Ny Fasan’i Petera — Ao Vatikana Ve?
“HITA ny fasan’ilay Andrian’ireo Apostoly.” Nampitain’ny radion’ny Vatikana ilay fanambaram-pandresena nataon’ny Papa Pie XII. Ny faran’ny taona 1950 tamin’izay, ary vita vao haingana ny fitohitohizam-pihadian-tany be kojakojany natao tao ambanin’ny Bazilikan’i Md. Piera. Araka ny nolazain’ny sasany, ireo vokatra azo tamin’io fikarohana arkeolojika io dia nanaporofo fa tena nalevina tao Vatikana tokoa i Petera. Kanefa, tsy niombon-kevitra tamin’izany ny rehetra.
Ho an’ny Katolika, ny Eglizin’i Md. Piera ao Vatikana dia manana heviny manokana. “Ny zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny fitsidihana tany masina mankany Roma dia mba hihaonana amin’ny mpandimby an’i Piera sy mba hahazoana ny tsodranony”, hoy ny filazan’ny boky fanoroana katolika iray momba ny fizahan-tany, “satria tonga tao Roma i Piera ary nalevina tao.” Kanefa tena nalevina tao Roma tokoa ve i Petera? Ao Vatikana ve ny fasany? Hita ve ireo taolam-patiny?
Zava-miafina arkeolojika iray
Nanjary foto-kevitry ny fifandirana be ireo fihadian-tany, izay nanomboka tany amin’ny 1940 tany ho any ary naharitra folo taona teo ho eo. Inona no hitan’ireo arkeology notendren’ny papa? Voalohany, toeram-pandevenana iray an’ny mpanompo sampy misy fasana maro. Teo anivon’izy ireny, teo ambanin’ny alitaran’ny papa amin’izao andro izao, no nahitan’izy ireo aedicula iray, izany hoe, tsangambato noloahina natao ho tranon’ny sarivongana iray na sary iray, tsangambato izay natsofoka tao amin’ny rindrina iray nasiana lalotra mena ary nofefen’ny rindrina roa. Farany, ary tena tamin’ny fomba mifono zava-miafina, dia hita koa ny fatin’olona sasany, izay nolazaina fa avy tamin’ny iray tamin’ireo rindrina roa.
Eto no manomboka ireo filazana hevitra maro. Araka ny nolazain’ny manam-pahaizana katolika maromaro, ireo zavatra hita dia manamarina ilay lovantsofina momba ny nitoeran’i Petera sy ny nahafatesany ho maritiora tao Roma nandritra ny fanapahan’i Néron, angamba nandritra ilay fanenjehana tamin’ny 64 am.f.i. Nolazaina mihitsy aza fa relìkan’ilay apostoly ilay faty ary azo fantarina ho toy izany amin’ny alalan’ny soratra iray, izay, araka ny filazana hevitra iray, dia vakina hoe: “Ato i Piera.” Toa nino io petrakevitra io ny Papa Paul VI rehefa nanambara tamin’ny 1968 fa hita ny “fatin’i Md. Piera, izay mendrika ny fifikirantsika sy ny fankamasinantsika rehetra”.
Niaraka tamin’ireo filazana hevitra maro anefa dia nisy koa ireo fanaporofoan-kevitra nanohitra izany. Nanamafy mihoatra ny indray mandeha ilay arkeology katolika atao hoe Antonio Ferrua, Jesoita iray izay nandray anjara tamin’ireo fihadian-tany tao Vatikana, fa ‘tsy nahazo lalana hamoaka’ izay rehetra fantany momba ilay raharaha izy, zavatra izay toa hanohitra ilay filazana fa hita ireo relìkan’i Petera. Fanampin’izany, ny boky fanoroana iray momba ny fizahan-tany mankany Roma, natontan’i Poupard, Kardinaly katolika, sady navoaka tamin’ny 1991, dia nilaza fa “toa tsy manana fifandraisana amin’i Piera apostoly ny fandinihana ara-tsiansa an’ireo taolam-patin’olona hita tao ambanin’ny fanorenan’ny Rindrina Mena”. Mahagaga ihany fa tao amin’ny fanontana nanaraka (teo amin’ny faramparan’ny taona 1991), dia nanjavona ilay fehezanteny, ary nampiana toko vaovao iray nitondra ny lohateny hoe “Zavatra Azo Antoka: Ao [Amin’ny Eglizin’i] Md. Piera i Piera”.
Filazana ny hevitr’ireo zavatra hita
Miharihary fa ireo zavatra hita dia anaovana filazana hevitra ary manana heviny samy hafa ho an’ny olona samy hafa. Eny tokoa, miaiky ireo mpanoratra tantara katolika eken-teny indrindra fa “iadian-kevitra ireo zava-manahirana ara-tantara momba ny nahafatesan’i Piera ho maritiora tokoa tao Roma, sy momba ny toerana nandevenana azy”. Inona no asehon’ireo zavatra hita?
Ilay tsangambato aedicula, araka ny lazain’ireo izay mitady ny hanandratra ny lovantsofina katolika, dia ilay “fahatsiarovana” noresahin’ny olona iray atao hoe Gaius, pretra iray izay velona teo am-piandohan’ny taonjato fahatelo. Araka ny nolazain’i Eusèbe avy any Kaisaria, mpanoratra tantaran’ny eglizy tamin’ny taonjato fahefatra, i Gaius dia nilaza fa afaka ‘nanondro ny fahatsiarovana an’i Petera izy eo amin’ny Havoanan’ny Vatikana’. Manantitrantitra ireo mpanohana ny lovantsofina fa nalevina teo ilay apostoly, teo ambanin’ilay tsangambato izay nanjary fantatra hoe ilay “fahatsiarovana natoron’i Gaius”. Ny hafa anefa dia milaza amin’ny fomba tena hafa ny hevitr’ireo vokatra azo tamin’ireo fihadian-tany, amin’ny fanazavana fa tsy nanisy fiheverana firy ny fandevenana ireo maty teo aminy ireo Kristiana voalohany ary na dia novonoina ho faty teo aza i Petera, dia tsy azo inoana velively ny nangalana ny fatiny. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-29.)
Misy ireo izay tsy manaiky fa fasana ilay “fahatsiarovana natoron’i Gaius” (raha izany no hita). Manizingizina izy ireo fa tsangambato najoro ho fanomezam-boninahitra an’i Petera izy io, tany akaikin’ny faran’ny taonjato faharoa, ary “nanjary noheverina ho tsangambato fasana” tatỳ aoriana. Araka ny nolazain’ilay teolojiana atao hoe Oscar Cullmann anefa, “ireo fihadian-tany tao Vatikana dia tsy mampahafantatra ny fasan’i Piera velively”.
Ahoana ny amin’ireo taolam-paty? Tokony holazaina fa mbola sarotra hazavaina izay niavian’ireo taolam-paty raha ny marina. Koa satria tamin’ny taonjato voalohany dia nisy toeram-pandevenana lehibe iray an’ny mpanompo sampy niorina teo amin’izay antsoina ankehitriny hoe Havoanan’ny Vatikana, dia nisy fatin’olona maromaro nalevina teo amin’ilay faritra, ary maro no efa hita indray. Ilay soratra tsy feno (angamba tamin’ny taonjato fahefatra) izay lazain’ny sasany fa mampahafantatra ilay toerana nahitana ireo relìka ho ny fasan’ilay apostoly, dia mety hanisy firesahana “ny amin’izay heverina fa fisian’ny taolam-patin’i Piera” fara fahatsarany. Fanampin’izany, dia épigraphistes (manam-pahaizana momba ny famakiana ireo soratra tranainy) maro no mihevitra fa mety hidika mihitsy aza ilay soratra hoe “Tsy ato i Piera”.
‘Lovantsofina tsy azo ianteherana’ iray
“Tsy manisy firesahana ny amin’ny toerana nahafatesan[’i Piera] ho maritiora ireo loharanon-kevitra tany am-boalohany sy azo ianteherana kokoa, fa eo amin’ireo loharanon-kevitra faramparany sady tsy azo ianteherana loatra no misy toa fifanarahana fa tao amin’ny faritry ny Vatikana izany toerana izany”, hoy ny nolazain’i D. W. O’Connor, mpanoratra tantara. Noho izany, dia niorina teo amin’ireo lovantsofina tsy azo ianteherana, ny fikarohana ny fasan’i Petera tao Vatikana. “Rehefa nanjary tena zava-dehibe ireo relìka”, hoy ny nohamafisin’i O’Connor, “ireo Kristiana dia nanjary nino tamim-pahatsorana fa ilay [fahatsiarovana] an’i Piera raha ny marina dia nanondro ny toerana marina nisy ny fasany.”
Niara-nitombo tamin’ny fankamasinana tsy araka ny Soratra Masina ny relìka ireny lovantsofina ireny. Nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra, dia nisy foiben’ny eglizy samihafa nampiasa relìka, marina sy sandoka — ary tsy hoe tsy nisy tombony ara-toe-karena izany — tamin’ny fiezahana mafy ny hanatratra fahamboniana “ara-panahy” sy ny hampandroso ny fahefany manokana. Araka izany, noho ny fiekena fa nanana hery nahavita fahagagana ny fatin’i Petera, ireo mpitsidika tany masina dia nanao dia lavitra nankany amin’izay noheverina fa fasany. Teo amin’ny faran’ny taonjato fahenina, ireo mpino dia zatra ny nanipy tamim-pitandremana ravin-damba novesarina teo amin’ilay “fasana”. “Amin’ny fomba miavaka”, hoy ny fitantarana iray tamin’izay fotoana izay, “raha mafy ny finoan’ilay mpitalaho, ilay lamba dia feno hery mahasoa avy amin’Andriamanitra, rehefa esorina eo amin’ilay fasana, ary havesatra kokoa noho ny teo aloha.” Mampiseho izany hoe manao ahoana ny halehiben’ny finoanoam-poana tamin’izany fotoana izany.
Nandritra ireo taonjato, ireo angano tahaka io iray io sy ireo lovantsofina tsy nisy fototra dia nandray anjara be dia be tamin’ny fitomboan’ny lazan’ny Bazilikan’ny Vatikana. Kanefa, napoitra ireo fiheverana tsy nitovy tamin’izany. Tamin’ny taonjato faha-12 sy faha-13, ireo Vaudois dia nanameloka ireny fanao tafahoatra ireny, ary nanazava tamin’ny alalan’ny Baiboly fa tsy tany Roma na oviana na oviana i Petera. Taonjato maro tatỳ aoriana, ireo mpanohana ny Réforme (Fanavaozana) Protestanta dia niady hevitra toy izany koa. Tamin’ny taonjato faha-18, dia nisy filozofa nalaza nihevitra an’ilay lovantsofina ho tsy nisy fototra ara-tantara sy araka ny Soratra Masina. Iombonan’ireo manam-pahaizana mahay, katolika sy hafa, io fomba fihevitra io hatramin’izao andro izao.
Maty tao Roma ve i Petera?
Azo antoka fa tsy nieritreritra ny ho voalohany teo amin’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany i Petera, mpanarato nanetry tena iray avy tany Galilia. Nampahafantatra ny tenany ho “loholona tahaka azy ireo” kosa izy. (1 Petera 5:1-6, DIEM ). Ny endrika nanetry tena nananan’i Petera dia mifanohitra amin’ny renty manodidina an’izay heverina fa ny fasany, araka ny azon’ny mpitsidika ny Bazilikan’ny Vatikana jerena.
Mba hanantitranterana ny fahamboniany eo amin’ireo antokom-pivavahana kristiana hafa, ny Eglizy Katolika dia nitady ny hampanekena fa marina ilay lovantsofina ‘farany sy tsy azo ianteherana loatra’, izay milaza fa nitoetra fotoana sasany tao Roma i Petera. Mahagaga anefa fa mihevitra ny toerana nandevenana azy, ho tsy ao Vatikana, fa ao an-toeran-kafa ao Roma, ireo lovantsofina tranainy hafa. Kanefa, nahoana no tsy mifikitra amin’ireo zava-misy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, ilay hany loharanon’ny fanazavana mivantana momba an’i Petera? Mazava avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra fa, ho fankatoavana ireo fitarihana azony avy tamin’ny fitambara-mpitantan’ny kongregasiona kristiana tao Jerosalema, i Petera dia nanatontosa ny asany tany amin’ny tapany atsinanana tamin’ny tontolo fahiny, anisan’izany i Babylona. — Galatiana 2:1-9; 1 Petera 5:13; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:14.
Rehefa nanoratra ho an’ireo Kristiana tany Roma, tany amin’ny 56 am.f.i. tany ho any ny apostoly Paoly, dia nampamangy olona tokony ho 30 anisan’io kongregasiona io, tsy nanisy firesahana ny amin’i Petera mihitsy. (Romana 1:1, 7; 16:3-23). Avy eo, teo anelanelan’ny taona 60 sy 65 am.f.i., i Paoly dia nanoratra taratasy enina avy tao Roma, kanefa tsy voaresaka i Petera — porofo mahery manamarina ny zava-misy fa tsy tany i Petera.a (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 1:15-17; 4:11.) Voalazalaza ao amin’ny faran’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny asan’i Paoly tao Roma, kanefa eto indray, dia tsy misy firesahana ny amin’i Petera. (Asan’ny Apostoly 28:16, 30, 31). Noho izany, ny fandinihana araka ny zava-misy ny porofo ara-baiboly, tsy misy fandraisana an-tendrony mihitsy, dia tsy afaka mitondra afa-tsy ho amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe tsy nitory tao Roma i Petera.b
Miorina amin’ny lovantsofina tsy azo ianteherana sy amin’ny fampiharana naolana an’ireo andinin-teny ny “toerana voalohany” tanan’ny papa. I Jesosy, fa tsy i Petera, no fototry ny Kristianisma. ‘Kristy no Lohan’ny fiangonana’, hoy i Paoly. (Efesiana 2:20-22; 5:23). I Jesosy Kristy no nirahin’i Jehovah hitahy sy hamonjy an’izay rehetra manam-pinoana. — Jaona 3:16; Asan’ny Apostoly 4:12; Romana 15:29; jereo koa ny 1 Petera 2:4-8.
Izay rehetra mandeha mankany amin’izay inoany amim-pahatsorana fa ny fasan’i Petera mba ‘hihaona amin’ny mpandimby azy’ àry, dia miatrika ilay zava-manahirana hoe na hanaiky ireo ‘lovantsofina tsy azo ianteherana’ izy, na hino ny Tenin’Andriamanitra mendri-pitokiana. Koa satria tian’ireo Kristiana ho azon’Andriamanitra ekena ny fanompoam-pivavahany, izy ireo dia ‘mibanjina amim-pitandremana ilay Mpandavorary ny finoany, dia i Jesosy’, sy ny ohatra lavorary izay navelany ho antsika mba harahina. — Hebreo 12:2, NW; 1 Petera 2:21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tany amin’ireo taona 60-61 am.f.i. tany ho any, i Paoly dia nanoratra ireo taratasiny ho an’ny Efesiana, ny Filipiana, ny Kolosiana, i Filemona, sy ny Hebreo; tany amin’ny 65 am.f.i. tany ho any, dia nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty izy.
b Nodinihina tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1973, pejy faha-210-212, ilay fanontaniana hoe “Tsy Nankany Roma Mihitsy ve i Petera?”
[Efajoro, pejy 29]
“Ilay fihadian-tany dia tsy nampiseho soritra marina ny amin’ny fisian’ny fasana iray tao ambanin’ilay Aedicula; tsy nety ho azo antoka koa fa efa mba nalaina avy tamin’ireo namono azy ny fatin’i Md. Piera mba halevin’ny fitambaran’olona kristiana. Araka ny fizotra ara-dalànan’ireo fisehoan-javatra, ny fatin’ny olona iray izay vahiny (peregrinus), sady mpanao heloka bevava iray toy ny fahita, eo imason’ny lalàna, dia mety ho natsipy tokoa tao amin’i Tibre. (...) Fanampin’izany, dia tsy nisy fahalianana amin’ny fitahirizana relìkan’ny vatana tamin’izany fotoana teo aloha izany, fahalianana nitovy tamin’izay hita tatỳ aoriana, rehefa nihanihena ny finoana ny fahantomoran’ny faran’izao tontolo izao ary nanomboka niseho ny fivavahana tamin’ireo maritiora. Noho izany, ny zavatra nety ho nitranga hoe tsy nalaina mba halevina raha ny tena izy ny fatin’i Md. Piera, dia zavatra nety ho nitranga marina.” — The Shrine of St. Peter and the Vatican Excavations, nosoratan’i Jocelyn Toynbee sy i John Ward Perkins.