Manampy ny Be Taona ny Fianakaviana Kristiana
“Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.” — SALAMO 71:9.
1. Ahoana no itondrana ny be taona any amin’ny kolontsaina maro?
“ASEHON’NY fandinihana fa, amin’ireo be taona natao ratsy fitondra, dia efa ho enina ao anatin’ny fito (86%) no nampijalin’ny fianakaviany manokana”, hoy ny The Wall Street Journal. Izao no nolazain’ilay gazetiboky hoe Modern Maturity: “Ny fitondrana ratsy ny be taona dia tsy inona fa ny [herisetram-pianakaviana] farany izay mivoaka avy ao amin’ilay toerana kely fiafenana, mba hiharihary eo amin’ireo pejin-gazetim-pirenena.” Eny, ny be taona any amin’ny kolontsaina maro dia nanjary niharam-pahavoazana noho ny fitondrana ratsy sy ny fanaovana tsirambina lehibe. Tena fotoana isian’ny olona maro ‘tia ny tenany (...) tsy mahay mankasitraka sy mivadika ary tsy manana firaiketam-po voajanahary’ marina tokoa izao misy antsika izao. — 2 Timoty 3:1-3, NW.
2. Araka ny Soratra Hebreo, ahoana no fiheveran’i Jehovah ny be taona?
2 Tsy toy izany anefa ny fomba tokony ho nitondrana ny be taona teo amin’ny Isiraely fahiny. Nilaza toy izao ny Lalàna: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy, ary matahora an’Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.” Manoro hevitra antsika toy izao ilay boky misy ohabolana feno fahendrena ara-tsindrimandry: “Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” Mandidy antsika toy izao izy io: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. Nampianatra fanajana sy fiheverana ny be taona lahy sy vavy ny Lalàn’i Mosesy. Mazava fa irin’i Jehovah ny hanomezam-boninahitra ny be taona. — Levitikosy 19:32; Ohabolana 1:8; 23:22.
Fikarakarana ny be taona tamin’ny andron’ny Baiboly
3. Ahoana no nanehoan’i Josefa fangorahana ny rainy be taona?
3 Tsy tamin’ny teny ihany no tokony ho nanehoana fanajana, fa tamin’ny fanaovan-javatra feno fiheverana koa. Naneho fangoraham-po lehibe ho an-drainy efa be taona i Josefa. Niriny ny hanaovan’i Jakoba dia lavitra avy tany Kanana hatrany Egypta, izay halaviran-dalana maherin’ny 300 kilaometatra. Koa nandefa ho an’i Jakoba “borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an’ny rainy ho entiny eny an-dàlana” i Josefa. Rehefa tonga tany Gosena i Jakoba, dia nankany aminy i Josefa ary “raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin’ny vozony”. Naneho firaiketam-po lalina nitafotafo tamin-drainy i Josefa. Izany ka ohatra manentana ny amin’ny fiheverana ny be taona! — Genesisy 45:23; 46:5, 29.
4. Nahoana i Rota no ohatra tsara dia tsara tokony harahina?
4 I Rota dia ohatra kanto hafa iray tokony harahina eo amin’ny hatsaram-panahy amin’ny be taona. Na dia jentilisa aza izy, dia nifandray akaiky tamin’i Naomy rafozambaviny jiosy efa be taona izay mpitondratena. Nandao ny fireneny izy, ary nisetra ny nety ho tsy fahitana vady hafa. Rehefa nampirisika azy hiverina tany amin’ny fireneny i Naomy, dia namaly azy i Rota tamin’ny teny izay anisan’ny kanto indrindra ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’i Jehovah amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.” (Rota 1:16, 17). Naneho toetra tsara dia tsara koa i Rota rehefa nanaiky hanambady an’i Boaza efa be taona, noho ilay fandaharana momba ny fitondrana loloha. — Rota, toko faha-2 ka hatramin’ny faha-4.
5. Toetra tsara inona avy no nasehon’i Jesosy teo amin’ny fifandraisany tamin’ny olona?
5 Namela ohatra toy izany koa i Jesosy teo amin’ny fifandraisany tamin’ny olona. Nahari-po izy, nangoraka sy tsara fanahy ary namelombelona. Naneho fiheverana manokana ny lehilahy nahantra iray izay kilemaina, tsy afa-nandeha, nandritra ny 38 taona izy, ary nanasitrana azy. Naneho fiheverana ny mpitondratena izy. (Lioka 7:11-15, NW; Jaona 5:1-9). Na dia nandritra ny fangirifiriana mafin’ny fahafatesany nampanaintaina teo amin’ny hazo fijaliana aza, dia nataony izay hahazoana antoka fa hisy hikarakara ny reniny, izay nety ho teo amin’ny fiandohan’ireo 50 taonany. Afa-tsy teo amin’ireo fahavalony mpihatsaravelatsihy, dia namana namelombelona ho an’ny rehetra i Jesosy. Noho izany, dia afaka niteny toy izao izy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo [famelombelomana, NW ]. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita [famelombelomana, NW ] ho an’ny fanahinareo hianareo.” — Matio 9:36; 11:28, 29; Jaona 19:25-27.
Iza no mendrika fiheverana?
6. a) Iza no mendrika fikarakarana manokana? b) Fanontaniana inona avy no azontsika atao amin’ny tenantsika?
6 Koa satria namela ohatra tsara dia tsara aoka izany teo amin’ny fikarakarana i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany, dia mety tsotra izao ny anahafan’ireo Kristiana vita fanoloran-tena ny modely nomen’izy ireo. Misy olona sasany eo anivontsika izay miasa fatratra sy mavesatra entana hatramin’ny taona maro — rahalahy sy anabavy be taona izay efa hazo amoron-tevana. Mety ho ray aman-drenintsika na raibe sy renibentsika ny sasany. Moa ve isika mihevitra azy ireny ho tsinontsinona? Moa ve isika manao teniko fe lehibe amin’izy ireny? Sa kosa tena mankasitraka ny fanandraman-javatra be dia be sy ny fahendrena ananan’izy ireo isika? Marina fa mety hisedra ny faharetantsika ny sasany amin’ireo toetra miavaka sy ny fahalemena madinidinika izay fahita eo amin’ny fahanterana. Manontania tena toy izao anefa: ‘Ho hafa noho izy ireo ve aho raha ao anatin’ireo toe-javatra ireo?’
7. Inona no manazava ny ilana fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny olona be taona?
7 Misy tantara manohina ny fo avy any Moyen-Orient mikasika ny fangorahan’ny zazavavy kely iray ny be taona. Nisy renibe iray nanampy tao an-dakozia, ary nandatsaka tsy nahy lovia bakoly iray ka nahavaky azy io. Sosotra noho ny fitavozavozan’ny tenany izy; mbola sosotra bebe kokoa noho izany ny zanany vavy. Niantso ny zanany vavy kely io zanakavavy io ary naniraka azy tany amin’ilay mpivarotra teo an-toerana mba hividy lovia hazo iray tsy mety vaky ho an-drenibeny. Niverina nitondra lovia hazo roa ilay zazavavy. Nanontany ny reniny hoe: “Fa naninona ianao no nividy lovia roa?” Niahotrahotra ilay zafikely namaly hoe: “Ny iray ho an’i Bebe ary ny iray ho anao rehefa antitra ianao.” Eny, eto amin’itỳ tontolo itỳ isika rehetra dia samy miatrika ny fahatsinjovana ny ho antitra. Moa ve isika tsy hankasitraka ny hoentina amim-paharetana sy amin-katsaram-panahy? — Salamo 71:9.
8, 9. a) Ahoana no tokony hitondrantsika ireo be taona eo amintsika? b) Inona no ilaina hotadidin’ny sasany amin’ireo izay tonga kristiana vao haingana?
8 Aza hadinoina mihitsy fa maro amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika be taona no nanao asa kristiana tamim-pahatokiana nandritra ny fotoana lava be, tamin’ny lasa. Azo antoka fa izy ireo dia mendri-panajana sy fiheverana ary fanampiana sy fampaherezana feno hatsaram-panahy avy amintsika. Nilaza tamin’ny fomba mety ilay lehilahy hendry hoe: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” Ary koa hoe tokony hohajaina ny fotsy volo, na lahy izy na vavy. Ny sasany amin’ireny lehilahy sy vehivavy be taona ireny dia mbola manohy manompo amin’ny maha-mpisava lalana mahatoky ihany, ary lehilahy maro no manohy manompo amim-pahatokiana amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasiona; ny sasany manao asa fakan-tahaka amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany. — Ohabolana 16:31.
9 Nanoro hevitra toy izao an’i Timoty i Paoly: “Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.” (1 Timoty 5:1, 2). Ireo izay tonga vao haingana ao amin’ny kongregasiona kristiana avy tany amin’ny tontolo iray tsy misy fanajana, dia tokony handray am-po manokana ny tenin’i Paoly izay miorina amin’ny fitiavana. Ry tanora, aza manahaka ny fihetsika ratsy izay mety ho hitanareo any an-tsekoly. Aza mandà ny torohevitra feno hatsaram-panahy omen’ireo Vavolombelona be taona. (1 Korintiana 13:4-8; Hebreo 12:5, 6, 11). Rehefa mila fanampiana noho ny tsy fahasalamana na noho ny zava-manahirana ara-bola anefa ireo be taona, iza no manana andraikitra voalohany hanampy azy ireo?
Ny anjara asan’ny fianakaviana eo amin’ny fikarakarana ny be taona
10, 11. a) Araka ny Baiboly, iza no tokony hitarika eo amin’ny fikarakarana ny be taona? b) Nahoana no tsy mora foana ny mikarakara ny be taona?
10 Tao amin’ny kongregasiona kristiana voalohany, dia nipoitra ny zava-nanahirana momba ny fikarakarana ny mpitondratena. Ahoana no nolazain’ny apostoly Paoly fa tokony hikarakarana izany zavatra nilaina izany? “Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa. Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra. Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” — 1 Timoty 5:3, 4, 8.
11 Amin’ny fotoana mahasahirana, dia ireo mpikambana amin’ny fianakaviana akaiky no tokony ho ny voalohany hanampy ireo be taona.a Amin’izany fomba izany, ireo zanaka efa lehibe dia afaka mampiseho fankasitrahana an’ireo taona maro feno fitiavana sy asa ary fikarakarana izay nomen’ireo ray aman-dreniny. Mety tsy ho mora izany. Arakaraka ny maha-antitra ny olona, dia mihareraka ho azy izy ireo, ary manjary kilemaina mihitsy aza ny sasany. Ny hafa dia mety hanjary tsy hihevitra afa-tsy ny tenany, na hitaky zavatra be loatra, angamba tsy mahatsapa izany akory ny tenany. Kanefa fony isika zazakely, moa ve isika koa tsy mba tsy nihevitra afa-tsy ny tenantsika sy nitaky zavatra be loatra? Ary moa ve ireo ray aman-drenintsika tsy dodona nanampy antsika? Izao dia niova ny tarehin-javatra eo amin’ny fahanteran’izy ireo. Koa inona àry no ilaina? Fangoraham-po sy faharetana. — Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 2:7, 8.
12. Toetra tsara inona avy no ilaina mba hikarakarana ny be taona — sy ny hafa rehetra ao amin’ny kongregasiona kristiana?
12 Nanome torohevitra azo ampiharina ny apostoly Paoly rehefa nanoratra hoe: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [Nefa ankoatra izany zavatra rehetra izany, dia mitafia fitiavana, satria fatorana mampiray tanteraka izany, NW ].” Raha tokony hampiseho izany karazana fangoraham-po sy fitiavana izany ao amin’ny kongregasiona isika, moa ve isika tsy tokony haneho izany be lavitra ao anatin’ny fianakaviana? — Kolosiana 3:12-14.
13. Iza, ankoatra ireo ray aman-dreny na raibe sy renibe, no mety hila fanampiana?
13 Indraindray io karazana fanampiana io dia ilaina, tsy ho an’ny ray aman-dreny na raibe sy renibe fotsiny, fa ho an’ireo havana be taona hafa koa. Ny be taona sasany izay tsy manan-janaka dia nanompo an-taonany maro teo amin’ny asa misionera, fanompoana fitetezam-paritany, ary asa manontolo andro hafa. Tena nametraka marina tokoa ilay Fanjakana teo amin’ny toerana voalohany nandritra ny fiainany izy ireo. (Matio 6:33, NW ). Tsy hety àry ve ny hanehoana amin’izy ireo toe-tsaina feno fiahiana? Azo antoka fa manana ohatra tsara dia tsara isika eo amin’ny fomba ikarakaran’ny Fikambanana Watch Tower ireo mpikambana ao amin’ny Betela efa be taona. Ao amin’ny foiben’ny Betela any Brooklyn sy any amin’ny sampana maromaron’ny Fikambanana, dia misy rahalahy sy anabavy be taona vitsivitsy mahazo fikarakarana isan’andro avy amin’ny mpikambana amin’ny fianakaviana nahazo fiofanana, izay tendrena ho amin’izany andraikitra izany. Faly izy ireo mikarakara ireny be taona ireny, toy ny hoe ray aman-dreniny na raibe sy renibeny manokana mihitsy izy ireo. Amin’izay fotoana izay ihany, dia miana-javatra betsaka avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’ireo be taona izy ireo. — Ohabolana 22:17.
Ny anjara asan’ny kongregasiona eo amin’ny fikarakarana
14. Fandaharana inona no natao ho an’ireo be taona tao amin’ny kongregasiona kristiana voalohany?
14 Tany maro amin’izao andro izao no manana fandaharam-pandraisana pension ho an’ny be taona, ary koa fikarakarana ara-pitsaboana omen’ny Fanjakana ho azy ireo. Afaka mampiasa amin’ny fomba feno an’ireny fandaharana ireny ny Kristiana any amin’ny toerana izay ananany zo hanao izany. Tsy nisy fandaharana toy izany anefa tamin’ny taonjato voalohany. Noho izany dia nanomboka nanao zavatra ny kongregasiona kristiana mba hanampiana ireo mpitondratena nahantra. Nanome torolalana toy izao i Paoly: “Aza atao lisitra [amin’ny fanampian’ny kongregasiona] ho isan’ny vehivavy mpitondratena afa-tsy izay mihoatra ny enim-polo taona sady indray mandeha ihany no nanambady, ary tsara laza amin’ny asa soa vitany; vehivavy nitaiza tsara ny zanany, nampiantrano vahiny, nanasa ny tongotr’ireo namana kristianina, nanampy ny nozoim-pahoriana, nazoto tamin’ny asa soa isan-karazany.” Araka izany, dia nasehon’i Paoly fa manana anjara asa eo amin’ny fanampiana ny be taona koa ny kongregasiona. Mendrika izany fanampiana izany ireo vehivavy nanana toe-tsaina araka ny fanahy ka tsy nanan-janaka mpino. — 1 Timoty 5:9, 10, DIEM.
15. Nahoana no mety hilaina ny fanampiana mba hahazoana fanampiana avy amin’ny Fanjakana?
15 Any amin’izay isian’ny fandaharana ataon’ny Fanjakana ho an’ireo be taona, dia mazàna izany no mahatafiditra fikarakarana taratasy izay mety ho toa mahakivy. Amin’ny tarehin-javatra toy izany dia mety ny hanaovan’ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona fandaharana ho fanampiana mba hahafahan’ilay be taona hangataka sy hanangona ary hanao izay hampisondrotra mihitsy izany fanampiana izany aza. Indraindray ireo fiovan’ny tarehin-javatra dia mety hitondra fisondrotan’ny pension. Misy koa anefa zavatra azo atao maro hafa izay azon’ireo mpiandraikitra alamina mba hikarakarana ny be taona. Inona avy ny sasany amin’izany?
16, 17. Amin’ny fomba samy hafa inona avy no azontsika anehoana fahaiza-mampiantrano vahiny amin’ireo be taona ao amin’ny kongregasiona?
16 Ny fanehoana fahaiza-mampiantrano vahiny dia fomba izay efa nisy hatrany amin’ny andron’ny Baiboly. Hatramin’izao andro izao, any amin’ny tany maro any Moyen-Orient, dia aseho amin’ny vahiny ny fahaizana mampiantrano amin’ny fandrosoana dite na kafe iray kaopy fara faharatsiny. Tsy mahagaga àry raha nanoratra toy izao i Paoly: “Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.” (Romana 12:13). Ny teny grika phi·lo·xe·niʹa nadika hoe fahaizana mampiantrano vahiny dia midika ara-bakiteny hoe “fitiavana ny (firaiketam-po amin’ny, na hatsaram-panahy amin’ny) vahiny”. Raha tokony hahay hampiantrano ireo vahiny ny Kristiana, moa ve izy tsy tokony hahay hampiantrano vahiny be lavitra eo amin’ireo izay havany ao amin’ny finoana? Ny fanasana hisakafo dia matetika fiovana mahafaly eo amin’ny fiainana dridralavan’ny zokiolona iray. Raha ta handre ny feon’ny fahendrena sy ny fanandraman-javatra ianao any amin’ireo fiaraha-mikorana ataonao, dia ampidiro ao ny be taona. — Ampitahao amin’ny Lioka 14:12-14.
17 Misy fomba maro azo ampaherezana ny be taona. Raha manao andiany isika miara-mandeha fiara mankany amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ny fivoriambe, moa ve ao misy zokiolona sasany izay ho faly hitaingina koa? Aza miandry azy ireo hangataka. Manolora tena haka azy. Fanampiana azo atao hafa iray ny fiantsenana ho azy ireo. Na, raha afaka manao izany izy ireo, moa ve isika afaka mitondra azy ireo hiaraka amintsika rehefa mandeha miantsena? Ataovy anefa izay hahazoana antoka fa misy toerana izay hahafahan’izy ireo hiala sasatra sy haka aina raha sanatria ka manjary tena ilaina izany. Tsy isalasalana fa hitaky faharetana sy hatsaram-panahy izany, kanefa ny fankasitrahana amim-pahatsorana ataon’ny be taona iray dia mety ho tena hahafa-po tokoa. — 2 Korintiana 1:11.
Zava-tsarobidy kanto ho an’ny kongregasiona
18. Nahoana ny be taona no fitahiana ho an’ny kongregasiona?
18 Fitahiana toy inona moa ny mahita fotsy volo sasany (ary koa ireo sola noho ny fahalehibeazana) ao amin’ny kongregasiona! Midika izany fa eo anivon’ny hery sy ny tanjaky ny tanora, isika dia manana fahendrena sy fanandraman-javatra vitsy mahalankalana — tena zava-tsarobidy ho an’izay kongregasiona ahitana izany. Ny fahalalan’izy ireo dia toy ny rano mamelombelona izay tsy maintsy sintonina avy ao amin’ny fantsakana iray. Izany dia araka ny ilazan’ny Ohabolana 18:4 azy hoe: “Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona, ary rano miboiboika ny loharanon’ny fahendrena”. Fampaherezana toy inona ho an’ny be taona moa ny fahatsapana fa ilaina sy ankasitrahana izy ireo! — Ampitahao amin’ny Salamo 92:14.
19. Ahoana no nanehoan’ny sasany fahafoizan-tena ho an’ireo ray aman-dreniny be taona?
19 Ny sasany tao amin’ny fanompoana manontolo andro dia nahatsapa fa nilaina ny namoy ny tombontsoan’izy ireo mba hody hikarakarana ray aman-dreny marary efa be taona. Nahafoy tena izy ireo ho an’ireo izay nahafoy tena ho azy ireo taloha. Nisy mpivady iray, misionera taloha, ary mbola ao amin’ny fanompoana manontolo andro, niverina nody mba hikarakara ny ray aman-drenin’izy ireo be taona. Nanao izany nandritra ny 20 taona mahery izy ireo. Efa-taona lasa izay, dia voatery nalefa tany amin’ny trano fikarakarana ny be antitra ny renin-dralehilahy. Mitsidika isan’andro an-dreniny 93 taona ilay lehilahy misionera taloha izay eo amin’ny faha-60 taonany izao. Manazava toy izao izy: “Ahoana moa no ahafahako manary azy? Reniko anie izy e!” Tamin’ny toe-javatra hafa dia nisy kongregasiona sy isam-batan’olona tonga sy nanolo-tena mba hikarakara ireo be taona mba hahafahan’ireo zanany hijanona ao amin’ny asa nanendrena azy. Ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena toy izany dia mendri-piderana lehibe koa. Tsy maintsy karakaraina amim-pitandremana tsara ny tarehin-javatra tsirairay satria tsy azo atao tsirambina ireo be taona. Asehoy fa tia ny ray aman-dreninao be taona ianao. — Eksodosy 20:12; Efesiana 6:2, 3.
20. Ohatra inona no nomen’i Jehovah antsika eo amin’ny fikarakarana ny be taona?
20 Tsy azo lavina fa satroboninahitra tsara tarehy ho an’ny fianakaviana na ho an’ny kongregasiona ireo rahalahintsika sy anabavintsika be taona. Hoy i Jehovah: “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.” Enga anie isika hampiseho izany faharetana sy fikarakarana izany amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika be taona ao amin’ny fianakaviana kristiana. — Isaia 46:4; Ohabolana 16:31.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanipazan-kevitra amin’ny antsipiriany mikasika izay azon’ny mpianakavy atao mba hanampiana ny be taona, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1987, pejy faha-13-18.
Tadidinao Ve?
◻ Ohatra araka ny Baiboly inona avy no ananantsika mikasika ny fikarakarana ny be taona?
◻ Ahoana no tokony hitondrantsika ny be taona?
◻ Ahoana no ahafahan’ny mpianakavy mikarakara ireo olon-tiany be taona?
◻ Inona no azon’ny kongregasiona atao mba hanampiana ny be taona?
◻ Nahoana ny be taona no fitahiana ho antsika rehetra?
[Sary, pejy 23]
Nampiseho hatsaram-panahy sy fanajana an’i Naomy efa be taona i Rota
[Sary, pejy 24]
Mpikambana sarobidy ao amin’ny kongregasiona ny be taona