“Aza Miasa Hahazo ny Hanina Mety ho Levona”
NOTANTARAIN’I DAVID LUNSTRUM
Teny ambony kombarika avo maherin’ny sivy metatra izahay sy i Elwood zandriko lahy, nandoko soratra fampahafantarana iray vaovao teo amin’ny trano misy ny orinasan’ny Watchtower. Maherin’ny 40 taona atỳ aoriana, dia mbola eo ihany ilay izy, mampirisika mafy hoe: “VAKIO ISAN’ANDRO NY TENIN’ANDRIAMANITRA, NY BAIBOLY MASINA”. Isan-kerinandro dia olona an’arivony maro no mahita io soratra fampahafantarana io rehefa miampita ilay Tetezana malazan’i Brooklyn.
ANISAN’IREO zavatra tsaroako tamin’ny fahazazako ny andro fanasan’ny fianakaviana lamba. Nifoha tamin’ny 5 ora maraina i Neny mba hanasa ny lamban’ny fianakavianay maro anaka, ary i Dada dia niomana mba handeha hiasa. Nanao ady hevitra mafana indray toy ny fanaony izy ireo, i Dada moa nidrikina fa nivoatra tamin’ny fomba tsy fantatra nandritra ny taona an-tapitrisany maro ny olombelona, ary i Neny indray nanonona teny avy tao amin’ny Baiboly mba hanaporofoana fa noforonin’Andriamanitra mivantana ny olombelona.
Na dia vao fito taona monja aza aho, dia takatro fa nanana ny fahamarinana i Neny. Na dia tiako aza i Dada, dia hitako fa tsy nanolotra fanantenana ny amin’ny hoavy ny zavatra ninoany. Ho faly toy inona moa i Neny raha nahafantatra fa taona maro tatỳ aoriana, ny roa tamin’ireo zanany lahy dia nandoko soratra fampahafantarana iray izay nampirisika ny olona hamaky ny Baiboly, dia boky iray izay tiany aoka izany!
Miantsoro-mianotra anefa ny fitantarako. Ahoana no nahatonga ahy hanana asa feno tombontsoa toy izany? Voatery miverina any amin’ny taona 1906 aho, telo taona talohan’ny nahaterahako.
Ny oha-pahatokiana navelan’i Neny
Vao mpivady vao i Dada sy i Neny tamin’izany fotoana izany, ary nipetraka tao anaty lay iray tany Arizona. Nisy Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, nandalo ary nanolotra an’i Neny fitambarana boky nifampitohy nosoratan’i Charles Taze Russell, nitondra ny lohateny hoe Études des Écritures. Niari-tory namaky azy ireo nandritra ny alina manontolo izy, ary tsy ela dia nahatakatra fa io ilay fahamarinana izay notadiaviny. Tsy andriny izay hiverenan’i Dada avy nitady asa.
I Dada koa tsy afa-po tamin’izay nampianarin’ireo fiangonana, ka nandritra ny fotoana kelikely, dia nanaiky ireny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ireny izy. Tatỳ aoriana anefa, dia nandeha tamin’izay tiany teo amin’ny fivavahana izy, ary nampitondra ny mangidy an’i Neny mihitsy aza. Na dia izany aza, dia tsy nitsahatra nikarakara izay nilain’ireo zanany ara-batana sy ara-panahy koa, i Neny.
Tsy hadinoko mihitsy ny nidinan’i Neny tao ambany rihana isan’alina, rehefa avy niasa mafy nandritra ny andro manontolo, mba hamaky tapany amin’ny Baiboly taminay sy mba hizara taminay zava-tsarobidy ara-panahy sasany. Mpiasa be zotom-po koa i Dada, ary rehefa nihalehibe aho, dia nampianatra ahy ny asan’ny mpandoko izy. Eny, nampianatra ahy hiasa i Dada, fa i Neny kosa nampianatra ahy hiasa mba hahazo, araka ny toromarik’i Jesosy, ‘ny hanina tsy mety ho levona’. — Jaona 6:27.
Tamin’ny farany ny fianakavianay dia niorim-ponenana tao amin’ny tanàna kelin’i Ellensburg ao amin’ny fanjakan’i Washington, tokony ho 180 kilaometatra any atsinanan’i Seattle. Rehefa nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly niaraka tamin’i Neny izahay ankizy, dia nivory tany an-tranon’olona manokana izahay. Niala tamin’ilay antoko fianarana nisy anay ireo lehilahy rehetra rehefa nohamafisina fa nilaina ny handraisana anjara tamin’ny fanompoana isan-trano. Tsy nihozongozona mihitsy anefa i Neny. Izany dia namela soritra maharitra tao amiko mba hitoky mandrakariva amin’ny fitarihan’ny fandaminan’i Jehovah.
Tamin’ny farany i Dada sy i Neny dia nanan-janaka sivy. Teraka tamin’ny 1 Oktobra 1909 aho, zanak’izy ireo fahatelo. Tamin’ny fitambarany, dia ny enina taminay no nanahaka ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Neny, ary tonga Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po.
Fanoloran-tena sy batisa
Fony aho teo amin’ny fifaranan’ny fotoana naha-zatovo ahy, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah aho, ary nanamarika izany tamin’ny batisa anaty rano, tamin’ny 1927. Ny batisa dia natao tany Seattle, tao amin’ny trano tranainy iray izay fiangonana batista taloha. Faly aho fa nesorin-dry zareo ilay tilikambom-piangonana tranainy. Notronina nidina nankany amin’ilay dobo tany amin’ny lakaly izahay, ka tany dia nomena akanjo mainty lava mba hanaovana. Toy ny hoe handeha handevina izany no fahitana anay.
Tany Seattle indray aho volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary tamin’io indray mitoraka io no sambany vao nanandrana ny fanaovana fanambarana isan-trano aho. Ilay nitarika dia nandidy ahy toy izao: “Ianao mandehana amin’itỳ ilany mihodidina ny fitambaran-trano itỳ, ary izaho hihodina arỳ.” Na dia teo aza ny fahatsapako ho hendratrendratra, dia nahapetraka fitambaram-bokikely roa aho tamin’ny ramatoa iray tena nahafinaritra. Nanohy ny fanompoana isan-trano aho rehefa niverina tany Ellensburg, ary ankehitriny, efa ho 70 taona atỳ aoriana, dia mbola fifaliana lehibe ho ahy ihany izany fanompoana izany.
Fanompoana tao amin’ny Foibe Maneran-tany
Tsy ela taorian’izay, dia nampirisika ahy mba hanolo-tena an-tsitrapo hanompo tany amin’ny Betelan’i Brooklyn, foibe maneran-tanin’ny Fikambanana Watch Tower, ny olona iray izay efa nanompo tany. Fotoana fohy taorian’ny resaka nifanaovanay, dia nisy filazana niseho tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana nampahafantatra fa nila fanampiana ny tao amin’ny Betela. Koa nanao fangatahana aho. Tsy hohadinoiko mihitsy ny fifaliako naharay taratasy mba ho tonga ho amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela ao Brooklyn, New York, tamin’ny 10 Martsa 1930. Tamin’izany no niandohan’ny asa manontolo andro nofidiko hatao, dia ny fiasana mba hahazoana ‘ny hanina tsy mety ho levona’.
Mety hisy hieritreritra fa noho ny fanandraman-javatra hitako tamin’ny naha-mpandoko ahy, dia ho voatendry mba handoko zavatra aho. Tsy izany fa ny asako voalohany dia tany amin’ny milina fanjairana boky, tany amin’ny orinasa. Na dia asa dridralava aza izy io, dia nankafiziko ilay asa nandritra ny enin-taona mahery. Ilay fanontam-pirinty rotative lehibe izay nantsoinay tamim-pitiavana hoe sambo mpiady tranainy dia namokatra bokikely izay nalefa nidina nankao amin’ny rihana ambany nisy anay tamin’ny alalan’ny karipetra mihodina fampikorisana entana. Falifaly izahay nijery raha afaka nanjaitra bokikely haingana araka ny nandraisanay azy ireny avy tany amin’ny sambo mpiady izahay.
Taorian’izay aho dia niasa tany amin’ny sampan-draharaha maromaro, anisan’izany ilay nanamboaranay grafofona. Nampiasa ireny milina ireny izahay mba handefasana hafatra momba ny Baiboly tamin’ny kapila, teny an-tokonam-baravaran’ny tompon-trano. Ny grafofona iray azo nalefa nitsangana dia novolavolaina sy novokarina mpiasa an-tsitrapo tao amin’ny sampan-draharaha nisy anay. Tsy vitan’ny hoe nandefa hafatra nalaina feo mialoha io grafofona io, fa nanana koa paosiny manokana fitondrana bokikely sy mofo voasesika zavatra angamba. Nanana tombontsoa hampiseho ny fampiasana an’io fitaovana vaovao io aho tany amin’ny fivoriamben’ny distrika tany Detroit, any Michigan, tamin’ny 1940.
Kanefa dia nanao zavatra bebe kokoa noho ny milina nampiseho hakingan-tsaina fotsiny izahay. Nanao fanitsiana ara-panahy lehibe koa izahay. Ohatra, taloha ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanao fisisika nisy lakroa sy satroboninahitra. Avy eo anefa dia nanjary nahatakatra izahay fa novonoina teo amin’ny tsato-kazo mahitsy i Jesosy, fa tsy teo amin’ny lakroa iray. (Asan’ny Apostoly 5:30). Koa natsahatra àry ny fitondrana ireny fisisika ireny. Tombontsoako ny nanaisotra ireo paingotra avy tamin’ireo fisisika. Tatỳ aoriana dia narendrika ny volamena avy tamin’ireo fisisika ary namidy.
Na dia nanana fandaharam-potoam-piasana dimy andro sy tapany isan-kerinandro be zavatra natao aza izahay, dia nanao ny fanompoana kristiana tamin’ny faran’ny herinandro. Indray andro dia voasambotra sy naiditra am-ponja tany Brooklyn ny 16 taminay. Nahoana? Tamin’izany andro izany dia nihevitra izahay fa ny hoe fivavahana dia nitovy heviny tamin’ny hoe fivavahan-diso. Koa nitondra soratra fampahafantarana izahay ka eo amin’ny ilany iray dia izao no vakina: “Fandrika sy Fanambakana ny Fivavahana”, ary ny tao ambadika dia hoe: “Manompoa An’Andriamanitra sy i Kristy, ilay Mpanjaka”. Naiditra am-ponja izahay noho ny fitondrana ireny soratra fampahafantarana ireny, kanefa dia nanome antoka ho amin’ny fanafahana anay, i Hayden Covington, mpahay lalàna an’ny Fikambanana Watch Tower. Tamin’izany fotoana izany, dia nisy ady ara-pitsarana maro nahatafiditra ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony teto Etazonia, ary nampientam-po ny naha-tao amin’ny Betela ny tena mba handre mivantana ireo tatitra momba ny fandresena azonay.
Tamin’ny farany aho dia voatendry tamin’ny asa izay nampiasana ny fahaizako nandoko. Tany Staten Island, iray amin’ireo zaran-tany dimin’i New York City, dia nanana ny radio WBBR izahay. Maherin’ny 60 metatra ny haavon’ireo tilikambo nitondra ny antennes émetteurs an’ilay radio, ary nanana fitambaran-tariby telo namatotra azy mafy izy ireo. Nipetraka teo amin’ny takelaka iray 90 santimetatra ny halavany sy 20 santimetatra ny sakany, aho, raha nisintona ahy hiakatra ny mpiara-miasa iray. Rehefa nipetraka teo amin’io fitoerana kely io teny ambony be teny aho, dia nandoko an’ireo fitambaran-tariby sy ireo tilikambo nitondra ny antennes émetteurs. Nisy nanontany ahy raha nanao vavaka betsaka izahay teo am-panaovana io asa io!
Asa tamin’ny fahavaratra tsy hohadinoiko mihitsy ny fanasana varavarankely sy ny fandokoana ireo sisim-baravarankelin’ny tranon’ny orinasa. Nantsoinay hoe vakansim-pahavaratra izy io. Nanamboatra kombarika hazo izahay, ary niaraka tamin’ny bolaky sy mahazaka, dia nisintona ny tenanay niakatra sy nidina ireo rihana fiton’ilay trano izahay.
Fianakaviana nanohana
Maty i Dada tamin’ny 1932, ary nanontany tena aho raha tokony handeha hody ka hanampy amin’ny fikarakarana an’i Neny. Koa talohan’ny sakafo antoandro, indray andro, dia nametraka taratasy kely aho teo amin’ny loha latabatra nipetrahan’ny Rahalahy Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana. Tao amin’izy io aho dia nangataka ny hiresaka taminy. Rehefa fantany ny fanahiako ka hitany fa nanana rahalahy sy anabavy mbola nipetraka tany an-trano aho, dia nanontany izy hoe: “Irinao ve ny hijanona ato amin’ny Betela, ary hanao ny asan’ny Tompo?”
“Mazava ho azy fa maniry izany aho”, hoy aho namaly.
Koa nandroso hevitra izy ny hanoratako tany amin’i Neny mba hahitana raha nanaiky ny fanapahan-kevitro hijanona izy. Izany no nataoko, ary dia namaly an-taratasy izy nilaza ny fanekeny tanteraka ny fanapahan-kevitro. Tena nankasitrahako tokoa ny hatsaram-panahin’ny Rahalahy Rutherford sy ny toroheviny.
Nandritra ireo taona maro laniko tao amin’ny Betela, dia nanoratra tsy tapaka tany amin’ny fianakaviako aho ary nampirisika azy ireo mba hanompo an’i Jehovah, toy ny nampirisihan’i Neny ahy. Maty tamin’ny Jolay 1937 i Neny. Fanentanana toy inona ho an’ny fianakavianay moa izy! I Paul sy i Esther, zokiko lahy sy vavy, ary i Lois zandriko faravavy ihany no tsy tonga Vavolombelon’i Jehovah. Nankasitraka ny asanay anefa i Paul, ary nanome sombin-tany nanorenanay ny Efitrano Fanjakananay voalohany.
Tonga mpisava lalana, na mpitory manontolo andro i Eva, zandriko vavy, tamin’ny 1936. Iny taona iny ihany izy dia nanambady an’i Ralph Thomas, ary tamin’ny 1939 dia voatendry ho amin’ny asa fitetezam-paritany izy ireo, mba hanompo an’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tatỳ aoriana izy ireo dia nifindra nankany Meksika, izay nandaniany 25 taona nanampiana teo amin’ny asan’ilay Fanjakana.
Tamin’ny 1939, dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana i Alice sy i Frances, zandriko vavy. Fifaliana toy inona moa ny nahita an’i Alice, niasa tao amin’ny sampan-draharahan’ny fivoriamben’ny distrika tany St. Louis tamin’ny 1941, nampiseho ny fomba fampiasa ilay fitaovana grafofona izay ny tenako no nanampy tamin’ny fanamboarana azy! Na dia voatery nanapaka ny fanaovany ny asan’ny mpisava lalana aza i Alice indraindray noho ny andraikitra ara-pianakaviana, dia nandany maherin’ny 40 taona izy tao amin’ny fanompoana manontolo andro, tamin’ny fitambarany. I Frances dia nanohy ka nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower tamin’ny 1944, ary nanompo nandritra ny fotoana kelikely tamin’ny naha-misionera tany Porto Rico.
Tany am-piandohan’ireo taona 1940, dia tonga mpisava lalana tany Montana i Joel sy i Elwood, ireo zandriny indrindra tao amin’ny fianakaviana. Nitoetra ho Vavolombelona mahatoky i Joel, ary izao izy dia manompo amin’ny maha-mpanampy amin’ny fanompoana. Nanaraka ahy tany amin’ny Betela i Elwood, tamin’ny 1944, ka nampifaly dia nampifaly ny foko. Latsaka ny dimy taona izy fony aho niala tany an-trano. Araka ny voalaza taloha kokoa, dia niara-niasa izahay nandoko io soratra fampahafantarana eo amin’ny tranon’ny orinasa io hoe: “Vakio Isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina”. Nanontany tena matetika aho ny amin’ny isan’ny olona nahita ilay soratra fampahafantarana ka nahazo fampirisihana hamaky ny Baiboliny.
Nanompo tao amin’ny Betela hatramin’ny 1956 i Elwood, fony izy nanambady an’i Emma Flyte. Nandritra ny taona maro i Elwood sy i Emma dia niara-niasa tao amin’ny fanompoana manontolo andro, nanompo nandritra ny fotoana kelikely tany Kenya, tany Afrika, ary koa tany Espaina. Voan’ny kansera i Elwood, ary maty tany Espaina tamin’ny 1978. Nitoetra tany Espaina tao amin’ny asan’ny mpisava lalana i Emma hatramin’izao.
Fanambadiana sy fianakaviana
Tamin’ny Septambra 1953 aho dia nandao ny Betela mba hanambady an’i Alice Rivera, mpisava lalana tao amin’ny Kongregasiona Brooklyn Center, izay nisy ahy. Nampahafantariko an’i Alice fa nanana fanantenana ho any an-danitra aho, kanefa dia mbola liana ny hanambady ahy ihany izy. — Filipiana 3:14.
Rehefa avy niaina 23 taona tao amin’ny Betela, dia nila fanamboarana tanteraka ny fanombohana asa fivelomana tamin’ny naha-mpandoko mba hanohizan’i Alice sy ny tenako tao amin’ny asan’ny mpisava lalana. Nanohana mandrakariva i Alice, na dia voatery nitsahatra tsy nanao ny asan’ny mpisava lalana aza izy noho ny antony ara-pahasalamana. Niandry ny zanakay voalohany izahay tamin’ny 1954. Tsy nandeha tsara ny fiterahana, na dia salama tsara aza i John, zanakay lahy. Very ra betsaka aoka izany i Alice nandritra ny fandidiana césarienne, hany ka tsy nihevitra azy ho velona ireo dokotera. Nisy aza fotoana tsy nahafahan’izy ireo nahatsapa na dia polisa iray aza. Tsy maty tamin’ilay alina anefa izy, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia sitrana tanteraka.
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa maty ny rain’i Alice, dia nifindra lavitra kokoa tany Long Island izahay, mba hiaraka tamin-dreniny. Koa satria tsy nanana fiarakodia izahay, dia nandeha an-tongotra aho na nampiasa ny aotobisy sy ny métro ho fitaterana. Tamin’izany no nahafahako nanohy ny asan’ny mpisava lalana sady namelona ny fianakaviako. Mavesa-danja lavitra noho izay mety ho sorona ireo fifaliana amin’ny fanompoana manontolo andro. Iray monja amin’ireo fitahiana azoko ny fanampiana olona — toa an’i Joe Natale, izay nandao asa azo inoana fa nahitam-pahombiazana teo amin’ny base-ball, mba hahatongavana ho Vavolombelona.
Tamin’ny 1967, rehefa niharatsy ny toe-piainana tao amin’ny faritr’i New York, dia nanapa-kevitra aho ny hitondra an’i Alice sy i John hiverina hipetraka tany Ellensburg, tanàna niaviako. Ankehitriny dia hitako fa mahafa-po ny mahita maro aoka izany amin’ireo zafikely sy zafiafin-dreniko mandray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro. Ny sasany aza manompo mihitsy any amin’ny Betela. Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana koa i John sy ny vady aman-janany.
Nampalahelo fa namoy an’i Alice, vady malalako aho tamin’ny 1989. Nanampy ahy hiaritra ilay famoizana ny fitoerako ho be atao eo amin’ny fanompoana manontolo andro. Ankehitriny izaho sy i Alice anabaviko dia mankafy ny fiarahana manao ny asan’ny mpisava lalana. Tsara toy inona moa izany hoe miara-miaina indray ao ambanin’ny tafon-trano iray ihany, ary mahita ny tenanay be atao amin’io asa lehibe indrindra io!
Tamin’ny lohataonan’ny 1994 dia sambany aho vao nitsidika ny Betela tao anatin’ny 25 taona teo ho eo. Fifaliana toy inona moa ny nahita am-polony maro tamin’ireo izay niara-niasa tamiko maherin’ny 40 taona lasa izay! Fony aho nankao amin’ny Betela tamin’ny 1930, dia 250 monja no tao amin’ilay fianakaviana, kanefa ankehitriny dia miisa maherin’ny 3 500 ny fianakavian’ny Betela ao Brooklyn!
Tohanan’ny sakafo ara-panahy
Aloha be, saiky isa-maraina, dia mandeha mitsangantsangana manaraka ny Renirano Yakima eo akaikin’ny tranonay aho. Avy eny aho dia afaka mahita ny Tendrombohitra Rainier rakotra ranomandry manerinerina, izay miakatra avo dia avo any amin’ny 4 300 metatra mahery. Maro be ireo zavamiaina dia. Indraindray aho mahita diera, ary indray mandeha aza nahita élan (diera be) mihitsy.
Ireny fotoana nilamina sy nitoerako ho irery ireny dia namela ahy hisaintsaina ny amin’ireo fandaharana mahatalanjona nataon’i Jehovah. Mivavaka aho mba hahazo hery hanohizana hanompo amim-pahatokiana an’i Jehovah Andriamanitsika. Tiako koa ny mihira eny am-pandehanako eny, indrindra fa ilay hira hoe “Ampifalio ny fon’i Jehovah”, izay toy izao ny tonony: “Efa nivoady izahay teo anatrehanao Rainay, ny hanao ny sitraponao, hampifalianay ny fonao.”
Faly aho fa nifidy ny hanao asa iray izay mampifaly ny fon’i Jehovah. Mivavaka aho mba hahafahako hanohy hanao io asa io mandra-pandraisako ny valisoa any an-danitra efa nampanantenaina. Ny firariako dia ny hoe, enga anie itỳ fitantarana itỳ hanosika ny hafa koa mba hampiasa ny fiainany amin’ny ‘fiasana mba hahazoana ny hanina tsy mety ho levona’. — Jaona 6:27.
[Sary, pejy 23]
Elwood mandoko ilay soratra fampahafantarana hoe VAKIO ISAN’ANDRO NY TENIN’ANDRIAMANITRA, NY BAIBOLY MASINA
[Sary, pejy 24]
Niaraka tamin’i Grant Suiter sy i John Kurzen, nampiseho ilay grafofona vaovao tamin’ny fivoriamben’ny distrika 1940
[Sary, pejy 25]
Tao amin’ny fanompoana manontolo andro avokoa izahay rehetra tamin’ny 1944. Avy eo ankavia: David, Alice, Joel, Eva, Elwood, ary Frances
Iray tam-po mbola velona, avy eo ankavia: Alice, Eva, Joel, David, ary Frances