Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Mosesy sy Arona — Mpitory Be Herim-po ny Tenin’Andriamanitra
ALAO sary an-tsaina ilay fisehoan-javatra: I Mosesy valopolo taona sy i Arona rahalahiny, nijoro teo anatrehan’ilay lehilahy nahery indrindra teto an-tany — Faraon’i Egypta. Ho an’ireo Egyptiana, io lehilahy io dia nihoatra noho ny hoe solontenan’ireo andriamanitra. Nino izy ireo fa andriamanitra mihitsy ny tenany. Noheverina fa izy mihitsy no fisehoana velon’i Horus, andriamanitra iray nanan-doha voromahery. Niaraka tamin’i Isis sy i Osiris, i Horus dia nahaforona ny trinite lehibe indrindra teo amin’ireo andriamanitra sy andriamani-bavin’i Egypta.
Na iza na iza nanatona an’i Farao dia tsy afaka ny tsy hahamarika ilay sarina lohana cobra fambara loza nandrahona, nidingina avy teo afovoan’ny satroboninahiny. Araka ny voalaza, dia afaka namoaka afo sy fandringanana avy tamin’ny vavany teo amin’izay mety ho fahavalon’i Farao, io bibilava io. Izao i Mosesy sy Arona dia tonga teo anatrehan’io sady andriamanitra no mpanjaka io, nanana fangatahana mbola tsy nisy nanao mihitsy — ny handefasany an’ireo Isiraelita nandevozina mba hahafahan’izy ireo hanao andro firavoravoana ho an’i Jehovah Andriamaniny. — Eksodosy 5:1.
Efa nanambara mialoha i Jehovah fa ho mafy ny fon’i Farao. Noho izany, i Mosesy sy i Arona dia tsy taitra tamin’ilay valin-teny nihantsy nataony hoe: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.” (Eksodosy 4:21; 5:2). Araka izany, dia natao ny fiomanana ho amin’ny fifanandrinana iray nampihetsi-po lalina. Nandritra ilay fihaonana nanaraka, dia nasehon’i Mosesy sy Arona tamin’i Farao ny porofo nampitolagaga fa nisolo tena an’ilay Andriamanitra marina sy tsy toha izy ireo.
Niseho ny fahagagana iray
Araka ny toromarika nomen’i Jehovah, dia nanao fahagagana izay nanaporofo ny fahambonian’i Jehovah noho ireo andriamanitr’i Egypta, i Arona. Natsipiny teo anatrehan’i Farao ny tehiny, ary avy hatrany dia tonga menarana lehibe ilay izy! Sakodiavatra noho io fahagagana io i Farao, ka nampiantso ireo ombiasiny.a Noho ny fanampian’ny herin’ny demonia, dia afaka nanao zavatra nitovy tamin’izany tamin’ny tehiny, ireo lehilahy ireo.
Raha nijery tamim-pahafaham-po i Farao sy ireo mpisorony, dia nihelina ihany izany. Alao sary an-tsaina ny endrik’izy ireo rehefa nitelina ny menaranan’izy ireo tsirairay ny menaranan’i Arona! Afaka nahita izay rehetra teo fa ireo andriamanitra egyptiana dia tsy afaka nifampitaha tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. — Eksodosy 7:8-13.
Na dia taorian’izany aza anefa, dia nitoetra ho mafy ny fon’i Farao. Taorian’ny nandefasan’Andriamanitra famelezana, na loza folo nandrava zavatra teo amin’i Egypta, vao nilaza tamin’i Mosesy sy i Arona toy izao i Farao tamin’ny farany: “Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako hianareo sy ny Zanak’Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’i Jehovah araka ny nolazainareo.” — Eksodosy 12:31.
Fianarana ho antsika
Inona no nahatonga an’i Mosesy sy i Arona ho afaka hanatona an’ilay Farao mahery tao Egypta? Tamin’ny voalohany i Mosesy dia nampiseho tsy fahampiam-patokiana ny fahaizany tamin’ny filazana ny tenany ho “votsa vava sy miadam-piteny”. Na dia rehefa avy nomena toky ny amin’ny fanohanan’i Jehovah aza izy dia niangavy hoe: “Mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nitalaho tamin’Andriamanitra i Mosesy mba haniraka olon-kafa. (Eksodosy 4:10, 13). Na dia izany aza, dia nampiasa an’i Mosesy nalemy fanahy i Jehovah tamin’ny fanomezana azy ny fahendrena sy ny tanjaka nilaina mba hanatanterahana ny fanendrena azy. — Nomery 12:3.
Amin’izao andro izao, dia manatanteraka ilay didy ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’ ireo mpanompon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. (Matio 28:19, 20). Mba hanaovana ny anjarantsika amin’ny fanatanterahana io fanirahana io, dia tokony hampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny fahalalana ny Soratra Masina sy izay fahaizana mety hananantsika isika. (1 Timoty 4:13-16). Aoka isika hanaiky amim-pinoana izay mety ho fanendrena omen’Andriamanitra antsika, fa tsy hifantoka kosa amin’ny tsy fahaizantsika. Afaka manome fahaizana sy manatanjaka antsika mba hanao ny sitrapony izy. — 2 Korintiana 3:5, 6; Filipiana 4:13.
Koa satria i Mosesy niatrika fanoheran’olombelona sy ny an’ny demonia, dia azo antoka fa nila fanampiana mihoatra noho ny an’ny olombelona izy. Noho izany, dia nanome toky azy toy izao i Jehovah: “Indro, efa nataoko andriamanitra ho an’ny Farao hianao”. (Eksodosy 7:1). Eny, nanana ny fanohanana sy ny fahefana avy amin’Andriamanitra i Mosesy. Noho ny fanahin’i Jehovah teo aminy, dia tsy nanana antony natahorana an’i Farao na ny tarik’io mpanapaka niavonavona io i Mosesy.
Tsy maintsy miantehitra amin’ny fanahy masin’i Jehovah, na heriny miasa, koa isika mba hanatanterahana ny fanompoantsika. (Jaona 14:26; 15:26, 27). Noho ny fanohanan’Andriamanitra, dia azontsika averina ny tenin’i Davida izay nihira hoe: “Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny olona amiko?” — Salamo 56:11.
Noho ny fangorahany, dia tsy namela an’i Mosesy ho irery tao amin’ny fanendrena azy i Jehovah. Niteny toy izao kosa Andriamanitra: “Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao. Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin’i Farao”. (Eksodosy 7:1, 2). Fanehoam-pitiavana toy inona avy amin’i Jehovah moa ny niasany tao anatin’ny fetran’izay azon’i Mosesy natao araka ny antonona!
Andriamanitra dia manome antsika fiarahana amin’ny Kristiana namana izay manaiky ilay zava-tsarotra, dia ny ho Vavolombelon’i Jehovah, ilay Avo Indrindra. (1 Petera 5:9). Noho izany, na dia eo aza ireo vato misakana mety hatrehintsika, dia aoka isika ho sahala amin’i Mosesy sy i Arona — ho mpitory be herim-po ny tenin’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay teny hebreo nadika hoe “ombiasy” dia manondro antokona mpanao ody ratsy izay nihambo ho nanana hery nihoatra noho ny an’ireo demonia. Ninoana fa ireny lehilahy ireny dia afaka niantso ireo demonia mba hankato azy ireo, ary tsy nanan-kery tamin’ireny mpanao ody ratsy ireny ny demonia.
[Sary, pejy 25]
Tamin-kerim-po, dia nisolo tena an’i Jehovah teo anatrehan’i Farao, i Mosesy sy i Arona