Ireo Mpanompon’Andriamanitra — Vahoaka Voalamina sy Sambatra
“Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” — SALAMO 144:15.
1, 2. a) Nahoana i Jehovah no manana zo hanorina fari-pitsipika ho an’ny mpanompony? b) Inona avy ireo toetra roa mampiavaka an’i Jehovah izay tokony hirintsika hotahafina indrindra?
I JEHOVAH no Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, ilay Andriamanitra tsitoha, ilay Mpamorona. (Genesisy 1:1; Salamo 100:3). Amin’ny maha-izany azy dia manana zo hanorina fari-pitsipika momba ny fitondran-tenan’ireo mpanompony izy, noho ny fahafantarany izay tsara indrindra ho azy ireo. (Salamo 143:8). Ary ho azy ireo, dia izy no Modely Lehibe indrindra izay manana toetra ilain’izy ireo hotahafina. “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”, hoy ny nosoratan’ny apostoly iray. — Efesiana 5:1.
2 Ny toetra mampiavaka an’Andriamanitra izay ilaintsika hotahafina dia misy ifandraisana amin’ny fandaminan-javatra. Tsy ‘Andriamanitry ny fikorontanana’ izy. (1 Kôrintianina 14:33, DIEM ). Rehefa mandinika amim-pitandremana ireo zavatra noforonin’Andriamanitra isika, dia voatosika hanatsoaka hevitra fa izy no Persona mahay mandamin-javatra indrindra eo amin’izao rehetra izao. Ny toetra hafa iray mampiavaka an’Andriamanitra izay iriny hotahafin’ireo mpanompony anefa dia ny fahasambarany, satria izy no “ilay Andriamanitra sambatra”. (1 Timoty 1:11, NW ). Araka izany, ny fahaizany mandamin-javatra dia voalanjalanjan’ny fahasambarana. Tsy atao ambony kokoa ilay toetra iray ka hitera-pahavoazana ho an’ilay iray hafa.
3. Ahoana no ampisehoan’ny lanitra feno kintana ny fahaizan’Andriamanitra mandamin-javatra?
3 Izay rehetra nataon’i Jehovah, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra, dia manaporofo fa Andriamanitry ny fandaminan-javatra izy. Diniho, ohatra, izao rehetra izao hita maso. Mirakitra kintana an-tapitrisa tapitrisany maro izy io. Tsy miparitadritaka be fahatany fotsiny anefa izy ireny. Marihin’ilay astrofizisiana atao hoe George Greenstein fa misy “modely iray ho an’ny fandaminana an’ireo kintana”. Voalamina ho antokony antsoina hoe vahindanitra izy ireny, ka ny sasany dia mirakitra kintana ana hetsy tapitrisany maro. Ary tombanana fa misy vahindanitra an’arivo tapitrisany maro! Ireo vahindanitra koa dia voalamina, ka ny maromaro aminy (an’arivony vitsivitsy ka hatramin’ny an’arivony maromaro) dia voangona mitambatra ho salohina (amas) vahindanitra. Ary heverina fa ireo salohina vahindanitra dia voalamina ho fitambarany mbola lehibe kokoa izay antsoina hoe super-amas. — Salamo 19:1; Isaia 40:25, 26.
4, 5. Manomeza ohatra ny amin’ny fandaminan-javatra eo amin’ireo zavamiaina eto an-tany.
4 Ny hafatratry ny fandaminan-javatra eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra dia hita hatraiza hatraiza, tsy eo amin’ny lanitra hita maso fotsiny fa eto an-tany koa, eo amin’ireo zavamiaina tsy tambo isaina eo aminy. Mikasika izany rehetra izany, dia nanoratra i Paul Davies, profesora momba ny fizika, fa “raiki-tahotra” ireo mpandinika noho ny “fijoalajoala sy ny fandaminan-javatra be kojakojany mifampidipiditra eo amin’izao tontolo izao fizika”. — Salamo 104:24.
5 Diniho ny ohatra vitsivitsy momba ilay “fandaminan-javatra be kojakojany mifampidipiditra” izay hita eo amin’ireo zavamiaina. Ilay mpandidy momba ny rafi-pitatitra (neurochirurgien) atao hoe Joseph Evans dia niteny toy izao momba ny atidohan’olombelona sy ny hazondamosiny: “Kely sisa dia fara tampony tanteraka ny fisian’ny filaminana lehibe.” Izao no nolazain’ilay manam-pahaizana momba ny fiasan’ny bakteria atao hoe H. J. Shaughnessy, mikasika ireo sela velona bitika dia bitika: “Ny fahasarotan-javatra sy ny hakanton’ny filaminana eo amin’ny tontolon’ny mikraoby dia namboarina tamin’ny fomba mahatalanjona aoka izany ka toa anisan’ny rafitra iray voatendrin’Andriamanitra ilay izy.” Ary i Michael Denton, biolojista momba ny molekiola dia niteny toy izao momba ny rafi-pandovan-toetra (ADN) ao anatin’ny sela iray: “Mandaitra aoka izany ny fiasan’izy io, hany ka ireo filazana rehetra (...) ilaina mba hamaritana manokana ny fomba namolavolana ireo karazan-javamiaina rehetra nisy hatramin’izay teto amin’ny planeta (...) dia azo atao ao anatin’ny sotrokely iray ary dia mbola hisy toerana tavela ho an’ireo filazana rehetra ao anatin’ireo boky rehetra voasoratra hatramin’izay.” — Jereo ny Salamo 139:16.
6, 7. Fandaminan-javatra inona no miseho eo amin’ireo zavaboary ara-panahy, ary ahoana no ampisehoan’izy ireo fankasitrahana an’ilay Mpanao azy?
6 Tsy vitan’ny hoe mahay mandamina ireo zavatra ara-batana noforoniny i Jehovah, fa mahay mandamina ny zavatra ara-panahy noforoniny any an-danitra koa izy. Milaza amintsika ny Daniela 7:10 fa nisy anjely niisa ‘alinalina nitsangana teo anatrehan’i Jehovah’. Zavaboary mahery ara-panahy zato tapitrisa vonona ny hiasa, ny tsirairay avy voatendry ho amin’ny asany manokana avy! Mampitolagaga ny mieritreritra ny fahaizana tsy maintsy ilaina mba handaminana isa maro be toy izany. Amin’ny fomba mifanentana tsara, dia izao no lazain’ny Baiboly: “Misaora an’i Jehovah, hianareo anjeliny, dia hianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora an’i Jehovah, ny [anjely] miaramilany rehetra, dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.” — Salamo 103:20, 21; Apokalypsy 5:11.
7 Voalamina fatratra sy mandaitra toy inona moa ny asan’ny Mpamorona! Tsy mahagaga raha manambara amin’ny fomba mahatahotra sy mampiseho fanekena toy izao ireo zavaboary ara-panahy matanjaka be any amin’ny faritry ny lanitra ireo: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” — Apokalypsy 4:11.
8. Ohatra inona avy no mampiseho fa mandamina ny mpanompony eto an-tany i Jehovah?
8 Mandamina ireo mpanompony eto an-tany koa i Jehovah. Fony izy nahatonga ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa tamin’ny 2370 al.f.i., dia i Noa sy olona fito hafa no tafita velona tamin’ilay Safodrano, tamin’ny naha-fandaminana ara-pianakaviana azy. Tamin’ilay Fifindrana Rodobe avy tany Egypta tamin’ny 1513 al.f.i., dia nitondra olona an-tapitrisany maromaro avy tamin’ny vahoakany ho afaka tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana i Jehovah, ary nanome azy ireo fehezan-dalàna tamin’ny an-tsipiriany mba handaminana ny raharaha sy ny fanompoam-pivavahan’izy ireo isan’andro. Ary tatỳ aoriana, tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia an’aliny maro tamin’izy ireo no voalamina mba hanao fanompoana manokana tao amin’ny tempoly. (1 Tantara 23:4, 5). Tamin’ny taonjato voalohany, dia voalamina teo ambanin’ny fitarihan’Andriamanitra ireo kongregasiona kristiana: “Izy nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana”. — Efesiana 4:11, 12.
Voalamina koa ireo mpanompo amin’ny andro maoderina
9, 10. Ahoana no nandaminan’i Jehovah ny vahoakany amin’izao androntsika izao?
9 Toy izany koa fa nandamina ny mpanompony amin’ny andro maoderina i Jehovah mba hahafahan’izy ireo hanao amin’ny fomba mandaitra ilay asany amin’izao androntsika izao: Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakany, alohan’ny hamaranany an’itỳ fandehan-javatra ratsy ankehitriny itỳ. (Matio 24:14, NW ). Hevero izay tafiditra amin’io asa maneran-tany io sy ny maha-zava-dehibe ny fandaminan-javatra tsara. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy an-tapitrisany maro no ampiofanina mba hampianatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa. Mba hanampiana amin’io fampiofanana io, dia misy Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly tsy toko tsy forohana atao pirinty. Ny nomerao tsirairay amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izao dia atao pirinty maherin’ny 16 tapitrisa amin’ny fiteny 118, ary ny Mifohaza! dia sahabo ho 13 tapitrisa amin’ny fiteny 73. Saiky ny nomerao rehetra dia atao pirinty miaraka amin’ny fiteny samy hafa mba hahazoan’ny mpanompon’i Jehovah, saiky izy rehetra, filazana mitovy amin’ny fotoana iray ihany.
10 Fanampin’izany, dia kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 73 000 maneran-tany no voalamina mba hivory tsy tapaka ho amin’ny fianarana ny Baiboly. (Hebreo 10:24, 25). Misy koa fivoriana lehibe kokoa an’arivony maro — fivoriamben’ny fizaran-tany sy fivoriamben’ny distrika — isan-taona. Eo ilay fanorenana maneran-tany amin’ny ambaratonga lehibe, dia fanorenana vaovao na ho fanatsarana an’ireo Efitrano Fanjakana, Efitrano Fanaovana Fivoriambe, trano Betela, sy ireo fanorenana mba hanaovana pirinty zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Misy ireo sekoly ho fampiofanana lasa lavitra kokoa ho an’ireo mpampianatra ny Baiboly toy ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower ho an’ireo misionera sy ny Sekolin’ny Mpisava Lalana, izay atao any amin’ny tany maro manerana ny bolan-tany.
11. Soa amin’ny hoavy inona no ho azo avy amin’ny fianarana mandamin-javatra tsara dieny izao?
11 Tsara toy inona moa ny nandaminan’i Jehovah ny vahoakany eto an-tany mba ‘hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoany’, sady tohanan’ireo anjely manao fanompoana! (2 Timoty 4:5, NW; Hebreo 1:13, 14; Apokalypsy 14:6). Amin’ny fampianarana ny mpanompony amin’ny lalan’ny fandaminan-javatra tsara dieny izao, Andriamanitra dia manatanteraka zavatra hafa. Ireo mpanompony dia voaomana tsara, hany ka rehefa ho tafita velona amin’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ izy ireo, dia efa ho voalamina sahady mba hanomboka ny fiainana ao amin’ilay tontolo vaovao. Amin’izay, amin’ny fomba voalamina eo ambanin’ny fitarihan’i Jehovah, dia hanomboka hanorina ilay Paradisa maneran-tany izy ireo. Ho voaomana tsara koa izy ireo mba hampianatra ireo zavatra feno tsipiriany takin’Andriamanitra mba hahazoana fiainana ho an’ireo olona an’arivo tapitrisany maro izay hitsangana amin’ny maty. — Isaia 11:9; 54:13; Asan’ny Apostoly 24:15; Apokalypsy 20:12, 13.
Voalamina kanefa sambatra
12, 13. Nahoana isika no afaka milaza fa maniry ny hahasambatra ny vahoakany i Jehovah?
12 Na dia mpiasa mahatalanjona sy mpandamin-javatra fatratra aza i Jehovah, dia tsy mba mafy fo na henjana na manao zavatra toy ny milina izy. Izy kosa dia Persona tena maneho fihetseham-po mafana sy sambatra izay miahy ny amin’ny fahasambarantsika. “Izy no miahy anareo”, hoy ny ambaran’ny 1 Petera 5:7. Afaka mahita ny fiahiany sy ny faniriany hahasambatra ny mpanompony isika eo amin’izay nataony ho an’ny olombelona. Fony Andriamanitra namorona ny lehilahy sy ny vehivavy lavorary, ohatra, dia napetrany tao amin’ny paradisam-pahafinaretana iray izy ireo. (Genesisy 1:26-31; 2:8, 9). Nomeny azy ireo izay rehetra nilainy mba hahasambatra azy ireo tanteraka. Namoy izany rehetra izany tamin’ny alalan’ny fikomiana anefa izy ireo. Ho vokatry ny fahotan’izy ireo, dia nandova tsy fahalavorariana sy ny fahafatesana isika. — Romana 3:23; 5:12.
13 Na dia tsy lavorary aza isika olombelona izao, dia mbola afaka mahita fahasambarana ihany eo amin’izay nataon’Andriamanitra. Misy zavatra maro izay mitondra fahafinaretana ho antsika: ireo tendrombohitra manerinerina; ireo farihy sy ony sy oseana ary torapasika kanto; ireo voninkazo mareva-doko sy mamerovero ary ireo zavamaniry hafa misy karazany tsy hita lany; sakafo matsiro tondraka; masoandro mody mahavariana izay tsy mahavalalanina ny masontsika mihitsy; ny lanitra feno kintana izay ankafizintsika ny fitazanana azy amin’ny alina; ny biby noforonina misy karazany maro be sy ireo biby mbola kely mahaliana amin’ireo sangisanginy mahatsikaiky; ny mozika mampientana; ny asa mahaliana sy mahasoa; ireo namana tsara. Miharihary fa Ilay nandamina izany zavatra izany dia olon-tsambatra izay faly manao izay hahasambatra ny hafa.
14. Fampifandanjana inona no angatahin’i Jehovah amintsika rehefa manahaka azy isika?
14 Araka izany, dia tsy fahaiza-miasa mandaitra voalamina fotsiny no irin’i Jehovah. Iriny koa ny hahasambatra ny mpanompony toy ny maha-sambatra azy. Tsy iriny ny handaminan’izy ireo zavatra amim-pirehetana tafahoatra ka ho tonga hatramin’ny fanimbana ny fahasambaran’izy ireo. Ireo mpanompon’Andriamanitra dia tsy maintsy mampifandanja ny fahaizany mandamin-javatra sy ny fahasambarana, toy ny ataon’Andriamanitra, satria izay toerana misy ny fanahiny masina mahery, dia misy fifaliana. Marina tokoa fa ny Galatiana 5:22 dia mampiseho fa ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra faharoa izay miasa eo amin’ny vahoakany dia ny “fifaliana”.
Miteraka fahasambarana ny fitiavana
15. Nahoana no zava-dehibe amin’ny fahasambarantsika ny fitiavana?
15 Tena mahaliana tokoa ny manamarika fa milaza toy izao ny Baiboly: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8, 16). Tsy milaza mihitsy izy io hoe: “Andriamanitra dia fandaminana.” Ny fitiavana no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra, ary tsy maintsy tahafin’ireo mpanompony izany. Izany no antony mahatonga ny “fitiavana” ho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra voalohany voatanisa ao amin’ny Galatiana 5:22, ka ny “fifaliana” no manaraka azy. Miteraka fifaliana ny fitiavana. Rehefa manahaka ny fitiavan’i Jehovah eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa isika, dia manaraka ny fahasambarana, satria ny olona be fitiavana dia olona sambatra.
16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny fitiavana?
16 Nisongadina tao amin’ny fampianaran’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny fanahafana ny fitiavana araka an’Andriamanitra. Hoy izy: “Araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” (Jaona 8:28). Inona indrindra moa no nampianarina an’i Jesosy ka nampianariny ny hafa indray kosa? Izany dia: Ny didy roa lehibe indrindra, dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. (Matio 22:36-39). Nasehon’i Jesosy tamin’ny ohatra izany fitiavana izany. Hoy izy: “Tiako ny Ray”, ka noporofoiny izany tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra hatramin’ny fahafatesana. Ary nasehony ny fitiavany ny olona tamin’ny fahafatesana ho azy ireo. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristiana tany Efesosy: ‘Tia anareo i Kristy ary natolony ho anareo ny tenany’. (Jaona 14:31; Efesiana 5:2). Araka izany, dia nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.” — Jaona 15:12, 13.
17. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa iankinan’ny aina ny fanehoam-pitiavana amin’ny hafa?
17 Nasehon’i Paoly fa iankinan’ny aina io fitiavana araka an’Andriamanitra io tamin’ny filazana hoe: “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. (...) Ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.” — 1 Korintiana 13:1-3, 13.
18. Inona no azontsika antenaina avy amin’i Jehovah ka manampy amin’ny fahasambarantsika?
18 Rehefa manahaka ny fitiavan’i Jehovah isika dia afaka matoky ny fitiavany antsika, na dia rehefa manao fahadisoana aza isika, satria izy dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] sy fahamarinana”. (Eksodosy 34:6). Raha mibebaka amim-pahatsorana isika rehefa manao fahadisoana, dia tsy mitana izany Andriamanitra fa mamela antsika amim-pitiavana. (Salamo 103:1-3). Eny, “miantra indrindra [i Jehovah, NW ] sady be famindrampo”. (Jakoba 5:11). Mandray anjara amin’ny fahasambarantsika ny fahafantarana izany.
Fahasambarana voafetra ankehitriny
19, 20. a) Nahoana no tsy azo atao ny mahita fahasambarana tanteraka ankehitriny? b) Ahoana no anehoan’ny Baiboly fa afaka manana fahasambarana voafetra isika amin’izao fotoana izao?
19 Azo atao ve anefa ny ho sambatra amin’izao andro izao, dia amin’izao iainantsika amin’ny andro farany ho an’itỳ tontolo feno heloka bevava sy mahery setra ary maloto fitondran-tena eo ambany fanapahan’i Satana itỳ izao, ka iatrehantsika aretina sy fahafatesana? Mazava ho azy fa ankehitriny isika dia tsy afaka manampo ny hahita ilay ambaratongam-pahasambarana izay hisy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia fahasambarana toy ny ambaran’ny Teniny mialoha hoe: “Indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho”. — Isaia 65:17, 18.
20 Ny mety ho azon’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny dia fahasambarana voafetra, fahasambarana noho izy ireo mahafantatra ny sitrapony sy manana fahalalana araka ny marina momba ireo fitahiana mahatalanjona izay ho avy tsy ho ela ao amin’ilay tontolony vaovao miendrika paradisa. (Jaona 17:3; Apokalypsy 21:4). Izany no antony ahafahan’ny Baiboly milaza hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro, ô, sambatra izay olona matoky Anao”, “sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny làlany”, “sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany”. (Salamo 84:12; 128:1; Matio 5:5). Araka izany, na dia eo aza ireo toe-javatra sarotra tsy maintsy setraintsika ankehitriny, dia afaka manana ambaratongam-pahasambarana lehibe ihany isika. Na dia rehefa misy aza zava-dratsy manjo antsika, dia tsy manjary malahelo toy ny ataon’ireo tsy mahafantatra an’i Jehovah sy tsy manana fanantenana fiainana mandrakizay isika. — 1 Tesaloniana 4:13.
21. Amin’ny ahoana no mandray anjara amin’ny fahasambaran’ny mpanompon’i Jehovah ny fanomezan’izy ireo avy amin’ny tenany?
21 Tonga amin’ireo mpanompon’i Jehovah koa ny fahasambarana noho izy ireo mandany fotoana sy hery ary fananana amin’ny fampianarana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa, indrindra fa amin’ny olona izay “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra” atao ao amin’ny tontolon’i Satana. (Ezekiela 9:4). Hoy ny Baiboly: “Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ny andro fahoriana. Jehovah hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ny tany izy”. (Salamo 41:1, 2). Araka ny nolazain’i Jesosy, dia “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. — Asan’ny Apostoly 20:35.
22. a) Raha mikasika ny fahasambarana, dia ampifanohero ny mpanompon’Andriamanitra sy ireo izay tsy manompo azy. b) Noho ny antony manokana inona no tokony hanampoizantsika ny ho sambatra?
22 Koa na dia tsy afaka manampo ny hahita fahasambarana fara tampony amin’izao andro izao aza ny mpanompon’Andriamanitra, dia afaka mahazo fahasambarana izay tsy ananan’ireo tsy manompo an’Andriamanitra izy ireo. Izao no ambaran’i Jehovah: “Indro ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa hianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.” (Isaia 65:14). Manana antony tena manokana tokony hahasambatra koa ankehitriny ireo izay manompo an’Andriamanitra — manana ny fanahy masina “Izay efa nomen’Andriamanitra ny manaiky Azy” izy ireo. (Asan’ny Apostoly 5:32). Ary tadidio fa izay misy ny fanahin’Andriamanitra, dia misy fahasambarana. — Galatiana 5:22.
23. Inona no hodinihintsika ao amin’ny fianarantsika manaraka?
23 Ao anatin’ny fandaminan’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao, dia misy anjara lehibe raisin’ireo “loholona” izay mitondra ao anatin’ny kongregasiona, ka mandray anjara amin’ny fahasambaran’ny vahoakan’i Jehovah. (Titosy 1:5). Ahoana no tokony hiheveran’izy ireo ny andraikiny sy ny fifandraisany amin’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy? Hiresaka ny amin’izany ny lahatsoratra manaraka.
Ahoana no Havalinao?
◻ Amin’ny ahoana ny zavatra noforonina no manamarina ny fahaizan’i Jehovah mandamin-javatra?
◻ Ahoana no nandaminan’i Jehovah ny mpanompony tamin’ny lasa sy ankehitriny?
◻ Fampifandanjana inona no irin’i Jehovah hananantsika?
◻ Toy inona ny maha-zava-dehibe ny fitiavana amin’ny fahasambarantsika?
◻ Karazana fahasambarana inona no azontsika ampoizina amin’izao androntsika izao?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]
Ambony: Courtesy of ROE/Anglo-Australian Observatory, sary nalain’i David Malin