Rehefa Mihaona Amin’ny Andrefana ny Atsinanana
“EH, NY Atsinanana dia Atsinanana, ary ny Andrefana dia Andrefana, ary tsy hihaona mihitsy ny andaniny roa.” Ireo tenin’ny poety anglisy atao hoe Rudyard Kipling ireo, dia mampahatsiaro antsika ny amin’ireo tsy fitoviana ara-kolontsaina lalina izay mampisaraka ny taranak’olombelona, ka mandray anjara amin’ireo fifankahalana ara-poko sy ara-pirazanana ary fifankahalana noho ny fitiavan-tanindrazana izay mipoaka manodidina antsika amin’izao andro izao. Maro no manontany hoe: Tsy afaka manao zavatra mikasika io tarehin-javatra io ve Andriamanitra? Eny, afaka manao zavatra izy! Ary eo am-panaovan-javatra mihitsy aza izy izao! Nanisy fitenenana ny amin’izany ilay andalan-tsoratra manaraka ao amin’ny tononkalon’i Kipling. Mandra-pahoviana ny Atsinanana sy ny Andrefana no ho voazarazara? Hoy ilay poety: “Mandra-pijoron’ny Tany sy ny Lanitra tsy ho ela eo amin’ny Sezam-pitsarana lehiben’Andriamanitra.”
Nanankina ilay andraikitra hitsara tamin’i Jesosy Kristy Zanany, Andriamanitra. (Jaona 5:22-24, 30). Oviana anefa izany fotoam-pitsarana izany no manomboka? Iza no tsaraina ary hanao ahoana ny ho fiafarany? I Jesosy no nilazalaza ara-paminaniana ny amin’ireo ady lehibe sy ireo fahoriana hanaraka izany, izay nanomboka namely ny olombelona tamin’ny taona 1914. Nilaza izy fa izany dia manamarika “ny famantarana” ny “fanatrehany” tsy hita maso sy “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. — Matio 24:3-8, NW.
Teo amin’ny fifaranan’io faminaniana lehibe io i Jesosy dia nampahafantatra izao andro misy antsika izao ho fotoanan’ny fitsarana iray, tamin’ny filazana ny amin’ny tenany toy izao: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.” Ara-panoharana, ny olona rehetra eto an-tany amin’izao fotoana izao dia angonina eo anatrehan’ilay Mpitsara ary ampamoahina ny amin’ny fomba andraisan’izy ireo ny hafatra momba ny famonjena nalefany. Rehefa hampiharina tsy ho ela amin’ny fahoriana lehibe ny didim-pitsarana, ireo olona tsy mankato toy ny osy dia “ho any amin’ny [fandringanana, NW ] mandrakizay; fa ny marina [ireo olona mankato toy ny ondry] ho any amin’ny fiainana mandrakizay”. — Matio 25:31-33, 46; Apokalypsy 16:14-16.
‘Avy any Atsinanana sy avy any Andrefana’
Raha ny marina, ny fitsarana an’itỳ tontolo itỳ dia nanomboka nandritra ireo taona nikorontan’ny Ady Lehibe Voalohany. Tamin’izay fotoana izay, ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nanohana tamin’ny fo manontolo ireo antoko niady. Izany dia nampahafantatra azy ireo ho anisan’ny tontolo iray ratsy toetra izay mendrika ny “fahatezeran’Andriamanitra”. (Jaona 3:36). Ahoana anefa ny amin’ireo Kristiana tia fihavanana izay naneho finoana an’Andriamanitra? Niantomboka tamin’ny taona 1919, dia nanomboka nangonina teo anilan’i Kristy Jesosy, ilay Mpanjaka, izy ireo.
Avy tamin’ny faritra rehetra amin’ny bolan-tany no niavian’izy ireo. Ireo sisa amin’ny 144 000 voahosotra aloha, izay nofantenana nandritra ireo taonjaton’ny andro kristiana. Ho “mpiray lova amin’i Kristy” any amin’ny Fanjakany any an-danitra izy ireo. (Romana 8:17). Izao no nolazain’ny mpaminanin’Andriamanitra ny amin’izy ireo: “Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ny faran’ny tany, dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.” — Isaia 43:5-7.
Tsy izany ihany anefa! Niantomboka tamin’ireo taona 1930 indrindra, dia nisy vahoaka betsaka izay miisa an-tapitrisany maro amin’izao fotoana izao, nanomboka nangonina. Izy ireo no “ondry” izay nasian’i Jesosy fitenenana tao amin’ny Matio 25:31-46. Sahala amin’ny sisa voahosotra izay nialoha azy, izy ireo dia nanjary ‘nino’ an’Ilay nanambara hoe: ‘Ianareo no vavolombeloko ary Izaho no Andriamanitra’. (Isaia 43:10-12). Ny fanangonana an’io vahoaka betsaka io koa dia atao ‘avy any atsinanana sy andrefana, avy any avaratra sy atsimo, ary avy any amin’ny faran’ny tany’.
Ireo ondry tia fihavanana ireo dia tafaray ao anatin’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena iray. Miteny amin’ny fiteny maro samy hafa avy any amin’ny tany 231 ipetrahany, izy ireo. Tafaray ara-panahy anefa izy ireo eo amin’ny fianarana ny “fiteny madio” momba ny hafatr’ilay Fanjakana ao amin’ny Baiboly, “mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany azy amim-piaraha-miantsoroka”. (Zefania 3:9, NW ). Ny firaisan’izy ireo eo amin’ny zavatra inoana sy eo amin’ny fikasana ary eo amin’ny asa dia manome fanambarana mahatalanjona fa ny Atsinanana dia nihaona tokoa tamin’ny Andrefana sy tamin’olona avy amin’ny vazantany rehetra, ho amin’ny fanompoana sy fiderana an’i Jehovah Mpanjaka Tompo.
Any amin’ny tany sasany, io fanangonana io dia mitranga ao anatin’ny tarehin-javatra miavaka indrindra, araka ny hasehon’ireo tatitra manaraka.