Fanokafana ny Maso Hahita ny Vaovao Tsara
“TSY hoe tsy dia manga ny lanitra satria hoe tsy hitan’ny jamba”, hoy ny ohabolana danoà iray. Kanefa amin’izao fiainantsika ahitam-pahasahiranana isan’andro izao, moa ve isika mahita fa manga ny lanitra, raha azo atao ny milaza izany? Moa ve isika mijery ny hoavy amim-patokiana? Tena mino tokoa ny vaovao tsara izay aroson’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ve isika?
Tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia nandinika ireo lafiny mahakasika ny fahajambana ara-bakiteny isika. Aoka isika izao handinika karazana fahitana izay tena lehibe lavitra. Mahafaoka ny fahasambarantsika maharitra, ary koa ny hoavin’ireo olon-tiantsika, izy io.
Tsy isalasalana fa miatrika ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ isika. (2 Timoty 3:1, NW ). Inona no mitranga rehefa miady mafy mitady fivelomana ny olona, miaritra fahasahiranana ara-pahasalamana sy zava-manahirana ara-pianakaviana, ary miezaka handresy ny tsy rariny ara-tsosialy sy ny tsy fisian’ny fitiavana? Mampalahelo fa maro no mahita fa mihena ny fatokiany olona tahaka azy sy ny fatokiany fivavahana mbamin’ny fitondram-panjakana. Noho ny fahatsapany fa tsy misy ny lalana hivoahana, dia manatsoaka hevitra ny sasany fa tsy ho voalamina amin’ny fomba ara-dalàna na oviana na oviana ny zava-manahirana azy ireo. Tao amin’ilay gazety brezilianina atao hoe Jornal de Tarde, i Jacob Pinheiro Goldberg, dia nanao izao fanamarihana izao: “Mahatsiaro ho sorisorena aoka izany noho ireo fahadisoana ataony ny olona, eo anatrehan’ny hamafin’ny zava-misy, hany ka tsy manjohy hevitra tsara izy ireo, ary miantehitra amin’ny fivavahana mifono zava-miafina mahasosotra.” Kanefa, na dia miharatsy aza ny toe-javatra, dia tiantsika ny hampiasa ny fahaiza-misaina, sa tsy izany?
Alao sary an-tsaina vetivety ange hoe mila trano ho an’ny fianakavianao ianao, ary tsy manahirana ny vola. Angamba hijery eny rehetra eny ianao ary hitsidika trano isan-karazany eny amin’ny faritra manodidina samy hafa. Na dia miezaka ny hanisy fiheverana ny fanirianao aza ireo mpivarotra trano sy tany, dia mbola sarotra hita ilay trano eritreretinao. Kanefa, satria voafaoka amin’izany ny fanomezana fahafaham-po sy ny fahasambaran’ny fianakavianao, dia tsy manary toky ianao, sa tsy izany? Izao dia alao sary an-tsaina ny hafaliana rehefa hitanao ihany amin’ny farany ilay trano mahafa-po anao tanteraka.
Toy ny nandanianao fotoana mba hikarohana trano vaovao, nahoana raha mandinika ny Baiboly mba hahitana ny fanafodin’ny zava-manahirana anao? Toy ny tsy maintsy hanombanantsika ny zava-misy rehefa mandray fanapahan-kevitra ny amin’ny trano iray, dia ilaintsika koa ny manjohy hevitra tsara ny amin’izay zavatra vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ary mbola mahasoa kokoa noho ny fahitana trano aza ny fahitantsika sy ny fanekentsika ny fahamarinana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Hoy i Jesosy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.
Kanefa, raha sarobidy toy izany ny hafatra ao amin’ny Baiboly, nahoana no misy olona maro aoka izany mitoetra ho jamba tsy mahita ny vaovao tsara raketiny? Ny antony iray, ary mety hahagaga ny maro izany, dia satria ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa’. (1 Jaona 5:19). Vokatr’izany, i Satana Devoly dia ‘nanajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra’. (2 Korintiana 4:4). Na dia mahita amin’ny masontsika aza isika, dia ny atidoha no manazava ny hevitry ny hazavana miditra amin’ny maso. Koa amin’izany, ny hoe jamba dia faritana koa hoe “tsy afaka na tsy ta hanavaka na hitsara”. Mampahatsiahy antsika ny fitenenana fanta-bahoaka iray toy izao izany: “Tsy misy jamba tahaka an’izay tsy ta hahita.”
Tsy afaka mahita izay eo anoloany ny olona jamba iray, hany ka mety haratra izy. Tsy azo ovana ankehitriny ny fahajambana ara-bakiteny mahazo olona maro, kanefa tsy misy voatery hijanona ho jamba ara-panahy.
Fandresena ny fahajambana ara-panahy
Toy ny ahafahan’ny toe-piainana ara-pahadiovana tsy ara-dalàna mampihena ny fahitana, dia afaka mandray anjara amin’ny fahajambana ara-tsaina koa ny tontolo iainana mikororosy ara-pitondran-tena. Ambonin’izany, i Jesosy Kristy dia nampitandrina ny amin’ny foto-pampianarana sy ny lovantsofina nataon’olona. Nasehony mazava toy izao fa namitaka ny andian’ondry ireo mpitondra fivavahana tamin’izay: “Mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.” — Matio 15:14.
Toy inona moa ny hasambaran’ireo izay manokatra ny masony hahita ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy voafitak’ireo mpitarika jamba! Izao no nambaran’i Jesosy: “Ho fitsarana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra”. (Jaona 9:39). Ahoana anefa, no hahafahan’ireo jamba ara-panahy hanjary hahiratra? Aoka hotohizintsika ny fandinihantsika ny amin’ny fahajambana ara-bakiteny.
Misy fandaharana samihafa ankehitriny azon’ny tsy mahita tsara ampiasaina. Tsy toy izany foana anefa no izy. Tsy nisy ny tena fiezahana hentitra natao mba hanampiana ny jamba, talohan’ny nanorenan’i Valentin Haüy sekoly manokana ho an’ny jamba tamin’ny 1784. Tatỳ aoriana, i Louis Braille dia namorona ilay fomba fanoratra izay mitondra ny anarany; nanao izany izy mba hanampiana an’ireo tsy mahita tsara hamaky teny.
Ahoana ny amin’ny jamba ara-panahy? Tao anatin’ireo taona faramparany, dia nisy ny fiezahana lehibe natao mba hanambarana ny vaovao tsara, na dia any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany aza. (Matio 24:14, NW ). Faly ny Vavolombelon’i Jehovah mitondra fanantenana ho an’ny jamba ara-panoharana sy ara-batana.
Nanoratra toy izao ny vehivavy brezilianina iray: “Tiako ny hilaza fa na dia eo aza ny takaitra ara-batana mahazo ahy, dia afaka mahita aho — amin’ny lafiny ara-panahy. Andriamanitra mahatalanjona re izany! Sambatra isika mahafantatra fa ‘hanokatra ny tànany i Jehovah ka hahavoky soa ny zava-miaina rehetra’.” (Salamo 145:16). Ary mahatsiaro toy izao i Jorge, izay jamba ara-batana: “Tena azo zaraina roa tsara toy izao ny fiainako: taloha sy taorian’ny nahatongavan’ny Vavolombelona. (...) Tamin’ny alalan’izy ireo, dia nanomboka nahita tao an-tsaina an’izao tontolo izao tamin’ny fomba mazava sy mamirapiratra aho. Manana fifandraisana faran’izay tsara amin’ny tsirairay avy ao amin’ny kongregasiona aho.” Na dia mahafinaritra indrindra aza izany, dia manome toky antsika ny Baiboly fa tsy ho ela dia tsy hisy olona jamba — ara-bakiteny na ara-panahy — eto an-tany. Ahoana no hisian’izany? Ahoana no hahamarina haneran-tany ny hoe “Jehovah mampahiratra ny jamba”? — Salamo 146:8
Ny hany fomba fanasitranana maharitra — Ny Fanjakan’Andriamanitra
Na dia eo aza ny fitomboan’ny fahaizana ara-pitsaboana, dia misy aretina maro be mbola manohy mahatonga fahajambana sy fanaintainana ary fahafatesana ihany. Inona àry no ilaina mba hanafoanana ny tsy fahampian-kanina sy ny toe-piainana ara-pahadiovana tsy ara-dalàna ary ny fahoriana izay manesotra ny fahitana sy ny fifaliana amin’ny fiainana? Modely tamin’ny ambaratonga kely ho an’ny hoavy ny fanasitranan’i Jesosy ny jamba sy ireo hafa. Soa ihany fa nampiseho tandindon’ireo fitahiana izay hitarina eto an-tany eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fampianarany sy ny asa fanasitranana nataony.
Akaiky ny fanasitranana amin’ny ambaratonga maneran-tany.a Nasehon’ny apostoly Jaona mazava tsara tamin’ny fomba mahafinaritra toy izao izany fandaharam-panasitranana avy amin’Andriamanitra izany: “Izy naneho ahy onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry teo afovoan’ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ny ony nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.” — Apokalypsy 22:1, 2.
Mampiseho mazava tsara ny fitenenana toy ny hoe “ranon’aina” sy “hazon’aina” fa aorian’ny hifaranan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, dia hanandratra tsikelikely ny taranak’olombelona ho amin’ny fahalavorariana ireo fandaharam-panasitranana hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha ny tena izy, ireo soa entin’ny sorom-panavotan’i Jesosy (anisan’izany ny famelana tanteraka ireo ota), miaraka amin’ny fahalalana an’i Jesosy Kristy sy ny Rainy, dia hitarika ho amin’ny fahasalamana lavorary sy ny fiainana mandrakizay. — Jaona 3:16.
Ny fahasambarana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra
Alao sary an-tsaina àry ny tany tsy hisy heloka bevava, fandotoana, na fahantrana. Alao sary an-tsaina ny fianakavianao hiaina amim-piadanana ao amin’ny Paradisa tafaverina amin’ny laoniny. (Isaia 32:17, 18). Hahafinaritra indrindra re izany handinika ny karazan-doko amin’ny saina sy ny vavahadin-tsaina lavorary izany!
“Ny toe-piainana voajanahary ho an’ny olombelona dia ny mipetraka ao amin’ny tontolo iainana miova tsy an-kijanona — amin’ny hazavana sy ny loko ary ny bika. Tsy misy izany tontolo iainana dridralava izany eo amin’ny natiora”, hoy i Faber Birren. “Iray amin’ny zava-mahafinaritra indrindra voajanahary eo amin’itỳ tontolo itỳ ny loko. Izy io no toetra mampiavaka ny natiora fa tsy ny zavatra maningana eo aminy akory, ary miankina amin’izy io ny ankabeazan’ny fiainana mahafaly.”
Sarobidy toy inona moa ilay fanomezana, dia ny fahitana! Ho fifaliana toy inona moa rehefa hahita ireo maso izay efa jamba — ara-bakiteny na ara-panahy — teo aloha!
Eny, ao amin’ilay Paradisa tafaverina amin’ny laoniny ho avy, dia tsy hahatonga tsy fahasambarana intsony ny fahajambana sy ireo kilema hafa! Tsy hisy olona ho voafitaka intsony. Koa satria hanjaka ny fitiavana marina, dia hahazo fahazavana amin’ny lafiny ara-panahy ny rehetra. Izany, sy ny mihoatra noho izany, no mivelatra eo anoloantsika. Dieny izao anefa no fotoana hahatongavana ho olona mahazo sitraka amin’Ilay hanatanteraka ny fampanantenany ara-paminaniana hoe: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba”! — Isaia 35:5.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Diniho aza fady ny porofo aroso ao amin’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, toko faha-18, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 7]
Dia hampahiratina ny mason’ny jamba!