Mambole Fahalalana ny Antonona
“Aoka ho fantatry ny olona rehetra [ny fahalalanareo ny antonona, NW ]. Efa mby akaiky ny Tompo.” — FILIPIANA 4:5.
1. Nahoana no zava-tsarotra ny hahalala ny antonona eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
“NY LEHILAHY mahalala ny antonona” — nantsoin’Andriamatoa Alan Patrick Herbert, mpanao gazety anglisy, hoe olona any amin’ny angano izy io. Eny tokoa, indraindray dia toa tsy misy olona mahalala ny antonona tavela eto amin’itỳ tontolo rotidrotiky ny fifandrafiana itỳ. Nambaran’ny Baiboly mialoha fa amin’izao “andro farany” sarotra izao, ny olona dia ho “lozabe”, ho “mafy hatoka”, sy “tsy ho azo ifampiraharahana” — raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe tsy mahalala ny antonona velively. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Na dia izany aza, ny Kristiana marina dia mihevitra ny fahalalana ny antonona ho sarobidy, satria fantany fa lafin-toetra iray mampiavaka ny fahendren’Andriamanitra izy io. (Jakoba 3:17, NW ). Tsy mihevitra isika fa tsy azo atao ny hahalala ny antonona eo amin’ny tontolo iray tsy mahalala ny antonona. Raisintsika tsy misy fisalasalana kosa aza ny fihaikana ao amin’ny torohevitra ara-tsindrimandrin’ny apostoly Paoly, hita ao amin’ny Filipiana 4:5, manao hoe: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra [ny fahalalanareo ny antonona, NW ]”.
2. Ahoana no anampian’ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Filipiana 4:5 antsika hamaritra raha mahalala ny antonona isika na tsia?
2 Mariho ny fomba anampian’ireo tenin’i Paoly antsika hitsapa raha mahalala ny antonona isika na tsia. Tsy raharaha mahakasika ny fomba ahitantsika ny tenantsika loatra ilay izy; raharaha mahakasika ny fomba ahitan’ny hafa antsika ilay izy, ny fomba ahafantarana antsika. Mandika io andininy io toy izao ny fandikan-tenin’i Phillips: “Aoka ianareo halaza ho mahalala ny antonona.” Tsara ny hanontanian’ny tsirairay avy amintsika tena hoe: ‘Ahoana no ahafantarana ahy? Malaza ho mahalala ny antonona, ho mandefitra sy ho malefaka ve aho? Sa fantatra ho henjana, masiaka sy mafy hatoka aho?’
3. a) Inona no dikan’ilay teny grika nadika hoe “mahalala ny antonona”, ary nahoana no manintona io toetra io? b) Ahoana no mety hianaran’ny Kristiana iray hahalala ny antonona?
3 Ny lazantsika amin’io lafiny io dia hanome taratry ny hoe hatraiza no anahafantsika an’i Jesosy Kristy. (1 Korintiana 11:1). Fony teto an-tany i Jesosy, dia nanome taratra tamin’ny fomba lavorary ny ohatra tampony ny amin’ny fahalalana ny antonona nomen’ny Rainy. (Jaona 14:9). Raha ny marina, rehefa nanoratra ny amin’ny “hamoram-panahy sy ny [hatsaram-panahin’i, NW ] Kristy” i Paoly, ny teny grika nampiasainy mba handikana ny hoe hatsaram-panahy (e·pi·ei·kiʹas) dia midika koa hoe “fahalalana ny antonona” na, ara-bakiteny, hoe “fandeferana”. (2 Korintiana 10:1). Antsoin’ny The Expositor’s Bible Commentary izy io hoe “iray amin’ireo teny lehibe milazalaza toetra ao amin’ny T[estamenta] V[aovao]”. Milazalaza toetra tsara manintona aoka izany izy io, hany ka nampiasa ny teny hoe “fahalalana ny antonona mahafinaritra” ny manam-pahaizana manokana iray. Noho izany, dia aoka isika handinika fomba telo nampisehoan’i Jesosy fahalalana ny antonona sahala amin’i Jehovah Rainy. Mety hianarantsika araka izany ny fomba hahatongavan’ny tenantsika hahalala ny antonona kokoa. — 1 Petera 2:21.
“Vonona hamela heloka”
4. Ahoana no nisehoan’ny tenan’i Jesosy mihitsy ho “vonona hamela heloka”?
4 Sahala amin’ny Rainy, i Jesosy dia nampiseho fahalalana ny antonona tamin’ny ‘fahavononany hamela heloka’ niverimberina. (Salamo 86:5, NW ). Diniho ny fotoana nandavan’i Petera, mpiara-miasa akaiky, an’i Jesosy intelo tamin’ny alina nisamborana sy nitsarana an’i Jesosy. Nilaza toy izao, talohan’izay, ny tenan’i Jesosy mihitsy: “Na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko”. (Matio 10:33). Nampihatra io fitsipika io tamin’ny fomba henjana sy tsy nisy famindram-po tamin’i Petera ve i Jesosy? Tsia, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nitsidika manokana an’i Petera i Jesosy, tsy isalasalana fa mba hampiononana sy hanomezana toky indray an’io apostoly nibebaka sy torotoro fo io. (Lioka 24:34; 1 Korintiana 15:5). Fotoana fohy taorian’izay, dia navelan’i Jesosy hiantsoroka andraikitra lehibe i Petera. (Asan’ny Apostoly 2:1-41). Izany ka fampisehoana tampony ny fahalalana ny antonona mahafinaritra! Tsy mampionona ve ny mieritreritra fa nanendry an’i Jesosy ho Mpitsara ny olombelona rehetra i Jehovah? — Isaia 11:1-4; Jaona 5:22.
5. a) Tokony halaza ho inona ny loholona eo amin’ireo ondry? b) Fanazavana inona no mety ny handinihan’ireo loholona azy, alohan’ny handaminana raharaha ara-pitsarana, ary nahoana?
5 Rehefa miasa ho toy ny mpitsara ao amin’ny kongregasiona ny loholona, dia miezaka hanahaka ny ohatra mampiseho fahalalana ny antonona nomen’i Jesosy. Tsy irin’izy ireo ny hatahoran’ny ondry azy toy ny mpanafay. Iezahan’izy ireo kosa aza ny hanahaka an’i Jesosy, hany ka hahatsiaro ho tsy manana ahiahy ny ondry miaraka amin’izy ireo toy ny mpiandry be fitiavana. Amin’ny raharaha ara-pitsarana, izy ireo dia manao ny ezaka rehetra mba hahalalana ny antonona, ho vonona hamela heloka. Alohan’ny handaminana raharaha iray, dia hitan’ny loholona sasany fa nanampy ny fandinihana indray ireo lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jolay 1992 hoe “Jehovah, Ilay ‘Mpitsara ny Tany Rehetra’ Tsy Mizaha Tavan’olona” sy hoe “Ry Loholona, Mitsarà Amim-pahamarinana”. Tadidin’izy ireo, araka izany, ilay famintinana ny fomba fitsaran’i Jehovah hoe “Hentitra rehefa ilaina izany, mamindra fo rehefa azo atao izany”. Tsy hadisoana akory ny mirona any amin’ny famindram-po eo amin’ny fitsarana, rehefa misy fototra mampiseho fahalalana ny antonona hanaovana izany. (Matio 12:7). Hadisoana lehibe ny ho lozabe na tsy hamindra fo. (Ezekiela 34:4). Manalavitra ny fanaovana hadisoana, araka izany, ireo loholona amin’ny fiezahany amim-paharisihana hitady ny lalana mampiseho fitiavana sy famindram-po be indrindra mety ho hita ao anatin’ny faritry ny rariny. — Ampitahao amin’ny Matio 23:23; Jakoba 2:13.
Fahaiza-milefitra rehefa miatrika fiovan’ny toe-javatra
6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fahalalana ny antonona tamin’ny fifampiraharahany tamin’ilay vehivavy jentilisa izay nanana zanakavavy nampahorin’ny demonia?
6 Sahala amin’i Jehovah, i Jesosy dia nanaporofo fa mailaka nanova ny fizotran’ny asa hataony ny tenany, na nahay nampifanara-javatra rehefa nipoitra ny tarehin-javatra vaovao. Indray mandeha, dia niangavy azy hanasitrana ny zanany vavy nampahorin’ny demonia loatra ny vehivavy jentilisa iray. Tamin’ny fomba telo samy hafa, dia nasehon’i Jesosy tamin’ny voalohany fa tsy hanampy azy izy — voalohany, tamin’ny tsy famaliana teny azy; faharoa, tamin’ny fanambarana nivantana fa nirahina ho any amin’ny Jiosy izy, fa tsy ho any amin’ny Jentilisa; ary fahatelo, tamin’ny fanaovana fanoharana iray izay nampiseho tamin-katsaram-panahy hevitra nitovy tamin’izany ihany. Kanefa naharitra tamin’izany rehetra izany ilay vehivavy, ka nanaporofo ny fananany finoana tsy nisy toy izany. Tamin’io toe-javatra niavaka dia niavaka io, dia hitan’i Jesosy fa tsy fotoana tokony hampiharana an-tery fitsipika ankapobe iray tamin’izay; fotoana tokony hileferana tamin’io mba hanarahana fotopoto-pitsipika ambony kokoa.a Araka izany, dia nanao mihitsy ilay zavatra nasehony intelo fa tsy hataony i Jesosy. Nositraniny ny zanakavavin’ilay vehivavy! — Matio 15:21-28.
7. Amin’ny fomba ahoana avy no mety hampisehoan’ny ray aman-dreny fahalalana ny antonona, ary nahoana?
7 Moa ve isika fantatra noho ny fahavononantsika hilefitra sahala amin’izany koa rehefa mety izany? Ireo ray aman-dreny matetika dia mila mampiseho fahalalana ny antonona toy izany. Koa satria tsy manana ny mitovy aminy ny zanaka tsirairay, dia mety tsy hifanentana amin’ny zanaka iray ireo fomba fanaovan-javatra mandaitra amin’ny zanaka iray hafa. Ankoatra izany, rehefa mihalehibe ireo zanaka, dia miova ny zavatra ilainy. Tokony hasiana fanovana ve ny ora fodiana noferan’ny ray aman-dreny? Hanatsara ny fianaram-pianakaviana ve ny fanomezana azy endrika velombelona kokoa? Rehefa manaraka fihetsika tafahoatra ny ray na ny reny noho ny fahadisoana madinika iray, vonona hanetry tena ve izy ka handamina izany? Ireo ray aman-dreny izay mandefitra amin’ny fomba toy izany dia hanalavitra ny fanasosorana tsy ilaina ireo zanany sy ny fampanalavirana azy ireo an’i Jehovah. — Efesiana 6:4.
8. Ahoana no mety hitarihan’ireo loholon’ny kongregasiona lalana eo amin’ny fampifanarahan-javatra arakaraka izay ilain’ny faritany?
8 Mila mampifanara-javatra koa ireo loholona rehefa mipoitra ny toe-javatra vaovao, kanefa tsy manaiky lembenana na oviana na oviana raha ny amin’ireo lalàn’Andriamanitra voafaritra tsara. Eo amin’ny fiandraiketana ny asa fitoriana, mailo ve ianareo mijery fiovana ao amin’ny faritany, manao zavatra mifanentana amin’izany ve ianareo? Rehefa miova ny fomba fiainan’ny olona eo amin’ny faritra manodidina, dia tokony hampirisihana ny fitoriana amin’ny takariva, ny fitoriana eny amin’ny arabe na amin’ny fampiasana telefaonina. Manampy antsika hanatanteraka ny fanendrena antsika hitory amin’ny fomba mandaitra kokoa ny mampifanara-javatra amin’ireo fomba ireo. (Matio 28:19, 20; 1 Korintiana 9:26). Nanao ezaka mafy koa i Paoly mba hampifanara-javatra tamin’ny karazan’olona rehetra teo amin’ny fanompoany. Mba manao toy izany koa ve isika, ohatra, amin’ny fahazoana fahalalana ampy momba ireo fivavahana sy kolontsaina eo an-toerana mba hahafahana hanampy olona? — 1 Korintiana 9:19-23.
9. Nahoana ny loholona iray no tsy tokony hikiry foana ny handamina ireo zava-manahirana araka ny fomba nanaovany izany tamin’ny lasa?
9 Koa satria mihasarotra hatrany foana izao andro farany izao, dia mety hilain’ireo mpiandry koa ny mampifanara-javatra. Ilainy izany manoloana ny sasany amin’ireo zava-manahirana sarotra sy tsy mahafinaritra ary mahavery hevitra izay atrehin’ny andian’ondriny ankehitriny, ary manoloana ny fahasosorana aterak’ireny zava-manahirana ireny. (2 Timoty 3:1, NW ). Ry loholona, tsy fotoana ho an’ny fihenjanana izao! Azo antoka fa ny loholona iray dia tsy hikiry handamina zava-manahirana toy izay nataony tamin’ny lasa raha nanjary tsy nandaitra ireo fomba nampiasainy na raha toa ka hitan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” fa nety ny namoahana fanazavana vaovao momba ny foto-kevitra toy ireny. (Matio 24:45, NW; ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:10; 1 Korintiana 7:31.) Nisy loholona nahatoky iray niezaka tamim-pahatsorana nanampy anabavy ketraka iray izay nila fatratra olona hihaino azy tsara. Kanefa tsy noraisiny ho tena lehibe ny fahaketrahan’io anabavy io, hany ka ala olana tsotsotra fotsiny no nomeny azy. Avy eo ny Fikambanana Watch Tower dia namoaka fanazavana miorina amin’ny Baiboly izay nivaofy ilay zava-nanahirana an’io anabavy io mihitsy. Nataon’ilay loholona azo antoka ny hiresaka taminy indray, ka tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia nampihariny ilay fanazavana vaovao ary naneho fangorahana noho ilay tarehin-javatra sarotra nisy ilay anabavy izy. (Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 5:14, 15.) Ohatra tsara dia tsara mampiseho fahalalana ny antonona re izany!
10. a) Ahoana no tokony hampisehoan’ireo loholona fihetsika mandefitra eo amin’izy samy izy ary eo amin’ny fitambaran-doholona amin’ny fitambarany? b) Ahoana no tokony hiheveran’ny fitambaran-doholona ireo miseho ho tsy mahalala ny antonona?
10 Mila mampiseho fihetsika mandefitra koa ireo loholona eo amin’izy samy izy. Rehefa mivory ny fitambaran-doholona, dia zava-dehibe toy inona moa ny tsy hisian’ny loholona hanapaka ny fomba fiasa harahina! (Lioka 9:48). Ilay mitari-draharaha indrindra no mila mifehy tena amin’io lafiny io. Ary rehefa tsy manaiky ny fanapahan-kevitry ny fitambaran-doholona ankapobe ny loholona iray na roa, dia tsy hanizingizina ny hanaovan-javatra araka izay tian’ny tenany manokana izy ireo. Handefitra kosa aza izy raha mbola tsy misy fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina voadika, ka hitadidy fa takina amin’ny loholona ny fahalalana ny antonona. (1 Timoty 3:2, 3, NW ). Etsy an-danin’izany, dia tokony hotadidin’ny fitambaran-doholona fa notenenin’i Paoly mafy ny kongregasiona tany Korinto noho izy ireo ‘nandefitra tamin’ny olona [tsy nahalala ny antonona, NW ]’ izay nilaza ny tenany ho “Apostoly ambony indrindra”. (2 Korintiana 11:5, 19, 20). Koa tokony ho vonona àry izy ireo hanome torohevitra ny loholona tahaka azy izay mitondra tena amin-kiry sy tsy mahalala ny antonona, kanefa ny tenan’izy ireo dia tokony halemy fanahy sy ho tsara fanahy eo am-panaovana izany. — Galatiana 6:1.
Fahalalana ny antonona eo amin’ny fampiharana fahefana
11. Fifanoheran-javatra inona no nisy teo amin’ny fomba nampiharan’ireo filoha ara-pivavahana jiosy fahefana sy ny fomba nanaovan’i Jesosy an’izany?
11 Fony nandia ny tany i Jesosy, dia namirapiratra marina ny fahalalany ny antonona teo amin’ny fomba nampiasany ny fahefana nomen’Andriamanitra azy. Niavaka tamin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny toy inona moa izy! Hevero ny ohatra iray. Ny lalàn’Andriamanitra dia nandidy ny tsy hanaovana raharaha, na dia ny fanangonana kitay hazo aza, tamin’ny andro Sabata. (Eksodosy 20:10; Nomery 15:32-36). Nirin’ireo filoha ara-pivavahana ny hifehy mihitsy ny fomba nampiharan’ny olona io lalàna io. Koa sahisahy ratsy izy ireo nanao lalàna nametra tamin’ny fomba hentitra izay azon’ny olona iray ningaina tamin’ny andro Sabata. Izao no fitsipika nomeny: zavatra tsy navesatra noho ny aviavy maina roa. Namoaka fitsipika nandrara ny fanaovana kapa nisy fantsika mihitsy aza izy, tamin’ny fanantitranterana fa raharaha ny fanaingana ireo fantsika ireo! Voalaza fa ireo raby dia nanampy fitsipika 39, amin’ny fitambarany, tamin’ny lalàn’Andriamanitra momba ny andro Sabata ary avy eo dia nasiana fanampiny tsy nisy farany ireny fitsipika ireny. I Jesosy, tetsy an-danin’izany, dia tsy nitady hifehy ny olona noho ny henamaso tamin’ny fanomezana fitsipika fameperana tsy nisy farany, na tamin’ny fanomezana fari-pitsipika henjana sy tsy azo tratrarina. — Matio 23:2-4; Jaona 7:47-49.
12. Nahoana isika no afaka milaza fa tsy niroa hevitra i Jesosy raha ny amin’ireo fari-pitsipika marin’i Jehovah?
12 Tokony hihevitra àry ve isika fa tsy nanohana tamin’ny fomba hentitra ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra i Jesosy? Tsy isalasalana fa nanohana azy ireny izy! Azony fa mandaitra indrindra ny lalàna rehefa mandatsaka am-po ireo fotopoto-pitsipika fonosin’izy ireny ny olombelona. Raha niahy ny amin’ny fanandramana hifehy ny olona tamin’ny fitsipika tsy hita isa ny Fariseo, i Jesosy kosa dia nitady izay hanohinana ny fo. Fantany tsara, ohatra, fa tsy nisy fandeferana raha ny amin’ny lalàn’Andriamanitra toy ny hoe “mandosira ny fijangajangana”. (1 Korintiana 6:18). Koa nampitandrina ny olona àry i Jesosy ny amin’ireo eritreritra izay mety hitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena. (Matio 5:28). Ny fampianarana toy izany dia mitaky fahendrena sy fahaiza-manavaka bebe kokoa noho ny fanomezana fitsipika henjana naorina mialoha.
13. a) Nahoana ireo loholona no tokony hanalavitra ny famoronana lalàna sy fitsipika tsy milefitra? b) Eo amin’ny lafin-javatra inona avy no zava-dehibe ny hanajana ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay?
13 Ireo rahalahy manana andraikitra amin’izao andro izao dia maniry hanohina ny fo toy izany koa. Araka izany, dia halaviriny ny fanomezana fitsipika tsy ara-drariny sy tsy milefitra na koa ny fanovana ho lalàna ireo heviny sy fomba fijeriny zavatra manokana. (Ampitahao amin’ny Daniela 6:7-16.) Indraindray dia mety hifanentana sy ho tonga amin’ny fotoana ilana azy ny fampahatsiahivana amin-katsaram-panahy momba ny raharaha toy ny fitafiana sy ny fihaingoana. Mety hahatandindomin-doza ny lazany ho lehilahy mahalala ny antonona anefa ny loholona iray, raha manantitrantitra tafahoatra ny amin’ireo raharaha ireo izy, na raha manandrana hanery ny hanarahana zavatra mampiseho ny fitiavany manokana. Tokony hanalavitra marina tokoa ny fanandramana hifehy ny hafa ny olona rehetra ao amin’ny kongregasiona. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 1:24; Filipiana 2:12.
14. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nahalala ny antonona izy raha ny amin’izay nantenainy tamin’ny hafa?
14 Mety hirin’ireo loholona ny handini-tena ny amin’ny raharaha hafa iray, dia izao: ‘Mahalala ny antonona ve aho amin’izay antenaiko amin’ny hafa?’ Tena toy izany tokoa i Jesosy. Nasehony tamin’ny fomba tsy niovaova tamin’ireo mpanara-dia azy, fa tsy nanantena mihoatra noho ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fanahy manontolo izy ary koa fa nomeny vidiny lehibe ireny ezaka ireny. Noderainy ilay mpitondratena malahelo noho izy io nanome ireo farantsa kely nananany. (Marka 12:42, 43). Niteny mafy ny mpianany izy rehefa nanakiana ilay fanomezana lafo vidy nataon’i Maria izy ireo. Hoy i Jesosy: “Avelao izy (...) Efa nanao izay azony natao izy”. (Marka 14:6, 8). Nahalala ny antonona i Jesosy na dia rehefa nandiso fanantenana azy aza ireo mpanara-dia azy. Ohatra, na dia nampirisihiny mafy mba hiara-miari-tory sy hiara-miambina taminy aza ireo apostoly telo akaiky azy indrindra, tamin’ny alina nisamborana azy, dia nandiso fanantenana azy izy ireo rehefa resin-torimaso niverimberina. Kanefa nanao izao fanamarihana izao tamim-pangoraham-po izy: “Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” — Marka 14:34-38.
15, 16. a) Nahoana no tokony hitandrina ireo loholona mba tsy hampihatra fanerena na hampitahotra ny andian’ondry? b) Ahoana no nahatonga ny anabavy mahatoky iray hanao fanovana tamin’izay nantenainy tamin’ny hafa?
15 Marina fa nampirisika ny mpanara-dia azy ‘hiezaka mafy sy amin-kery’ i Jesosy. (Lioka 13:24, NW ). Tsy nanery azy ireo na oviana na oviana hanao toy izany anefa izy! Nampihatra fitaomana nandrisika taminy izy, namela ohatra harahiny sy nitari-dalana azy ary nitady izay hanohinana ny fony. Nitoky tamin’ny herin’ny fanahin’i Jehovah hanao ny ambiny izy. Ireo loholona amin’izao andro izao dia tokony hampirisika toy izany koa ny andian’ondry mba hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, nefa tokony hanalavitra kosa ny fampitahorana azy ireny ka hahatsapany ho meloka na ho resin-kenamaso. Amin’izany dia tsy ataony izay hiheveran’ireny ondry ireny fa izay ataony amin’izao fotoana izao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia toa tsy ampy na tsy azo ekena. Mety hanakivy ireo manao izay rehetra azony atao ny fomba henjana sy manery hoe “manaova bebe kokoa, manaova bebe kokoa, manaova bebe kokoa”! Hampalahelo tokoa raha toa ny loholona iray ka nanjary nalaza ho “sarotra ampifalina” — zavatra izay lavitra dia lavitra ny fahalalana ny antonona! — 1 Petera 2:18, NW.
16 Tokony hahalala ny antonona isika rehetra eo amin’izay antenaintsika amin’ny hafa! Rehefa nandao ny fanendrena azy ireo ho misionera ny anabavy iray sy ny vadiny mba hikarakara ny reniny narary, dia nanoratra toy izao: “Izao fotoana izao dia sarotra marina tokoa ho antsika mpitory atỳ amin’ny kongregasiona. Rehefa avy tany amin’ny asan’ny fizaran-tany sy distrika izahay ka voaro tamin’ny fanerena maro toy izany, dia nanjary nahatsapa azy ireo tamin’ny fomba tampoka sy nampanaintaina. Taloha aho, ohatra, dia nieritreritra hoe: ‘Nahoana itỳ rahavavy itỳ no tsy manolotra ny zavatra vita an-tsoratra tokony ho an’itỳ volana itỳ? Tsy mamaky ny Fanompoana Ilay Fanjakana angaha izy?’ Izao dia fantatro ny antony. Ho an’ny sasany dia izany no hany azony atao mba hivoahana [hanompo].” Ho tsara lavitra toy inona moa ny hanaovana teny fiderana ireo rahalahintsika noho izay ataony, toy izay hitsara azy noho izay tsy ataony!
17. Ahoana no namelan’i Jesosy ohatra ho antsika raha ny amin’ny fahalalana ny antonona?
17 Diniho ny ohatra farany iray ny amin’ny fomba nampiasan’i Jesosy ny fahefany tamim-pahalalana ny antonona. Sahala amin’ny Rainy, i Jesosy dia tsy nitandrina tamim-pahasarotam-piaro ny fahefany. Izy koa dia mpanome fahefana faran’izay mahay, ka nanendry ny kilasin’ny mpanompony mahatoky mba hikarakara “ny fananany rehetra” eto an-tany. (Matio 24:45-47). Ary tsy natahotra izy nihaino ny hevitry ny hafa. Nanontany matetika ny mpihaino azy izy hoe: ‘Ahoana no hevitrao?’ (Matio 17:25; 18:12; 21:28; 22:42). Toy izany koa no tokony ho izy eo amin’ireo mpanara-dia an’i Kristy rehetra amin’izao andro izao. Na inona na inona fahefan’izy ireo, dia tsy tokony hahatonga azy ireo tsy ho vonona hihaino izany. Ry ray aman-dreny, mihainoa! Ry lehilahy manambady, mihainoa! Ry loholona, mihainoa!
18. a) Ahoana no mety hahafantarantsika raha malaza ho mahalala ny antonona isika na tsia? b) Fanapahan-kevitra inona no mety tsara raha ataontsika rehetra?
18 Rehefa dinihina izany rehetra izany, ny tsirairay amintsika dia maniry “halaza ho mahalala ny antonona”. (Filipiana 4:5, Phillips). Ahoana anefa no ahafantarantsika raha manana izany laza izany isika? Fony i Jesosy liana ta hahafantatra hoe inona no nolazain’ny olona momba azy, dia nanontany ireo olona nitokiany izy. (Matio 16:13). Nahoana raha manaraka ny ohatra navelany? Azonao atao ny manontany olona iray, izay azo itokiana ny fahatsorany, hilaza raha olona malaza ho mahalala ny antonona sy mandefitra ianao na tsia. Inoana fa betsaka ny zavatra azontsika rehetra atao mba hanahafana akaiky kokoa ny ohatra lavorarin’i Jesosy ny amin’ny fahalalana ny antonona! Indrindra raha mampiasa fahefana eo amin’ny hafa isika, dia aoka hanahaka ny ohatra nomen’i Jehovah sy i Jesosy, ka hampiasa izany fahefana izany amim-pahalalana ny antonona mandrakariva, ho vonona mandrakariva hamela heloka, hilefitra na handefitra rehefa mifanentana amin’ny toe-javatra izany. Eny tokoa, enga anie isika rehetra hikely aina mba “hahalala ny antonona”! — Titosy 3:2, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manome izao fanazavana izao ny boky New Testament Words: “Ny olona izay epieikēs [mahalala ny antonona] dia mahafantatra fa misy fotoana mety hahatonga ny zavatra iray ho azo hamarinina tanteraka araka ny lalàna, kanefa kosa ho diso tanteraka izy io ara-pitondran-tena. Fantatr’ilay olona izay epieikēs ny fotoana tokony hanalefahana ny lalàna eo ambany faneren’ny hery iray ambony kokoa sy lehibe kokoa noho ny lalàna.”
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana ny Kristiana no tokony haniry hahalala ny antonona?
◻ Ahoana no ahafahan’ireo loholona manahaka an’i Jesosy amin’ny fahavononana hamela heloka?
◻ Nahoana isika no tokony hikely aina mba hahay hilefitra sahala amin’i Jesosy?
◻ Ahoana no ahafahantsika mampiseho fahalalana ny antonona eo amin’ny fampiasantsika fahefana?
◻ Ahoana no mety handinihantsika tena raha tena mahalala ny antonona isika na tsia?
[Sary, pejy 15]
Namela heloka tsy tamim-pihambahambana an’i Petera nibebaka i Jesosy
[Sary, pejy 16]
Rehefa nampiseho finoana nahatalanjona ny vehivavy iray dia hitan’i Jesosy fa tsy fotoana tokony hampiharana an-tery fitsipika ankapobe iray tamin’izay
[Sary, pejy 18]
Ry ray aman-dreny, mihainoa!
[Sary, pejy 18]
Ry lehilahy manambady, mihainoa!
[Sary, pejy 18]
Ry loholona, mihainoa!