Miarova Tena Amin’ny Karazana Fanompoan-tsampy Rehetra
“Inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?” — 2 KORINTIANA 6:16.
1. Inona no naseho an’ohatra tamin’ny tabernakely sy ireo tempoly teo amin’ny Isiraely?
MANANA tempoly izay tsy mampialokaloka sampy i Jehovah. Izy io dia naseho an’ohatra tamin’ilay tabernakelin’ny Isiraely izay namboarin’i Mosesy, sy tamin’ireo tempoly naorina tatỳ aoriana tany Jerosalema. Ireo fanorenana ireo dia nampiseho “ny tena tabernakely”, dia ny tempolin’i Jehovah ara-panahy lehibe. (Hebreo 8:1-5). Io tempoly io no fandaharana mba hanatonana an’Andriamanitra amin’ny fanompoam-pivavahana miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. — Hebreo 9:2-10, 23.
2. Iza no tonga andry ao amin’ilay tempolin’Andriamanitra ara-panahy lehibe, ary toerana manao ahoana no tanan’ny olona betsaka?
2 Ny Kristiana voahosotra tsirairay dia tonga “andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitra”, mahazo toerana any an-danitra. Ny “olona betsaka” eo amin’ireo mpivavaka hafa amin’i Jehovah, dia “manao fanompoana masina” ho an’Andriamanitra eo amin’izay nasehon’ilay kianja ho an’ny Jentilisa tao amin’ny tempoly naorin’i Heroda indray. Noho ny finoany ny sorona nataon’i Jesosy, dia mitana ny toeran’ny olo-marina izy ireo ka mahatonga ny fitsimbinana azy ireo mandritra “ny fahoriana lehibe”. — Apokalypsy 3:12; 7:9-15, NW.
3, 4. Nampitovina tamin’inona ilay kongregasionan’ireo Kristiana voahosotra eto an-tany, ary tsy maintsy afaka amin’ny fahalotoana inona izy io?
3 Ny kongregasionan’ireo Kristiana voahosotra eto an-tany dia ampitovina ara-panoharana koa amin’ny tempoly hafa iray tsy misy fanompoan-tsampy. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo “nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina”: “[Ianareo dia] natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo. Ary ao aminy no miaraka aorina koa hianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy.” (Efesiana 1:13; 2:20-22). Ireo 144 000 voaisy tombo-kase ireo dia “vato velona ho trano fanahy, [hanaovana, NW ] fisoronana masina”. — 1 Petera 2:5; Apokalypsy 7:4; 14:1.
4 Koa satria “trano arafitr’Andriamanitra” ireo mpisorona lefitra ireo, dia tsy hamela izany tempoly izany ho voaloto izy. (1 Korintiana 3:9, 16, 17). “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”, hoy ny fampitandreman’i Paoly. “Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?” Tsy maintsy afaka amin’ny fanompoan-tsampy ireo Kristiana voahosotra izay fananan’i “Jehovah Tsitoha”. (2 Korintiana 6:14-18). Tsy maintsy manalavitra ny karazana fanompoan-tsampy rehetra koa ireo anisan’ny olona betsaka.
5. Noho ny fahafantarany fa mendrika fifikirana aminy irery ihany i Jehovah, dia inona no ataon’ny Kristiana marina?
5 Sady misy endriky ny fanompoan-tsampy miharihary no misy ny an-kolaka. Tsia, ny fanompoan-tsampy akory tsy voafetra ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny andriamanitra sy andriamanibavy sandoka ihany. Izy io dia ny fanompoam-pivavahana amin’izay mety ho zavatra na olona ankoatra an’i Jehovah. Amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy eo Amin’Izao Rehetra Izao, dia mitaky sy mendrika fifikirana aminy irery ihany ara-drariny izy. (Deoteronomia 4:24, NW ). Noho ny fahafantarany izany, dia manaraka ny fampitandreman’ny Soratra Masina momba ny fanompoan-tsampy rehetra ny Kristiana marina. (1 Korintiana 10:7). Aoka isika handinika endriky ny fanompoan-tsampy sasany izay tokony hohalavirin’ireo mpanompon’i Jehovah.
Naseho an’ohatra mialoha ny fanompoan-tsampin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana
6. Fahavetavetana inona avy no hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana?
6 Raha tany amin’ny fahababoana tany Babylona ny mpaminany Ezekiela, tamin’ny taona 612 al.f.i., dia nahazo fahitana ny amin’ireo fahavetavetana nataon’ny Jiosy nivadi-pinoana tao amin’ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Nahita “sarin-javatra fampahasaro-piaro” i Ezekiela. Nisy loholona 70 hita nanolotra ditin-kazo manitra tao amin’ny tempoly. Nisy vehivavy hita nitomany andriamani-diso iray. Ary nisy lehilahy 25 nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny masoandro. Inona moa no hevi-dehibe fonosin’ireny asa fivadiham-pinoana ireny?
7, 8. Mety ho inona ilay “sarin-javatra fampahasaro-piaro”, ary nahoana izy io no nanosika an’i Jehovah ho saro-piaro?
7 Ny fanompoan-tsampin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana dia naseho an’ohatra mialoha tamin’ireo fahavetavetana izay hitan’i Ezekiela tao anatin’ny fahitana. Niteny toy izao izy, ohatra: “Indro, eny avaratry ny vavahadin’ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin’ny fidirana. Dia hoy koa Izy [Jehovah Andriamanitra] tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va izay ataon’ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon’ny taranak’Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin’ny fitoerako masina?” — Ezekiela 8:1-6.
8 Mety ho tsato-kazo masina nampiseho an’ilay andriamanibavy izay noheverin’ny Kananita ho vadin’i Bala andriamaniny, ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro natao ho sampy. Na toy inona na toy inona ilay sarin-javatra, izy io dia nanosika an’i Jehovah ho saro-piaro noho izy io nampizarazara ny fifikiran’ny Isiraely taminy irery ihany, ho fandikana ilay didiny hoe: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao (...) Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro [“mitaky fifikirana amiko irery ihany, NW ]”. — Eksodosy 20:2-5.
9. Ahoana no nanosehan’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana an’Andriamanitra ho saro-piaro?
9 Ny fanolorana fanompoam-pivavahana tamin’ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro tao amin’ny tempolin’Andriamanitra dia iray tamin’ireo fahavetavetana lehibe nataon’ireo Isiraelita nivadi-pinoana. Toy izany koa, ireo fiangonana ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana dia voaloto amin’ireo sarin-javatra sy sary manala baraka an’Andriamanitra, izay mampizarazara ilay fifikirana lazainy fa tsy omeny afa-tsy an’Ilay ihamboany fa tompoiny. Voatosika ho saro-piaro koa Andriamanitra satria ny klerjy dia tsy manaiky ny Fanjakany ho ny hany fanantenana ho an’ny taranak’olombelona, ary nanao ho andriamanitra ny Firenena Mikambana — ilay ‘fahavetavetana mitsangana ao amin’izay fitoerana masina’, dia eo amin’izay tsy tokony hitsanganany. — Matio 24:15, 16; Marka 13:14.
10. Inona no hitan’i Ezekiela tao anatin’ny tempoly, ary ahoana no itovian’izany amin’izay hita ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana?
10 Rehefa niditra tao amin’ny tempoly i Ezekiela dia nanao izao tatitra izao: “Indreo, nisy sarin’ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ny taranak’Isiraely, voasoratra teo amin’ny rindrina manodidina. Ary nisy olona fito-polo lahy, isan’ny loholon’ny taranak’Isiraely, nitsangana teo anoloan’ireo, (...) samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonaka”. Mba eritrereto ange! Loholona Isiraelita tao amin’ny tempolin’i Jehovah, teo am-panolorana ditin-kazo manitra ho an’andriamani-diso izay nasehon’ireo sary sokitra naharikoriko teo amin’ny rindrina. (Ezekiela 8:10-12). Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia misy vorona sy biby dia maro ampiasaina ho fampisehoana ireo tany ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, ka ireny dia anehoan’ny olona fifikirana. Ambonin’izany, dia maro amin’ny klerjy no meloka ho nanampy teo amin’ny famitahana ny vahoaka, tamin’ny fanohanana ilay tsangan-kevitra diso momba ny fivoarana miandalana. Aleony manohana fa ny olombelona dia nivoatra miandalana avy tamin’ny endri-piainana biby, ambany kokoa, toy izay hanandratra ilay fitantarana marina ao amin’ny Baiboly momba ny famoronana nataon’i Jehovah Andriamanitra. — Asan’ny Apostoly 17:24-28.
11. Nahoana ireo vehivavy Isiraelita nivadi-pinoana no nitomany an’i Tamoza?
11 Teo amin’ny fidiran’ny vavahadin’ny tranon’i Jehovah, i Ezekiela dia nahita vehivavy Isiraelita nivadi-pinoana izay nitomany an’i Tamoza. (Ezekiela 8:13, 14). Ny Babyloniana sy ny Syriana dia nihevitra an’i Tamoza ho ilay andriamanitry ny zavamaniry izay maniry amin’ny fahavaratra ary maty amin’ny fotoan’ny hain-tany. Ny fahafatesan’ny zavamaniry dia nampiseho an-tsary ny fahafatesan’i Tamoza, izay nanaovan’ireo mpivavaka taminy fitomaniana isan-taona tamin’ny fotoan’ny hafanam-be. Rehefa nipoitra indray ny zavamaniry tamin’ny fahavaratra, dia noheverina fa niverina avy tany ambanin’ny tany i Tamoza. Naseho tamin’ny litera voalohany amin’ny anarany, dia ilay tau tranainy izay nanana ny endriky ny lakroa, izy. Izany dia mety hampahatsiaro antsika tsara ny fankamasinana ny lakroa toy ny sampy ataon’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana.
12. Inona no hitan’i Ezekiela nataon’ny lehilahy Isiraelita nivadi-pinoana 25, ary fanaovan-javatra mitovy amin’izany inona no mitranga ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana?
12 Tao amin’ny kianja anatin’ilay tempoly, i Ezekiela dia nahita, nanaraka izany, lehilahy Isiraelita nivadi-pinoana 25 nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny masoandro — fandikana ilay didin’Andriamanitra mikasika izany fanompoan-tsampy izany. (Deoteronomia 4:15-19). Ireo mpanompo sampy ireo koa dia nanainga teo amin’ny oron’Andriamanitra, rantsan-kazo vetaveta, angamba fampisehoana ny filahian’ny olombelona. Tsy nahagaga raha tsy namaly ny vavaka nataon’izy ireo Andriamanitra, toy ny haha-sasa-poana ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana hitady ny fanampiany mandritra ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:21). Toy ny nanoloran’ireny Isiraelita nivadi-pinoana ireny fanompoam-pivavahana tamin’ny masoandro mpanome fahazavana, niamboho ny tempolin’i Jehovah, dia toy izany koa no tsy niraharahan’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana ny fahazavana avy amin’Andriamanitra, sy nampianarany fampianaran-diso, nanaovany ny fahendren’izao tontolo izao ho andriamanitra, ary nanakimpiany ny masony teo anatrehan’ny fahalotoam-pitondran-tena. — Ezekiela 8:15-18.
13. Amin’ny fomba ahoana avy no analaviran’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo endri-panompoan-tsampy hita tao amin’ny fahitan’i Ezekiela?
13 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manalavitra ireo endriky ny fanompoan-tsampy ataon’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, na ilay nanana an’i Jerosalema ho tandindona, araka ny hitan’i Ezekiela mialoha. Tsy manao ho andriamanitra ireo sarin-javatra manala baraka an’Andriamanitra isika. Na dia maneho fanajana ireo “fahefana lehibe” ara-panjakana aza isika, dia voafetra ny fanekentsika azy ireo. (Romana 13:1-7; Marka 12:17; Asan’ny Apostoly 5:29). Ny fifikirantsika avy amin’ny fo dia omentsika an’Andriamanitra sy ny Fanjakany. Tsy manolo ny Mpamorona sy ny zavatra noforoniny amin’ny tsangan-kevitry ny fivoarana miandalana isika. (Apokalypsy 4:11). Tsy hivavaka amin’ny lakroa na oviana na oviana isika na hanao ho andriamanitra ny fanindrahindrana ny fahaizana ara-tsaina, ny filozofia, na karazany hafa amin’ny fahendren’izao tontolo izao. (1 Timoty 6:20, 21). Miaro tena amin’ireo endriky ny fanompoan-tsampy hafa rehetra koa isika. Inona avy moa ny sasany amin’izany?
Fanompoan-tsampy karazany hafa
14. Toerana manao ahoana no tanan’ireo mpanompon’i Jehovah mikasika ilay “bibi-dia” ao amin’ny Apokalypsy 13:1?
14 Ny Kristiana dia tsy miara-mandray anjara amin’ny taranak’olombelona eo amin’ny fanaovana ho andriamanitra ny “bibi-dia” ara-panoharana. Hoy ny apostoly Jaona: “Hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ny tandrony dia nisy diadema folo (...) Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany”. (Apokalypsy 13:1, 8). Mety hampiseho “mpanjaka”, na hery ara-politika ny biby. (Daniela 7:17; 8:3-8, 20-25). Koa ireo loha fiton’ilay biby dia ara-panoharana dia mampiseho herim-panjakana — Egypta, Asyria, Babylona, Media sy Persia, Grisia, Roma, ary fitambarana Anglisy-Amerikana voaforon’i Grande-Bretagne sy i Etazonian’i Amerika. Maneho tsy fanajana lehibe an’Andriamanitra sy i Kristy ny klerjin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, amin’ny fitarihana ny olombelona hanao ho andriamanitra ny fandehan-javatra ara-politikan’i Satana, ilay “andrianan’izao tontolo izao”. (Jaona 12:31). Amin’ny maha-mpialanalana kristiana sy amin’ny maha-mpanohana an’ilay Fanjakana azy ireo, dia manohitra ny fanompoan-tsampy toy izany ny mpanompon’i Jehovah. — Jakoba 1:27.
15. Ahoana no fihevitry ny vahoakan’i Jehovah ny amin’ireo olo-malaza eo amin’izao tontolo izao, ary inona no nolazain’ny Vavolombelona iray mikasika izany?
15 Mitana tena tsy hanao ho andriamanitra ireo olo-malaza eo amin’ny tontolon’ny fialam-boly sy ny fanatanjahan-tena ny vahoakan’Andriamanitra. Rehefa tonga Vavolombelon’i Jehovah ny mpitendry zavamaneno iray, dia niteny toy izao: “Mety hanaitra fanirian-dratsy ny mozika natao hialana voly na natao handihizana (...) Ilay mpihira dia miresaka ny amin’ny fahasambarana sy ny fanehoam-pitiavana izay mety ho tsapan’ny mpihaino maro fa tsy misy ao amin’ny vadiny. Mazàna ilay mpanakanto dia manjary fantatra amin’izay zavatra ataony ho hira. Mahafantatra mpihira sy mpitendry zavamaneno sasany aho izay tena tian’ny vehivavy noho izany antony izany. Raha vao tafalentika ao amin’ity tontolon’ny nofinofy ity ny olona iray, izany dia mety hitarika azy hanao ho andriamanitra ilay mpanakanto. Izany dia mety hanomboka amin’ny fomba tsy ratsy velively, rehefa mangataka sonia ho fahatsiarovana ny olona iray. Ny sasany anefa dia manjary mihevitra ilay mpanakanto ho ny filamatr’izy ireo, ary amin’ny fiderana azy tafahoatra, dia manao azy ho sampy izy ireo. Mety hanantona ny sarin’ilay olo-malaza eo amin’ny rindrina izy ireo ary hanomboka hiakanjo sy hihaingo toy ny ataony. Mila ny mitadidy ny Kristiana fa an’Andriamanitra irery ihany ny fanompoam-pivavahana.”
16. Inona no mampiseho fa mandà ny fanompoan-tsampy ireo anjely manao ny marina?
16 Eny, Andriamanitra irery ihany no mendrika ny fanompoam-pivavahana. Rehefa “niankohoka hivavaka teo anoloan’ny tongotr’ilay anjely” izay naneho azy zavatra nampitolagaga i Jaona, dia tsy nanaiky ny hatao ho andriamanitra na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana io zavaboary ara-panahy io, fa hoy izy hoe: “Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho”. (Apokalypsy 22:8, 9). Ny fahatahorana an’i Jehovah, na ny fanajana azy lalina, dia mahatonga antsika tsy hanolotra fanompoam-pivavahana afa-tsy aminy irery ihany. (Apokalypsy 14:7). Araka izany, ny tena fifikirana amin’Andriamanitra dia miaro antsika amin’ny fanompoan-tsampy. — 1 Timoty 4:8.
17. Ahoana no ahafahantsika miaro tena amin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy izay toy ny fanompoan-tsampy?
17 Ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy dia endrika hafa iray amin’ny fanompoan-tsampy izay tsy ataon’ny mpanompon’i Jehovah. Mahafantatra izy ireo fa “samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany)”. (Efesiana 5:5). Tafiditra amin’izany ny fanompoan-tsampy satria tonga zavatra anehoana fifikirana ny faniriana mafy fahafinaretana tsy ara-dalàna. Tandindomin-doza ireo toetra tsara araka an’Andriamanitra noho ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy tsy araka ny tokony ho izy. Amin’ny fampironana ny masony sy ny sofiny ho amin’ny sary na zavatra vetaveta, ny olona iray dia mampisetra loza izay mety ho fifandraisana ananany amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina. (Isaia 6:3). Mba hiarovan-tena amin’ny fanompoan-tsampy toy izany àry, ny mpanompon’Andriamanitra dia tsy maintsy manalavitra ireo boky na sary vetaveta sy ny mozika manimba. Mila mifikitra amin’ireo fari-pitsipika ara-panahy matanjaka izay miorina amin’ny Soratra Masina izy ireo, ary tsy maintsy mitana hatrany “ilay toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny rariny sy fahatokiana marina”. — Efesiana 4:22-24, NW.
Halaviro ny faniriana mihoa-pampana sy ny fitsiriritana
18, 19. a) Inona no atao hoe faniriana mihoa-pampana sy fitsiriritana? b) Ahoana no ahafahantsika miaro tena amin’ny faniriana mihoa-pampana sy ny fitsiriritana izay toy ny fanompoan-tsampy?
18 Ny Kristiana koa dia miaro tena amin’ny faniriana mihoa-pampana sy ny fitsiriritana izay endrika mifandray akaiky amin’ny fanompoan-tsampy. Ny faniriana mihoa-pampana dia faniriana tafahoatra sy mirangorango, ary ny fitsiriritana dia faniriana mihoa-pampana an’izay mety ho fananan’ny hafa. Nampitandrina ny amin’ny fitsiriritana i Jesosy, ary niresaka ny amin’ny lehilahy nanankarena be fitsiriritana iray izay tsy afaka nandray soa tamin’ny harenany teo am-pahafatesany sady nampalahelo fa ‘tsy nanan-karena ny amin’Andriamanitra’. (Lioka 12:15-21). Tamin’ny fomba nifanentana indrindra, dia nanoro hevitra toy izao ireo mpiray finoana taminy i Paoly: “Vonoy ny rantsam-batanareo izay etỳ an-tany raha ny amin’ny (...) fitsiriritana, izay fanompoan-tsampy”. — Kolosiana 3:5, NW.
19 Ireo izay revo tafahoatra amin’ny fitiavam-bola, amin’ny fileran-kanina sy fibobohana, na amin’ny faniriam-pahefana dia manao izany faniriana izany ho sampiny. Araka ny nohazavain’i Paoly, ny olona iray mpierina na manana faniriana mihoa-pampana dia mpanompo sampy ary tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (1 Korintiana 6:9, 10; Efesiana 5:5). Noho izany, ny olona vita batisa izay manompo sampy, toy ny olona manana faniriana mihoa-pampana, dia mety ho voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana. Amin’ny fampiharana ny Soratra Masina sy amin’ny fivavahana amim-pahatsorana anefa, dia afaka manalavitra ny faniriana mihoa-pampana isika. Hoy ny Ohabolana 30:7-9: “Zavatra roa loha no angatahiko aminao [Jehovah Andriamanitra]; ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho: ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; aza manome ahy [fahantrana, NW ] na harena; fahano aho amin’izay anjara-hanina sahaza ho ahy; fandrao, raha voky aho, dia handa ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga [mahantra, NW ] aho, dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.” Ny toe-tsaina toy izany dia afaka manampy antsika hiaro tena amin’ny faniriana mihoa-pampana sy fitsiriritana izay toy ny fanompoan-tsampy.
Miarova tena amin’ny fanaovan-tena ho andriamanitra
20, 21. Ahoana no hiarovan’ny vahoakan’i Jehovah ny tenany amin’ny fanaovan-tena ho andriamanitra?
20 Miaro tena amin’ny fanaovan-tena ho andriamanitra koa ny vahoakan’i Jehovah. Eo amin’ity tontolo ity dia mahazatra ny fanaovana ny tena sy ny sitrapon’ny tena ho andriamanitra. Ny fanirian-daza sy voninahitra dia mahatonga olona maro hanao zavatra amim-paniasiavana. Maniry ny hanaovana ny sitrapony izy ireo, fa tsy ny an’Andriamanitra. Kanefa dia tsy afaka hanana fifandraisana amin’Andriamanitra isika raha manaiky ho resin’ny fanaovan-tena ho andriamanitra amin’ny fitadiavana amim-paniasiavana hampihatra ny sitrapontsika ary hanandrana hanjakazaka amin’ny hafa. (Ohabolana 3:32; Matio 20:20-28; 1 Petera 5:2, 3). Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy antsika, dia tsy manao intsony ireo zavatra miafinafina eo amin’izao tontolo izao isika. — 2 Korintiana 4:1, 2.
21 Toy izay hitady laza, dia aleon’ny vahoakan’Andriamanitra manaiky ilay fananaran’i Paoly manao hoe: “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” (1 Korintiana 10:31). Noho isika mpanompon’i Jehovah, dia tsy manantitrantitra toy ny sampy iray ny amin’izay tiantsika isika fa manao amim-pifaliana kosa ny sitrapon’Andriamanitra ka manaiky ny fitarihana avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ary miara-miasa amin’ny fandaminan’i Jehovah amin’ny fomba feno. — Matio 24:45-47, NW.
Aza mitsahatra miaro tena!
22, 23. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika tsy hitsahatra hiaro tena amin’ny karazana fanompoan-tsampy rehetra?
22 Amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika, dia tsy miankohoka eo anatrehan’ny sampy ara-batana isika. Miaro tena amin’ireo endrika an-kolaka isehoan’ny fanompoan-tsampy koa isika. Raha ny marina, dia tsy maintsy manohy manalavitra ny karazana fanompoan-tsampy rehetra isika. Noho izany, isika dia hanaiky ilay torohevitr’i Jaona hoe: “Arovy ny tenanareo amin’ny sampy”. — 1 Jaona 5:21.
23 Raha mpanompon’i Jehovah ianao, dia ampiasao mandrakariva ny fieritreretana sy ny fahaizana mahataka-javatra voataizan’ny Baiboly anananao. (Hebreo 5:14). Amin’izay ianao dia tsy hifindran’ny toe-tsaina tia manompo sampy eo amin’izao tontolo izao, fa ho sahala amin’ireo Hebreo telo lahy nahatoky sy ireo Kristiana voalohany tsy nivadika kosa. Hanolotra fifikirana amin’i Jehovah irery ihany ianao, ary hanampy anao izy mba hiaro tena amin’ny karazana fanompoan-tsampy rehetra.
Ahoana no Eritreritrao?
◻ Ahoana no analaviran’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo endri-panompoan-tsampy hita tao amin’ny fahitan’i Ezekiela?
◻ Inona ilay “bibi-dia” ao amin’ny Apokalypsy 13:1, ary toerana manao ahoana no tanan’ireo mpanompon’i Jehovah mikasika azy io?
◻ Nahoana no mety ny hiarovan-tena mba tsy hanao olo-malaza amin’ny fialam-boly sy ny fanatanjahan-tena ho andriamanitra?
◻ Ahoana no ahafahantsika miaro tena amin’ny fanaovan-tena ho andriamanitra?
◻ Nahoana no mety ny tsy hitsaharana hiaro tena amin’ny karazana fanompoan-tsampy rehetra?
[Sary, pejy 26]
Fantatrao ve hoe amin’ny ahoana ny fanompoan-tsampy ataon’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana no naseho an’ohatra mialoha tamin’ireo fahavetavetana hita tao amin’ny fahitan’i Ezekiela?
[Sary nahazoan-dalana]
Artwork (upper left) based on photo by Ralph Crane/Bardo Museum