Arovy ny Fahatsapanao Fahadodonana
INONA no fomba iray azo antoka sady ankasitrahan’Andriamanitra hanompoana hatrany an’i Jehovah amin’ny fanahy rehetra? Izany dia ny fananana fahatsapana fahadodonana marina, latsaka lalina ao am-pontsika. Ny hoe manompo an’Andriamanitra amin’ny fanahy rehetra dia midika ho fanompoana azy amin’ny maha-isika antsika manontolo, ary izany dia mitaky fankatoavana amim-pahatsorana sy tsy misy fihambahambana ny zavatra rehetra asainy ataontsika.
Nanantitrantitra io zavatra ilaina io ny mpaminany Mosesy rehefa nampianatra ny firenen’Isiraely izy hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” (Deoteronomia 6:5). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia naverin’i Kristy Jesosy io didy io ihany manao hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” (Matio 22:37). Niresaka tsy nivantana ny amin’io zavatra notakina io ihany ny apostoly Paoly, rehefa nilaza tamin’ireo Efesiana izy mba hanao “ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fanahy rehetra”, ary rehefa nampirisika ireo Kolosiana izy hoe: “Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fanahy rehetra, tahaka ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.” — Efesiana 6:6, NW; Kolosiana 3:23, NW.
Sarotra anefa ny mametraka ny fontsika sy ny fanahintsika ao amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra, raha tsy manana fahatsapana fahadodonana latsaka lalina ao anatintsika isika, na koa raha efa nanjary donto — angamba efa very tanteraka aza — ankehitriny ilay fahatsapana fahadodonana nananantsika teo aloha. Amin’izao andro izao, isika dia miaina amin’ny fotoan’ny fahadodonana, izay tsy mitovy amin’ny fe-potoana hafa rehetra teo amin’ny tantaran’ny olombelona.
Fe-potoan’ny fahadodonana voafaritra tsara
Talohan’ny andro kristiana dia nisy fe-potoan’ny fahadodonana maromaro. Ny andron’i Noa sy ny fe-potoana nitarika ho amin’ny fandravana an’i Sodoma sy i Gomora dia azo antoka fa fotoan’ny tena fahadodonana. (2 Petera 2:5, 6; Joda 7). Ireo taona talohan’ny Safo-drano dia tsy isalasalana fa feno asa nahadodona. Na dia tsy nahalala tamin’ny fomba mazava ny fotoana hanombohan’ilay Safo-drano aza i Noa sy ny fianakaviany, ny ‘tahotra araka an’Andriamanitra’ nananany dia ho nanao izay hahazoana antoka fa tsy nangataka andro izy ireo. — Hebreo 11:7, NW.
Toy izany koa, talohan’ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora, dia “nandodona an’i Lota” ireo anjely sady nilaza taminy hoe: “Mandosira hamonjy ny ainao”. (Genesisy 19:15, 17). Eny, tamin’io fotoana io koa, dia namonjy ain’olo-marina ny fahadodonana. Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nampirisihina toy izao ireo babo jiosy tany Babylona: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy”. (Isaia 52:11). Tamin’ny 537 al.f.i., dia olona natao sesitany tokony ho 200 000 no niala faingana tao Babylona ho fankatoavana an’io didy ara-paminaniana nahadodona io.
Ny fahatsapana fahadodonana tamin’ny tsirairay tamin’ireo tarehin-javatra ireo, dia niteraka fanompoana tamin’ny fanahy rehetra, teo amin’ireo izay nahatsapa sady nihazona ho velona hatrany ny fiekeny mafy fa niaina tamin’ny fotoana nahadodona ny tenan’izy ireo.
Fahadodonana amin’ny andro kristiana
Voalaza miverimberina ao amin’ny Soratra Grika Kristiana manontolo ny ilana fahadodonana. “Mitandrema”, “miareta tory”, “miambena”, ‘miomàna ianareo’ — ireo rehetra ireo dia teny nampiasain’i Kristy Jesosy mba hampianarana tsikelikely an’ireo mpanara-dia azy ny fahatsapana fahadodonana araka ny tokony ho izy. (Matio 24:42-44; Marka 13:32-37, fanamarihana ambany pejy). Fanampin’izany, ireo fanoharana nataony nahakasika ny virjiny folo, ilay mpanompo ratsy fanahy, sy ny talenta, ary ny fanavahana ny ondry sy ny osy, izany rehetra izany dia mandrisika hiandry ary miteraka fahatsapana fahadodonana. — Matio 25:1, 14, 15, 32, 33.
Tsy vitan’ny hoe niresaka momba ny fahadodonana fotsiny i Jesosy, fa notohanany koa tamin’ny fanaovan-javatra tamim-pahadodonana ny maha-araka ny zava-misy ny teniny. Indray mandeha, dia nilaza toy izao tamin’ny vahoaka izy, rehefa te hihazona azy izy ireo: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” (Lioka 4:42, 43). Ankoatra izany, dia nampirisika ireo mpianany izy mba hangataka amin’ny Tompon’ny vokatra, hampandehanany mpiasa maro kokoa hamory ny vokatra, satria “be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy”. (Matio 9:37, 38). Ny fangatahana amim-pahatsorana toy izany amin’Andriamanitra dia mampiseho marina tokoa toe-tsaina mahatsapa fahadodonana.
Diso toerana ve ny fahadodonana toy izany?
Mety hisy hametraka fanontaniana araka ny fandrindran-kevitra manao hoe: Nahoana no nilaina ny fahatsapana fahadodonana tamin’izany, kanefa dia mbola ho any amin’ny taonjato maro lavitra ilay “fahoriana lehibe” nambara mialoha? — Matio 24:21.
Azontsika atao ny matoky fa tsy hafetsena fotsiny nampiasain’i Jesosy akory izany, mba hitanana ireo mpanara-dia azy ho be atao teo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana. Tsia, ny fitiavan’i Kristy ny mpianany, ary koa ny fahatakarany lavorary ny fomba fijerin’i Jehovah ny fotoana no fototra niorenan’ny toroheviny momba ny fahadodonana. Eny, fantatr’i Kristy Jesosy fa nilaina mba hanatanterahana ny sitrapon’i Jehovah nifanaraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra ny toe-tsaina mahatsapa fahadodonana. Ankoatra izany, dia fantany fa handray soa ara-panahy ny tenan’ireo mpianany tamin’ny fihazonana fahatsapana fahadodonana hatrany mandra-piveriny.
Nasehon’i Jesosy Kristy mazava tsara fa nisy asa fanambarana maneran-tany tokony hotanterahina, ary ao anatin’ny fotoana iray voafetra. (Matio 24:14; Marka 13:10). Ireo ambaratongam-pandrosoana teo amin’io fanendrena io, dia tsy naharihary raha tsy arakaraka ny fitaran’ilay asa. Nilaina anefa ny fahadodonana mba hanatanterahana ny dingana tsirairay. Nasehon’i Jesosy ny fandrosoan’io fanendrena io rehefa nilaza izy hoe: ‘Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy i Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany ianareo.’ (Asan’ny Apostoly 1:8). Ary toy izany no nitaran’ilay fanendrena mandraka ankehitriny. Nisy zavatra nahagaga sasany ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ka nilana fanitsiana teo amin’ny fahazoana hevi-javatra, indraindray.
Niasa ho amin’ny fikasan’i Jehovah ny fahatsapana fahadodonana kristiana. Nanampy ireo mpianatr’i Kristy izy io mba hanatanterahany ny fandrosoan’ny fanendrena azy ireo, nifanaraka tamin’ny fandaharam-potoana tsy misy dison’i Jehovah. Koa amin’izao andro izao, rehefa manao jery todika any amin’ny 2 000 taona lasa eo ho eo isika, dia takatsika amin’ny fomba feno kokoa io fandaharam-potoanan’Andriamanitra io.
Ny fahadodonana kristiana dia nanampy ny mpianatra hanao fanambarana feno tany Jerosalema, sy i Jodia, sy i Samaria ary tamin’ireo Jiosy niely patrana talohan’ny 36 am.f.i., rehefa nifarana ny tombontsoa manokana ho an’ny Isiraely. (Daniela 9:27; Asan’ny Apostoly 2:46, 47). Toy izany koa, ny fahadodonana kristiana dia nanampy ny kongregasiona tany am-boalohany tamin’ny fanomezana fampitandremana mazava an’ireo Jiosy rehetra fa hifarana rehefa afaka fotoana fohy ny fandehan-javatr’izy ireo. (Lioka 19:43, 44; Kolosiana 1:5, 6, 23). Ary taorian’ny nifaranan’izy io tamin’ny fomba tsy nampoizina tamin’ny 70 am.f.i., dia nanampy ireo vavolombelon’i Kristy tamin’ny taonjato voalohany ny fahadodonana, mba hanambarana ny fanantenana ho any an-danitra ho an’ny maro, talohan’ny nampielezan’ilay fivadiham-pinoana nambara mialoha ny haiziny ara-panahy mahafaty. (2 Tesaloniana 2:3; 2 Timoty 4:2). Avy eo, nandritra ireo taonjaton’ny Moyen Âge, ireo Kristiana toy ny vary, vitsy an’isa dia nihazona ny fanantenana an’ilay Fanjakana ho velona hatrany, araka ny efa nanambaran’i Kristy Jesosy azy mialoha. (Matio 13:28-30). Farany, tamin’ny fotoana voatendriny, i Jehovah dia nanangana kongregasiona iray mavitrika sy maoderina, natosik’ilay hafatra fitsarana mahadodona avy aminy, ho an’ireo olona velona amin’izao taranaka farany izao. — Matio 24:34.
Sahala amin’i Daniela fahizay, ireo Vavolombelon’Andriamanitra mahatoky amin’izao andro maoderina izao dia tsy ho sahy mihitsy hanadina an’i Jehovah ka hanontany azy hoe: “Inona no ataonao?” (Daniela 4:32). Matoky izy ireo fa fantatr’i Jehovah indrindra izay tena ilaina mba hanaovana izay hahavita ilay asany araka ny fandaharam-potoana mihitsy. Koa tsy manadina an’i Jehovah ny amin’ny fomba fandaminany raharaha àry izy ireo, fa sambatra kosa satria nomen’Andriamanitra azy ireo ny fahafahana hiara-miasa aminy amin’izao fotoan-dehibe izao. — 1 Korintiana 3:9.
Fampirisihana fanampiny ho amin’ny fahadodonana
Antony hafa iray mahatonga fahadodonana ny tsy fahafahantsika manondro marina ny tena andro sy ora hipoahan’ny fahoriana lehibe tampoka. Tena hentitra i Kristy Jesosy ny amin’ny hoe tsy misy olona eto an-tany mahalala ny andro sy ny ora voalahatra mialoha hanombohan’io fisehoan-javatra fanapahana ilay raharaha niadian-kevitra io. (Matio 24:36). Tamin’ny fotoana hafa iray, dia nilaza toy izao tamin’ireo apostoliny dodona izy: “Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany.” (Asan’ny Apostoly 1:7). Eny, mazava ny fiafaran-javatra, saingy tsy antsika fotsiny ny hahalala ny tsipiriany rehetra.
Nanana ny fihetsika nety ny amin’ny fahadodonana ny apostoly Paoly. Angamba tao an-tsainy ireo tenin’i Jesosy rehefa nanoratra tamin’ireo Tesaloniana momba ny fanatrehan’i Kristy izy hoe: “Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo”. (1 Tesaloniana 5:1). Nanoratra io taratasy io izy, tokony ho 17 taona taorian’ny nilazan’i Jesosy hoe: ‘Ho vavolombeloko hatramin’ny faran’ny tany ianareo.’ (Asan’ny Apostoly 1:8). Tsy nisy zavatra azo nosoratana intsony tamin’izay fotoana izay, satria tsy nisy zavatra naharihary intsony. Na dia izany aza, dia afaka natoky izy ireo fa ho avy marina tokoa “toy ny mpangalatra amin’ny alina” ny andron’i Jehovah, raha mbola ho eo am-pitoriana amim-pahadodonana ny Kristiana. — 1 Tesaloniana 5:2.
Toa tsy azo inoana fa tamin’ny fananana ireo teny ireo tao an-tsaina, ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nieritreritra fa mbola ho any amin’ny taonjato lavitra any ny andron’i Jehovah. Marina fa fantatr’izy ireo ny fanoharan’i Jesosy momba ilay mpanjaka nandeha nankany an-tany lavitra, sy momba ilay lehilahy efa handeha ho any an-tany hafa. Fantatr’izy ireo koa fa ireo fanoharana dia nampiseho fa hiverina ilay mpanjaka “amin’ny farany”, ary ilay lehilahy nandeha dia hiverina “nony ela”. Kanefa tsy isalasalana fa sanganehana izy ireo momba ny fanontaniana toy ny hoe: Rahoviana ny “amin’ny farany”? Ary inona no dikan’ny hoe “nony ela”? Folo taona ve? Roapolo taona ve? Dimampolo taona ve? Sa ela kokoa? (Lioka 19:12, 15, NW; Matio 25:14, 19). Nanohy nanako tao an-tsofin’izy ireo ny tenin’i Jesosy hoe: “Dia miomàna koa hianareo; fa ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo.” — Lioka 12:40.
Vokatra manorin’ny fahadodonana
Eny, ny fahatsapana fahadodonana ampirisihan’Andriamanitra dia nisy vokany nandrisika tamin’ny fomba nahatalanjona teo amin’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ka nanampy azy ireo ho be hatao hatrany teo amin’ilay asa tena lehibe, dia ny fitoriana sy ny fampianarana. Manohy mandrisika antsika amin’ny fomba maro izy io amin’izao andro izao. Misakana antsika tsy hanjary ho afa-po amin’ny tenantsika, na ho ‘sasatra amin’ny fanaovana ny tsara’, izy io. (Galatiana 6:9, King James Version). Miaro antsika tsy ho tafiditra be loatra amin’izao tontolo izao sy ny fitiavany fatratra zavatra ara-nofo mamitaka izy io. Mitana ny saintsika ho amin’“ny tena fiainana” izy io. (1 Timoty 6:19). Nilaza i Jesosy Tompo fa ireo mpianany dia ho tahaka “ny ondry ao ampovoan’ny amboadia”, ary fantany ny ilantsika hihazona fomba fijery tapa-kevitra sy tsy miovaova mba hanoherana an’izao tontolo izao. Eny, mahazo fiarovana isika, voaron’ny fahatsapana fahadodonana kristiana ananantsika. — Matio 10:16.
I Jehovah Andriamanitra, noho ny fahendreny tsy manam-petra, dia nanome foana fanazavana ampy ho an’ny mpanompony mba hihazonan’izy ireo ho velona hatrany ny fahatsapany fahadodonana. Nanome toky antsika tamin-katsaram-panahy izy fa eo amin’ny “andro farany” ho an’itỳ fandehan-javatra simba itỳ, isika. (2 Timoty 3:1, NW ). Ampahatsiahivina tsy tapaka isika fa tsy maintsy mamirapiratra tahaka ny fanazavana isika mandra-panjavon’ilay taranaka misy antsika ao amin’ny fahoriana lehibe ka ny fara tampon’izy io dia ao Haramagedona. — Filipiana 2:15, NW; Apokalypsy 7:14; 16:14, 16.
Eny, ny fahatsapana fahadodonana araka an’Andriamanitra dia tapany tsy azo sarahina amin’ny fanompoana amin’ny fanahy rehetra atao ho an’i Jehovah. Izy io dia mampanalavitra ny fanandraman’ny Devoly hanao izay ‘hahaketraka sy hahareraka ny fanahin’ireo’ mpanompon’Andriamanitra, ary manampy mba hampandamòka izany. (Hebreo 12:3). Ho mandrakizay mandrakizay, ny fifikirana amin’ny fanahy rehetra dia hanao izay hankatoavan’ireo mpanompon’i Jehovah azy, kanefa ankehitriny, amin’izao andro alohan’ny Haramagedona izao, dia tapany tena ilaina amin’ny fifikirana amin’ny fanahy rehetra, ny fahatsapana fahadodonana lalina sady marina.
Enga anie i Jehovah Andriamanitsika hanampy antsika rehetra hiaro ny fahatsapantsika fahadodonana, raha mbola manohy mamerina ireto tenin’ny apostoly Jaona ireto, isika: “Amena. Avia, Jesosy Tompo!” — Apokalypsy 22:20.