Vavolombelona Manohitra Ireo Andriamanitra Sandoka
“Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko”. — ISAIA 43:10.
1. Iza moa no Andriamanitra marina, ary amin’ny lafiny inona avy izy no fara tampony eo amin’ireo andriamanitra maro be izay tolorana fanompoam-pivavahana amin’izao andro izao?
IZA moa no Andriamanitra marina? Amin’izao andro izao, dia mifanandrina amin’ny olombelona rehetra io fanontaniana lehibe io. Na dia manolotra fanompoam-pivavahana amin’andriamanitra maro be aza ny olombelona, dia Iray ihany no afaka manome antsika fiainana sy manolotra antsika hoavy sambatra. Iray ihany no azo lazaina hoe: “Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika”. (Asan’ny Apostoly 17:28). Marina tokoa fa Andriamanitra iray ihany no manana zo hotolorana fanompoam-pivavahana. Araka ny lazain’ilay amboarampeon’ny lanitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy hoe: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” — Apokalypsy 4:11.
2, 3. a) Ahoana no nihaikan’i Satana tamim-pandaingana ny zon’i Jehovah hotolorana fanompoam-pivavahana? b) Inona no vokatry ny fahotan’i Eva teo amin’i Eva sy ny zanany, ary inona no vokany ho an’i Satana?
2 Tao amin’ny saha Edena, i Satana dia nihaika tamim-pandaingana ny zon’i Jehovah hotolorana fanompoam-pivavahana. Tamin’ny fampiasana menarana, dia nilaza tamin’i Eva izy fa raha nikomy tamin’ny lalàn’i Jehovah i Eva ka nihinana tamin’ilay hazo nandraran’i Jehovah, dia ho tahaka an’Andriamanitra ny tenany. Toy izao ny teniny: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:5). Nino an’ilay menarana i Eva, ka dia nihinana ilay voankazo voarara.
3 Mazava ho azy fa nandainga i Satana. (Jaona 8:44). Ny hany fomba naha-“tahaka an’Andriamanitra” an’i Eva fony izy nanota, dia ny nakany ilay andraikitra hanapaka ny amin’izay tsara sy izay ratsy, dia zavatra izay tokony ho navela ho an’i Jehovah. Ary na dia teo aza ny laingan’i Satana, dia maty izy tamin’ny farany. Koa ny hany nandray soa tamin’ny fahotan’i Eva dia i Satana. Tsy azo lavina fa ny tanjon’i Satana tsy voambara teo am-pandresen-dahatra an’i Eva hanota, dia ny hahatongavan’ny tenany ho andriamanitra. Fony i Eva nanota, dia izy no tonga olombelona voalohany mpanara-dia an’i Satana, ary tsy ela i Eva dia narahin’i Adama. Ny ankamaroan’ireo zanany dia tsy vitan’ny hoe teraka tao anatin’ny “ota” fa latsaka teo ambanin’ny fitaoman’i Satana koa, ary tao anatin’ny fotoana fohy, dia nanjary niforona ny tontolo iray manontolo lavitra an’ilay Andriamanitra marina. — Genesisy 6:5; Salamo 51:5, NW.
4. a) Iza no ilay andriamanitr’itỳ tontolo itỳ? b) Inona no ilaina maika?
4 Rava io tontolo io tamin’ny Safodrano. (2 Petera 3:6). Taorian’ny Safodrano dia nisy indray tontolo hafa iray lavitra an’i Jehovah nitombo, ary mbola misy izy io. Hoy ny Baiboly momba azy io: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Amin’ny fanaovany zavatra mifanohitra amin’ny soratry ny lalàn’i Jehovah sy ny zava-kendren’izy io, itỳ tontolo itỳ dia miasa ho an’ny zava-kendren’i Satana. Izy no andriamaniny. (2 Korintiana 4:4). Amin’ny fotony anefa, dia andriamanitra tsy mahefa na inona na inona izy. Tsy afaka manao izay hahasambatra ny olona na hanome azy ireo aina, izy; i Jehovah irery ihany no afaka manao izany. Noho izany, ny olona izay maniry fiainana misy heviny sy tontolo iray tsara kokoa dia tsy maintsy mahafantatra aloha fa i Jehovah no ilay Andriamanitra marina, ary avy eo dia mianatra hanao ny sitrapony. (Salamo 37:18, 27, 28; Mpitoriteny 12:13). Araka izany, dia ilaina maika ny lehilahy sy vehivavy manam-pinoana hijoro ho vavolombelona, na hanao fanambarana ny fahamarinana momba an’i Jehovah.
5. ‘Vavolombelona toy ny rahona’ iza no notononin’i Paoly? Lazao ny anaran’ny olona sasany izay tanisainy.
5 Hatrany am-piandohana, dia niseho teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao ny olona nahatoky toy izany. Ao amin’ny Hebreo toko faha-11, ny apostoly Paoly dia manome lisitra lava be ny amin’izy ireo ary miantso azy ireo hoe ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’. (Hebreo 12:1). I Abela, lahiaivon’i Adama sy i Eva, no voalohany eo amin’ilay lisitra nataon’i Paoly. Voatonona koa i Enoka sy i Noa tamin’ny fotoana talohan’ny Safodrano. (Hebreo 11:4, 5, 7). Niavaka i Abrahama, razambe fototry ny firazanana jiosy. I Abrahama izay antsoina hoe “sakaizan’Andriamanitra”, dia tonga razamben’i Jesosy “Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina”. — Jakoba 2:23; Apokalypsy 3:14.
Fijoroan’i Abrahama ho vavolombelona ho an’ny fahamarinana
6, 7. Tamin’ny fomba ahoana avy ny fiainana sy ny asan’i Abrahama no vavolombelona fa i Jehovah no ilay Andriamanitra marina?
6 Ahoana no niasan’i Abrahama ho toy ny vavolombelona? Tamin’ny finoany natanjaka sy tamin’ny fankatoavany tsy nivadika tamin’i Jehovah. Rehefa nasaina nandao an’i Ora, tanàn-dehibe izy, ary handany ny andro sisa hiainany tany an-tany lavitra, dia nankato i Abrahama. (Genesisy 15:7; Asan’ny Apostoly 7:2-4). Ireo lehilahy anisan’ny foko mpanjenjena matetika dia handao ny fiainany tamin’ny naha-mpifindrafindra monina mba hifidianana fiainana an-tanàna izay tsy misy loza kokoa. Noho izany, rehefa nandao ilay tanàna mba hanana fiainana an-day i Abrahama, dia nanome porofo lehibe ny amin’ny fatokiany an’i Jehovah Andriamanitra. Ny fankatoavany dia vavolombelona teo amin’ireo mpitazana. Nitahy be dia be an’i Abrahama i Jehovah noho ny finoany. Na dia niaina an-day aza i Abrahama dia nahazo fanambinana ara-nofo izy. Rehefa nentina ho babo i Lota sy ny fianakaviany, dia nataon’i Jehovah nahomby ny fanenjehan’i Abrahama avy tao aoriana ka afaka namonjy azy ireo izy. Nitera-jazalahy ny vadin’i Abrahama teo amin’ny fahanterany, ka araka izany dia nohamafisina ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hanan-taranaka i Abrahama. Tamin’ny alalan’i Abrahama, dia hitan’ny olona fa Andriamanitra velona izay manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah. — Genesisy 12:1-3; 14:14-16; 21:1-7.
7 Rehefa niverina avy namonjy an’i Lota i Abrahama, dia nitsena azy sy niarahaba tonga soa azy tamin’ny filazana hoe: “Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie Abrama”, i Melkizedeka, mpanjakan’i Salema (nantsoina hoe Jerosalema tatỳ aoriana). Nitsena azy koa ny mpanjakan’i Sodoma ary naniry ny hanolotra fanomezana azy. Tsy nety i Abrahama. Nahoana? Tsy naniry ny hisian’ny fisalasalana izy raha ny amin’ilay Loharanon’ny fitahiana azony. Hoy izy: “Izaho efa nanangan-tànana tamin’i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’izay rehetra mety ho anao (fandrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an’i Abrama)”. (Genesisy 14:17-24). Vavolombelona tsara dia tsara toy inona moa i Abrahama!
Firenena iray voaforona vavolombelona
8. Ahoana no nanehoan’i Mosesy finoana lehibe an’i Jehovah?
8 Miseho eo amin’ilay lisitra nataon’i Paoly misy vavolombelona koa i Mosesy, taranak’i Abrahama. Nandao ny harenan’i Egypta i Mosesy, ary tatỳ aoriana dia niatrika tamim-pahasahiana ilay mpanapaka an’io herim-panjakana lehibe io mba hitarihana ny zanak’Isiraely ho amin’ny fahafahana. Taiza izy no nahazo ilay herim-po? Avy tamin’ny finoany. Hoy i Paoly: “Naharitra toy ny mahita Izay tsy hita [i Mosesy].” (Hebreo 11:27). Ireo andriamanitr’i Egypta dia hita maso sy azo notsapain-tanana. Na dia amin’izao andro izao aza, dia manaitra ny sain’ny olona ny sarivongan’izy ireny. Kanefa i Jehovah, na dia tsy hita maso aza, dia tena nisy lavitra ho an’i Mosesy noho ireny andriamanitra sandoka rehetra ireny. Tsy nanana fisalasalana i Mosesy ny amin’ny hoe nisy i Jehovah sy ny amin’ny hoe hamaly soa ireo mpivavaka aminy izy. (Hebreo 11:6). Tonga vavolombelona niavaka iray i Mosesy.
9. Ahoana no tokony hanompoan’ny Isiraely an’i Jehovah?
9 Rehefa avy nitarika ny Isiraelita ho amin’ny fahafahana i Mosesy dia tonga mpanalalana tamin’ny fanekena iray teo amin’i Jehovah sy ny taranak’i Abrahama tamin’ny alalan’i Jakoba. Ho vokatr’izany, dia nanjary nisy ny firenen’ny Isiraely, tamin’ny naha-fananana manokana ho an’i Jehovah azy. (Eksodosy 19:5, 6, NW ). Sambany vao nisy ny fanambarana ara-pirenena tokony hatao. Tamin’ny fotony, ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia, 800 taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nihatra hatrany am-piandohan’ny fisian’ilay firenena: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy”. (Isaia 43:10). Ahoana no hanompoan’io firenena vaovao io amin’ny maha-vavolombelon’i Jehovah azy? Tamin’ny finoany sy ny fankatoavany ary tamin’ny alalan’ireo asa nataon’i Jehovah ho azy ireo.
10. Tamin’ny ahoana ireo asa lehibe nataon’i Jehovah ho an’ny Isiraely no nanao fanambarana, ary inona no vokany?
10 Efa-polo taona teo ho eo taorian’ny fiandohany, dia nadiva hahazo ny Tany Nampanantenaina ny Isiraely. Nisy mpisafo tany nandeha nizaha ny tanànan’i Jeriko, ary niaro azy ireo i Rahaba, mponina tao Jeriko. Nahoana? Hoy i Rahaba: “Efa renay ny nanamainan’i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita, izay tany an-dafin’i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo. Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.” (Josoa 2:10, 11). Ny tatitra momba ireo asa lehibe nataon’i Jehovah dia nanosika an’i Rahaba sy ny fianakaviany handao an’i Jeriko sy ireo andriamaniny sandoka ka hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah niaraka tamin’ny Isiraely. Mazava fa nanao fanambarana mahery tamin’ny alalan’ny Isiraely i Jehovah. — Josoa 6:25.
11. Andraikitra inona no nananan’ny ray aman-dreny isiraelita rehetra raha ny amin’ny fanaovana fanambarana?
11 Fony ireo Isiraelita mbola tany Egypta, dia naniraka an’i Mosesy tany amin’i Farao i Jehovah ka nanao hoe: “Mankanesa ao amin’i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy; ary mba holazainao ho ren’ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.” (Eksodosy 10:1, 2). Ireo Isiraelita nankato dia hilaza amin’ireo zanany ny amin’ireo asa mahery nataon’i Jehovah. Ireo zanany kosa dia hilaza izany amin’ny zanany, ary dia ho toy izany ihany no hatao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Araka izany, dia ho tadidy ireo asa mahery nataon’i Jehovah. Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao, fa manana andraikitra hanao fanambarana amin’ireo zanany ny ray aman-dreny. — Deoteronomia 6:4-7; Ohabolana 22:6.
12. Tamin’ny ahoana ny fitahian’i Jehovah teo amin’i Solomona sy ny Isiraely no niasa ho toy ny fanambarana?
12 Ireo fitahiana manana amby ampy nomen’i Jehovah ny Isiraely fony izy io nahatoky dia niasa ho toy ny vavolombelona iray teo amin’ireo firenena manodidina. Izany dia araka ny nolazain’i Mosesy, rehefa avy nitantara indray ireo fitahiana nampanantenain’i Jehovah, izy nanao hoe: “Dia ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa ny anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.” (Deoteronomia 28:10). Nomena fahendrena sy harena i Solomona noho ny finoany. Teo ambany fanapahany, dia nambinina ilay firenena sady nankafy fe-potoana lava nisy fiadanana. Izao no vakintsika momba io fotoana io: “Dia nisy tonga avy tany amin’ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren’i Solomona, dia avy amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra izay efa nahare ny amin’ny fahendreny.” (1 Mpanjaka 5:5, 9, 10, 14). Anisan’ny niavaka tamin’ireo mpitsidika an’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba. Taorian’ny nahitan’ny tenany mihitsy ny fitahian’i Jehovah teo amin’ilay firenena sy ny mpanjakany, dia niteny toy izao izy: “Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin’ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an’i Jehovah Andriamanitrao; (...) noho ny fitiavan’Andriamanitrao ny Isiraely”. — 2 Tantara 9:8.
13. Mety ho inona no fanambarana mandaitra indrindra nataon’ny Isiraely, ary ahoana no mbola andraisantsika soa avy amin’izany?
13 Ny apostoly Paoly dia nanonona izay angamba ny fanambarana nandaitra indrindra nataon’ny Isiraely. Rehefa niresaka ny amin’ny Isiraely ara-nofo tamin’ny kongregasiona kristiana tany Roma izy, dia niteny hoe: “Izy no notolorana ny tenin’Andriamanitra ho adidiny.” (Romana 3:1, 2). Nanomboka tamin’i Mosesy, dia nisy Isiraelita nahatoky sasany nahazo tsindrimandry mba handrakitra an-tsoratra ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Isiraely mbamin’ny toroheviny sy ny lalàny ary ny faminaniany. Tamin’ny alalan’ireny soratra ireny, ireo mpanora-dalàna fahiny ireo dia nanao fanambarana tamin’ireo taranaka rehetra ho avy — tafiditra amin’izany ilay misy antsika ankehitriny — fa iray ihany ny Andriamanitra, ary Jehovah no anarany. — Daniela 12:9; 1 Petera 1:10-12.
14. Nahoana no nizaka fanenjehana ny sasany izay nanao fanambarana momba an’i Jehovah?
14 Nampalahelo fa tsy nampiseho finoana matetika ny Isiraely, ary tamin’izay dia voatery nandefa vavolombelona tany amin’ilay firenen’ny tenany ihany, i Jehovah. Maro tamin’izy ireny no voaenjika. Nilaza i Paoly fa ny sasany dia “niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa”. (Hebreo 11:36). Tena vavolombelona nahatoky tokoa! Nampalahelo toy inona moa fa ny fanenjehana azy ireny dia matetika no avy tamin’ireo anisan’ny firenena voafidin’i Jehovah toa azy ihany! (Matio 23:31, 37). Raha ny marina, dia nanjary lehibe aoka izany ny fahotan’ilay firenena ka tamin’ny 607 al.f.i., dia nitondra ny Babyloniana i Jehovah mba handrava an’i Jerosalema niaraka tamin’ny tempoliny sy hitondra ny ankamaroan’ireo Isiraelita sisa tsy maty hatao sesitany. (Jeremia 20:4; 21:10). Moa ve izany no faran’ilay fanaovana fanambarana ara-pirenena momba ny anaran’i Jehovah? Tsia.
Fitsarana ireo andriamanitra
15. Ahoana no nanaovana fanambarana na dia tany amin’ny sesitany babyloniana aza?
15 Na dia tany amin’ny sesitany babyloniana aza ireo mpikambana nahatoky tamin’ilay firenena dia tsy nisalasala nijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah sy ny heriny. Tamin-kasahiana, ohatra, no nanomezan’i Daniela ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara, nanazavany ilay soratra teo amin’ny rindrina tamin’i Belsazara, ary tsy netezany hanaiky lembenana teo anatrehan’i Dariosy tamin’ilay raharaha momba ny vavaka. Ireo hebreo telo lahy koa, rehefa tsy nety niankohoka teo anatrehan’ny sary iray, dia nanao fanambarana nahatalanjona tamin’i Nebokadnezara. — Daniela 3:13-18; 5:13-29; 6:4-27.
16. Ahoana no nilazan’i Jehovah mialoha ny hiverenan’ny Isiraely tany amin’ny taniny, ary inona no ho zava-kendren’izany fiverenana izany?
16 Na dia izany aza, i Jehovah dia nikasa ny hanaovana fanambarana ara-pirenena indray teo amin’ny tanin’ny Isiraely. I Ezekiela izay naminany teo anivon’ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona, dia nanoratra toy izao ny amin’ny fahatapahan-kevitr’i Jehovah momba ilay tany lao: “Hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak’Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava”. (Ezekiela 36:10). Nahoana no hanao izany i Jehovah? Voalohany indrindra, dia mba ho vavolombelona ho an’ny anaran’ny tenany ihany. Hoy izy tamin’ny alalan’i Ezekiela: “Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin’ny jentilisa izay nalehanareo.” — Ezekiela 36:22; Jeremia 50:28.
17. Inona no teny manodidina ny Isaia 43:10?
17 Fony izy naminany ny fiverenan’ny Isiraely avy tamin’ny sesitany babyloniana ny mpaminany Isaia no nahazo tsindrimandry hanoratra ireo teny ao amin’ny Isaia 43:10 izay nilaza fa Isiraely dia vavolombelon’i Jehovah, mpanompony. Ao amin’ny Isaia 43 sy 44, i Jehovah dia lazalazaina ho Mpamorona ny Isiraely, ho Andriamaniny, ny Iray Masiny, ho Mpamonjy azy, ho Mpanavotra azy, ho Mpanjakany sy Mpahary azy. (Isaia 43:3, 14, 15; 44:2). Navela hitranga ny fanaovana sesitany ny Isiraely satria imbetsaka ilay firenena no tsy nahavita nankalaza an’i Jehovah tamin’ny naha-toy izany azy. Mbola vahoakany ihany anefa izy ireo. Hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao.” (Isaia 43:1). Hifarana ny fanaovana sesitany ny Isiraely tany Babylona.
18. Tamin’ny ahoana ny fanafahana ny Isiraely tany Babylona no nanaporofo fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina?
18 Marina tokoa fa i Jehovah dia nanao ny fanafahana ny Isiraely avy tany Babylona tao anatin’ny fitsarana ireo andriamanitra. Nihaika ireo andriamanitra sandok’ireo firenena mba hamoaka ny vavolombelon’izy ireo, i Jehovah ary nanendry ny Isiraely ho vavolombelony izy. (Isaia 43:9, 12). Rehefa nanafaka ny Isiraely tamin’ny sesitany izy, dia noporofoiny fa tsy andriamanitra velively ireo andriamanitr’i Babylona, fa izy no hany Andriamanitra marina. (Isaia 43:14, 15). Fony i Jehovah nanendry an’i Kyrosy Persiana ho mpanompony tamin’ny fanafahana ny Jiosy, 200 taona teo ho eo talohan’ilay zava-nitranga, dia nanome porofo fanampiny ny amin’ny maha-Andriamanitra azy izy. (Isaia 44:28). Hafahana ny Isiraely. Nahoana? Manazava toy izao i Jehovah: “Hanambara fiderana Ahy [ny Isiraely]”. (Isaia 43:21). Izany dia hanome fahafahana fanampiny ho amin’ny fanambarana iray.
19. Fanambarana inona no nataon’i Kyrosy tamin’ny fanasana ny Isiraelita hiverina avy tany Jerosalema sy nataon’ny asan’ireo Jiosy nampiseho fahatokiana taorian’izany fiverenana izany?
19 Rehefa tonga ilay fotoana, dia nandresy an’i Babylona araka izay nambaran’ny faminaniana i Kyrosy Persiana. Na dia mpanompo sampy aza i Kyrosy, dia nanambara ny naha-Andriamanitra an’i Jehovah rehefa namoaka fanambarana toy izao tamin’ireo Jiosy tany Babylona: “Iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, — Izy no Andriamanitra [marina, NW ] Izay any Jerosalema.” (Ezra 1:3). Jiosy maro no nanaiky. Nanao dia lavitra nankany amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo ary nanangana alitara teo amin’ilay toerana nisy ny tempoly taloha. Na dia teo aza ny fahakiviana sy ny fanoherana mafy, dia afaka nanorina indray ny tempoly sy ny tanànan’i Jerosalema izy ireo tamin’ny farany. Nitranga izany rehetra izany, araka ny nolazain’i Jehovah mihitsy hoe: “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahi[ny]”. (Zakaria 4:6). Ireny zava-bita ireny dia nanome porofo fanampiny fa i Jehovah no Andriamanitra marina.
20. Na dia teo aza ny fahalemen’ny Isiraely, dia inona no azo lazaina ny amin’ny fanaovany fanambarana momba ny anaran’i Jehovah teo amin’ny tontolo fahiny?
20 Araka izany, dia nanohy nampiasa ny Isiraely ho vavolombelony i Jehovah, na dia firenena nisy vahoaka tsy lavorary sy mpikomy indraindray aza izy io. Teo amin’izao tontolo izao talohan’ny andro kristiana, io firenena io, niaraka tamin’ny tempoliny sy ny fisoronany, dia nampiseho ny foiben’ny fanompoam-pivavahana marina maneran-tany. Na iza na iza mamaky ny Soratra Hebreo misy ireo asan’i Jehovah mifandray amin’ny Isiraely, dia afaka ny tsy hisalasala mihitsy fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra marina iray ihany, ary Jehovah no anarany. (Deoteronomia 6:4; Zakaria 14:9). Nisy anefa fanambarana lehibe kokoa tokony hatao momba ny anaran’i Jehovah, ary hodinihintsika izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no nanaovan’i Abrahama fanambarana fa i Jehovah no ilay Andriamanitra marina?
◻ Toetran’i Mosesy niavaka inona no nahatonga azy ho vavolombelona nahatoky?
◻ Tamin’ny fomba ahoana avy no nanaovan’ny Isiraely fanambarana ara-pirenena momba an’i Jehovah?
◻ Tamin’ny ahoana ny fanafahana ny Isiraely avy tany Babylona no fampisehoana fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina?
[Sary, pejy 10]
Tamin’ny alalan’ny finoany sy ny fankatoavany, dia nanao fanambarana niavaka momba ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah, i Abrahama