Mifalia Amin’i Jehovah!
“Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.” — FILIPIANA 4:4.
1. Nahoana isika no mety hanontany tena ny amin’izay tian’i Paoly holazaina tamin’ilay teniny hoe tokony hifaly mandrakariva ny Kristiana?
AMIN’IZAO andro izao dia mety ho toa mahalana dia mahalana vao misy antony ifaliana. Ny olona vita amin’ny vovoka, na dia ireo Kristiana marina aza, dia miatrika tarehin-javatra miteraka alahelo, toy ny tsy fananana asa, ny tsy fahasalamana, ny fahafatesan’ireo olon-tiana, ireo zava-manahirana momba ny tsy fitovian-toetra, na ny fanoheran’ny mpianakavy tsy mpino na namana taloha. Koa ahoana àry no tokony handraisantsika ny hevitr’ilay fananaran’i Paoly hoe: “Mifalia mandrakariva”? Azo atao akory ve izany, raha jerena amin’ireo toe-javatra tsy mahafinaritra sy misedra izay tsy maintsy setraintsika rehetra? Hanampy mba hampahazava ilay raharaha ny fandinihana atao momba ny teny manodidina an’ireo teny ireo.
Mifalia — Nahoana ary amin’ny fomba ahoana?
2, 3. Toy inona ny maha-zava-dehibe ny fifaliana, araka ny voazava amin’ny toe-javatra nisy an’i Jesosy sy ireo Isiraelita fahiny?
2 “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.” Izany dia mety hampahatsiaro antsika an’ireo teny natao tamin’ny Isiraelita, taonjato 24 lasa teo ho eo izay: “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy [“tanàna mimanda”, NW ] ho anareo”, na araka ny fandikan-teny Moffatt dia hoe: “Ny mifaly amin’ny Mandrakizay no tanjakareo.” (Nehemia 8:10). Manome tanjaka ny fifaliana, ary izy io dia sahala amin’ny tanàna mimanda iray azon’ny tena andosirana mba hahazoana fampiononana sy fiarovana. Ny fifaliana dia niasa ho toy ny fitaovana fanampiana mba hiaritra, na dia ho an’ilay lehilahy lavorary atao hoe Jesosy aza. “Naharitra ny hazo fijaliana [izy], fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” (Hebreo 12:2). Mazava fa ny fahaizana mifaly eo anatrehan’ny fahasahiranana dia tena zava-dehibe mba hahazoana famonjena.
3 Alohan’ny hidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nodidiana toy izao ireo Isiraelita: “Mifalia amin’ny soa rehetra izay nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao hianao sy ny Levita mbamin’ny vahiny eo aminao.” Ho mafy ny vokatry ny tsy fetezana hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana. “Ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao (...) satria tsy nanompo an’i Jehovah Andriamanitrao tamin’ny fahafaliana sy ny faharavoam-po hianao noho ny habetsahan’ny zavatra rehetra.” — Deoteronomia 26:11; 28:45-47.
4. Nahoana isika no mety tsy hifaly?
4 Noho izany, dia tsy maintsy mifaly ny sisa voahosotra amin’izao andro izao sy ny “ondry hafa” namany. (Jaona 10:16). Rehefa namerina ny toroheviny nanao hoe “hoy izaho indray” i Paoly, dia nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny ifaliana amin’ny soa rehetra nataon’i Jehovah ho antsika. Manao izany ve isika? Sa isika revo aoka izany amin’ireo fanao mahazatra isan’andro eo amin’ny fiainana ka hadinontsika indraindray ireo antony tokony hifaliana maro ananantsika? Misavovona avo be aoka izany ve ireo zava-manahirana, hany ka manakana antsika tsy hahita ilay Fanjakana sy ireo fitahiana entiny? Moa ve avelantsika hanaisotra ny fifaliantsika ny zavatra hafa, toy ny tsy fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, ny tsy firaharahana ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra, na ny fanaovana tsirambina ireo adidintsika kristiana?
5. Nahoana no sarotra amin’ny olona iray tsy mahalala ny antonona ny mifaly?
5 “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny [fahalalanareo ny antonona, NW ]. Efa mby akaiky ny Tompo.” (Filipiana 4:5). Ny olona iray tsy mahalala ny antonona dia tsy mahay mandanjalanja. Mety tsy hikarakara ny fahasalamany araka ny tokony ho izy izy, amin’ny famelana tsy amin’antony ny vatany hizaka fihenjanana na fanahiana tafahoatra. Angamba izy tsy nianatra nanaiky ny fetran’ny tenany ary tsy nianatra niaina mifanaraka amin’izany. Mety ho nametra tanjona avo loatra ho an’ny tenany izy, ary avy eo dia miezaka manatratra izany na toy inona na toy inona vidiny. Na mety hampiasa ny fetran’ny tenany ho fialan-tsiny izy ka hampiadana ny diany na hiraviravy tanana. Noho ny tsy fahaizany mandanjalanja sy noho ny tsy fahalalany ny antonona, dia sarotra aminy ny mifaly.
6. a) Inona no tokony ho hitan’ireo Kristiana namantsika eo amintsika, ary rahoviana ihany izany vao marina? b) Amin’ny ahoana ny tenin’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 1:24 sy ny Romana 14:4 no manampy antsika hahalala ny antonona?
6 Na dia mihevitra antsika ho mirehidrehitra tafahoatra aza ireo mpanohitra, ireo Kristiana namantsika kosa dia tokony ho afaka hahita foana ny fahalalantsika ny antonona. Ary hahita izany izy ireo, raha mahay mandanjalanja isika ka tsy manantena fahalavorariana amin’ny tenantsika na amin’ny hafa. Ambonin’izany rehetra izany, dia tsy maintsy mitana tena isika mba tsy hampitondra ny hafa enta-mavesatra izay lasa lavitra kokoa noho izay takin’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo”. (2 Korintiana 1:24). Tamin’ny naha-Fariseo taloha azy, dia fantatr’i Paoly tsara fa mamono ny fifaliana ny famoahan’ireo eo amin’ny fahefana fitsipika henjana sy ny fanereny ny hanarahana izany, fa ny tolo-kevitra mahasoa omen’ny mpiara-miasa kosa dia mampitombo izany fifaliana izany. Ny maha-“efa mby akaiky ny Tompo” dia tokony hampahatsiaro ny olona iray mahalala ny antonona fa tsy tokony ‘hitsara ny mpanompon’ny hafa isika. Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany’. — Romana 14:4.
7, 8. Nahoana ny Kristiana no tsy maintsy manampo ny hanan-java-manahirana, kanefa ahoana no ahafahan’izy ireo mifaly hatrany?
7 “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.” (Filipiana 4:6). Mandalo ilay “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” nosoratan’i Paoly isika amin’izao andro izao. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Koa tsy maintsy manampo ny hiatrika zava-manahirana ny Kristiana. Ilay tenin’i Paoly hoe “mifalia mandrakariva” dia tsy manilika ny mety hisian’ny Kristiana tsy mivadika ho voan’ny fahatrotrahana na fahakiviana indraindray. Tamin’ny toe-javatra nanjo azy manokana, dia niaiky toy izao i Paoly, tamin’ny fijerena ny zava-misy: “Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka nefa tsy maty”. (2 Korintiana 4:8, 9). Ny fifaliana kristiana anefa, dia manamaivana ireo fe-potoana mihelina isian’ny fanahiana sy ny alahelo, ary mandresy izany amin’ny farany. Izy io dia manome ny tanjaka ilaina mba tsy hitsaharana handroso amim-pahatapahan-kevitra, ka tsy hanadino mihitsy ireo antony maro tokony hifaliana.
8 Rehefa misy zava-manahirana mipoitra, na manao ahoana na manao ahoana karazany, ilay Kristiana falifaly dia mangataka amim-panetren-tena ny fanampian’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Tsy manaiky ho resin’ny fanahiana tafahoatra izy. Rehefa avy manao amin’ny antonona izay azon’ny tenany atao mba handaminana ilay zava-manahirana izy, dia mametraka ny fiafaran’izany eo an-tanan’i Jehovah, mifanaraka amin’ilay fanasana hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao”. Mandritra izany fotoana izany ilay Kristiana dia manohy misaotra an’i Jehovah noho hatsaram-pony rehetra. — Salamo 55:22; jereo koa ny Matio 6:25-34.
9. Ahoana no anomezan’ny fahalalana ny fahamarinana fiadanan-tsaina, ary vokany tsara inona no entin’izany eo amin’ny Kristiana iray?
9 “Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:7). Manafaka ny sain’ny Kristiana amin’ny lainga sy manampy azy hampitombo modelim-pisainana mahasoa ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (2 Timoty 1:13). Araka izany, dia mahazo fanampiana izy mba hanalavirana fihetsika tsy mety na fihetsika tsy mampiseho fahendrena izay mety hahatandindomin-doza ny fifandraisana milamina amin’ny hafa. Tsy diso fanantenana noho ny tsy rariny sy ny faharatsiana izy, fa mametraka kosa ny fitokiany amin’i Jehovah mba handamina ny zava-manahirana ny olombelona amin’ny alalan’ilay Fanjakana. Ny fiadanan-tsaina toy izany dia miaro ny fony, mitana ny antony manosika azy ho madio, ary mitarika ny fisainany ho amin’ny lalan’ny fahamarinana. Ho setrin’izany, dia manome antony tokony hifaliana tsy tambo isaina ny antony manosika madio sy ny fisainana mety, na dia eo aza ireo zava-manahirana sy ireo fanerena ateraky ny tontolo iray misafotofoto tanteraka.
10. Rehefa miresaka sy mieritreritra ny amin’inona ihany vao azo atao ny mahita tena fifaliana?
10 “Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.” (Filipiana 4:8). Ny Kristiana iray dia tsy mahita fahafinaretana amin’ny firesahana na amin’ny fieritreretana zava-dratsy. Izany dia manilika ho azy ny ankamaroan’ireo fialam-boly omen’izao tontolo izao. Tsy misy olona afaka mitana ny fifaliana kristiana raha toa izy ka mameno ny sainy sy ny fony amin’ny lainga sy ny vazivazy maloto ary amin-javatra izay tsy marina, maloto ara-pitondran-tena, tsy misy hatsaran-toetra, maharikoriko sy ratsy dia ratsy. Raha lazaina tsotra dia hoe: Tsy misy olona afaka mahita tena fifaliana amin’ny famenoana ny sainy sy ny fony amin’ny loto. Mampahery toy inona moa ny mahafantatra fa, eto amin’ny tontolon’i Satana simba, ny Kristiana dia manan-javatra tsara maro hoeritreretina sy horesahina!
Antony tokony hifaliana tsy tambo isaina
11. a) Inona no tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy, ary nahoana? b) Vokany inona no nentin’ny fanatrehana fivoriambe iraisam-pirenena iray teo amin’ny solontena vahiny iray sy ny vadiny?
11 Rehefa miresaka ny amin’ireo antony tokony hifaliana isika, dia aoka tsy hanadino ny firahalahiantsika iraisam-pirenena. (1 Petera 2:17, NW ). Raha mifaneho fifankahalana fatratra ireo antokom-pirenena sy antokom-pirazanana eo amin’izao tontolo izao, ny vahoakan’Andriamanitra kosa dia mifanatona akaiky amim-pitiavana. Miharihary indrindra ny firaisan-tsain’izy ireo any amin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena. Nanoratra toy izao mikasika ny iray amin’izany, izay natao tany Kiev, any Ukraine tamin’ny 1993, ny solontena vahiny iray avy any Etazonia: “Ireo ranomasom-pifaliana, ireo maso miramirana, ilay fitosahan’ny fifamihinana toy ny fanaon’ny mpianakavy tsy an-kijanona, ary ireo fiarahabana namakivaky ny kianja filalaovana nalefan’ireo antokon’olona nanofahofa elo sy mosara maro loko, dia porofon’ny firaisan-tsaina teokratika. Nanjary feno rehareha ny fonay noho izay notanterahin’i Jehovah tamin’ny fomba nahagaga teo amin’ny firahalahiana maneran-tany. Nanohina lalina anay mivady izany ary nanampy heviny vaovao tamin’ny finoanay.”
12. Ahoana no ahatanterahan’ny Isaia 60:22 eo imasontsika mihitsy?
12 Mampahatanjaka finoana toy inona moa ho an’ireo Kristiana amin’izao andro izao ny manatri-maso mihitsy ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly! Diniho, ohatra, ny tenin’ny Isaia 60:22 manao hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” Tamin’ny nahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914, dia 5 100 monja — izay kely — no nitory tamim-paharisihana. Nandritra ireo dimy taona lasa anefa, dia nitombo hatrany ny ambaindain’ny firahalahiana maneran-tany ka ara-keviny dia nisy Vavolombelona vao vita batisa 5 628 tamin’ny antsalany isan-kerinandro! Tamin’ny 1993, dia tratra ny tampon’isan’ny mpitory marisika 4 709 889. Alao sary an-tsaina fotsiny ange! Izany dia midika fa “ny kely” tamin’ny 1914 dia madiva ho tonga “arivo” ara-bakiteny!
13. a) Inona no nitranga hatramin’ny 1914? b) Ahoana no anarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fotopoto-pitsipika avy amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 9:7?
13 Hatramin’ny 1914 ilay Mpanjaka Mesianika dia nandroso nanapaka teo afovoan’ny fahavalony. Ny fanapahany dia tohanan’ny mpanara-dia olombelona vonona, izay manome fotoana sy hery ary vola mba hanohizana ilay asa fitoriana maneran-tany ary koa ny ezaka manokana iray mba hanaovana fanorenana iraisam-pirenena. (Salamo 110:2, 3). Faly ny Vavolombelon’i Jehovah fa atao izany fanomezana ara-bola izany mba hanatanterahana hatramin’ny farany ireny asa ireny, na dia zara raha tononina any amin’ny fivorian’izy ireo aza ny vola.a (Ampitahao amin’ny 1 Tantara 29:9.) Tsy voatery atositosika hanome ny tena Kristiana; raisin’izy ireo ho tombontsoa ny manohana ny Mpanjakany araka izay amelan’ny toe-javatra misy azy, ka ny tsirairay ‘samy manao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena’. — 2 Korintiana 9:7.
14. Toe-piainana inona eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra no nanjary niharihary hatramin’ny 1919, ka nanome azy ireo antony tokony hifaliana inona?
14 Niteraka ny fiforonan’ny paradisa ara-panahy iray ilay famerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra nambara mialoha. Nanitatra tsikelikely ny sisin-taniny izy io hatramin’ny 1919. (Salamo 14:7; Isaia 52:9, 10). Inona no vokatr’izany? Mahita “fifaliana sy faharavoravoana” ireo tena Kristiana. (Isaia 51:11). Ny vokatra tsara aterak’izany dia porofon’izay azon’ny fanahy masin’Andriamanitra tanterahina amin’ny alalan’ny olombelona tsy lavorary. An’i Jehovah ny laza sy ny voninahitra rehetra avy amin’izany, kanefa misy tombontsoa lehibe kokoa noho ny hoe tonga mpiara-miasa amin’Andriamanitra ve? (1 Korintiana 3:9). Ampy hery i Jehovah mba hahatonga ny vato hiantsoantso ny hafatra momba ny fahamarinana, raha ilaina izany. Na dia izany aza, dia tsy nifidy ny hampiasa io fomba io izy fa nifidy kosa ny hanosika zavaboary vonona, vita amin’ny vovoka, mba hanatanteraka ny sitrapony. — Lioka 19:40.
15. a) Fisehoan-javatra maoderina inona avy no arahintsika amim-pahalianana? b) Fisehoan-javatra inona no andrandraintsika amim-pifaliana?
15 Feno tahotra miharo fanajana, ireo mpanompon’i Jehovah izao dia mijery ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao, arakaraka ny ifandraisan’izany amin’ireo faminaniana miavaka ao amin’ny Baiboly. Sasa-poana ireo firenena miezaka mafy hampisy fandriampahalemana maharitra. Ireo fisehoan-javatra dia manery azy ireo hangataka ny fandaminan’ny Firenena Mikambana mba hanao zavatra any amin’ireo faritra mikorontana eo amin’izao tontolo izao. (Apokalypsy 13:15-17). Mandritra izany fotoana izany, ny vahoakan’Andriamanitra dia efa mijery ny hoavy amim-piandrandrana lehibe an’ilay fisehoan-javatra mahafaly indrindra hitranga, dia ilay mihamanakaiky kokoa hatrany arakaraka ny fandehan’ny andro. “Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy; fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ka efa niomana ny vadiny.” — Apokalypsy 19:7.
Fitoriana — Enta-mavesatra sa fifaliana?
16. Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny hoe amin’ny ahoana ny tsy fampiharan’ny Kristiana izay nianarany no afaka manaisotra aminy ny fifaliany.
16 “Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.” (Filipiana 4:9). Amin’ny fampiharana izay nianarany, dia afaka manampo hahazo ny fitahian’Andriamanitra ny Kristiana. Iray amin’ireo zava-dehibe indrindra nianaran’izy ireo ny ilana hitory ny vaovao tsara amin’ny hafa. Iza tokoa moa no ho afaka hanana fiadanan-tsaina sy ho faly raha mihazona fanazavana tsy ho azon’ireo olona tso-po, kanefa dia miankina amin’ny fandrenesany izany ny fiainany mihitsy? — Ezekiela 3:17-21; 1 Korintiana 9:16; 1 Timoty 4:16.
17. Nahoana no tokony ho loharanom-pifaliana foana ny asa fitoriantsika?
17 Fifaliana toy inona moa ny mahita olona toy ny ondry, vonona hianatra ny momba an’i Jehovah! Tsy azo lavina fa ireo izay manompo amin’ny fananana antony manosika mety dia hahita foana fa loharanom-pifaliana ny fanompoana mifandray amin’ilay Fanjakana. Izany dia satria ny antony lehibe indrindra maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika dia mba hidera ny anarany sy hanohana ny toerany amin’ny maha-Mpanapaka Tompom-piandrianana azy. (1 Tantara 16:31). Ny olona manaiky izany zava-misy izany dia hifaly na dia rehefa misy aza olona tsy maneho fahendrena ka mandà ny vaovao tsara entiny. Fantany fa ny fitoriana amin’ireo tsy mpino dia hifarana indray andro any; ny fiderana ny anaran’i Jehovah kosa dia hitohy mandrakizay.
18. Inona no manosika ny Kristiana iray hanao ny sitrapon’i Jehovah?
18 Ny fivavahana marina dia manosika ireo izay manaraka azy mba hanao ireo zavatra takin’i Jehovah, tsy hoe satria voatery manao izany izy ireo, fa satria maniry hanao izany izy ireo. (Salamo 40:8; Jaona 4:34). Sarotra amin’ny olona maro ny mahazo ny hevitr’izany. Indray mandeha, dia nisy ramatoa iray niteny toy izao tamin’ny Vavolombelona iray nitsidika azy: “Mendri-piderana ianareo ka! Tena tsy handeha isan-trano hitory ny fivavahako toy ny ataonareo mihitsy aho.” Namaly azy tamin-tsiky toy izao ilay Vavolombelona: “Takatro tsara izay tsapanao. Talohan’ny nahatongavako ho Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy ho azonao natao ny nampandeha ahy tany amin’olon-kafa mba hiresaka ny amin’ny fivavahako. Izao anefa dia maniry izany aho.” Nieritreritra kely ilay ramatoa, ary avy eo dia nanatsoaka hevitra hoe: “Miharihary fa manan-javatra hatolotra izay tsy ananan’ny ahy ny fivavahanareo. Angamba aho tokony hanadihady.”
19. Nahoana izao no fotoana tokony hifaliana mbola tsy nisy toy izany?
19 Ny teny fototra ho an’ny taona 1994, izay aseho miharihary ao amin’ireo Efitrano Fanjakana misy antsika, dia mampahatsiaro antsika tsy tapaka hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra”. (Ohabolana 3:5). Mety hisy ve antony tokony hifaliana lehibe kokoa noho ny fahafahana mametraka ny fitokiantsika amin’i Jehovah, ilay tanàna mimanda ho antsika, izay ialofantsika? Manazava toy izao ny Salamo 64:10: “Mifaly amin’i Jehovah ny marina ka mialoka aminy”. Tsy fotoana tokony hampangozohozo na hampilavo lefona izao. Ny volana tsirairay mandalo dia mitondra antsika ho akaiky kokoa an’ilay fisehoan-javatra tena misy izay nirin’ireo mpanompon’i Jehovah mafy ho hita hatramin’ny andron’i Abela. Izao no fotoana tokony hitokiana amin’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra, amin’ny fahafantarana fa mbola tsy nanana antony tokony hifaliana maro be toy izao mihitsy isika hatramin’izay!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Any amin’ireo fivoriambe, ary indray mandeha isam-bolana any amin’ny kongregasiona, dia misy filazana fohy iray vakina izay mampiseho ny habetsahan’ny fanomezana an-tsitrapo voaray ary koa ny fandaniana izay natao. Indraindray dia misy taratasy alefa mba hampahafantarana ny fomba ampiasana ny fanomezana toy izany. Araka izany, ny tsirairay dia ampahatsiahivina ny amin’ny toe-bolan’ny asa maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no tokony hifaly isika araka ny Nehemia 8:10?
◻ Amin’ny ahoana ny Deoteronomia 26:11 sy 28:45-47 no mampiseho ny maha-zava-dehibe ny ifaliana?
◻ Ahoana no ahafahan’ny Filipiana 4:4-9 manampy antsika mba hifaly mandrakariva?
◻ Antony inona no omen’ny teny fototra ho an’ny taona 1994 antsika mba hifaliana?
[Sary, pejy 16]
Faly ny Vavolombelona rosiana sy alemanina fa ao anatin’ny firahalahiana iraisam-pirenena
[Sary, pejy 17]
Antony mahafaly ny fizarana ny fahamarinana amin’ny hafa