Inona no Tsy Maintsy Ataontsika mba ho Voavonjy?
NISY lehilahy iray nanontany an’i Jesosy toy izao indray mandeha: “Tompoko, moa vitsy va no hovonjena?” Ahoana no navalin’i Jesosy? Moa ve izy nilaza hoe: ‘Mandraisa ahy ho Tomponao sy Mpamonjy anao fotsiny, dia ho voavonjy ianao?’ Tsia! Nilaza toy izao i Jesosy: “[Miezaha mafy, NW ] hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.” — Lioka 13:23, 24.
Tsy nahavaly ny fanontanian’ilay lehilahy ve i Jesosy? Tsia, ilay lehilahy dia tsy nanontany hoe manao ahoana ny hasarotry ny hahavoavonjy; nanontany kosa izy raha ho vitsy ny isany. Koa nanondro fotsiny àry i Jesosy fa olona vitsy kokoa noho ny mety hampoizina no haniry hiezaka mafy mba handray io fitahiana mahatalanjona io.
‘Tsy izany no nolazaina tamiko’, hoy ny mety ho fanoheran’ny mpamaky sasany. Mety hanonona ny Jaona 3:16 izay milaza toy izao izy ireny: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Kanefa, mamaly toy izao izahay: ‘Inona àry no tsy maintsy inoantsika mba ho voavonjy? Fa tena velona tokoa ve i Jesosy? Mazava ho azy. Fa Zanak’Andriamanitra ve izy? Izany tokoa! Ary satria antsoin’ny Baiboly hoe “Mpampianatra” sy “Tompo” i Jesosy, moa ve isika tsy tokony hino izay nampianariny sy hankato azy ary hanara-dia azy koa?’ — Jaona 13:13; Matio 16:16.
Fanarahana ny dian’i Jesosy
Eto no mipoitra ny zava-manahirana! Olona maro izay nilazana fa “voavonjy” ny tenany no toa tsy mihevitra firy ny hanara-dia na hankato an’i Jesosy akory. Raha ny marina, dia nanoratra toy izao ny mpitondra fivavahana protestanta iray: “Mazava ho azy fa ny finoantsika an’i Kristy dia tokony hitohy. Ny fanantitranterana anefa fa ny finoantsika dia tsy maintsy, na tena ilaina hitohy mihitsy, dia tsy tohanan’ny Baiboly velively.”
Mifanohitra amin’izany, dia tanisain’ny Baiboly kosa ireo fanao ratsy ara-pitondran-tena izay fahita eo amin’ny olona sasany izay mihevitra fa “voavonjy” ny tenany. Momba ny olona iray izay nanohy tamin’ny lalana toy izany, dia nanome toromarika ny Kristiana toy izao izy io: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” Azo antoka fa tsy irin’Andriamanitra ny handotoan’ny olona ratsy fanahy ny kongregasionany kristiana! — 1 Korintiana 5:11-13.
Inona àry no hevitry ny hoe manara-dia an’i Jesosy, ary ahoana no ahafahantsika manao izany? Inona no nataon’i Jesosy? Moa ve izy ratsy fitondran-tena? mpijangajanga? mpimamo? mpandainga? Nanao ny tsy marina ve izy teo amin’ny fandraharahana? Mazava ho azy fa tsia! ‘Nefa’, hoy ny mety ho fanontanianao, ‘tsy maintsy manaisotra ireo zavatra rehetra ireo amin’ny fiainako ve aho?’ Mba hamaliana izany, dia diniho ny Efesiana 4:17 ka hatramin’ny 5:5. Tsy milaza izy io fa handray antsika Andriamanitra, tsy mampaninona izay ataontsika. Milaza amintsika kosa izy io mba hiavaka amin’ny firenena eo amin’izao tontolo izao, izay “tsy mahalala henatra intsony (...). Fa hianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy, (...) mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny (...). Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; (...) Ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany (...). Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany)”.
Moa ve isika manara-dia an’i Jesosy raha tsy fara fahakeliny miezaka miaina mifanaraka amin’ny ohatra navelany? Tsy tokony hiezaka mafy mba hahatonga ny fiainantsika hitovy kokoa amin’ny an’i Kristy ve isika? Mahalana no heverin’ny olona izay milaza, toy ny ataon’ny trakitra ara-pivavahana iray hoe: “Manatòna an’i Kristy ankehitriny — amin’ny maha-ianao anao fotsiny”, izany fanontaniana tena lehibe izany.
Ny iray tamin’ireo mpianatr’i Jesosy dia nampitandrina fa ‘namadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika’, ny olona ratsy fanahy. (Joda 4). Ahoana no mety hamadihantsika ny famindram-pon’Andriamanitra “ho fijejojejoana” raha ny marina? Mety hanao izany isika amin’ny fiheverana fa manarona ireo fahotana an-tsitrapo izay kasaintsika hotohizina hatrany, ny soron’i Kristy, fa tsy ireo fahotana vokatry ny tsy fahalavorarian’olombelona izay iezahantsika hialana. Azo antoka fa tsy irintsika ny hitovy hevitra amin’ny iray amin’ireo evanjelisitra be mpahalala any Amerika, izay nilaza fa tsy voatery “hanadio fiainana, hahafoy ireo fahazaran-dratsy, na hibebaka mba hanarahana ireo fari-pitsipiky ny Baiboly” ianao. — Ampifanohero amin’ny Asan’ny Apostoly 17:30; Romana 3:25; Jakoba 5:19, 20.
Manosika hanao asa ny zavatra inoana
Olona maro no nilazana hoe asa tokana ny “finoana an’i Jesosy” ary hoe tsy voatery ho matanjaka mba hanosika ho amin’ny fankatoavana, ny finoantsika. Tsy mitovy hevitra amin’izany anefa ny Baiboly. Tsy nilaza i Jesosy fa ny olona izay manomboka ny lalana kristiana dia voavonjy. Nilaza toy izao kosa izy: “Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena”. (Matio 10:22). Mampitovy ny lalana kristiana arahintsika amin’ny hazakazaka iray ny Baiboly, ka ny famonjena no loka amin’ny farany. Ary mampirisika toy izao izy io: “Mihazakazaha amin’ny fomba izay mety hahazoanareo azy io”. — 1 Korintiana 9:24, NW.
Noho izany, ny “fandraisana an’i Kristy” dia mahafaoka mihoatra lavitra noho ny fanekena fotsiny ireo fitahiana atolotry ny sorona faran’izay tsara nataon’i Jesosy. Takina ny fankatoavana. Milaza ny apostoly Petera fa ny fitsarana dia manomboka “amin’ny ankohonan’Andriamanitra”, ary dia manampy teny toy izao izy: “Ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy [mankato, NW ] ny filazantsaran’Andriamanitra?” (1 Petera 4:17). Koa tsy maintsy manao mihoatra noho ny mandre sy mino fotsiny àry isika. Milaza ny Baiboly fa isika dia tsy maintsy ‘ho mpankatò ny teny (...) fa tsy mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenantsika’. — Jakoba 1:22.
Ireo hafatra avy amin’ny tenan’i Jesosy
Ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia misy hafatra avy amin’i Jesosy, nampitaina tamin’ny alalan’i Jaona ho an’ireo kongregasiona kristiana fito tany am-boalohany. (Apokalypsy 1:1, 4). Nilaza ve i Jesosy fa satria ny olona tao amin’ireo kongregasiona ireo efa “nandray” azy, dia hoe ampy izany? Tsia. Izy dia nanao teny fiderana ny asany, ny fikelezany aina sy ny fiaretany, ka niresaka ny amin’ny fitiavany sy ny finoany ary ny fanompoany. Nilaza anefa izy fa hizaha toetra azy ireo ny Devoly, ary fa hovalian-tsoa ‘araka ny asany avy’ izy ireo. — Apokalypsy 2:2, 10, 19, 23.
Noho izany, i Jesosy dia nilazalaza fanekena hanao zavatra lehibe lavitra kokoa noho ny nahazoan’ny ankamaroan’ny olona azy, rehefa nilazana izy ireo fa ny famonjena azy ireo dia “asa efa tanteraka” raha vantany vao “nandray” azy tany amin’ny fivoriana ara-pivavahana iray izy ireo. Nilaza toy izao i Jesosy: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy [tsy an-kijanona, NW ]. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.” — Matio 16:24, 25.
Handa ny tenantsika hoe? Hanaraka an’i Jesosy tsy an-kijanona hoe? Izany dia hitaky ezaka. Izany dia hanova ny fiainantsika. Kanefa, tena nilaza tokoa ve i Jesosy fa ny sasany amintsika aza dia mety ho tsy maintsy ‘hahavery ny aintsika’ — ho faty ho azy? Eny, izany karazana finoana izany dia tsy azo afa-tsy amin’ny fahalalana ireo zava-mahagaga azonao fantarina, amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Niharihary izany tamin’ny andro nitoraham-bato an’i Stefana teo an-tanan’ireo olona nirehitra fatratra ara-pivavahana izay “tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany”. (Asan’ny Apostoly 6:8-12; 7:57-60). Ary amin’izao androntsika izao, ny finoana toy izany dia nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah an-jatony maro, izay maty tany amin’ireo toby fitanana nazia, fa tsy nandika ny feon’ny fieritreretany voataiza araka ny Baiboly.a
Zotom-po kristiana
Tsy maintsy mitana mafy ny finoantsika kristiana isika, satria ny Baiboly dia milaza fa mety hiala isika, tsy tahaka izay mety ho rentsika any amin’ireo fiangonana sasany na amin’ireo fandaharana ara-pivavahana ao amin’ny televiziona. Milaza amintsika ny amin’ireo Kristiana izay niala tamin’ny “làlana mahitsy” izy io. (2 Petera 2:1, 15). Isika, noho izany, dia mila ‘miasa amin’ny tahotra sy hovitra hahatanteraka ny famonjena antsika’. — Filipiana 2:12; 2 Petera 2:20.
Izany ve no fomba nahazoan’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, olona izay nandre an’i Jesosy sy ireo apostoliny nampianatra raha ny tena izy, ilay foto-kevitra? Eny. Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy nanao zavatra ny tenany. Nilaza toy izao i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. — Matio 28:19, 20.
Herinandro vitsivitsy taorian’ny nilazan’i Jesosy izany, dia olona 3 000 no natao batisa tao anatin’ny iray andro monja. Nitombo haingana ho 5 000 ny isan’ireo mpino. Ireo izay nino dia nampianatra ny hafa. Rehefa naparitaky ny fanenjehana izy ireo, izany dia tsy nanao afa-tsy ny nampiely ny hafatra nentiny. Lazain’ny Baiboly fa tsy hoe mpitondra vitsivitsy monja, fa “izay niely dia nandeha nitory teny tontolo teny”. Telopolo taona teo ho eo tatỳ aoriana noho izany, dia afaka nanoratra ny apostoly Paoly fa ‘notorina teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’ ny vaovao tsara. — Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4; 8:4; Kolosiana 1:23.
I Paoly dia tsy nanova finoana olona, toy ny ataon’ny evanjelisitra sasany amin’ny televiziona, amin’ny filazana hoe: ‘Raiso i Jesosy izao ankehitriny izao, dia ho voavonjy mandrakizay ianao’. Tsy nanana ny fatokian’ilay anisan’ny klerjy amerikana iray izay nanoratra toy izao koa izy: “Fony aho zatovo, (...) dia efa voavonjy.” Maherin’ny 20 taona taorian’ny nifidianan’i Jesosy manokana an’i Paoly mba hitondra ny hafatra kristiana tany amin’ireo firenena jentilisa, dia nanoratra toy izao io apostoly niasa mafy io: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” — 1 Korintiana 9:27; Asan’ny Apostoly 9:5, 6, 15.
Ny famonjena dia fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Tsy mety ho azo ho tamby izy io. Kanefa, mitaky ezaka avy amintsika izy io. Raha nisy olona nanolotra fanomezana tena sarobidy ho anao, nefa ianao tsy nampiseho fankasitrahana akory mba haka azy io sy hitondra azy io miaraka aminao, dia mety hanosika ilay nanao fanomezana hanolotra azy io ho an’olon-kafa ny tsy fanananao fankasitrahana. Manao ahoana ny hasarobidin’ilay ain’i Jesosy Kristy? Izy io dia fanomezana maimaim-poana, nefa tsy maintsy mampiseho fankasitrahana lalina azy io isika.
Ny Kristiana marina dia eo amin’ny toeran’ny voavonjy, amin’ny heviny hoe eo amin’ny toeram-pankasitrahana eo anoloan’Andriamanitra izy ireo. Amin’ny maha-antokon’olona, dia azo antoka ny famonjena azy. Isam-batan’olona, dia tsy maintsy mahafeno ireo fepetra takin’Andriamanitra izy ireo. Kanefa, mety tsy hahomby isika, satria i Jesosy nilaza toy izao: “Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo”. — Jaona 15:6.
‘Velona ny Tenin’Andriamanitra’
Efa ho 60 taona lasa izay no nisehoan’ilay resaka voatonona teo am-piandohan’ny lahatsoratra teo aloha. Mbola mino i Johnny fa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ihany no hahazoana famonjena, nefa tsapany fa isika dia tsy maintsy miezaka mba hanatratra azy io. Mbola miaiky izy fa ny Baiboly dia manondro ny hany tena loharanom-panantenana ho an’ny olombelona ary fa tsy maintsy mianatra io boky mahatalanjona io isika sy atosik’izy io ary mamela azy io hanosika antsika ho amin’ny asa maneho fitiavana, finoana, hatsaram-panahy, fankatoavana, sy fiaretana. Izy dia nitaiza ny zanany mba hino ny zavatra mitovy amin’izany, ary ankehitriny izy dia finaritra mahita azy ireo koa mitaiza ny zanany amin’ny fomba mitovy amin’izany. Maniry izy ny hananan’ny olona rehetra izany karazana finoana izany, ary manao izay rehetra azony atao izy mba handentehana tsikelikely azy io ao am-po sy ao an-tsain’ny hafa.
Ny apostoly Paoly dia nahazo tsindrimandry mba hanoratra fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”. (Hebreo 4:12). Afaka manova fiainana izy io. Afaka manosika anao ho amin’ny asa maneho fitiavana sy finoana ary fankatoavana amim-pahatsorana izy io. Tsy maintsy manao mihoatra noho ny “mandray” ao an-tsaina fotsiny izay lazain’ny Baiboly anefa ianao. Mianara azy io ary aoka ny fonao hatosik’izy io. Aoka hitarika anao ny fahendrena ao amin’ny Baiboly. Vavolombelon’i Jehovah vonona 5 000 000 eo ho eo any amin’ny tany maherin’ny 230 no manolotra fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano. Mba hahitana izay azonao fantarina avy amin’izany fampianarana izany, dia manorata amin’ny mpampanonta itỳ gazety itỳ. Haharavoravo anao ny finoana sy ny tanjaka ara-panahy ho azonao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tao amin’ny bokiny hoe The Nazi State and the New Religions: Five Case Studies in Non-Conformity, dia nanao tatitra toy izao ny Dr.Pr. Christine E. King: “Iray isaky ny alemanina roa Vavolombelon[’i Jehovah] no natao an-tranomaizina, iray tamin’ny efatra no namoy ny ainy.”
[Efajoro, pejy 7]
Nahoana no ‘miezaka mafy hiaro ny finoana’?
Ny bokin’i Joda ao amin’ny Baiboly dia natao ho an’ireo “voantso (...) voatahiry ho an’i Jesosy Kristy”. Milaza ve izy io fa satria izy ireo efa ‘nandray an’i Jesosy’ dia azo antoka ny famonjena azy? Tsia, nilaza tamin’ny Kristiana toy izany i Joda mba ‘hiezaka mafy hiaro ny finoana’. Nanome azy ireo antony telo hanaovana toy izany i Joda. Voalohany, Andriamanitra dia ‘namonjy ny olona ho afaka tany Egypta’, nefa maro taminy no niala. Faharoa, na dia ireo anjely aza dia nikomy sy tonga demonia. Fahatelo, Andriamanitra dia nandrava an’i Sodoma sy i Gomora noho ny faharatsiam-pitondran-tena lehibe teo amin’ny lahy sy ny vavy natao tao amin’ireo tanàna ireo. I Joda dia mampiseho ireo fitantarana ara-baiboly ireo “ho fananarana”. Eny, na dia ireo mpino “voatahiry ho an’i Jesosy Kristy” aza dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hiala amin’ny finoana marina. — Joda 1-7.
[Efajoro, pejy 8]
Inona no Marina?
Milaza toy izao ny Baiboly: “Finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna.” Milaza toy izao koa izy io: “Hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany.” Inona no marina? Moa ve isika hamarinina amin’ny alalan’ny finoana sa amin’ny alalan’ny asa? — Romana 3:28; Jakoba 2:24.
Ny valin-teny mirindra avy amin’ny Baiboly dia hoe samy marina izy roa ireo.
Nandritra ny taonjato maro, ny Lalàna izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy dia nitaky tamin’ireo mpivavaka jiosy mba hanao sorona sy fanatitra voafaritra tsara, hitandrina ireo andro firavoravoana, hanaraka ireo fepetra ara-tsakafo sy ireo hafa. Izany “asan’ny lalàna” izany, na ireo “asa” fotsiny dia tsy nilaina intsony taorian’ny nanoloran’i Jesosy ilay sorona tanteraka. — Romana 10:4.
Kanefa, ny hoe nosoloan’ny sorona faran’izay tsara nataon’i Jesosy ireny asa natao teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ireny, dia tsy nidika akory fa afaka mody tsy mahalala ireo toromarika ao amin’ny Baiboly isika. Milaza toy izao izy io: “Mainka fa ny ran’i Kristy (...) no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty [fahiny] mba [hanoloranareo fanompoana masina ho an’ilay, NW ] Andriamanitra velona”. — Hebreo 9:14.
Ahoana no ‘anolorantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona’? Ankoatra ny zavatra hafa, dia milaza amintsika ny Baiboly mba hiady amin’ny asan’ny nofo, hanohitra ny faharatsiam-pitondran-tenan’izao tontolo izao, sy hanalavitra ireo fandriny. Milaza toy izao izy io: “Miadia ny ady tsaran’ny finoana”, esory “ny ota izay malaky mahazo antsika”, ary ‘mihazakazaha amim-paharetana amin’ny fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy’. Ary mampirisika mafy antsika ny Baiboly mba ‘tsy ho ketraka ka ho reraka ny fanahintsika’. — 1 Timoty 6:12; Hebreo 12:1-3; Galatiana 5:19-21.
Tsy mahazo ny famonjena ho tambin’ny fanaovantsika ireo zavatra ireo isika, satria tsy misy mihitsy olombelona ho afaka hanao zavatra ka hoe mendrika ny fitahiana mahagaga toy izany. Tsy mendrika io fanomezana mahagaga io anefa isika raha tsy mampiseho ny fitiavantsika sy ny fankatoavantsika amin’ny fanaovana ireo zavatra izay lazain’ny Baiboly fa irin’Andriamanitra sy i Kristy hataontsika. Ny filazantsika ho manaraka an’i Jesosy dia tsy ho ampy velively raha tsy misy asa mba hampisehoana ny finoantsika, satria manambara mazava toy izao ny Baiboly: “Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.” — Jakoba 2:17.
[Sary, pejy 7]
Mianara ny Baiboly ary aoka ianao hatosik’izy io