Asa Fiandrasana Miaraka Amin’ilay Mpamorona Antsika Lehibe
“Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.” — SALAMO 23:1, 3.
1. Famelombelomana feno fitiavana inona no omen’i Jehovah?
NITONDRA famelombelomana ho an’ny fanahy reraka maro ny Salamo faha-23, izay “salamo nataon’i Davida”. Izy io dia nampirisika azy ireo hanana ilay fatokiana voalaza eo amin’ny andininy faha-6 manao hoe: “Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo [“hatsaram-panahy miharo fitiavana”, NW ] no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho.” Mba fanirianao ve ny hitoetra amin’ny fotoana rehetra ao amin’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah, tafaray amin’ny vahoakany izay angonina avy amin’ny firenena rehetra eto an-tany amin’izao andro izao? Hanampy anao hahatratra izany zava-kendrena izany ilay ‘Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinao’, ilay Mpamorona antsika Lehibe, dia i Jehovah Andriamanitra. — 1 Petera 2:25.
2, 3. a) Ahoana no hiandrasan’i Jehovah amim-pitiavana ny olony? b) Ahoana no nitomboan’ny ‘andian’ondrin’i Jehovah’ tamin’ny fomba nanaitra ny saina?
2 Ilay Mpamorona ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” dia Mpandamina sy Mpiandraikitra Tampony ny kongregasiona kristiana, “ankohonan’Andriamanitra”, koa. (2 Petera 3:13; 1 Timoty 3:15, NW ). Mahaliana azy fatratra ny fiandrasana ny olony, araka ny voalaza mazava ao amin’ny Isaia 40:10, 11 manao hoe: “Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany. Hiandry ny [andian’ondriny, NW ] tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.”
3 Amin’ny heviny miitatra, io ‘andian’ondry’ io dia mahafaoka ireo izay efa nandeha hatramin’ny ela tao amin’ny fahamarinana kristiana sy ireo “zanak’ondry” izay voangona vao haingana kely — toy ireo olona maro be vao natao batisa atsy Afrika sy Eoropa Atsinanana. Ny sandry mpiaro sady maherin’i Jehovah dia manangona azy ireo eo an-tratrany. Na dia toy ny ondry nania aza izy ireo taloha, izao izy dia niditra tao amin’ny fifandraisana akaiky amin’ilay Andriamanitra sady Mpiandry malalany.
Mpiandry mpiara-miasa amin’i Jehovah
4, 5. a) Iza ilay “Mpiandry Tsara”, ary ahoana no nanondroan’ny faminaniana azy? b) Asa fanavahana inona no arahin’i Jesosy maso, miaraka amin’ny vokany mahatalanjona inona?
4 Maneho fiheverana feno fangoraham-po ny “ondry” koa i Jesosy Kristy, ilay “Mpiandry Tsara”, izay manompo eo an-tanana ankavanan’ny Rainy any an-danitra. Namoy ny ainy izy ho tombontsoan’ny “ondry vitsy” amin’ireo voahosotra aloha, ary avy eo dia ho an’ny olona betsaka amin’ny ‘ondriny hafa’. (Lioka 12:32; Jaona 10:14, 16). Nitodika tany amin’ireo ondry rehetra ireo ilay Mpiandry Lehibe, i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny filazana hoe: “Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara (...) ny adin’ny ondry amin’ny ondry namany. Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra [“hamahana”, NW ] azy sy ho Mpiandry azy. Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.” — Ezekiela 34:20-24.
5 Ilay filazana hoe “Davida Mpanompoko” dia manondro ara-paminaniana an’i Kristy Jesosy, ilay ‘taranaka’ izay mandova ny seza fiandrianan’i Davida. (Salamo 89:35, 36). Amin’izao andro fitsarana ny firenena izao, ilay Mpanjaka sady Mpiandry mpiara-miasa amin’i Jehovah, i Kristy Jesosy Zanak’i Davida, dia manohy manavaka ny “ondry” eo amin’ny taranak’olombelona, amin’ireo izay mety hihambo ho “ondry” kanefa “osy” raha ny marina. (Matio 25:31-33). Natsangana koa io “Mpiandry iray” io mba hamahana ny ondry. Fahatanterahana be voninahitra toy inona moa no hitantsika amin’izao andro izao momba io faminaniana io! Raha miresaka ny amin’ny fampiraisana ny taranak’olombelona amin’ny alalan’ny fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao ireo mpanao politika, ilay Mpiandry iray kosa dia tena mampiray tokoa ny ondry avy amin’ny firenena rehetra amin’ny alalan’ny asa fanambarana amin’ny fiteny maro be izay ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany irery ihany no afaka manao azy.
6, 7. Ahoana no nanaovan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay ahazoan’ny ondry mandray “sakafo amin’ny fotoana mety”?
6 Koa satria miely tsy tapaka any amin’ireo faritany vaovao ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia ataon’ny “mpanompo mahatoky sy malina” amin’ny Kristiana voahosotra, izay ahazoana antoka fa natao ny fandaharana rehetra mba handefasana “sakafo amin’ny fotoana mety”, araka ny nanendren’ilay Mpiandry iray. (Matio 24:45, NW ). Maro amin’ireo sampana 34 mpanonta pirintin’ny Fikambanana Watch Tower maneran-tany no mampitombo imbetsaka ny zavatra avoakany mba hahafahany hiatrika ny fitakiana haingana boky fianarana ny Baiboly sy gazety bebe kokoa sy tsaratsara kokoa.
7 Manao izay rehetra azony atao ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanatsarana ny hatsaran’ny fandikan-teny amin’ny fiteny 200 eo ho eo, ary mba hanombohana fandikan-teny amin’ny fiteny fanampiny arakaraka izay ilaina mba hamitana ny sahan’izao tontolo izao manontolo. Izany dia manohana ilay fanendrena nomen’i Jesosy ny mpianany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8 manao hoe: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko (...) hatramin’ny faran’ny tany”. Ambonin’izany, ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, izay efa vita pirinty manontolo na ny tapany aminy amin’ny fiteny 14, dia eo am-panaovana azy izao ny fandikana azy io amin’ny fiteny 16 hafa any Eoropa sy Afrika ary any Orient.
Fananana ny “fiadanan’Andriamanitra”
8. Ahoana no nandraisan’ny ondry fitahiana manana amby ampy tamin’ilay fanekem-pihavanana izay nifanaovan’i Jehovah tamin’izy ireo?
8 Amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, ilay Mpiandriny iray, i Jehovah dia manao ‘fanekem-pihavanana’ amin’ireo ondriny tsara sakafo. (Isaia 54:10). Noho izy ireo maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy, dia afaka mandeha amin’ny fahazavana ireo ondry. (1 Jaona 1:7). Izy ireo dia manana ny ‘fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, sy miaro ny fony sy ny heviny ao amin’i Kristy Jesosy’. (Filipiana 4:7). Araka ny anohizan’ny filazalazana ao amin’ny Ezekiela 34:25-28 azy, i Jehovah dia miandry ny ondriny mba hidirany ao anatin’ny paradisa ara-panahy iray, dia toe-piainana mahafinaritra tsy ahitana ahiahy, misy fanambinana mamelombelona, sy famokarana be. Miteny toy izao mikasika ny ondriny ilay Mpiandry be fitiavana: “Ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin’ny tànan’izay nampanompo azy izy. Ary tsy ho babon’ny jentilisa (...) intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy”.
9. Fahafahana inona avy no nisokatra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny ‘fanapahana ny ziogany’?
9 Tsy ela sahady izay, dia nahita ‘fanapahana ny ziogany’ ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro. Afaka mitory malalaka tsy toy ny teo aloha izy ireo. Ary enga anie isika rehetra, any amin’ny tany tsirairay, hampiasa tsara ny tsy fananana ahiahy izay omen’i Jehovah eo am-piezahantsika hatrany manao izay hahavitana ilay asa. Fanomezan-toky toy inona moa no omen’i Jehovah indray arakaraka ny anatonantsika ny fotoan’ilay fahoriana lehibe mbola tsy hitan’ny taranak’olombelona mihitsy hatramin’izay! — Daniela 12:1; Matio 24:21, 22.
10. Iza no nomen’i Jehovah mba hanampy an’i Kristy Jesosy, ilay Mpiandry Tsara, ary ahoana no niresahan’ny apostoly Paoly tamin’ny sasany tamin’izy ireo?
10 Ho fiomanana ho amin’izany andro famaliany ny ratsy izany, dia nanome mpiandry lefitra mba hanampy an’i Kristy Jesosy, ilay Mpiandry Tsara, i Jehovah, amin’ny fikarakarana ny andian’ondry. Izy ireo dia voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 1:16 ho isa feno, “kintana fito” teny an-tanana ankavanan’i Jesosy. Tamin’ny taonjato voalohany, ny apostoly Paoly dia niresaka tamin’ny fitambaran’olona solontenan’ireo mpiandry lefitra ireo tamin’ny filazana hoe: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny [ran’ny Zanany, NW ].” (Asan’ny Apostoly 20:28). Amin’izao andro izao, dia misy mpiandry lefitra an’aliny maro any ho any manompo any amin’ny kongregasiona 69 558 maneran-tany.
Erỳ aloha, ry mpiandry lefitra!
11. Ahoana no nandraisan’ny loholona sasany ny fitarihana tamim-pahombiazana tany amin’ireo faritany iverimberenana matetika?
11 Any amin’ny toerana maro, ireny mpiandry ireny dia tsy maintsy mandray ny fitarihana any amin’ny faritany izay niverimberenana imbetsaka nandritra izao andro farany izao. Ahoana no ahafahan’izy ireo mitana ny hafanam-pon’ny andian’ondry ho ambony? Nanao izany tamin’ny fomba mendri-piderana ireo mpiandry, ary iray amin’ireo fomba nahitan’izy ireo fahombiazana ny fampirisihana hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy sy maharitra. Nisy mpiandry maro nandray anjara tamin’io fanompoana io, ary na dia ireo mpitory tsy afaka nanao izany aza dia nampiseho toe-tsain’ny mpisava lalana, ka nanompo tamin’ny fifaliana izay manampy amin’ny fandresena ny tsy firaikan’ny olona ao amin’ny faritany. (Salamo 100:2; 104:33, 34; Filipiana 4:4, 5). Araka izany, raha manafotra izao tontolo izao ny faharatsiana sy izay mila ho tonga fanjakan’i Baroa, dia misy olona maro toy ny ondry manjary mahatakatra ny fanantenana momba ilay Fanjakana. — Matio 12:18, 21; Romana 15:12.
12. Zava-manahirana lehibe inona no misy any amin’ireo faritra ahitana fitomboana haingana, ary ahoana indraindray no ikarakarana izany?
12 Zava-manahirana hafa iray mazàna ny tsy fisian’ny mpiandry mahafeno fepetra ampy isa, mba hikarakara ny andian’ondry. Any amin’izay isian’ny fitomboana haingana, toy ny any Eoropa Atsinanana, dia misy kongregasiona vaovao maro tsy manana loholona voatendry mihitsy. Miantsoroka ilay andraikitra ireo ondry manana fahavononana, kanefa dia tsy ampy fanandraman-javatra izy ireo, ary ilaina ny fanampiana mba hampiofanana ireo ondry izay mirohotra mankao amin’ny kongregasiona. Any amin’ny tany sahala amin’i Brezila, i Meksika, ary i Zaïre, izay isian’ny fitomboana haingana dia haingana, dia voatery nampiasaina ireo Vavolombelona azo lazaina hoe tanora ihany, mba handamina ny fanompoana sy hampiofana ireo vaovao hafa. Nanolotra fanampiana tsara dia tsara ireo mpisava lalana, ary izany dia faritra iray izay ahafahan’ny anabavy mampiofana anabavy vaovao. Mitahy ireo vokatra amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah. Mitohy hatrany ny fitomboana. — Isaia 54:2, 3.
13. a) Koa satria lehibe aoka izany ny fijinjana, dia tokony hivavaka ny amin’inona ny Vavolombelona rehetra? b) Ahoana no namaliana ny vavaka nataon’ny vahoakan’Andriamanitra taloha sy nandritra ny ady lehibe faharoa?
13 Any amin’ireo tany izay efa iorenan’ny asa fitoriana tsara, any amin’ireo tany nanesorana ireo fameperana vao haingana, ary any amin’ireo faritany izay vao avy nosokafana, dia mbola mihatra ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 9:37, 38 manao hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” Mila ny mivavaka koa isika mba hananganan’i Jehovah mpiandry bebe kokoa. Nasehony fa afaka manao izany izy. Taloha sy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ireo mpitondra tsy refesi-mandidy tsy mifaditra ovana toy ny Asyriana, dia nanandrana nanapotika ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho valin’ny vavaka nataon’izy ireo anefa, dia nanadio ny fandaminany i Jehovah, tamin’ny fanaovana azy io ho tena teokratika, ary nanome ireo “mpiandry” nilaina izy.a Izany dia mifanaraka amin’ilay faminaniana hoe: “Raha tonga eto amin’ny tanintsika ny Asyriana ka miditra ao amin’ny tranobentsika, dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika” — maro kokoa noho izay ilaina mihitsy aza eo amin’ny loholona vita fanoloran-tena mba hitarika. — Mika 5:4.
14. Zavatra ilaina ary mbola hilaina foana inona no misy ao anatin’ny fandaminana, ary fampirisihana inona no omena ireo rahalahy?
14 Ilaina, ary mbola hilaina foana eo amin’ireo Vavolombelona lehilahy vita batisa rehetra ny fiezahana mba handroso ho amin’ny tombontsoa fanampiny. (1 Timoty 3:1, NW ). Mahadodona ny tarehin-javatra. Manatona haingana ny faran’ity fandehan-javatra ity. Milaza toy izao ny Habakoka 2:3 (NW ): “Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoana voafetra, ary tsy mitsahatra mandroso amim-pahadodonana hatramin’ny farany izany ka tsy hilaza lainga. (...) Tsy maintsy ho tanteraka izy. Tsy ho diso aoriana izy”. Ry rahalahy, afaka miezaka mba handroso ve ianareo mba hahafeno fepetra ho amin’ny tombontsoa fanampiny eo amin’ity asa fiandrasana ity — alohan’ny hahatongavan’ny farany? — Titosy 1:6-9.
Asa fiandrasana teokratika
15. Amin’ny fomba ahoana no maha-teokrasia ny vahoakan’i Jehovah?
15 Mba handraisany anjara feno amin’ny fitaran’ny fandaminan’i Jehovah, ny vahoakany dia mila ny ho teokratika eo amin’ny fomba fisainany. Ahoana no ahafahany mahavita izany? Inona moa no tiana holazaina amin’ilay teny hoe “teokratika”? Ny Webster’s New Twentieth Century Dictionary dia mamaritra ny atao hoe “teokrasia” amin’ny hoe “ny fanapahana fanjakana iray ataon’Andriamanitra”. Amin’izay heviny izay no maha-teokrasia ny ‘firenena masin’ny’ vahoakan’i Jehovah. (1 Petera 2:9; Isaia 33:22). Amin’ny maha-mpikambana na mpiara-miasa azy amin’io firenena teokratika io, ny Kristiana marina dia tsy maintsy miaina sy manompo ho fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra sy ireo fotopoto-pitsipika ao anatiny.
16. Amin’ny fotony, ahoana no ahafahantsika miseho ho teokratika?
16 Nanazava tsara ny fomba tokony haha-teokratika ny Kristiana ny apostoly Paoly. Voalohany, dia nilaza izy fa “tokony hitafy ilay toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny rariny sy fahatokiana marina” izy ireo. Ny toetra maha-izy ny Kristiana dia tsy maintsy volavolaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ara-drariny izay voazava tsara ao amin’ny Teniny. Tsy maintsy mahatoky eo anatrehan’i Jehovah sy ny lalàny izy. Rehefa avy nanazava ny fomba azo anaovana izany i Paoly, dia nampirisika toy izao: “Aoka ianareo ho tonga mpanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala”. (Efesiana 4:24–5:1, NW ). Sahala amin’ny zanaka mpankatò, dia tsy maintsy manahaka an’Andriamanitra isika. Izany dia tena teokrasia marina eo am-perinasa, izay mampiseho fa tena tapahin’Andriamanitra isika! — Jereo koa Kolosiana 3:10, 12-14.
17, 18. a) Toetra tsaran’Andriamanitra miavaka inona no tokony hotahafin’ny Kristiana teokratika? b) Tao amin’ny teniny ho an’i Mosesy, ahoana no nanamafisan’i Jehovah ny toetra tsarany voalohany indrindra, kanefa fampitandremana inona no nanampiny?
17 Inona no toetra tsaran’Andriamanitra lehibe indrindra tokony hotahafintsika? Mamaly izany ny apostoly Jaona ao amin’ny 1 Jaona 4:8, rehefa nilaza hoe: “Andriamanitra dia fitiavana”. Andininy valo eo aoriana, eo amin’ny andininy faha-16, dia naveriny izao fotopoto-pitsipika tena lehibe izao: “Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ny fitavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy”. Sary velona mampiseho ny fitiavana i Jehovah, ilay Mpiandry Lehibe. Manahaka azy ireo mpiandry teokratika, amin’ny fanehoana fitiavana lalina an’ireo ondrin’i Jehovah. — Ampitahao amin’ny 1 Jaona 3:16, 18; 4:7-11.
18 Nampahafantatra ny tenany tamin’i Mosesy izy ho ilay Teokraty Lehibe, ho “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra ary be hatsaram-panahy miharo fitiavana sy fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy miharo fitiavana ho an’ny an’arivony maro, mamela fahadisoana sy heloka ary ota, kanefa tsy manafaka amin’ny famaizana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, fa mitondra famaizana noho ny fahadisoan’ny ray eo amin’ny zanaka sy eo amin’ny zafikely, eo amin’ny taranaka fahatelo ary eo amin’ny taranaka fahefatra.” (Eksodosy 34:6, 7, NW ). Tamin’izany i Jehovah dia nanamafy ireo lafiny isan-karazany amin’ny fitiavana, ilay toetrany teokratika miavaka, sady nampitandrina tamin’ny fomba hentitra izy fa hanafay noho ny fahadisoana rehefa mendrika ny hatao izany.
19. Mifanohitra amin’ireo Fariseo, ahoana no tokony hanaovan’ny mpiandry kristiana zavatra amin’ny fomba teokratika?
19 Ho an’ireo izay mitana toerana misy andraikitra ao amin’ny fandaminana, inona no dikan’ny hoe teokratika? Niteny toy izao ny amin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny androny i Jesosy: “Mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza”. (Matio 23:4). Fampahoriana sy tsy fanehoam-pitiavana re izany! Ny tena teokrasia marina, na fanapahan’Andriamanitra, dia mitaky ny hiandrasana ny andian’ondry amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika feno fitiavana ao amin’ny Baiboly, fa tsy amin’ny fanasarana ny ondry amin’ny fitsipika tsy misy farany nataon’olona. (Ampitahao amin’ny Matio 15:1-9.) Miaraka amin’izany, dia tsy maintsy manahaka an’Andriamanitra ireo mpiandry teokratika amin’ny fisehoana ho hentitra ho fanampin’ny fitiavany mba hitanana ny fahadiovan’ny kongregasiona. — Ampitahao amin’ny Romana 2:11; 1 Petera 1:17.
20. Fandaharana mahakasika ny fandaminana inona no eken’ireo mpiandry teokratika?
20 Ireo tena mpiandry marina dia miaiky fa, mandritra izao andro farany izao, dia nanendry ny mpanompony mahatoky sy malina eo amin’ny fananany rehetra i Jesosy, ary ekeny fa tarihin’ny fanahy masina io mpanompo io eo amin’ny fanendrena loholona hiandry ny ondry. (Matio 24:3, 47, NW; Asan’ny Apostoly 20:28). Noho izany, ny maha-teokratika ny tena dia mahatafiditra fananana fanajana lalina an’io mpanompo io, sy ireo fandaharana mahakasika ny fandaminana aorin’ilay mpanompo, ary ilay fandaharana momba ny loholona ao anatin’ny kongregasiona. — Hebreo 13:7, 17.
21. Ohatra tsara dia tsara inona no navelan’i Jesosy ho an’ireo mpiandry lefitra?
21 Namela ohatra tsara dia tsara ny tenan’i Jesosy, tamin’ny fiankinana lalandava tamin’i Jehovah sy ny Teniny mba hahazoana fitarihana. Hoy izy: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 5:30). Tokony hamboly fihetsika manetry tena toy izany ireo mpiandry lefitr’i Jesosy Kristy Tompo. Raha mampiasa ny Tenin’Andriamanitra foana ny loholona iray mba hahazoana fitarihana toy ny nataon’i Jesosy, dia ho teokratika marina tokoa izy. — Matio 4:1-11; Jaona 6:38.
22. a) Amin’ny fomba ahoana no tokony hilofosantsika rehetra mba ho teokratika? b) Fanasana amin-katsaram-panahy inona no omen’i Jesosy ireo ondry?
22 Ry lehilahy vita batisa, miezaha mba handroso mba hahafeno fepetra ho amin’ireo tombontsoa ao amin’ny kongregasiona! Ianareo rehetra, ry ondry malala, kendreo ny ho tonga teokratika, amin’ny fanahafana an’Andriamanitra sy i Kristy amin’ny fanehoana fitiavana! Enga anie ireo mpiandry sy ny andian’ondry samy hifaly noho izy ireo namaly ilay fanasan’i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” — Matio 11:28-30.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ireo lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) mitondra ny lohateny hoe “Organization”, tamin’ny 1 sy 15 Jona 1938.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona no ‘andian’ondrin’i Jehovah’, ary iza avy no tafiditra amin’izany?
◻ Nanao ahoana no fihetsik’i Jesosy, ilay “Mpiandry Tsara”, tamin’ny taonjato voalohany, ary amin’izao andro izao?
◻ Anjara asa fototra inona no tanan’ireo mpiandry lefitra eo amin’ny fikarakarana ny andian’ondry?
◻ Inona no hevitra fonosin’ilay teny hoe “teokrasia”?
◻ Ahoana no tokony hataon’ny Kristiana iray — indrindra fa ny mpiandry lefitra iray — mba ho teokratika?
[Sary, pejy 20]
Toy ny mpiandry be fandavan-tena iray, i Jehovah dia mikarakara ny andian’ondriny
[Sary, pejy 23]
Ny fanahafana ny toetran’i Jehovah Andriamanitra, ny fitiavana, dia teokrasia eo am-perinasa