Nanaiky ny Fitarihan’Andriamanitra Izy
AOKA hatao hoe nisy zaza lavorary iray napetraka hokarakarainao, ary nantenaina ny hitaizanao azy io araka ny tokony ho izy. Asa sarotra toy inona moa izany! Ahoana no ahafahan’ny olona tsy lavorary na iza na iza manao izany? Tsy misy afa-tsy amin’ny fanekena ny fitarihan’Andriamanitra sy amin’ny fampiharana izany eo amin’ny fiainana andavanandro ihany.
Izany zavatra izany indrindra no nataon’i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy. Mifanohitra amin’ireo lovantsofina tsy ara-tsindrimandry izay mirakitra tsipiriany maro momba an’i Josefa, ny Baiboly dia tsy miresaka firy ny amin’ny anjara asa tsotra notanany teo amin’ny fahazazan’i Jesosy. Fantatsika fa i Josefa sy i Maria vadiny, dia nitaiza an’i Jesosy sy zanakalahy hafa efatra ary zanakavavy koa. — Marka 6:3.
I Josefa dia taranak’i Davida Mpanjakan’ny Isiraely, tamin’ny alalan’i Solomona. Izy dia zanak’i Jakoba sy vinantolahin’i Hely. (Matio 1:16; Lioka 3:23). Tamin’ny naha-mpandrafitra azy tao amin’ny tanànan’i Nazareta tany Galilia, dia kely fidiram-bola i Josefa. (Matio 13:55; Lioka 2:4, 24; ampitahao amin’ny Levitikosy 12:8.) Nanankarena ara-panahy anefa izy. (Ohabolana 10:22). Azo antoka fa izany dia noho izy nanaiky ny fitarihan’Andriamanitra.
Tsy isalasalana fa i Josefa dia Jiosy nalemy fanahy sy nanetry tena izay nino an’Andriamanitra ary naniry ny hanao izay mety. Ireo fisehoan-javatra vitsy teo amin’ny fiainany voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Soratra Masina, dia mampiseho fa nankato mandrakariva ny didin’i Jehovah izy. Nanao izany izy na voarakitra tao amin’ny Lalàna ireo didy ireo na voarain’ny tenany nivantana tamin’ny alalan’ny anjely.
Lehilahy marina nanan-java-nanahirana
Inona no tokony hataon’ny olona iray tia an’Andriamanitra rehefa mifanandrina amin’ny zava-manahirana lehibe iray izy? Tokony ‘hametraka amin’i Jehovah ny entany’ izy, ary hanaraka ny fitarihan’Andriamanitra! (Salamo 55:22). Izany no nataon’i Josefa. Fony mbola fofombadin’i Maria izy, “raha mbola tsy niray trano (...) izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina”. Noho i Josefa ‘olo-marina, dia tsy ta hanala baraka azy izy, fa nikasa hametraka azy mangingina’. Rehefa nisaintsaina ilay raharaha i Josefa, dia niseho taminy tao amin’ny nofy ny anjelin’i Jehovah iray nanao hoe: “Ry Jôsefa taranak’i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao! Noho ny asan’ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy. Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin’ny fahotàny.” Rehefa taitra i Josefa, dia “nanatontosa izay nandidian’ilay anjelin’ny Tompo azy, ka nampakatra an’i Maria vadiny. Tsy niray tamin’i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an’i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan’i Jôsefa ny zaza”. (Matio 1:18-25, DIEM ). Nanaiky ny fitarihan’Andriamanitra i Josefa.
Namoaka didy i Aogosto Kaisara mba hisoratan’ny olona anarana any amin’ny tanànany avy. Ho fankatoavana, dia nankany Betlehema any Jodia i Josefa sy i Maria. Tany i Maria dia niteraka an’i Jesosy ary voatery nampandry azy tao amin’ny fihinanan’omby noho ny tsy fisian’ny filasiana hafa. Tamin’io alina io, dia tonga mba hijery ilay zaza ireo mpiandry ondry izay nandre fanambarana nataon’anjely momba io fahaterahana manokana io. Sahabo ho 40 andro tatỳ aoriana, dia nanaraka ny Lalàna i Josefa sy i Maria tamin’ny fampisehoana an’i Jesosy tany amin’ny tempoly tany Jerosalema niaraka tamin’ny fanatitra. Samy nanontany tena izy roa raha nandre ireo teny ara-paminaniana nataon’i Simeona be taona, nahakasika ireo zavatra lehibe hataon’i Jesosy. — Lioka 2:1-33; ampitahao amin’ny Levitikosy 12:2-4, 6-8.
Na dia toa milaza aza ny Lioka 2:39 fa nankany Nazareta avy hatrany i Josefa sy i Maria rehefa avy nampiseho an’i Jesosy tao amin’ny tempoly, io andininy io dia anisan’ny fitantarana voafintina iray. Miharihary kosa, fa fotoana kelikely taorian’ilay fampisehoana tany amin’ny tempoly, dia nitsidika an’i Maria sy i Jesosy tany amin’ny trano iray tao Betlehema ireo mpanandro tatsinanana (Magy). Ny fisalovanan’Andriamanitra no nisakana io fitsidihana io tsy hitondra fahafatesana ho an’i Jesosy. Rehefa lasa ireo Magy, dia nisy anjelin’i Jehovah niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy, ary nilaza taminy hoe: “Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.” Toy ny nahazatra, dia nanaraka ny fitarihan’Andriamanitra i Josefa ka nitondra ny fianakaviany nankany Egypta. — Matio 2:1-14.
Rehefa maty i Heroda, dia nisy anjely iray niseho tamin’i Josefa tany Egypta, tamin’ny nofy nilaza hoe: “Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny Isiraely”. Rehefa ren’i Josefa fa nanjaka nandimby an-drainy i Arkelaosy zanak’i Heroda, dia natahotra ny hiverina tany Jodia izy. Nanaraka ilay fampitandremana nomen’Andriamanitra tamin’ny nofy izy ka nankany amin’ny faritanin’i Galilia ary niorim-ponenana tao amin’ny tanànan’i Nazareta. — Matio 2:15-23.
Lehilahy araka ny fanahy
Nataon’i Josefa izay hankatoavan’ny fianakaviany ny lalàn’Andriamanitra sy hahavoafahana azy ireo ara-panahy. Isan-taona izy dia nitondra ny fianakaviany manontolo niaraka taminy tany amin’ny fankalazana ny Paska tany Jerosalema. Tamin’ny iray tamin’ireny fotoan-dehibe ireny no nahitan’i Josefa sy i Maria fa tsy teo i Jesosy 12 taona, fony izy ireo niverina nankany Nazareta ka efa nandeha lalana indray andro avy teo Jerosalema. Rehefa niverina tany Jerosalema izy ireo, dia nikaroka tamim-pitandremana ka farany dia nahita azy tany amin’ny tempoly, nihaino sy nanontany ireo mpampianatra tao. — Lioka 2:41-50.
Toa namela ny vadiny hanombo-javatra tamin’ny toe-javatra sasany i Josefa. Rehefa niverina tany Jerosalema ka nahita an’i Jesosy tao amin’ny tempoly izy ireo, ohatra, dia i Maria no niresaka ilay raharaha tamin’ny zanany lahy mbola kely. (Lioka 2:48, 49). Raha nitombo tamin’ny naha-“Zanaky ny mpandrafitra” azy i Jesosy, dia nahazo fampianarana ara-panahy. Nampianatra azy nandrafitra i Josefa satria nantsoina hoe “ilay mpandrafitra, zanak’i Maria” i Jesosy. (Matio 13:55; Marka 6:3). Ireo ray aman-dreny tia an’Andriamanitra amin’izao andro izao dia tokony hanararaotra amin’ny fomba feno ireo fahafahana mitovy izany, mba hampianarana ireo zanany, indrindra amin’ny fanomezana azy ireo fiofanana ara-panahy. — Efesiana 6:4; 2 Timoty 1:5; 3:14-16.
Ireo fahatsinjovan-javatra ananan’i Josefa
Tsy niteny na inona na inona momba ny nahafatesan’i Josefa ny Soratra Masina. Tsara homarihina anefa fa ny Marka 6:3 dia niantso an’i Jesosy ho “zanak’i Maria” fa tsy Josefa. Izany dia milaza fa efa maty i Josefa tamin’izay. Ambonin’izany, raha toa i Josefa ka velona mandra-pahatongan’ny taona 33 am.f.i., dia tsy azo inoana fa ho nanankina an’i Maria hokarakarain’ny apostoly Jaona, i Jesosy voahombo. — Jaona 19:26, 27.
Araka izany, I Josefa dia ho anisan’ireo maty izay handre ny feon’ny Zanak’olona ka hivoaka amin’ny fitsanganan’ny maty. (Jaona 5:28, 29). Rehefa hianatra ny amin’ny fandaharan’i Jehovah momba ny fiainana mandrakizay i Josefa, dia tsy isalasalana fa hanararaotra izany amim-pifaliana izy ary ho tonga olom-pehezina mpankato an’ilay Mpanjaka lehibe any an-danitra, dia i Jesosy Kristy, toy ny nanarahany ny fitarihan’Andriamanitra maherin’ny 1 900 taona lasa izay.
[Sary, pejy 31]
Nanome fampianarana ara-panahy an’i Jesosy i Josefa ary nampianatra azy nandrafitra koa