Ry Tanora, Fampianaran’iza no Arahinareo?
“Hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky (...) fampianaran’ny demonia”. — 1 TIMOTY 4:1.
1. a) Safidy inona no ananan’ny tanora? b) Ahoana no ampianaran’i Jehovah?
ILAY fanontaniana miantefa any amin’ny tanora eto dia hoe: Fampianaran’iza no arahinareo? Izany dia toa milaza fa manan-tsafidy ianareo tanora. Ilay safidy dia hoe handray tsara ny fampianarana araka an’Andriamanitra sa hanaraka ny fampianaran’ny demonia. Mampianatra amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly, i Jehovah, ary koa amin’ny alalan’ny fanompoan’ireo izay ampiasainy ho solontenany eto an-tany. (Isaia 54:13; Asan’ny Apostoly 8:26-39; Matio 24:45-47). Gaga ve anefa ianareo fa mampianatra koa ireo demonia?
2. Nahoana no tena zava-dehibe ny hitandreman-tena amin’ny fampianaran’ny demonia, indrindra fa amin’izao fotoana izao?
2 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. (1 Timoty 4:1). Koa satria isika izao miaina amin’ny “andro farany” izay mampaharisika indrindra an’i Satana sy ny demoniany, moa ve takatrareo ny antony anaovantsika ilay fanontaniana hoe: Fampianaran’iza no arahinareo? (2 Timoty 3:1-5, NW; Apokalypsy 12:7-12). Noho i Satana sy ireo demoniany fetsifetsy aoka izany, sy mpamitaka aoka izany eo amin’ny fomba fiasany, dia tena zava-dehibe ny handinihanareo amim-pitandremana io fanontaniana io. — 2 Korintiana 11:14, 15.
Ireo demonia sy ny fampianarany
3. Iza moa ireo demonia, inona no fikasany, ary ahoana ho itadiavan’izy ireo hanatanteraka izany?
3 Tamin’ny fotoana iray, dia anjelin’i Jehovah ireo demonia, saingy nikomy tamin’ny Mpamorona azy izy ireo, ka noho izany dia tonga mpanohana an’i Satana. (Matio 12:24). Ny fikasan’izy ireo dia ny hanimba olona sy hampiala azy ireo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Mba hanatanterahana izany, dia mampiasa mpampianatra olombelona ireo demonia mba hampirisihana fomba fiaina feno fitiavan-tena sy maloto ara-pitondran-tena izay melohin’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny 2 Petera 2:1, 12-15.) Ny fandinihana indray ny nahatongavan’ireo anjely nahatoky taloha ireo ho demonia dia hanampy anareo hamantatra ny fampianarany sy ny fomba fiaina izay ampirisihan’ireny fampianarana ireny.
4. a) Nahoana no nisy anjely tsy nankato tonga teto an-tany tamin’ny andron’i Noa? b) Inona no nitranga tamin’ireo anjely ratsy fanahy sy ireo taranany nandritra ny Safodrano?
4 Tamin’ny andron’i Noa, dia nisy anjely sasany nanjary voasintona aoka izany tamin’ireo zanakavavin’ny olona tsara tarehy, hany ka nandao ny toerany tany an-danitra mba hanketỳ an-tany ireny zavaboary ara-panahy ireny. Ny fanaovany firaisana tamim-behivavy dia niteraka taranaka safiotra nantsoina hoe Nefilima. Koa satria tsy araka ny natiora ho an’ny zavaboary ara-panahy ny miara-miaina toy ny mpivady amin’olombelona, izay nataon’ireo anjely tsy nankato ireo niaraka tamin’ireo vehivavy ireo dia ratsy toy ny fandrian’ny samy lehilahy nataon’ireo lehilahy sy ankizilahy tao Sodoma, tatỳ aoriana. (Genesisy 6:1-4; 19:4-11; Joda 6, 7). Na dia maty tao amin’ny ranon’ny safodrano aza ny vadin’ireo anjely, mbamin’ny zanany safiotra, ireo anjely ratsy fanahy dia nanary ny vatana ara-nofo notafiny ka niverina tany an-danitra, ary tonga demonia naman’i Satana Devoly. — 2 Petera 2:4.
5. Karazana zavaboary manao ahoana ireo demonia, ary ahoana no iezahan’izy ireo manimba ny lalàn’Andriamanitra?
5 Rehefa avy nieritreritra io fanazavana ara-tantara io ianareo, moa ve takatrareo hoe karazana zavaboary ara-panahy inona marina ireo demonia? Mpanara-po amin’ny firaisana mietry izy ireo, miasa amim-pahakingana ao ambadik’itỳ tontolo lasa adala amin’ny firaisana itỳ. Na dia tsy navela hitafy vatana toy ny olombelona indray aza izy ireo, dia mahazo fahafinaretana avy amin’ny firaisana mietry ataon’ireo izay azony simbana eto an-tany. (Efesiana 6:11, 12). Ezahin’ireo demonia simbana ny lalàn’i Jehovah mikasika ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ny fari-pitondran-tena, amin’ny fanaovana izay hisehoan’izy ireny ho toa mamepetra tsy amin’antony. Miaro ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy ho fomba fiaina ara-dalàna sy ahitam-pahafinaretana ireny anjely ratsy fanahy ireny.
Fampirisihana hanaraka ireo fampianaran’ny demonia
6. Nahoana no tsy tokony hahagaga antsika ny fampirisihan’ireo demonia hanaraka ny fampianarany amin’ny fomba feno hafetsen-dratsy?
6 Tsy tokony hahagaga antsika ny hoe mampirisika hanaraka ny fampianarany amin’ny fomba feno hafetsen-dratsy ireo demonia, satria izany no fomba nampiasain’i Satana Devoly, filohany, rehefa namitaka an’i Eva. Tsarovy fa niresaka tamin’i Eva izy, toy ny hoe naniry ny hanampy. “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” hoy i Satana nanontany. Avy eo izy dia niezaka tamim-pahakingana hanimba ny fampianaran’Andriamanitra tamin’ny filazana tamin’i Eva fa handray soa avy amin’ny fihinanana amin’ilay hazo voarara izy. “Amin’izay andro hihinananareo azy”, hoy ny fampanantenan’ny Devoly, “dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:1-5). Araka izany, dia voataona i Eva, eny voafitaka, tsy hankato an’Andriamanitra. — 2 Korintiana 11:3; 1 Timoty 2:13, 14.
7. Inona no vokatry ny fampianarana feno hafetsen-dratsin’ireo demonia, ary inona no fampitandremana omen’izany?
7 Tamin’izao fotoana faramparany izao koa, dia maro no voafitaka. Nampirisika ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy tamin-kafetsena aoka izany ireo demonia, hany ka nanjary neken’ny maro izay nanda izany taloha, izy io. Nanoratra toy izao, ohatra, ny mpanoratra gazety be mpahalala iray any Etazonia, rehefa namaly taratasy mikasika ny olona tsy mpivady manao firaisana: “Tsy nihevitra mihitsy aho hoe hiova hevitra tanteraka ny amin’io raharaha io, kanefa izao aho dia mino fa ireo olon-droa izay tena vonona ho amin’ny fanambadiana dia tokony handeha lavitra miaraka, mandritra ny faran’ny herinandro vitsivitsy mba hitsapana ny fifanarahan-toetra.” Avy eo izy dia nanampy teny hoe: “Tsy afaka ny hino aho hoe nahasoratra izany!” Na dia izy aza dia tsy afaka ny hino fa nampirisika fijangajangana, kanefa dia nanao izany izy! Mazava fa tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanan-kery eo amin’ny fomba fijerintsika ireo fanao melohin’Andriamanitra ny fampianaran’ny demonia. — Romana 1:26, 27; Efesiana 5:5, 10-12.
8. a) Ahoana no ampiasana ny teny hoe “izao tontolo izao” ao amin’ny Baiboly? b) Iza no manapaka izao tontolo izao, ary ahoana no tokony hiheveran’ireo mpanara-dia an’i Jesosy an’izao tontolo izao?
8 Tsy tokony hanadino na oviana na oviana isika fa i Satana no “andrianan’izao tontolo izao”. Raha ny marina dia nilaza ny apostoly Jaona fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19). Marina fa indraindray i Jesosy dia nampiasa ny teny hoe “izao tontolo izao” mba hanondroana ny olombelona rehetra. (Matio 26:13; Jaona 3:16; 12:46). Matetika kokoa anefa, dia nampiasa ilay teny hoe “izao tontolo izao” izy mba hanondroana ny fitambaran’olona voalamina rehetra misy any ivelan’ny kongregasiona kristiana marina. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa tsy tokony ho “naman’izao tontolo izao” (fitambaran’olona tsy marina) ireo mpanara-dia azy, ary noho izy ireo tsy naman’izao tontolo izao, dia hankahala azy izao tontolo izao. (Jaona 15:19; 17:14-16). Ankoatra izany, dia mampitandrina ny Baiboly fa tokony hanalavitra ny fahatongavana ho sakaizan’itỳ tontolo tapahin’i Satana itỳ isika. — Jakoba 4:4.
9, 10. a) Zavatra inona avy eo amin’izao tontolo izao no manaitra faniriana tsy mety eo amin’ny lahy sy ny vavy? b) Ahoana no ahazoana mamantatra ilay ao ambadik’izay ampianarin’ny fialam-bolin’izao tontolo izao?
9 Nampirisika toy izao ny apostoly Jaona: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao.” Hoy koa izy hoe: “Ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray”. (1 Jaona 2:15, 16). Eritrereto ange izao e. Inona moa, eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, no manaitra fanirian-dratsy toy ny firaisana tsy ara-dalàna, ohatra? (1 Tesaloniana 4:3-5). Ahoana ny amin’ny mozika maro eo amin’izao tontolo izao? Hoy ny manam-pahefana mpanao famotorana iray ao amin’ny polisin’i Californie: “Amin’ny fotony, ny mozika dia mampianatra fa tsy voatery hihaino ny ray aman-dreninao ianao, ary tokony hanana fiainana araka izay irinao.” Fantatrareo ve ny loharanon’ilay fampianarana omen’ny mozika toy izany?
10 Tsarovy fa i Satana dia niteny toy izao tamin’i Eva, raha ny marina: ‘Maty antoka ianao. Manàna fiainana araka izay irinao. Aoka ianao ihany no hanapaka ny amin’izay tsara sy ratsy. Tsy mila mihaino an’Andriamanitra ianao.’ (Genesisy 3:1-5). Moa ve tsy izany ihany ilay hafatra hita ao amin’ny mozika maro eo amin’izao tontolo izao? Tsy mampianatra amin’ny alalan’ny mozika fotsiny anefa ireo demonia. Ampiasain’izy ireo mba hampianarana koa ireo fandaharana momba ny dokam-barotra ao amin’ny televiziona sy ny sinema ary ny vidéo. Ahoana izany? Ireo fitaovana fampitana hafatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia manolotra fialam-boly izay mampiseho ny fampianaran’Andriamanitra ara-pitondran-tena ho toa mifehy loatra. Miaro ny fijangajangana izy ireo amin’ny fanantitranterana azy io sy amin’ny fampisehoana azy ho faniry.
11. Amin’ny lafiny ara-pitondran-tena, inona matetika no ampianarin’ny televiziona?
11 Izao no nambaran’ny gazetiboky U.S.News & World Report: “Tamin’ny 1991, ireo chaînes-televiziona [amerikana] telo dia nisy sary nampiseho firaisana maherin’ny 10 000 nandritra ny fotoana ijeren’ny olona betsaka indrindra; isaky ny sary iray mampiseho firaisan’ny lahy sy ny vavy teo amin’ny mpivady, ireo chaînes ireo dia nampiseho sary 14 nisy firaisana teo amin’ny olona tsy mpivady.” Inona, hoy ianareo, no ampianarin’ny televiziona amin’ny fampisehoana, ao anatin’ny herintaona, sary maherin’ny 9 000 mampiseho firaisana tsy ara-dalàna mandritra ny fotoana ijeren’ny olona betsaka indrindra? Manambara toy izao i Barry S. Sapolsky izay niara-nanoratra ilay tatitra hoe “Firaisana Amin’ny Fotoana Ijeren’ny Olona Betsaka Indrindra ny Televiziona: 1979 Mifampitaha Amin’ny 1989” (anglisy): “Raha mijery televiziona mandritra ny taona maro ny zatovo iray ka mahita fitondran-tena misy filalaovana amin’ny firaisana na firaisana an-karihary, ireny sary an’arivony maro ireny, arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia hampianatra azy fa mahafinaritra ny firaisana — sady tsy dia hisy vokany na inona na inona.” Tsy misy isalasalana ny amin’izany: Ny fialam-bolin’izao tontolo izao dia mampianatra ny tanora fa tsy misy fitsipika, azo ekena ny fijangajangana, ary tsy misy vokany ratsy ny fiainana amin’ny fomba melohin’Andriamanitra. — 1 Korintiana 6:18; Efesiana 5:3-5.
12. Nahoana ny fialam-bolin’izao tontolo izao no mitondra fandrahonana, indrindra fa ho an’ny tanora kristiana?
12 Ny hira sy ny sinema sy ny vidéo ary ny televizionan’izao tontolo izao dia natao hanintona ny tanora. Mampiely ireo fampianarana simban’ny demonia izy ireny! Tokony hahagaga antsika ve anefa izany? Eritrereto ange e. Raha anisan’izao tontolo izaon’i Satana ny fivavahan-diso sy ny politika — ary mazava tsara fa izany izy ireo — dia mety ve ny hinoana fa afaka amin’ny fitaoman’ny demonia ny fialam-boly ampirisihan’izao tontolo izao? Ianareo tanora indrindra no mila miambina mba tsy “hamela izao tontolo izao manodidina anareo hanery anareo ho ao anaty lasiny manokana”. — Romana 12:2, The New Testament in Modern English, nataon’i J. B. Phillips.
Manaova fandinihan-tena
13. Fandinihan-tena inona no tokony hatao?
13 Tsy amin’ny fiteninareo ihany no hamaritana hoe fampianaran’iza no arahinareo, fa amin’ny ataonareo koa. (Romana 6:16). Koa manontania tena hoe: ‘Misy akony tsy araka ny tokony ho izy eo amin’ny fihetsiko sy ny fomba fiainako ve izay ianarako amin’ny alalan’ny fitaovana fampielezan-kevitr’izao tontolo izao? Afaka ny hisy heriny eo amin’ny fiainako ve ireo fampianaran’ny demonia?’ Mba hanampy anareo hamaly fanontaniana toy izany, dia nahoana raha mampitaha ny fotoana sy ny fiezahana laninareo ianarana ny Baiboly sy anatrehana ireo fivoriana kristiana ary iresahana amin’ny hafa mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’izay laninareo ijerena televiziona sy ihainoana mozika sy andraisana anjara amin’ny fanatanjahan-tena ankafizinareo indrindra, na amin’ny fanaovan-javatra mitovy amin’izany? Manaova fandinihan-tena amim-pahatsorana satria zava-dehibe no tandindomin-doza — eny, ny ainareo mihitsy. — 2 Korintiana 13:5.
14. Inona no hisy akony eo amin’ny fahasalamantsika ara-panahy, ary hevitra mampisaintsaina inona no tokony hotadidintsika ao an-tsaina?
14 Fantatrareo tsara fa hisy heriny eo amin’ny fahasalamanareo ara-batana ny sakafo ara-nofo haninareo. Toy izany koa fa misy akony eo amin’ny fahasalamanareo ara-panahy izay amahananareo ny sainareo sy ny fonareo. (1 Petera 2:1, 2). Na dia mety hamita-tena aza ianareo raha ny amin’izay tena mahaliana anareo, dia tsy azonareo fitahina i Jesosy Kristy, Mpitsara antsika. (Jaona 5:30). Koa manontania tena hoe: ‘Raha teto an-tany i Jesosy, ho sanganehana ve aho hampandroso azy ao amin’ny efitranoko ka handrenesany ny mozikako na hahitany izay jereko ao amin’ny televiziona?’ Ny zava-misy mampisaintsaina dia hoe: i Jesosy dia mijery sy mahafantatra izay ataontsika. — Apokalypsy 3:15.
Tohero ireo fampianaran’ny demonia
15. Nahoana ny Kristiana no tokony hiady mafy mba hanoherana ireo fampianaran’ny demonia?
15 Tsy anerany ny fanerena ampiharin’ireo demonia amin’ny tanora mba hanarahan’izy ireo ny fampianarany. Ireny fanahy ratsy ireny dia toa manolotra fiainana manome fahafaham-po avy hatrany — dia fiainana isian’ny fifaliana sy fahafinaretana. Mba hampifaliana an’Andriamanitra, i Mosesy tamin’ny andro fahiny dia nanda ny “hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana” tamin’ny naha-olo-malaza anisan’ny ankohonan’ny Farao. (Hebreo 11:24-27). Tsy mora ny mandà izay atolotr’ireo demonia, koa tsy maintsy miady mafy ianareo mba hanao izay marina. Marina indrindra izany satria nandova ota isika ary matetika ny fontsika dia maniry mafy hanao izay ratsy. (Genesisy 8:21; Romana 5:12). Noho ireo fironan-dratsy, na dia ny apostoly Paoly aza dia voatery niseho ho henjana tamin’ny tenany mba tsy hamelana ny fanirian’ny nofony hanapaka azy. — 1 Korintiana 9:27; Romana 7:21-23.
16. Ahoana no ahafahan’ny tanora manohitra ny fanerena hanana fitondran-tena maloto?
16 Na dia mety halaim-panahy ‘hanaraka ny maro hanao ratsy’ aza ianareo, dia afaka manampy anareo Andriamanitra mba hanohitra ny fanerena ataon’ireo mitovy taona aminareo hanarahanareo ny lalan-dratsiny. (Eksodosy 23:2; 1 Korintiana 10:13). Tsy maintsy mihaino ny fitarihan’Andriamanitra anefa ianareo, mandrakitra ny teniny ao am-ponareo. (Salamo 119:9, 11). Ilainareo ny mahatakatra fa rehefa mitokana ny tanora, dia afaka mihamafy dia mafy ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy ka hitarika ho amin’ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra. “Rehefa irery miaraka amin’ilay ankizilahy iarahako aho, dia maniry hanao zavatra iray ny vatako ary ny atidohako dia milaza amiko mba hanao zavatra hafa”, hoy ny fieken’ny tanora iray. Ekeo àry ny fetran’ny tenanareo ary aoka ho takatrareo fa mamitaka ny fonareo. (Jeremia 17:9). Aza mitokana. (Ohabolana 18:1). Asio fetra ny fanehoam-pitiavana. Ary zava-dehibe manokana ny fiarahana akaiky amin’ireo izay tia an’i Jehovah sy manaja lalina ny lalàny ihany. — Salamo 119:63; Ohabolana 13:20; 1 Korintiana 15:33.
17. Inona no afaka manampy ireo tanora kristiana mba hahazo ny tanjaka hanoherana ireo fampianaran’ny demonia?
17 Hanampy anareo ny fianarana amim-pitandremana ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana izay natao mba hanatanjahana anareo ara-panahy. Diniho, ohatra, ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny mandaitra, sy ilay toko hoe “Ny Ady Atao mba Hanaovana Izay Marina” ao amin’ny boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Avelao hilentika lalina ao an-tsainareo sy ao am-ponareo ilay fampianarana araka ny Soratra Masina omena, ary dia hanatanjaka anareo izany. Ny zavatra iray tsy tokony hohadinoinareo mihitsy dia ny hoe: Tsy mora ny manao ny marina eo amin’itỳ tontolo fehezin’ny demonia itỳ. Koa miadia mafy. (Lioka 13:24). Hamafiso ny tanjakareo ara-panahy. Aza manahaka an’ireo malemy sy kanosa izay manaraka ny maro.
Mandraisa soa avy amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra
18. Inona avy no soa sasany azo avy amin’ny fanarahana ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
18 Tadidio koa fa tsy ho maty antoka amin-java-tsarobidy na inona na inona mihitsy ianareo amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Jehovah. Tena tia anareo izy, ary izany no ‘ampianarany anareo hahita soa’. (Isaia 48:17). Araho àry ny fampianaran’i Jehovah, ary halaviro ny fahorian-tsaina noho ny feon’ny fieritreretana simba, ny famoizana ny hajan’ny tena, ny fananana anaka tsy irina, ny aretina azo avy amin’ny firaisana na ny loza mitovy amin’izany. Faly i Jehovah rehefa omen’ny mpanompony azy ny valin’ilay fihantsian’i Satana hoe tsy hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona rehefa ao anatin’ny fitsapana. (Joba 1:6-12). Raha mampifaly ny fon’i Jehovah ianareo amin’ny fitoerana ho mahatoky eo anatrehany, dia ho tafita velona rehefa hampihariny amin’itỳ tontolo itỳ ny didim-pitsarana fanamelohana, fa izay rehetra manamavo ny lalàny kosa dia ho faty. — Ohabolana 27:11; 1 Korintiana 6:9, 10; 1 Jaona 2:17.
19. Toy inona ny hasarobidin’ny fiarahana amin’ireo izay mankasitraka ny soa entin’ny fampianaran’i Jehovah?
19 Raha miaraka akaiky amin’ireo izay mankasitraka izay nataon’i Jehovah taminy ianareo, dia afaka mianatra avy amin’ny fanandraman-javatra hitany. Nanazava toy izao ny olona iray za-dratsy amin’ny zava-mahadomelina sady naloto fitondran-tena taloha: “Raha tsy nihaino an’i Jehovah aho dia ho efa maty. Ilay olona tokony ho vadiko dia matin’ny SIDA. Ny namako akaiky taloha rehetra teo amin’izao tontolo izao, dia matin’ny SIDA na efa madiva ho faty. Mahita azy ireo matetika eny amin’ny arabe aho ary misaotra an’i Jehovah isan’andro noho ireo lalàny izay mitarika ny vahoakany sy hitana antsika ho masina raha toa ka ampiharintsika. Mbola tsy sambatra sy afa-po ary tsy manana ahiahy toy izao aho teo amin’ny fiainako.” Marina tokoa fa mitondra soa ho antsika foana ny fanarahana ny fampianaran’i Jehovah!
Manaova fisafidianana tsara
20, 21. a) Safidy roa inona avy no ananan’ny tanora? b) Soa maharitra inona no ho vokatry ny fanarahana ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
20 Mampirisika anareo izahay ry tanora: Manaova fisafidianana tsara amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Avy eo dia aoka ianareo ho tapa-kevitra ny hifikitra amin’izany fanapahan-kevitra izany. (Josoa 24:15). Raha ny marina, dia iray amin’ireo safidy roa ihany no azonareo atao. Nilaza i Jesosy fa eo ilay lalana lehibe sy malalaka — ilay lalana mora izay anaovana izay tian’ny tena. Io lalana io dia miafara amin’ny tampina, dia amin’ny fandringanana. Tery ilay lalana iray hafa. Izy io dia lalana sarotra andehanana eo amin’itỳ tontolo maloto fitondran-tena fehezin’ny demonia itỳ. Amin’ny farany anefa io lalana io dia hitondra ireo izay mandeha eo aminy ho any amin’ny tontolon’Andriamanitra vaovao sy mahafinaritra. (Matio 7:13, 14). Lalana iza no handehananareo? Fampianaran’iza no harahinareo?
21 Avelan’i Jehovah ho anareo ny safidy. Tsy manandrana manery anareo hanompo azy izy. “Nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana”, hoy fampirisihan’i Mosesy, mpaminanin’Andriamanitra: “Mifidiana ny fiainana”. Atao io safidy io amin’ny ‘fitiavana an’i Jehovah Andriamanitrareo sy amin’ny fihainoana ny feony ary amin’ny fifikirana aminy’. (Deoteronomia 29:1; 30:19, 20). Enga anie ianareo hifidy amim-pahendrena ny hanaraka ny fampianarana araka an’Andriamanitra ka hankafy ny fiainana tsy hanam-pahataperana ao amin’ilay tontolon’Andriamanitra vaovao sy be voninahitra.
Ahoana no Havalinao?
◻ Iza moa ireo demonia, ary inona no ampianarin’izy ireo?
◻ Ahoana no ampirisihan’ny demonia ny fampianarany amin’izao andro izao?
◻ Ahoana no ahazoana manohitra ny fampianaran’ny demonia?
◻ Inona avy no soa azo amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Jehovah?
[Sary, pejy 16]
Talohan’ny Safodrano, dia nampirisika ny herisetra sy ny fanaranam-po amin’ny ratsy ireo anjely tsy nankato sy ny taranany
[Sary, pejy 18]
Ho sanganehana ve ianao raha mandre ny mozika ankafizinao indrindra i Jesosy?