Apetraho Amin’i Jehovah ny Fanahianareo Rehetra
“Manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” — 1 PETERA 5:6, 7.
1. Ahoana no ahafahan’ny fanahiana hisy fiantraikany eo amintsika, ary ahoana no azo anazavana izany amin’ny alalan’ny ohatra?
AFAKA ny hisy fiantraikany mafy eo amin’ny fiainantsika ny fanahiana. Izy io dia azo ampitahaina amin’ilay mikasaosaoka izay manapaka ny feon-kira kanto iray re ao amin’ny radio, indraindray. Raha tsy misy fanakantsakanana ireo onjam-peon’ny radio, dia azo atao ny mankafy feon-kira mahafinaritra izay afaka mampitony. Ilay feo mikasaosaoka mampangintsina sofina anefa dia afaka manimba na dia ny feon-kira tsara indrindra aza, ka mahatonga fahasorenana sy fahakiviana ho antsika. Mety hisy vokany toy izany eo amin’ny fahatoniantsika ny fanahiana. Afaka manavesatra antsika aoka izany izy io, hany ka tsy afaka mikarakara ireo raharaha tena lehibe isika. Marina tokoa fa “ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy”. — Ohabolana 12:25.
2. Inona no nolazain’i Jesosy Kristy momba ny “fanahiana eo amin’ny fiainana”?
2 Niresaka ny amin’ny loza amin’ny fanelingelenan’ny fanahiana tafahoatra i Jesosy Kristy. Tao amin’ilay faminaniana nolazainy momba ny andro farany, dia nampirisika mafy toy izao izy: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny [fihinanana tafahoatra sy ny fisotroana tafahoatra, ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, NW ], ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandra-kariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:34-36). Toy ny fihinanana tafahoatra sy ny fisotroana tafahoatra afaka miteraka toe-tsaina kamokamo, ny fahatongavana ho mavesatra noho ireo “fanahiana eo amin’ny fiainana” dia afaka mahatonga antsika hamoy ny fahitan-javatra araka ny tena izy, ka izany dia hisy vokany mahatsiravina.
Ny atao hoe fanahiana
3. Ahoana no namaritana ny “fanahiana”, ary inona avy no antony sasany mahatonga azy io?
3 Ny “fanahiana” dia faritana ho “tsy filaminan-tsaina mampanaintaina sy feno tebiteby ny amin’ny hoavy, maz[àna] mikasika fahavoazana iray mananontanona, na tsinjo mialoha”. Izy io dia “fiahiana na fahalianana feno tahotra”, ary koa “fahatsapana tebiteby ny amin’ny hoavy sy tahotra tsy ara-dalàna sy tafahoatra izay matetika miavaka noho ireo famantarana eo amin’ny fiasan’ny vatana (toy ny fahatsembohana, fihenjanana, fitomboan’ny fitepon’ny pòlisa). Miavaka koa izy io noho ny fisalasalana ny amin’ny maha-tena izy sy ny toetran’ilay fandrahonana, ary noho ny fisalasalana ny amin’ny fahaizan’ny tena mandresy azy io”. (Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary). Koa ny fanahiana àry dia mety ho zava-manahirana be kojakojany. Anisan’ireo antony maro mahatonga azy io, dia eo ny aretina sy ny fandrosoan’ny taona, ny tahotra heloka bevava, ny famoizana asa ary ny fiahiana ny amin’izay hahasoa ny fianakavian’ny tena.
4. a) Inona no tsara hotadidina mikasika ny olona sy ireo fanahian’izy ireo? b) Raha voan’ny fanahiana isika, inona no azo atao?
4 Mazava fa misy ambaratonga maro samihafa eo amin’ny fanahiana, toy ny isian’ny toe-piainana na toe-javatra maro samihafa izay mety hahatonga azy io. Tsy mitovy ny fihetsiky ny olona rehetra amin’ny toe-javatra iray ihany. Noho izany, dia ilaintsika ny mahatakatra fa na dia tsy manahiran-tsaina antsika aza ny zavatra iray, dia mety ho antony mahatonga fanahiana mafy eo amin’ny sasany amin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah namantsika izany. Inona no azo atao raha tonga hatramin’ny tsy fahafahantsika mifantoka amin’ireo fahamarinana mirindra sy mahafinaritra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanahiana? Ahoana raha manjary ory aoka izany noho ny famelezan’ny fanahiana isika, ka tsy afaka mitana ho eo amin’ny toerana mazava ilay raharaha iadian-kevitra momba ny fiandrianan’i Jehovah sy ny tsy fivadihana kristiana? Mety tsy ho afaka hanova ny toe-javatra misy antsika isika. Ilaintsika kosa aza ny mitady ireo hevitra araka ny Soratra Masina izay hanampy antsika mba hiezaka handresy ny fanahiana tafahoatra aterak’ireo zava-manahirana sarotra alamina eo amin’ny fiainana.
Misy fanampiana azo raisina
5. Ahoana no mety hanaovantsika zavatra mifanaraka amin’ny Salamo 55:22?
5 Rehefa mila fanampiana ara-panahy sy vesaran’ny fanahiana ny Kristiana, dia afaka manovo fampiononana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izy io dia manome fitarihana azo ianteherana sy fanomezan-toky maro ho antsika fa tsy irery isika amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah tsy mivadika antsika. Nihira toy izao, ohatra, i Davida mpanao salamo: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22). Ahoana no ahafahantsika manao zavatra mifanaraka amin’ireo teny ireo? Amin’ny fametrahana ny fanahiantsika rehetra, ny tebitebintsika rehetra sy ny tahotra ary ny fahadisoam-panantenana rehetra mahazo antsika amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Izany dia hanampy mba hanome antsika fahatsapana tsy fananana ahiahy sy fahatoniam-po.
6. Araka ny Filipiana 4:6, 7, inona no azon’ny vavaka atao ho antsika?
6 Tena ilaina ny vavaka feno fahatsoran-po tsy tapaka raha tiantsika ny hametraka amin’i Jehovah ny entantsika, tafiditra amin’izany ny fanahiantsika rehetra. Izany dia hitondra fiadanana anaty ho antsika, satria nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Ilay “fiadanan’Andriamanitra” tsy manan-tsahala dia filaminana tsy mahazatra ananan’ireo mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena, na dia ao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay misedra aza izy ireo. Izany dia vokatry ny fifandraisantsika akaiky sy manokana amin’Andriamanitra. Rehefa mangataka ny fanahy masina amin’ny vavaka isika ka mamela azy io hanosika antsika, dia tsy afaka amin’ireo zava-manahirana rehetra eo amin’ny fiainana akory isika, fa mahazo kosa ilay fiadanana izay vokatry ny fanahy. (Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23). Tsy tototry ny fanahiana isika satria fantatsika fa i Jehovah dia ‘mampitoetra tsy manana ahiahy’ ny olony mahatoky rehetra, ary tsy hamela na inona na inona hitranga ka hitondra fanimbana maharitra ho antsika. — Salamo 4:8.
7. Anjara asa inona no azon’ireo loholona kristiana atao mba hanampiana antsika hiezaka handresy ny fanahiana?
7 Ahoana anefa raha mitohy ihany ny fanahiantsika, na dia efa misaintsaina ny Soratra Masina sy maharitra amin’ny vavaka aza isika? (Romana 12:12). Fandaharana nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika ara-panahy koa ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona. Afaka mampionona sy manampy antsika izy ireo amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fivavahana miaraka amintsika sy ho antsika. (Jakoba 5:13-16). Nampirisika mafy ireo loholona namany ny apostoly Petera mba hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra an-tsitrapo sy amin-jotom-po ary amin’ny fomba fakan-tahaka. (1 Petera 5:1-4, DIEM ). Miahy ny amin’izay mahasoa antsika indrindra ireny lehilahy ireny, ary maniry ny hanampy izy ireo. Mazava ho azy, fa mba handraisan-tsoa feno avy amin’ny fanampian’ireo loholona sy mba hahombiazana ara-panahy ao amin’ny kongregasiona, dia ilaintsika rehetra ny mampihatra ilay torohevitr’i Petera hoe: “Hianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’.” — 1 Petera 5:5.
8, 9. Fampiononana inona no azontsika tovozina avy amin’ny 1 Petera 5:6-11?
8 Nanampy teny toy izao i Petera: “Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo. Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao. Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no [hamita ny fampiofanana anareo, NW ] sy hampiorina ary [hampahatanjaka, NW ] anareo. Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.” — 1 Petera 5:6-11.
9 Mampionona toy inona moa ny mahatakatra fa afaka ‘mametraka ny fanahiantsika rehetra amin’Andriamanitra isika satria miahy antsika izy’! Ary raha toa ny fanahiantsika sasany ka vokatry ny fanandraman’ny Devoly handrava ny fifandraisantsika amin’i Jehovah amin’ny fitondrana fanenjehana sy fijaliana hafa eo amintsika, moa ve tsy mahafinaritra ny mahafantatra fa hivadika ho tsara ny zava-drehetra ho an’ireo mpihazona tsy fivadihana? Eny, rehefa avy niaritra fahoriana vetivety isika, ilay Andriamanitry ny fahasoavana rehetra dia hamita ny fampiofanana antsika ary hampiorina antsika sy hampahatanjaka antsika.
10. Toetra tsara telo inona avy no lazain’ny 1 Petera 5:6, 7 tsy mivantana fa afaka manampy mba hampitony fanahiana?
10 Milaza tsy mivantana toetra tsara telo izay afaka manampy antsika mba hiezaka handresy ny fanahiana ny 1 Petera 5:6, 7. Ny “fanetren-tena” no iray amin’izany. Ny 1Pe 5:6 andininy faha-6 dia mifarana amin’ilay fitenenana hoe “amin’ny fotoan’andro”, izay manipy hevitra ny amin’ny ilana faharetana. Ny 1Pe 5:7 andininy faha-7 dia mampiseho fa afaka mametraka amim-patokiana ny fanahiantsika rehetra amin’Andriamanitra isika ‘satria miahy antsika izy’, ary ireo teny ireo dia mampirisika fatokiana tanteraka an’i Jehovah. Koa aoka àry isika hijery ny fomba ahafahan’ny fanetren-tena sy ny faharetana ary ny fatokiana tanteraka an’Andriamanitra manampy mba hampitony fanahiana.
Ny fomba ahafahan’ny fanetren-tena manampy
11. Ahoana no mety hanampian’ny fanetren-tena antsika mba hiezaka handresy ny fanahiana?
11 Raha manetry tena isika, dia hiaiky fa ambony lavitra noho ny antsika ny fihevitr’Andriamanitra. (Isaia 55:8, 9). Ny fanetren-tena dia manampy antsika mba hanaiky ny maha-voafetra ny fahaizantsika misaina raha oharina amin’ny fahatsinjovana mahafaoka ny zava-drehetra ananan’i Jehovah. Mahita zavatra izay tsy tsikaritsika izy, araka ny asehon’ny ohatr’i Joba, ilay lehilahy marina. (Joba 1:7-12; 2:1-6). Amin’ny fanetrentsika tena eo “ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra”, dia ekentsika ny toerantsika ambany raha ampifandraisina amin’ny an’ilay Tompom-piandrianana Tampony. Izany kosa dia hanampy antsika mba hiezaka handresy ireo toe-javatra izay avelany hisy. Mety haniry mafy fanamaivanana avy hatrany ny fontsika, kanefa satria mifandanja tanteraka ireo toetran’i Jehovah, dia fantany tsara ny fotoana sy ny fomba anaovan-javatra ho antsika. Sahala amin’ny ankizy madinika àry, dia aoka isika hitana amim-panetren-tena hatrany ny tanana maherin’i Jehovah, matoky fa hanampy antsika hiezaka handresy ireo fanahiantsika izy. — Isaia 41:8-13.
12. Raha mampihatra amim-panetren-tena ireo teny ao amin’ny Hebreo 13:5 isika, amin’ny ahoana izany no mety hisy fiantraikany eo amin’ny fanahiana mahakasika ny tsy fananana ahiahy ara-nofo?
12 Ny fanetren-tena dia mahatafiditra fahavononana hampihatra torohevitra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka matetika izany no afaka mampihena ny fanahiana. Raha vokatry ny fahatafidirana lalina amin’ny fikatsahana zavatra ara-nofo, ohatra, ny fanahiantsika, dia tsara ho antsika ny mieritreritra an’ilay torohevitr’i Paoly manao hoe: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy [Andriamanitra]: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory’.” (Hebreo 13:5). Amin’ny fampiharana amim-panetren-tena ny torohevitra toy izany, dia maro no nanafa-tena tamin’ny fanahiana lehibe mahakasika ny tsy fananana ahiahy ara-nofo. Na dia mety tsy hihatsara aza ny toe-piainan’izy ireo ara-bola, izany dia tsy manapaka ny eritreriny mba hahatonga fanimbana ara-panahy ho azy ireo.
Ny anjara asan’ny faharetana
13, 14. a) Nanome ohatra nanao ahoana moa ilay lehilahy atao hoe Joba raha ny amin’ny fiaretana tamim-paharetana? b) Afaka manao inona ho antsika ny fiandrasana amim-paharetana an’i Jehovah?
13 Ilay fitenenana hoe “amin’ny fotoan’andro” ao amin’ny 1 Petera 5:6 dia manipy hevitra ny amin’ny ilana fiaretana amim-paharetana. Indraindray dia mitohy ela be ny zava-manahirana iray, ary izany dia mety hampitombo ny fanahiana. Amin’izay indrindra isika no mila mametraka ny raharaha eo an-tanan’i Jehovah. Nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Ataontsika fa sambatra izay efa [niaritra, NW ]. Efa renareo ny [fiaretan’i, NW ] Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” (Jakoba 5:11). Nahita fahafonganam-pananana i Joba, namoy zanaka folo tamin’ny fahafatesana, nijaly noho ny aretina naharikoriko iray, ary nomelohin’ny mpampionona sandoka tamin’ny fomba diso. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia ara-dalàna ny isian’ny fanahiana sasany, fara faharatsiny.
14 Na ahoana na ahoana, dia fakan-tahaka i Joba teo amin’ny fiaretana tamim-paharetana. Raha mandalo fitsapam-pinoana mafy isika, dia mety ho voatery hiandry fanamaivanana, toy ny nataon’i Joba. Tena nanao zavatra ho azy anefa Andriamanitra, tamin’ny fanamaivanana an’i Joba tamin’ny fijaliany sy tamin’ny fanomezana azy valisoa tondraka tamin’ny farany. (Joba 42:10-17). Mampitombo ny fiaretantsika ny fiandrasana amim-paharetana an’i Jehovah, ary mampiharihary ny halalin’ny fifikirantsika aminy izany. — Jakoba 1:2-4.
Matokia an’i Jehovah
15. Nahoana isika no tokony hatoky tanteraka an’i Jehovah?
15 Nampirisika mafy an’ireo mpiray finoana taminy i Petera mba ‘hametraka ny fanahiany rehetra amin’Andriamanitra fa Izy no niahy azy ireo’. (1 Petera 5:7). Koa afaka sy tokony hanana fatokiana tanteraka an’i Jehovah àry isika. Hoy ny Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”. Noho ny fanandraman-javatra hitany tamin’ny lasa, dia mety ho sarotra amin’ny olona feno fanahiana ny hatoky olon-kafa. Kanefa dia tena manana antony hatokiana ny Mpamorona antsika isika, dia ilay Loharanon’ny fiainana sy Mpanohana azy io mihitsy. Na dia tsy matoky ny fihetsitsika manokana manoloana raharaha sasany aza isika, dia afaka miantehitra foana amin’i Jehovah mba hanafaka antsika amin’ireo loza lehibe mahazo antsika. — Salamo 34:18, 19; 36:9; 56:3, 4.
16. Inona no nolazain’i Jesosy Kristy momba ny fanahiana ny amin’ireo zavatra ara-nofo?
16 Ny fatokiana an’Andriamanitra dia mahatafiditra fankatoavana ny Zanany, dia i Jesosy Kristy izay nampianatra izay nianarany tamin-dRainy. (Jaona 7:16). Nampirisika mafy ny mpianany i Jesosy mba ‘hihary harena any an-danitra’ amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Kanefa ahoana ny amin’ireo zavatra ilaina ara-nofo izay mahatafiditra sakafo sy fitafiana ary fialofana? “Aza manahy”, hoy ny torohevitr’i Jesosy. Nomarihiny fa mamelona ny vorona Andriamanitra. Mampitafy ny voninkazo amin’ny fomba kanto izy. Tsy mendrika kokoa noho ireny ve ireo olombelona mpanompon’Andriamanitra? Mazava ho azy fa izany tokoa. Noho izany dia nampirisika mafy toy izao i Jesosy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinan[’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” Nanohy ny teniny toy izao i Jesosy: “Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy.” (Matio 6:20, 25-34). Eny, mila sakafo sy zavatra hosotroina sy fitafiana ary fialofana isika, kanefa raha matoky an’i Jehovah isika, dia tsy hanahy tafahoatra ny amin’ireny zavatra ireny.
17. Ahoana no mety hanazavantsika amin’ny ohatra ny ilana mikatsaka ilay Fanjakana aloha?
17 Mba hikatsahana aloha ilay Fanjakana, dia tsy maintsy matoky an’Andriamanitra isika ary mitana ireo zavatra omentsika ny toerana voalohany ho eo amin’ny laharana tokony hisy azy. Ny mpilomano mpanao antsitrika iray tsy manana fitaovana fifohana rivotra, dia mety hidina any ambany rano mba hitadiavana sifodranomasina (huître) misy voahangy ao anatiny. Io no fomba hamelomany ny fianakaviany. Tsy azo lavina fa zavatra ambony omena ny toerana voalohany izany! Kanefa inona no mbola zava-dehibe kokoa? Ny rivotra! Tsy maintsy miakatra mivoaka ny rano tsy tapaka izy mba hamenoana rivotra indray ny havokavony. Zavatra ambony kokoa omena ny toerana voalohany ny rivotra. Toy izany koa, isika dia mety ho voatery ho somary tafiditra ao amin’itỳ fandehan-javatra itỳ mba hahazoana ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana. Tsy maintsy mandeha voalohany anefa ireo raharaha ara-panahy satria miankina amin’ireo zavatra ireo ny ain’ny ankohonantsika mihitsy. Mba hialana amin’ny fanahiana tafahoatra momba ireo zavatra tena ilaina ara-nofo, dia tsy maintsy manana fatokiana tanteraka an’Andriamanitra isika. Ambonin’izany, ny ‘fananana zavatra betsaka hatao eo amin’ny asan’ny Tompo’ dia mety hanampy mba hampitony fanahiana satria fiarovana mafy ho antsika “ny fifaliana avy amin’i Jehovah”. — 1 Korintiana 15:58, NW; Nehemia 8:10.
Aza mitsahatra mametraka ny fanahianao amin’i Jehovah
18. Inona no porofo fa tena afaka manampy tokoa ny fametrahana ny fanahiana rehetra amin’i Jehovah?
18 Mba hifantohana foana amin’ireo zavatra ara-panahy, dia tsy maintsy tsy mitsahatra mametraka ny fanahiantsika rehetra amin’i Jehovah isika. Tadidio foana fa tena miahy ny mpanompony tokoa izy. Indro misy ohatra manazava izany: Noho ny fivadihan’ny vadiny taminy, dia nitombo aoka izany ny fanahian’ny vehivavy kristiana iray ka tonga hatramin’ny tsy fahafahany natory. (Ampitahao amin’ny Salamo 119:28.) Tao am-pandriana anefa, dia nametraka ny fanahiany rehetra tamin’i Jehovah izy. Tamin-dranomaso sy fitarainana mafy, dia namboraka izay tao am-pony tamin’Andriamanitra izy, ka nilaza taminy ny amin’ny fanaintainana nahazo azy sy ny fijalian’ireo zanany roa vavy kely. Rehefa avy nitalaho mafy fanamaivanana tao amin’ny vavaka tamin-kafanam-po izy, dia afaka natory foana, satria natoky izy fa niahy azy sy ireo zanany i Jehovah. Io vehivavy nisara-panambadiana araka ny Soratra Masina io izao dia manambady loholona ary sambatra.
19, 20. a) Inona avy no fomba sasany ahafahantsika miezaka handresy ny fanahiana? b) Tokony tsy hitsahatra hanao inona amin’ny fanahiantsika rehetra isika?
19 Amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika dia manana fomba maro samihafa hiezahana handresy ny fanahiana isika. Manampy indrindra ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra. Manana sakafo ara-panahy tondraka omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” isika, tafiditra amin’izany ireo lahatsoratra mahasoa sy mamelombelona avoaka ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! (Matio 24:45-47, NW ). Manana ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra isika. Mitondra soa betsaka ho antsika ny vavaka tsy tapaka sy amin-kafanam-po. Ireo loholona kristiana voatendry dia vonona sady maniry ny hanome fanampiana sy fampiononana ara-panahy.
20 Faran’izay mitondra soa eo amin’ny fisetrana ireo fanahiana izay mety hahazo antsika ny fanetren-tenantsika sy ny faharetantsika manokana. Zava-dehibe indrindra ny fatokiana tanteraka an’i Jehovah, satria ny finoantsika dia mitombo tsikelikely arakaraka ny hanandramantsika ny fanampiany sy ny fitarihany. Ho setrin’izany, ny finoana an’Andriamanitra dia afaka misakana antsika tsy hanjary ho sahiran-tsaina tafahoatra. (Jaona 14:1, NW ). Ny finoana dia manosika antsika hikatsaka ilay Fanjakana aloha sy ho revo hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo mahafaly, ka izany dia afaka manampy antsika mba hiezaka handresy ny fanahiana. Ny asa toy izany dia mahatonga antsika hahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy eo anivon’ireo izay hihira fiderana ho an’Andriamanitra mandrakizay. (Salamo 104:33). Aoka àry isika tsy hitsahatra hametraka ny fanahiantsika rehetra amin’i Jehovah.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no mety hamaritana ny fanahiana?
◻ Inona avy no fomba sasany ahafahantsika miezaka handresy ny fanahiana?
◻ Amin’ny ahoana ny fanetren-tena sy ny faharetana no afaka manampy mba hampitony fanahiana?
◻ Eo am-piezahana handresy ny fanahiana, nahoana no tena zava-dehibe ny hananana fatokiana tanteraka an’i Jehovah?
◻ Nahoana isika no tokony tsy hitsahatra hametraka ny fanahiantsika rehetra amin’i Jehovah?
[Sary, pejy 24]
Fantatrao ve ny antony nilazan’i Jesosy hoe: “Aza manahy”?