Fampiononana avy Amin’ilay “Andriamanitry ny Fampiononana Rehetra”
“Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra”. — 2 KORINTIANA 1:3, 4.
1, 2. Karazana fampiononana inona no ilain’ny olona malahelo?
MILA fampiononana marina — fa tsy fanamarihana miverimberina lava na fandre foana — ny olona malahelo. Isika rehetra dia efa nandre ilay hoe ‘hanasitrana ny ratra ny fotoana’, kanefa eo am-piandohan’ny fe-potoana idonan’ny fahoriana, olona vesaran’alahelo iza no ampiononin’izany hevitra izany? Fantatry ny Kristiana fa nampanantena fitsanganana amin’ny maty Andriamanitra, nefa izany tsy misakana ilay ratra sy fikorontanana ara-pihetseham-po lalina noho ny famoizana tampoka. Ary azo antoka fa raha namoy zanaka iray ianao, dia tsy mahasolo ilay sombin’ny ainao ireo zanaka mbola velona.
2 Amin’ny fotoana amoizana olon-tiana iray, dia manampy antsika indrindra ny fampiononana marina, fampiononana izay manana fototra mafy orina amin’ny fampanantenan’Andriamanitra. Mila fahatakarana ny fihevitsika koa isika. Azo antoka fa marina izany ho an’ireo mponin’i Rwanda, ary indrindra ho an’ireo fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah an-jatony maro izay namoy olon-tiana tamin’io famonoana olona ara-pirazanana nahatsiravina io. Avy amin’iza no azon’izay rehetra malahelo anovozana fampiononana?
Jehovah — Ilay Andriamanitry ny fampiononana
3. Ahoana no namelan’i Jehovah ohatra tamin’ny fanomezana fampiononana?
3 Namela ohatra i Jehovah tamin’ny fanomezana fampiononana ho antsika rehetra. Naniraka an’i Kristy Jesosy, Zanany lahy tokana, teto an-tany izy mba hanomezana fampiononana sy fanantenana mandrakizay ho antsika. Nampianatra toy izao i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Izao koa no nolazainy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:13). Hoy izy tamin’ny fotoana hafa: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Ary nilaza i Paoly hoe: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Romana 5:8). Amin’ny alalan’ireo andinin-teny ireo sy ny maro hafa koa, dia mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra sy i Kristy Jesosy isika.
4. Nahoana ny apostoly Paoly no tsy maintsy ho velom-pankasitrahana indrindra an’i Jehovah?
4 Nahafantatra tsara indrindra ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory ny apostoly Paoly. Norombahina niala tao amin’ny toe-piainan’ny maty ara-panahy izy, tamin’ny naha-mpanenjika romotra an’ireo mpanara-dia an’i Kristy teo aloha, ka lasa Kristiana voaenjika ny tenany mihitsy koa. (Efesiana 2:1-5, NW ). Milazalaza toy izao ny zava-nitranga teo amin’ny fiainany izy: “Izaho dia ambany indrindra amin’ny Apostoly ka tsy mendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra aho. Fa ny [hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, NW ] no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny [hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, NW ] ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny [hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, NW ] no niara-niasa tamiko.” — 1 Korintiana 15:9, 10.
5. Inona no nosoratan’i Paoly momba ny fampiononana avy amin’Andriamanitra?
5 Mety àry ny nanoratan’i Paoly hoe: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay. Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fampiononana anay kosa amin’ny alalan’i Kristy. Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin’ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin’izay entinay. Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.” — 2 Korintiana 1:3-7.
6. Inona no tiana holazaina amin’ilay teny grika nadika hoe “fampiononana”?
6 Teny mampientana re izany! Ny teny grika nadika eto hoe “fampiononana” dia mifandray amin’ny “fiantsoana ho eo anilan’ny tena”. Noho izany, “izy io dia fijoroana eo anilan’ny olona iray mba hampaherezana azy rehefa mandalo fitsapana mafy izy”. (A Linguistic Key to the Greek New Testament). Nanoratra toy izao ny manam-pahaizana manokana iray momba ny Baiboly: “Ilay teny (...) dia midika foana mihoatra lavitra noho ny fiaraha-miory mampitony. (...) Ny fampiononana kristiana dia ilay fampiononana mitondra herim-po, ilay fampiononana mahatonga ny olona iray hahazaka izay rehetra atraikan’ny fiainana eo aminy.” Izy io koa dia mahafaoka teny mampionona izay miorina amin’ny fampanantenana sy ny fanantenana mafy orina — dia ny amin’ny fitsanganan’ny maty.
Jesosy sy Paoly — Mpampionona nangoraka
7. Ahoana no nampiononan’i Paoly ireo rahalahiny kristiana?
7 Ohatra nahatalanjona toy inona moa i Paoly tamin’ny fanomezana fampiononana! Afaka nanoratra toy izao tamin’ireo rahalahy tany Tesalonika izy: “Nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo. Toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo”. Tsy misy hafa amin’ny ray aman-dreny be fitiavana sy fiahiana, isika rehetra dia afaka mizara amin’ny hafa ny fitiavantsika sy ny fahatakarantsika ny heviny amin’ny fotoana ilan’izy ireo izany. — 1 Tesaloniana 2:7, 8, 11.
8. Nahoana no fampiononana ho an’ireo malahelo ny fampianaran’i Jesosy?
8 Tamin’ny fampisehoana fikarakarana sy hatsaram-panahy toy izany, i Paoly dia tsy nanao afa-tsy ny nanahaka an’ilay Ohatra lehibe narahiny, dia i Jesosy. Tadidio ilay fanasana mampiseho fangorahana atolotr’i Jesosy ho an’ny rehetra araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 11:28-30: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” Eny, mamelombelona ny fampianaran’i Jesosy satria manolotra fanantenana sy fampanantenana — ilay fampanantenana fitsanganana amin’ny maty. Io ilay fanantenana sy fampanantenana izay atolotsika ny olona, ohatra, rehefa mamela amin’izy ireo ilay bokikely hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, isika. Afaka manampy antsika rehetra io fanantenana io, na dia efa nalahelo naharitra ela aza isika.
Ny fomba ampiononana an’ireo malahelo
9. Nahoana isika no tsy tokony tsy haharitra amin’ny olona malahelo?
9 Tsy voafetra ho amin’ny fe-potoana sasany aorian’ny nahafatesan’ilay olon-tiana avy hatrany ny alahelo. Misy olona sasany mitondra ilay enta-mavesatry ny alahelony mandritra ny androm-piainany manontolo, indrindra fa ireo izay namoy zanaka. Namoy ny zanany lahy 11 taona izay voan’ny meninzita tamin’ny 1963 ny mpivady kristiana mahatoky iray any Espaina. Hatramin’izao, dia mbola latsa-dranomaso izy ireo rehefa miresaka momba an’i Paquito zanany lahy. Mety hampitamberina fahatsiarovana manjombona ireo fitsingerenan’ny daty niavaka iray, ireo sary, sy ireo fahatsiarovana. Koa amin’izany, dia tsy tokony tsy haharitra na oviana na oviana isika ka hihevitra fa tokony ho efa afaka amin’ny alahelony ireo hafa ankehitriny. Miaiky toy izao ny manam-pahaizana iray eo amin’ny fitsaboana: “Mety haharitra hatramin’ny taona maromaro ny fahaketrahana sy ny fiovaovan’ny fihetseham-po.” Noho izany, dia tadidio fa, tsy misy hafa amin’ny mety haharetan’ny holatra eo amin’ny vatana mandritra ny androm-piainantsika, no mety haharetan’ny holatra ara-pihetseham-po maro.
10. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hanampiana ireo malahelo?
10 Inona avy ireo zavatra azo ampiharina sasany azontsika atao mba hampiononana an’ireo malahelo ao amin’ny kongregasiona kristiana? Amim-pahatsorana tanteraka, dia mety hilaza toy izao amin’ny rahalahy iray na amin’ny anabavy iray mila fampiononana isika: “Raha misy zavatra azoko anampiana, dia ilazao fotsiny aho.” Kanefa impiry ny olona nidonam-pahoriana iray, raha ny marina, no hiantso antsika ka hanao hoe: “Misy zavatra noeritreretiko fa azonao anampiana ahy”? Miharihary fa mila ny manomboka manao zavatra mifanentana isika raha tiantsika ny hampionona ilay nidonam-pahoriana. Koa inona àry no azontsika atao amin’ny fomba mahasoa? Indreto misy fanipazan-kevitra azo ampiharina vitsivitsy.
11. Amin’ny ahoana ny fihainoantsika no afaka mampionona ny hafa?
11 Mihainoa: Ny iray amin’ireo zavatra manampy indrindra azonao atao dia ny fiombonana alahelo amin’ilay nidonam-pahoriana amin’ny fihainoana azy. Mety hanontany ianao hoe: “Ho tianao ve ny hiresaka ny amin’izany?” Avelao ilay olona hanapa-kevitra. Tsaroan’ny Kristiana iray ny fotoana nahafatesan’ny rainy: “Tena nanampy ahy ny nanontanian’ny hafa izay nitranga sy ny tena nihainoany rehefa avy eo.” Araka ny torohevitr’i Jakoba, dia aoka ianao ho mailaka ny hihaino. (Jakoba 1:19). Mihainoa amim-paharetana sy amim-piaraha-miory. “Miaraha mitomany amin’izay mitomany”, hoy ny torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Romana 12:15. Tadidio fa niara-nitomany tamin’i Marta sy i Maria i Jesosy. — Jaona 11:35.
12. Karazana fanomezan-toky indray inona no azontsika atolotra ho an’ireo malahelo?
12 Manolora fanomezan-toky indray: Tadidio ao an-tsaina fa amin’ny voalohany ilay nidonam-pahoriana dia mety hahatsapa tena ho meloka, ka hihevitra fa angamba nisy zavatra betsaka kokoa ho azony natao. Omeo toky ilay olona fa azo inoana fa efa natao izay rehetra azo natao (na izay zavatra hafa fantatrao fa marina sy manorina). Omeo toky indray izy fa tsy hoe tsy mahazatra velively izay tsapany. Lazao azy ny amin’ny olon-kafa fantatrao fa tafarina tamim-pahombiazana avy tamin’ny famoizana mitovy amin’ny azy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia aoka ianao hahatsapa ny fihetseham-pony sy hiara-miory. Afaka mahavita zavatra be dia be tokoa ny fanampiantsika amin-katsaram-panahy! Nanoratra toy izao i Solomona: “Ny teny atao amin’ny antony [“amin’ny fotoana mety”, NW ] dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” — Ohabolana 16:24; 25:11; 1 Tesaloniana 5:11, 14.
13. Raha manao izay hahavonona ny tenantsika hanao zavatra isika, amin’ny ahoana izany no afaka manampy?
13 Aoka ianao ho vonona hanao zavatra: Ataovy izay hahavonona ny tenanao hanao zavatra, tsy mandritra ireo andro vitsivitsy voalohany mbola maha-eo ny havana aman-tsakaiza fotsiny, fa na dia mandritra ireo volana maro atỳ aoriana aza, raha ilaina izany, rehefa niverina tany amin’ny fanaony mahazatra ny hafa. Mety hiovaova be ny fe-potoam-pahalahelovana, miankina amin’ny isam-batan’olona. Afaka mahavita zavatra be dia be tokoa ny fiahiana sy ny fiaraha-miory kristiana asehontsika amin’izay fotoana ilana izany. Milaza ny Baiboly fa “misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza”. Araka izany, ilay fitenenana hoe: “Ny sakaiza amin’ny fotoana ilana azy dia sakaiza tokoa”, dia zava-marina loatra ka tokony hiainantsika. — Ohabolana 18:24; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 28:15.
14. Inona no azontsika resahina mba hampiononana ireo nidonam-pahoriana?
14 Miresaha momba ny toetra tsaran’ilay nody mandry: Izany no fanampiana lehibe hafa iray, rehefa atolotra amin’ny fotoana mety. Milazà tantara fohy manorina tsaroanao momba azy io. Aza matahotra ny hampiasa ny anarany. Aza manao zavatra toy ny hoe tsy nisy mihitsy na hoe tsy nanana ny naha-izy azy ilay nody mandry. Mampionona ny mahalala izay nolazain’ny zavatra vita an-tsoratra iray avy ao amin’ny Harvard Medical School hoe: “Efa karazany tafarina ilay nidonam-pahoriana rehefa afaka mieritreritra an’ilay nody mandry tsy amin’alahelo be izy amin’ny farany (...) Arakaraka ny anekena sy andraisana ilay zava-misy vao haingana, no anjavonan’ny alahelo ao anatin’ny fahatsiarovana mamin’ny fo.” “Fahatsiarovana mamin’ny fo” — mampionona toy inona moa ny mahatsiaro ireny fotoana sarobidy niarahana tamin’ilay olon-tiana ireny! Hoy ny Vavolombelona iray izay namoy ny rainy taona maromaro lasa izay: “Fahatsiarovana manokana ho ahy ny fiaraha-namaky ny Baiboly tamin’i Dada fotoana fohy taorian’ny nanombohany nianatra ny fahamarinana. Ary koa ny fitsotsorana teo amoron-drenirano, nidinika momba ireo zava-nanahirana ahy sasany. Tsy nahita azy aho raha tsy isaky ny telo na efa-taona, koa sarobidy ireny fotoana ireny.”
15. Ahoana no ahafahan’ny olona iray manomboka manao zavatra mba hanampiana?
15 Manomboha manao zavatra rehefa mifanentana izany: Misy olona malahelo sasany afaka mizaka tsaratsara kokoa noho ny hafa. Koa, miankina amin’ny toe-javatra, dia manaova dingana azo ampiharina mba hanampiana. Nahatsiaro toy izao ny vehivavy kristiana nalahelo iray: “Maro no nanao hoe: ‘Raha misy zavatra azoko atao, dia ilazao aho.’ Kanefa tsy mba nanontany ny rahavavy kristiana iray. Nandeha avy hatrany izy niditra ny efitrano fandriana, nanaisotra ny lambam-pandriana naloto sy nanasa azy ireo. Ny hafa iray naka siny sy rano ary fitaovana fanadiovana ka nikosoka mafy ilay karipetra nandoavan’ny vadiko. Ireny ka tena namana, ary tsy hanadino azy ireny na oviana na oviana aho.” Any amin’izay miharihary fa ilana fanampiana, dia manomboha manao zavatra — angamba amin’ny fikarakarana sakafo, fanampiana amin’ny fanadiovana, na fanaovana irakiraka. Mazava ho azy fa tokony hitandrina isika mba tsy hitsofotsofoka foana nefa tsy nasaina rehefa maniry hitokana ilay nidonam-pahoriana. Araka izany, dia tokony handray am-po ireto tenin’i Paoly ireto isika: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy [“hatsaram-panahy”, NW ], fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala.” Tsy ho levona mandrakizay ny hatsaram-panahy sy ny faharetana ary ny fitiavana. — Kolosiana 3:12; 1 Korintiana 13:4-8.
16. Nahoana no afaka manolotra fampiononana ny taratasy iray na ny carte iray?
16 Manorata taratasy na mandefasa carte mampionona: Odian-tsy hita matetika ny hasarobidin’ny taratasy fitsapana alahelo na ny carte fiaraha-miory iray tsara tarehy. Ny tombony? Azo averimberina vakina izy io. Tsy mila hatao lava ny taratasy toy izany, kanefa tokony haneho ny fangorahanao izy io. Tokony hampiseho taratry ny zavatra ara-panahy koa izy io, saingy tsy ho be fananarana. Ilay hafatra fototra fotsiny hoe “Indreto izahay hanohana anao” dia afaka mampionona.
17. Ahoana no ahafahan’ny vavaka mitondra fampiononana?
17 Miaraha mivavaka aminy: Aza hamaivanina ny hasarobidin’ny vavaka hataonao miaraka amin’ireo Kristiana namana nidonam-pahoriana sy hataonao ho azy ireo. Milaza toy izao ny Baiboly ao amin’ny Jakoba 5:16: “Ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.” Ohatra, rehefa mandre antsika mivavaka ho azy ireo malahelo, dia mety hanampy azy ireo hanesotra ny fihetseham-po tsy manorina, toy ny fahatsapan-tena ho meloka, izany. Amin’ny fotoana mampahalemy sy mahakivy antsika, i Satana dia mitady hanimba antsika tsikelikely amin’ny ‘fanangoleny’, na ny ‘asany feno hafetsen-dratsy’. Amin’izay isika no mila ny fampiononana sy ny fanohanan’ny vavaka, araka ny nolazain’i Paoly hoe: “Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra”. — Efesiana 6:11, 18, Kingdom Interlinear; ampitahao amin’ny Jakoba 5:13-15.
Izay tokony hohalavirina
18, 19. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny resadresatsika?
18 Rehefa malahelo ny olona iray, dia misy koa zavatra tsy tokony hatao na holazaina. Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 12:18: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” Indraindray, dia tsy tsapantsika akory fa tsy maneho fahaiza-mandanjalanja isika. Ohatra, mety hilaza isika hoe: “Fantatro izay tsapanao.” Kanefa izany tokoa ve no izy? Efa nandalo famoizana mitovy tanteraka amin’ny azy ve ianao? Na dia amin’izay koa aza dia samy hafa ny fihetsiky ny olona. Mety ho tsy nitovy tamin’ny an’ilay olona malahelo ny fihetsikao. Mety ho fanehoana fahatsapana kokoa ny fihetseham-pony ny hilazana hoe: “Tena mangoraka anao tokoa aho satria nandalo famoizana mitovy amin’ny anao rehefa maty ny (...)ko efa elaela izay.”
19 Ho fanehoana fahatsapana ny fihetseham-pony koa ny fanalavirana firesahana momba ny hoe hitsangana ilay nody mandry sa tsia. Nisy rahalahy sy anabavy sasany voaratra lalina ara-pihetseham-po noho ny fanamarihana nanombantombanana momba ny mety ho ny hoavin’ny vady tsy mpino iray nody mandry. Tsy isika no mpitsara ny amin’ny hoe iza no hatsangana na tsy hatsangana. Afaka ny ho maivamaivana isika mahalala fa i Jehovah, izay mijery ny fo, dia hamindra fo be lavitra noho ny ankamaroantsika. — Salamo 86:15; Lioka 6:35-37.
Andinin-teny mampionona
20, 21. Andinin-teny sasany inona avy no afaka mampionona ireo nidonam-pahoriana?
20 Ny iray amin’ny loharanom-panampiana lehibe indrindra, rehefa atolotra amin’ny fotoana mety, dia ny fandinihana ireo fampanantenan’i Jehovah ho an’izay nody mandry. Mahasoa ireny hevitra ao amin’ny Baiboly ireny, na efa Vavolombelona ilay nidonam-pahoriana, na olona iray hitantsika eny amin’ny fanompoana. Inona avy no sasany amin’ireo andinin-teny ireo? Fantatsika fa i Jehovah no ilay Andriamanitry ny fampiononana rehetra, satria nilaza izy hoe: “Izaho dia Izaho no mpampionona anareo”. Nilaza koa izy hoe: “Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo”. — Isaia 51:12; 66:13.
21 Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Izao no mampionona ahy amin’ny fahoriako; ny teninao no mamelona ahy. Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, Jehovah ô, dia mionona aho. Ny famindramponao anie no hampiononana ahy araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.” Mariho fa ilay teny hoe ‘mampionona’ dia ampiasaina miverimberina eo amin’ireo andininy ireo. Eny, afaka mahita ny tena fampiononana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa isika amin’ny fitodihana amin’ny Tenin’i Jehovah amin’ny fotoana mampahory antsika. Izy io, ampiarahina amin’ny fitiavana sy ny fangorahan’ny rahalahy, dia afaka manampy antsika hiaritra amim-pahombiazana ny alahelo noho ny famoizantsika ka hameno indray ny fiainantsika amin’ny asa mahafaly eo amin’ny fanompoana kristiana. — Salamo 119:50, 52, 76.
22. Fahatsinjovan-javatra inona no mipetraka eo anoloantsika?
22 Afaka mandresy ny alahelontsika hatramin’ny fetra sasany koa isika rehefa misahirana manampy ny hafa amin’ny fahoriany. Rehefa mampitodika ny saintsika any amin’ny hafa mila fampiononana isika, dia mahazo koa ilay tena fahasambarana avy amin’ny fanomezana amin’ny heviny ara-panahy. (Asan’ny Apostoly 20:35). Aoka isika hizara amin’izy ireo ny fahitana ilay andro fitsanganana amin’ny maty, rehefa handray an-tanan-droa ireo olon-tiany nafoiny hitsangana amin’ny maty hiditra ao amin’ny tontolo vaovao iray, ny taranaka nifandimby avy tamin’ireo firenena taloha rehetra. Fahatsinjovan-javatra re izany! Ranomasom-pifaliana re no hirotsaka amin’izany rehefa hotsaroantsika fa i Jehovah dia Andriamanitra “Izay mampionona ny mpandefitra” tokoa! — 2 Korintiana 7:6.
Tadidinao Ve?
◻ Amin’ny ahoana i Jehovah no “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”?
◻ Ahoana no nampiononan’i Jesosy sy i Paoly ireo malahelo?
◻ Inona avy no zavatra sasany azontsika atao mba hampiononana an’ireo malahelo?
◻ Inona no tokony hohalavirintsika rehefa mifandray amin’ireo nidonam-pahoriana?
◻ Inona avy ireo andinin-teny tianao indrindra ho fampiononana amin’ny fotoana hamoizana olon-tiana?
[Sary, pejy 15]
Manomboha manao zavatra amim-pahaiza-mandanjalanja mba hanampiana an’ireo malahelo