotofoton’izao tontolo izao. Tena hita ny fahamarinan’ny tenin’i Jehovah manao hoe: “Ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” — Malakia 3:18.
22. Afaka matoky ny hahazo fitahiana inona avy isika raha manohy mitondra ny ampahafolon-karena manontolo?
22 Tsy ho ela, dia ho avy ny andro fampamoahana ho an’ireo Kristiana sandoka. “Indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”. (Malakia 3:19). Ny vahoakan’i Jehovah dia mahafantatra fa hiaro azy ireo izy amin’izany fotoana izany, toy ny niarovany ny fireneny ara-panahy tamin’ny taona 70 am.f.i. (Malakia 3:20). Endre ny fahasambaran’izy ireo manana izany toky izany! Mandra-pahatongan’izany fotoana izany àry, dia aoka isika rehetra hampiseho ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika an’i Jehovah amin’ny fitondrana ny ampahafolon-karena manontolo ho ao an-trano firaketana. Amin’ny fanaovana izany, dia afaka matoky isika fa hanohy hanome fitahiana manana amby ampy antsika izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1987, pejy faha-14-20.
Afaka Manazava ve Ianao?
◻ Amin’izao andro izao, oviana moa i Jehovah no tonga tao amin’ny tempoliny niaraka tamin’ilay iraky ny fanekena nalefany?
◻ Iza ilay mpanompo mahatoky sy malina, ary fanadiovana inona no nilain’izy ireo taorian’ny 1918?
◻ Karazana fanatitra ara-panahy inona avy no entin’ireo Kristiana marina ho an’i Jehovah?
◻ Inona moa ilay ampahafolon-karena anasana ny Kristiana mba hoentiny ho ao an-trano firaketana?
◻ Fitahiana inona avy no azon’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fanolorana ampahafolon-karena ara-panahy?
[Sary, pejy 15]
Tafiditra amin’ireo ampahafolon-karena ara-panahintsika ny fanolorana ny herintsika sy ny fananantsika mba hanorenana Efitrano Fanjakana
[Sary, pejy 16]
Noho ny fitahian’i Jehovah ny vahoakany, dia nanjary nilaina ny fanaovana fanorenana maro, anisan’izany ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fanaovana Fivoriambe