Mankafy Firaisan-tsaina Sarobidy ny Fianakavian’i Jehovah
“Jereo! Tsara toy inona sy mahafinaritra toy inona moa ny iarahan’ny mpirahalahy monina ao anatin’ny firaisan-tsaina!” — SALAMO 133:1, NW.
1. Inona no toe-piainana misy ny fianakaviana maro amin’izao andro izao?
AO ANATIN’NY fotoan-tsarotra ny fianakaviana amin’izao andro izao. Ao amin’ny fianakaviana maro, ny fatoram-panambadiana dia tonga eo amin’ny tsontsori-mamba hisarahana. Manjary fahita hatrany ny fisaraham-panambadiana, ary maro amin’ireo zanaky ny mpivady nisaraka no ao anatin’ny alahelo lehibe. Fianakaviana an-tapitrisany maro no tsy sambatra sy misaratsaraka. Kanefa, misy fianakaviana iray izay manana tena fifaliana sy tena firaisan-tsaina marina. Izy io dia ny fianakaviana manerana izao rehetra izaon’i Jehovah Andriamanitra. Misy anjely tsy hita maso tsy omby alinalina manatontosa ny asa nanendrena azy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ao anatin’izy io. (Salamo 103:20, 21). Misy ve anefa fianakaviana iray eto an-tany izay mankafy firaisan-tsaina toy izany?
2, 3. a) Iza ankehitriny no anisan’ny fianakavian’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao, ary amin’inona no mety ampitoviantsika ireo Vavolombelon’i Jehovah rehetra amin’izao andro izao? b) Fanontaniana inona avy no hodinihintsika?
2 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: ‘Mandohalika amin’ny Ray, izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana, aho’. (Efesiana 3:14, 15). Andriamanitra no ahazoan’ireo fitohitohizam-pianakaviana rehetra eto an-tany anarana, satria izy no Mpamorona. Na dia tsy misy fianakavian’olombelona aza any an-danitra, raha lazaina amin’ny heviny ara-panoharana, Andriamanitra dia manana ho vady ny fandaminany any an-danitra, ary i Jesosy dia hanana ampakarina ara-panahy iray izay ho tafaray aminy any an-danitra. (Isaia 54:5; Lioka 20:34, 35; 1 Korintiana 15:50; 2 Korintiana 11:2). Ireo voahosotra mahatoky eto an-tany dia anisan’ilay fianakavian’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao ankehitriny, ary ireo “ondry hafan’i” Jesosy, izay manana fanantenana ny ho eto an-tany, dia ho tonga mpikambana amin’izy io. (Jaona 10:16; Romana 8:14-17; Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Janoary 1996, pejy faha-31). Kanefa, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra amin’izao andro izao dia azo ampitovina amin’ny fianakaviana maneran-tany iray miray saina.
3 Anisan’izany fianakaviana iraisam-pirenena mahatalanjon’ny mpanompon’Andriamanitra izany ve ianao? Raha eny, dia mankafy iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra mety ho azon’ny olona ianao. Olona an-tapitrisany maro no hanamarina fa ny fianakaviana maneran-tanin’i Jehovah — ny fandaminany hita maso — dia faritra kely iray lonaka isian’ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina eo amin’ny tany efitr’izao tontolo izao isian’ny ady sy fisaratsarahana. Ahoana no mety hilazalazana ny firaisan-tsaina misy ao amin’ny fianakaviana maneran-tanin’i Jehovah? Ary inona avy ireo anton-javatra mampandroso ny firaisan-tsaina toy izany?
Tsara toy inona sy mahafinaritra toy inona moa!
4. Amin’ny fiteninao manokana, ahoana no hanehoanao izay lazain’ny Salamo faha-133 momba ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy?
4 Nankasitraka lalina ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy i Davida mpanao salamo. Nahazo tsindrimandry mihitsy aza izy mba hihira momba izany! Alao sary an-tsaina izy miaraka amin’ny valihany fony nihira toy izao: “[Jereo! tsara toy inona sy mahafinaritra toy inona moa ny iarahan’ny mpirahalahy monina ao anatin’ny firaisan-tsaina, NW ]! Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha, izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona, izay mitsororoka amin’ny [vozon’akanjony]; tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ny tendrombohitra Ziona; fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay.” — Salamo 133:1-3, fanamarihana ambany pejy.
5. Miorina amin’ny Salamo 133:1, 2, fampitahana inona no azo atao eo amin’ny Isiraelita sy ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao?
5 Ireo teny ireo dia nihatra tamin’ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy izay nankafizin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny, dia ny Isiraelita. Fony izy ireo tany Jerosalema noho ireo andro firavoravoana telo fanaony isan-taona, dia tena niara-nonina tao anatin’ny firaisan-tsaina izy ireo. Na dia avy tamin’ny foko maro samihafa aza izy, dia fianakaviana iray ihany. Nisy heriny nahasoa teo aminy ny fiarahana, tahaka ny diloilo fanosotra namelombelona izay mani-pofona nahafinaritra. Rehefa nararaka teo amin’ny lohan’i Arona ny diloilo toy izany, dia nikoriana tamin’ny somony ary nitsororoka hatrany amin’ny vozon’akanjony. Ho an’ny Isiraelita, ny fiarahana dia nanana hery fitaomana tsara izay nameno tanteraka an’ilay vahoaka tafavory tamin’ny fitambarany. Nalamina ireo tsy fifankahazoan-kevitra, ary nampandrosoana ny firaisan-tsaina. Misy firaisan-tsaina mitovy amin’izany ao amin’ny fianakaviana maneran-tanin’i Jehovah amin’izao andro izao. Ny fiarahana tsy tapaka dia misy heriny ara-panahy mahasoa eo amin’ireo mpikambana ao aminy. Voaesotra izay mety ho tsy fifankahazoan-kevitra na tsy fifanarahana, arakaraka ny ampiharana ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 5:23, 24; 18:15-17). Mankasitraka be dia be ny fifampaherezana ateraky ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy eo amin’izy ireo, ny vahoakan’i Jehovah.
6, 7. Tamin’ny ahoana ny firaisan-tsaina teo amin’ny Isiraely no tahaka ny ando any an-Tendrombohitra Hermona, ary aiza no mety hahitana ny fitahian’Andriamanitra amin’izao andro izao?
6 Inona koa no itovian’ny fiaraha-monin’ny Isiraely tao anatin’ny firaisan-tsaina sy ny ando any amin’ny Tendrombohitra Hermona? Koa satria any amin’ny 2 800 metatra miainga amin’ny haabon’ny ranomasina no misy ny tampon’io tendrombohitra io, dia rakotry ny oram-panala saika mandavantaona izy. Mampiova ho rano ny etona amin’ny alina ny tampony feno oram-panalan’i Hermona, ka araka izany dia miteraka ando be dia be izay mitsimbina ny zavamaniry mandritra ny vanin-taonan’ny main-tany maharitra ela. Ny tsio-drivotra mangatsiaka avy amin’ny tendrombohitra Hermona mitomandavana dia afaka mitondra izany etona izany hatrany atsimo any amin’ny faritr’i Jerosalema, ary any izy io dia mivaingana ka tonga ando. Koa marina tsara ny niresahan’ilay mpanao salamo ny amin’ny ‘ando any Hermona izay milatsaka amin’ny tendrombohitra Ziona’. Fampahatsiahivana tsara dia tsara re izany raha ny amin’ny hery fitaomana mamelombelona izay mampandroso ny firaisan-tsaina ao amin’ilay fianakavian’ny mpivavaka amin’i Jehovah!
7 Talohan’ny niorenan’ny kongregasiona kristiana, dia i Ziona na Jerosalema, no foiben’ny fanompoam-pivavahana marina. Noho izany, dia tao no nandidian’Andriamanitra hisian’ny fitahiana. Koa satria nitoetra ara-panoharana tao amin’ny fitoerana masina tao Jerosalema ny Loharanon’ny fitahiana rehetra, dia avy tao no nivoahan’ny fitahiana. Noho ny fanompoam-pivavahana marina tsy voafetra intsony ho amin’ny toerana iray na aiza izany na aiza, dia mety ho hita manerana ny tany ny fitahiana sy ny fitiavana ary ny firaisan-tsaina eo amin’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao. (Jaona 13:34, 35). Inona avy no anton-javatra sasany izay mampandroso an’io firaisan-tsaina io?
Ireo anton-javatra mampandroso ny firaisan-tsaina
8. Inona no ianarantsika momba ny firaisan-tsaina ao amin’ny Jaona 17:20, 21?
8 Ny firaisan-tsaina eo amin’ny mpivavaka amin’i Jehovah dia miorina amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra izay azo marina tsara ny heviny, anisan’izany ny fampianaran’i Jesosy Kristy. Tamin’ny nanirahan’i Jehovah ny Zanany ho amin’izao tontolo izao mba hanao fanambarana ny amin’ny fahamarinana sy mba ho faty ho sorona, dia nivoha ny lalana ho amin’ny fiforonan’ny kongregasiona kristiana niray saina. (Jaona 3:16; 18:37). Raha ny amin’ny hoe tokony hisian’ny tena firaisan-tsaina marina teo anivon’ireo mpikambana tao amin’izy io, izany dia natao mazava tsara rehefa nivavaka toy izao i Jesosy: “Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko; ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.” (Jaona 17:20, 21). Tena nahatratra ny firaisan-tsaina nitovy tamin’izay nisy teo amin’Andriamanitra sy ny Zanany ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Nitranga izany satria nankato ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianaran’i Jesosy izy ireo. Ny fihetsika mitovy amin’izany dia anton-javatra iray lehibe ho amin’ny firaisan-tsaina ao amin’ny fianakaviana maneran-tanin’i Jehovah amin’izao andro izao.
9. Inona no anjara asan’ny fanahy masina eo amin’ny firaisan-tsaina misy eo amin’ny vahoakan’i Jehovah?
9 Ny anton-javatra hafa izay mampiray saina ny vahoakan’i Jehovah dia ny fananantsika ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny heriny miasa. Izy io no mahatonga antsika ho afaka hahatakatra ny fahamarinan’ny Tenin’i Jehovah naharihary, ka amin’izany dia afaka manompo azy amim-piraisan-tsaina isika. (Jaona 16:12, 13). Ny fanahy dia manampy antsika hanalavitra ny asan’ny nofo mampisaratsaraka toy ny fifandirana, fialonana, fahasarotam-piaro, fipoahan’ny fahatezerana sy fifampiandaniana. Fa ny fanahin’Andriamanitra kosa dia mamokatra ao anatintsika ny vokatra mampiray saina toy ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy sy fifehezan-tena. — Galatiana 5:19-23, NW.
10. a) Inona no fitoviana azo ambara eo amin’ny fitiavana misy ao amin’ny fianakaviana ara-nofo iray miray saina sy ny fitiavana hita miharihary eo anivon’ireo mampiseho fifikirana amin’i Jehovah? b) Ahoana no nanehoan’ny mpikambana iray ao amin’ny Fitambara-mpitantana ny fihetseham-pony momba ny fiaraha-mivory amin’ireo rahalahiny ara-panahy?
10 Ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana iray miray saina dia mifankatia ary faly noho ny fiarahana. Toy izany koa fa izay ao amin’ilay fianakaviana miray saina misy ny mpivavaka amin’i Jehovah dia tia azy sy ny Zanany ary ireo mpiray finoana. (Marka 12:30; Jaona 21:15-17; 1 Jaona 4:21). Tahaka ny ankafizan’ny fianakaviana ara-nofo be fitiavana iray ny fiaraha-misakafo, ireo mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra dia ravoravo tonga any amin’ireo fivoriana sy fivoriambe kristiana mba handray soa avy amin’ny fiarahana tsara dia tsara sy ny sakafo ara-panahy faran’izay tsara. (Matio 24:45-47; Hebreo 10:24, 25). Nilaza toy izao indray mandeha ny mpikambana iray ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Amiko, ny fiaraha-mivory amin’ny rahalahy dia iray amin’ireo fahafinaretana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana ary loharanom-pampaherezana. Tiako ny ho anisan’ireo tonga voalohany ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ary ny ho anisan’ireo miala farany indrindra, raha azo atao. Mahatsapa fifaliana anaty aho rehefa miresaka amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Rehefa eo anivony aho dia mahatsapa ho toy ny any an-trano miaraka amin’ny fianakaviako.” Toy izany ve no tsapanao? — Salamo 27:4.
11. Amin’ny asa inona indrindra no ahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fahasambarana, ary inona no vokatry ny fanaovana ny fanompoana an’Andriamanitra ho vaindohan-draharaha eo amin’ny fiainantsika?
11 Mahita fahasambarana eo am-piarahana manao zavatra ny fianakaviana iray miray saina. Toy izany koa, fa mahita fifaliana eo am-panaovana amim-piraisan-tsaina ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra ireo izay ao amin’ny fianakavian’ny mpivavaka amin’i Jehovah. (Matio 24:14; 28:19, 20). Mampifanatona antsika bebe kokoa amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah hafa ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’izany. Ny fanaovana ny fanompoana an’Andriamanitra ho vaindohan-draharaha eo amin’ny fiainantsika, sy ny fanohanana ny asa rehetra ataon’ny vahoakany dia mampandroso koa ny toe-tsaim-pianakaviana eo anivontsika.
Tena ilaina ny filaminana teokratika
12. Inona avy ireo toetra mampiavaka ny fianakaviana sambatra sy miray saina, ary fandaharana inona no nampandroso ny firaisan-tsaina tao amin’ireo kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany?
12 Ny fianakaviana izay manana fitarihana matanjaka nefa feno fitiavana, ary milamina, dia azo inoana fa hiray saina sy ho sambatra. (Efesiana 5:22, 33; 6:1). I Jehovah dia Andriamanitry ny filaminana feno fiadanana, ary izay rehetra ao amin’ny fianakaviany dia mihevitra azy ho “ny Avo Indrindra”. (Daniela 7:18, 22, 25, 27; 1 Korintiana 14:33). Eken’izy ireo koa fa izy no nanendry ny Zanany, dia i Jesosy Kristy, ho mpandova ny zavatra rehetra, ary nanome azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. (Matio 28:18; Hebreo 1:1, 2). Amin’ny fananana an’i Kristy ho Lohany, ny kongregasiona kristiana dia fandaminana iray milamina sy miray saina. (Efesiana 5:23). Mba hanara-maso ny asan’ireo kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy fitambara-mpitantana iray voaforon’ny apostoly sy “loholona” matotra ara-panahy hafa. Ny kongregasiona tsirairay dia nanana mpiandraikitra voatendry na loholona, sy mpanampy amin’ny fanompoana. (Asan’ny Apostoly 15:6; Filipiana 1:1). Ny fankatoavana an’ireo izay nitarika dia nampandroso ny firaisan-tsaina. — Hebreo 13:17, NW.
13. Ahoana no itaoman’i Jehovah ny olona, ary inona no vokatr’izany?
13 Izany fitsipika voafaritra tsara izany ve anefa toa manondro fa ny firaisan-tsaina eo amin’ny mpivavaka amin’i Jehovah dia azo lazaina fa avy amin’ny fitarihana mandaitra sy mangatsiaka? Tsy izany velively! Tsy misy na inona na inona mampiseho tsy fahampiam-pitiavana raha ny amin’Andriamanitra, na ny fandaminany. I Jehovah dia mitaona ny olona amim-panehoam-pitiavana, ka isan-taona dia olona ana hetsiny maro no tonga anisan’ny fandaminan’i Jehovah, an-tsitrapo sy amim-pifaliana, amin’ny fanekena hatao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany amin’ny fo manontolo ho an’Andriamanitra. Ny toe-tsain’izy ireo dia tahaka ny an’i Josoa, izay nampirisika mafy an’ireo Isiraelita sahala aminy toy izao: “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo, (...) fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” — Josoa 24:15.
14. Nahoana isika no afaka milaza fa teokratika ny fandaminan’i Jehovah?
14 Amin’ny maha-anisan’ny fianakavian’i Jehovah antsika, dia tsy vitan’ny hoe feno fifaliana fotsiny isika fa milamin-tsaina koa. Izany no izy satria teokratika ny fandaminany. Teokrasia ny Fanjakan’Andriamanitra (avy amin’ny teny grika the·osʹ, andriamanitra, sy kraʹtos, fanapahana iray). Izy io dia fanapahana iray ampiharin’Andriamanitra, notendreny sy naoriny. Manaiky ny fanapahan’i Jehovah ilay ‘fireneny masina’ voahosotra, ka noho izany dia teokratika koa. (1 Petera 2:9). Amin’ny fananana an’i Jehovah, ilay Teokraty Lehibe, ho Mpitsara antsika sy Mpanome lalàna antsika ary Mpanjakantsika, dia manana ny antony rehetra hahatsapana ho milamin-tsaina isika. (Isaia 33:22). Kanefa, ahoana raha mipoitra ny fifandirana ka mandrahona ny fifaliantsika sy ny filaminantsika ary ny firaisan-tsaina eo amintsika?
Manao zavatra ny fitambara-mpitantana
15, 16. Fifandirana inona no nipoitra tamin’ny taonjato voalohany, ary nahoana?
15 Mba hitsimbinana ny firaisan-tsaina ao amin’ny fianakaviana, dia mety hisy fifandirana tsy maintsy alamina indraindray. Aoka àry hatao hoe nisy zava-nanahirana ara-panahy iray tsy maintsy nalamina mba hitsimbinana ny firaisan-tsaina tao amin’ny fianakavian’ny mpivavaka tamin’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Dia ahoana? Nanao zavatra ny fitambara-mpitantana, tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ireo raharaha ara-panahy. Manana firaketana an-tsoratra araka ny Soratra Masina ny amin’ny fanaovan-javatra toy izany isika.
16 Tokony ho tamin’ny 49 am.f.i., dia nivory tany Jerosalema ny fitambara-mpitantana mba handamina zava-nanahirana lehibe iray, ary tamin’izany izy dia nitsimbina ny firaisan-tsaina tao amin’ny “ankohonan’Andriamanitra”. (Efesiana 2:19). Tokony ho 13 taona talohan’izay, ny apostoly Petera dia efa nitory tamin’i Kornelio, ary tonga mpino vita batisa ireo Jentilisa voalohany na ireo hafa firenena. (Asan’ny Apostoly, toko faha-10). Nandritra ny dia misionera voalohany nataon’i Paoly, dia Jentilisa maro no nanaiky ny Kristianisma. (Asan’ny Apostoly 13:1–14:28). Raha ny marina, dia naorina tao Antiokia, tany Syria, ny kongregasionan’ny Kristiana jentilisa. Nino ny Jiosy kristiana sasany fa tokony hoforana sy hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ny Jentilisa niova finoana, kanefa tsy nitovy hevitra tamin’izy ireo ny hafa. (Asan’ny Apostoly 15:1-5). Izany fifandirana izany dia afaka nitarika ho amin’ny fisaratsarahana tanteraka, ho amin’ny fiforonan’ny kongregasiona jiosy sy jentilisa samy nitokana mihitsy aza. Noho izany, dia nanao zavatra haingana mba hitsimbinana ny firaisan-tsaina kristiana ny fitambara-mpitantana.
17. Fanaovan-javatra teokratika mirindra tsara inona no lazalazaina ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-15?
17 Araka ny Asan’ny Apostoly 15:6-22, “dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany”. Tonga teo koa ny hafa, anisan’izany ny solontena avy tany Antiokia. Voalohany aloha, i Petera dia nanazava fa ‘tamin’ny vavany no nandrenesan’ny jentilisa ny tenin’ny filazantsara ka ninoany’. Avy eo, “ny olona rehetra” dia nihaino rehefa nitantara “ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny jentilisa” i Barnabasy sy i Paoly. Nanaraka izany i Jakoba dia nanipy hevitra ny amin’ny fomba mety handaminana ilay raharaha niadian-kevitra. Rehefa avy nandray fanapahan-kevitra ny fitambara-mpitantana, dia izao no lazaina amintsika: “Sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin’ny namany mba hirahina hiaraka amin’i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia”. Ireo ‘olona nofidina’ ireo — i Joda sy i Silasy — dia nitondra taratasy mampahery iray ho an’ny mpiray finoana.
18. Fanapahan-kevitra inona nahakasika ny Lalàn’i Mosesy no noraisin’ny fitambara-mpitantana, ary tamin’ny ahoana izy io no nisy heriny teo amin’ireo Kristiana jiosy sy jentilisa?
18 Nanomboka tamin’izao teny izao ilay taratasy nanambara ny fanapahan-kevitry ny fitambara-mpitantana: “Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin’ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.” Nisy rahalahy hafa nanatrika an’io fivoriana nanan-tantara io, kanefa niharihary fa voaforon’ny ‘Apostoly sy ny loholona’ ilay fitambara-mpitantana. Nitarika azy ireo ny fanahin’Andriamanitra, satria milaza toy izao ilay taratasy: “Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana”. (Asan’ny Apostoly 15:23-29, izahay no manao sora-mandry.) Tsy notakina tamin’ny Kristiana ny hoforana na ny hitandrina ny Lalàn’i Mosesy. Nanampy an’ireo Kristiana jiosy sy jentilisa mba hanao zavatra sy hiteny tao anatin’ny firaisan-tsaina io fanapahan-kevitra io. Nifaly ireo kongregasiona, ary nitohy ilay firaisan-tsaina sarobidy, dia tahaka ny hitohizan’izany indrindra ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra manerana ny tany amin’izao andro izao, eo ambany fitarihana ara-panahin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. — Asan’ny Apostoly 15:30-35.
Manompoa ao anatin’ny firaisan-tsaina teokratika
19. Nahoana no niroborobo ny firaisan-tsaina tao amin’ny fianakavian’ny mpivavaka amin’i Jehovah?
19 Miroborobo ny firaisan-tsaina rehefa miara-miasa ny mpianakavy. Marina koa izany ao amin’ny fianakavian’ny mpivavaka amin’i Jehovah. Koa satria teokratika ny loholona sy ny hafa tao amin’ny kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany, dia nanompo an’Andriamanitra tamim-piaraha-miasa feno tamin’ny fitambara-mpitantana izy ireo, ary nanaiky ny fanapahan-kevitra nataon’izy io. Noho ny fanampian’ny fitambara-mpitantana, dia ‘nitory ny teny’ ny loholona, ary ‘niray teny’ ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona tamin’ny ankapobeny. (2 Timoty 4:1, 2; 1 Korintiana 1:10). Koa nitovy ireo fahamarinana araka ny Soratra Masina natolotra teny amin’ny fanompoana sy tany amin’ireo fivoriana kristiana, na tany Jerosalema, Antiokia, Roma, Korinto izany, na tany an-toeran-kafa. Misy firaisan-tsaina teokratika toy izany amin’izao andro izao.
20. Mba hiarovana ny firaisan-tsaina kristiana, inona no tsy maintsy ataontsika?
20 Mba hitsimbinana ny firaisan-tsaina eo amintsika, dia tokony hikely aina isika rehetra anisan’ilay fianakavian’i Jehovah maneran-tany mba haneho fitiavana teokratika. (1 Jaona 4:16). Mila manaiky ny sitrapon’Andriamanitra isika, ary maneho fanajana lalina ny “mpanompo mahatoky” sy ny Fitambara-mpitantana. Sahala amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra, ny fankatoavantsika, mazava ho azy, dia an-tsitrapo sy amim-pifaliana. (1 Jaona 5:3). Mety toy inona moa ny nampifandraisan’ny mpanao salamo ny fifaliana sy ny fankatoavana! Nihira toy izao izy: “Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah sady mankasitraka ny didiny indrindra.” — Salamo 112:1.
21. Ahoana no azontsika anaporofoana fa teokratika ny tenantsika?
21 I Jesosy, Lohan’ny kongregasiona, dia teokratika amin’ny fomba feno ary manao foana ny sitrapon’ny Rainy. (Jaona 5:30). Noho izany, dia aoka isika hanaraka ilay Modelintsika amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah amin’ny fomba teokratika sy amim-piraisan-tsaina, miara-miasa amin’ny fomba feno amin’ny fandaminany. Amin’izay, amim-pifaliana sy fankasitrahana amim-pahatsorana, isika dia afaka mamerina ilay hiran’ny mpanao salamo toy izao: “Jereo! Tsara toy inona sy mahafinaritra toy inona moa ny iarahan’ny mpirahalahy monina ao anatin’ny firaisan-tsaina!”
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no ifandraisan’ny firaisan-tsaina kristiana eo amintsika sy ny Salamo faha-133?
◻ Inona avy ireo anton-javatra sasany izay mampandroso ny firaisan-tsaina?
◻ Nahoana no tena ilaina amin’ny firaisan-tsaina eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny filaminana teokratika?
◻ Ahoana no nanaovan’ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany zavatra mba hitsimbinana ny firaisan-tsaina?
◻ Midika ho inona aminao ny hoe manompo ao anatin’ny firaisan-tsaina teokratika?
[Sary, pejy 13]
Nanao zavatra ny fitambara-mpitantana mba hitsimbinana ny firaisan-tsaina