Moa ve Ianao Manana Fomba Fijery Araka An’Andriamanitra Momba ny Zava-pisotro Misy Alkaola?
TOKONY ho 20 taona lasa izay, dia nisy arkeology namongatra trano biriky tany tranainy iray tany akaikin’ny tanànan’i Urmia, any Iran. Hitan’izy ireo tao amin’izy io ny tavoara tanimanga iray izay naharitra an’arivony taona maro, araka ny filazan’ireo mpahay siansa, nanomboka tamin’ny fotoana nanorenana tany aloha be tany, vohitra kely nonenan’olona. Vao haingana izay, dia nampiasaina tamin’ny fandinihana ilay tavoara ny teknolojia nivoaka farany indrindra. Gaga ireo mpahay siansa nahita tao anatin’izy io ny porofo simika tranainy indrindra ny amin’ny fanamboarana divay.
Porofoin’ny Baiboly mazava koa fa hatramin’ny andro fahagola no efa nisotroana divay sy labiera ary zava-pisotro misy alkaola hafa. (Genesisy 27:25; Mpitoriteny 9:7; Nahoma 1:10, NW ). Toy ny amin’ny sakafo hafa, i Jehovah dia manome safidy antsika isam-batan’olona — ny hisotro zava-pisotro misy alkaola na tsia. Matetika i Jesosy no nisotro divay tamin’ny fotoana nisakafoany. Nifady alkaola i Jaona Mpanao Batisa. — Matio 11:18, 19.
Mandrara ny fanaranam-po tafahoatra amin’ny fisotroana ny Baiboly. Fahotana amin’Andriamanitra ny fimamoana. (1 Korintiana 6:9-11). Mifanaraka amin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mamela an’iza na iza tonga mpimamo tsy mibebaka, hijanona ao amin’ny kongregasiona kristiana. Ireo ao amin’ny kongregasiona izay mifidy ny hisotro zava-pisotro misy alkaola dia tsy maintsy manao izany amim-pahalalana onony. — Titosy 2:2, 3.
Fomba fijery tsy araka an’Andriamanitra
Olona maro amin’izao andro izao no tsy manana fomba fijery araka an’Andriamanitra momba ny zava-pisotro misy alkaola. Mora ny mahita fa mampandroso ny fampiasana amin’ny fomba ratsy an’io vokatra tranainy io i Satana. Ohatra, any amin’ny nosy sasany any Pasifika Atsimo, dia fanaon’ny lehilahy ny mivory mba hisotro zava-pisotro mavingy be dia be nataony ihany. Mety haharitra ora maromaro ireny fotoam-pisotroana ireny, ary atao matetika — lehilahy maro no manaram-po amin’io fahazarana io isan’andro. Misy mihevitra an’izany ho tapany amin’ny kolontsaina fotsiny. Indraindray dia labiera sy alkaola no sotroina ho solon’ny — na ho fanampin’ny — zava-pisotro eo an-toerana nataon’ny tena ihany. Fahamamoana no vokany matetika.
Any amin’ny tany hafa iray any Pasifika, dia saika tsy fandre ny fisotroan’ny lehilahy alkaola amim-pahalalana onony. Amin’ny ankapobeny, rehefa misotro izy ireo dia misotro mba ho mamo. Fahita mahazatra ny hoe amin’ny andro fandraisan-karama, dia misy lehilahy maromaro miaraka ary mividy baoritra maromaro feno labiera, ka misy tavoahangy 24 ny baoritra tsirairay. Tsy mitsahatra misotro izy ireo raha tsy rehefa lany ny labiera. Vokatr’izany, dia tena fahita ny fahamamoana eny imason’olona.
Zava-pisotro mavingy, toy ny trembo (toaka namboarina avy tamin’ny ranon-kazon’ny voaniho) sy toaka hafa vita eo an-toerana no ampiasaina, araka ny fomba nentim-paharazana, any amin’ny tany atsy Afrika. Didian’ny fomba nentim-paharazana any amin’ny fiaraha-monina sasany ny tsy maintsy anolorana alkaola rehefa mandray vahiny. Manome mihoatra noho izay lanin’ilay mpitsidika azy ilay tompon-trano mahay mandray vahiny, araka ny fanao. Any amin’ny faritra iray, dia fanao ny mametraka tavoahangin-dabiera 12 eo anoloan’ny mpitsidika tsirairay.
Kompania japoney maro no mandamina dia amin’ny aotobisy ho an’ny mpiasany. Zava-pisotro misy alkaola be dia be no entina, ary alan-tsiny ny fimamoana. Ny sasany amin’ireny fitsangantsanganana nalamin’ny kompania ireny dia maharitra roa na telo andro. Araka ny gazetiboky Asiaweek, any Japon, “manomboka amin’ny mpamboly vary ka hatramin’ny mpanao politika manankarena, dia fomba nentim-paharazana ny fanombanana ny lehilahy araka ny habetsahan’ny alkaola laniny”. Misy fironana mitovy amin’izany voamarika any amin’ny tany hafa any Azia. Ambaran’ny Asiaweek fa “ny Koreana tatsimo ankehitriny dia misotro toaka bebe kokoa isaky ny olona, raha oharina amin’ireo mpisotro na aiza na aiza any an-toeran-kafa eo amin’izao tontolo izao”.
Nanjary fahazarana miely patrana any amin’ireo toeran’ny sekoly ambony any Etazonia ny filibana amin’ny fisotroana. Araka ny The Journal of the American Medical Association, “ny ankamaroan’ireo mpiliba amin’ny fisotroana dia tsy mihevi-tena ho mpisotro manana olana”.a Tsy tokony hahagaga izany satria any amin’ny tany maro, ny fampitam-baovao dia mampandroso ny fisotroana ho toy ny fanaovan-javatra mampiseho fahasahisahiana sy fanarahan-damaody ary fahaiza-miaina. Matetika io fampielezan-kevitra io no manao ho lasibatra indrindra ny tanora.
Any Grande-Bretagne, dia nitombo avo roa heny ny fisotroana labiera, nandritra ny 20 taona, ary nitombo avo telo heny ny fisotroana toaka mahery. Manomboka mbola tanora kokoa ireo mpisotro, ary vehivavy maro kokoa no misotro. Misy fironana mitovy amin’izany voamarika any amin’ireo tany any Eoropa Atsinanana sy Amerika Latina. Misongadina izany amin’ny fitomboana mifanandrify amin’izany eo amin’ny tahan’ny alkaolisma sy ny fahafatesan’olona amin’ny fifamoivoizana mifandray amin’ny alkaola. Mazava fa misy fitomboana mibaribary eo amin’ny fidorohana alkaola maneran-tany.
Manao ahoana izany hoe be loatra?
Voalanjalanja ny fomba fijerin’ny Baiboly momba ny zava-pisotro misy alkaola. Etsy an-daniny, dia milaza ny Soratra Masina fa fanomezana avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny divay “izay mampifaly ny olona”. (Salamo 104:1, 15). Etsy an-kilany, amin’ny fanamelohany ny fanaranam-po tafahoatra, ny Baiboly dia mampiasa fitenenana hoe “fisotroana tafahoatra”, “fisotroana tafahoatra amin’ny divay, korana anaranam-po, fifaninanana misotro”, “tia divay be”, sy hoe “andevozin’ny divay be”. (Lioka 21:34, NW; 1 Petera 4:3, NW; 1 Timoty 3:8; Titosy 2:3). Manao ahoana anefa izany hoe “divay be”? Ahoana no ahafahan’ny Kristiana iray mamantatra izay mahaforona ny fomba fijery araka an’Andriamanitra momba ny zava-pisotro misy alkaola?
Tsy sarotra ny mamantatra ny fahamamoana. Lazalazaina ao amin’ny Baiboly amin’izao teny izao ireo vokany: “An’iza ny Indrisy? An’iza ny Endrey? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’iza ny maso mivoara-mena? An’izay mikikitra amin’ny divay, eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. (...) Ny masonao hahita zavatra hafahafa, ary ny fonao hirediredy foana.” — Ohabolana 23:29-33, fanamarihana ambany pejy.
Afaka miteraka fisafotofotoan’ny saina, fahitana zavatra tsy tena misy, tsy fahatsiarovan-tena, sy zavatra hafa tsy metimety eo amin’ny saina sy ny vatana, ny fisotroana alkaola be loatra. Eo ambanin’ny herin’ny alkaola, ny olona iray dia mety hamoy ny fifehezana ny fitondran-tenany, ka hiteraka fahavoazana ho an’ny tenany na ny hafa. Fantatra ho manao fitondran-tena adaladala, mahasosotra, na maloto, ny mpimamo.
Tsy isalasalana fa fisotroana be loatra ny fisotroana tonga hatramin’ny fahamamoana, miaraka amin’ireo vokany voalaza etsy ambony. Kanefa, afaka mampiseho tsy fahampian’ny fahalalana onony ny olona iray sady tsy mampiseho ireo famantarana rehetra fahita mahazatra amin’ny fahamamoana. Noho izany, dia matetika no anaovana ady hevitra ilay raharaha ny amin’ny hoe nisotro be loatra ny olona iray sa tsia. Inona ny tsipika mampisaraka ny fahalalana onony sy ny fanaranam-po tafahoatra?
Arovy ny fahaizanao misaina
Tsy manisy fetra ny Baiboly amin’ny fanomezana ny ampahany isan-jaton’ny habetsahan’ny alkaola ao amin’ny ra na ny fandrefesana hafa. Miovaova arakaraka ny olona ny fahazakana alkaola. Kanefa, mihatra amin’ny Kristiana rehetra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, ary afaka manampy antsika hamboly fomba fijery araka an’Andriamanitra momba ny zava-pisotro misy alkaola.
Ny didy voalohany, hoy i Jesosy, dia ny ho ‘tia an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. (Matio 22:37, 38). Misy vokany mivantana eo amin’ny saina ny alkaola, ary hanembantsembana ny fankatoavanao an’io didy lehibe indrindra amin’ny didy rehetra io ny fanaranam-po tafahoatra. Afaka manembantsembana be ny fahaiza-mitsara zavatra, ny fahaiza-mamaha olana, sy ny fanehoana fifehezan-tsaina ary ny fiasan’ny saina sarobidy hafa, izy io. Mananatra antsika toy izao ny Soratra Masina: “Raketo ny tena fahendrena sy ny [fahaiza-misaina, NW ], ka dia ho ain’ny fanahinao izany ary ho firavaky ny vozonao”. — Ohabolana 3:21, 22.
Miangavy ny Kristiana toy izao ny apostoly Paoly: ‘Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, azon’Andriamanitra ekena, fanompoana masina amin’ny herin-tsainareo’. (Romana 12:1, NW ). Moa ve ny Kristiana iray ho “azon’Andriamanitra ekena” raha tonga hatramin’ny famoizana ny ‘herin-tsainy’, rehefa misotro alkaola izy? Mazàna ny mpisotro iray tsy mahalala onony no mampitombo tsikelikely fahazakana alkaola. Mety hihevitra izy fa ny fisotroany tafahoatra — aminy — dia mbola tsy tonga eo amin’ny fiantombohan’ny fahamamoana. Kanefa, mety hampitombo mora foana fiankinan-doha tsy mahasoa amin’ny alkaola izy. Moa ve ny olona toy izany afaka manolotra ny tenany ho “fanatitra velona, masina”?
Na toy inona na toy inona habetsahan’alkaola manimba ny ‘tena fahendrenao sy ny fahaizanao misaina’ amin’ny maha-Kristiana anao, dia alkaola be loatra ho anao izany.
Inona no mamolavola ny fomba fijerinao ny alkaola?
Tokony handinika ny Kristiana iray raha toa ny fihetsiny manoloana ny fisotroana ka voataonan’ny fironana na ny fomba nentim-paharazana misy ankehitriny. Raha ny amin’ny zava-pisotro misy alkaola, dia azo antoka fa tsy ho tianao ny hanao ny safidinao miorina amin’ny fironana ara-kolontsaina na ny fampielezan-kevitry ny fampitam-baovao. Amin’ny fandinihana ny fihetsikao manokana, dia manontania tena hoe: ‘Moa ve izany voataonan’izay azo ekena eo amin’ny fiaraha-monina? Sa tapahin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny fisotroako?’
Na dia tsy manohitra ny kolontsaina aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia takany fa mankahala fanao maro izay eken’ny besinimaro amin’izao andro izao i Jehovah. Misy fiaraha-monina manala tsiny ny fanalana zaza, ny fampidiran-dra, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, na ny fananana vady maro. Ny Kristiana anefa dia manao zavatra mifanaraka amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra an’ireny zavatra ireny. Eny, hanosika ny Kristiana iray hankahala fanao toy ireny ny fomba fijery araka an’Andriamanitra, tsy maninona na azo ekena ara-kolontsaina izy ireny na tsia. — Salamo 97:10.
Miresaka ny amin’ny “fanaon’ny jentilisa” ny Baiboly, ka anisan’izany ny “fisotroana tafahoatra amin’ny divay” (NW ) sy ny “fifaninanana misotro” (NW ). Ilay teny hoe “fifaninanana misotro” dia mampita ilay hevitra hoe fivoriana izay nalamina noho ny zava-kendrena voafaritra tsara hisotroana alkaola be dia be. Toa fahita tamin’ny andron’ny Baiboly ny hoe nisy nirehareha ny amin’izay noheverina fa fahazakany toaka, ka nitady hisotro mihoatra noho ny hafa, na nitady hijery hoe iza no nahasotro be indrindra. Manisy firesahana an’io karazam-pitondran-tena io ho “fanaranam-po amin’ny ratsy”, izay tsy andraisan’ny Kristiana mibebaka anjara intsony, ny apostoly Petera. — 1 Petera 4:3, 4.
Ho azon’ny saina ekena ve ny haneken’ny Kristiana iray ilay fomba fijery hoe raha mbola tsy mamo koa izy, dia tsy tena zava-dehibe ny toerana sy ny fotoana isotroany, na ny habetsahan’izay sotroiny? Afaka manontany isika hoe: Izany ve no fomba fijery araka an’Andriamanitra? Hoy ny Baiboly: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” (1 Korintiana 10:31). Mety ho tsy mamo avokoa ny lehilahy rehetra ao amin’ny andiany iray mivory mba hisotro alkaola be dia be eny imason’olona, kanefa hitondra voninahitra ho an’i Jehovah ve ny fitondran-tenany? Mananatra toy izao ny Baiboly: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” — Romana 12:2.
Halaviro ny fanafintohinana ny hafa
Mahaliana fa matetika ireo kolontsaina milefitra amin’ny fanaranam-po tafahoatra ihany no tsy mankasitraka izany rehefa milaza ho olon’Andriamanitra ny mpisotro be iray. Tao amin’ny fiaraha-monina kely iray any Pasifika Atsimo, dia nilaza toy izao ny mpitazana iray: “Midera anareo aho. Mitory ny fahamarinana ianareo. Ny olana anefa dia hitanay fa misotro toaka be loatra ny lehilahy eo aminareo.” Voalaza fa tsy mamo akory ireo olona ireo, kanefa tsy niharihary firy tamin’ny maro tao amin’ilay fiaraha-monina io tsipiriany io. Mety hanatsoaka hevitra mora foana ireo mpitazana fa tahaka ny ankamaroan’ny lehilahy hafa izay mandray anjara amin’ny fotoam-pisotroana, dia lasa mamo koa ny Vavolombelona. Moa ve ny mpitory kristiana iray izay mandray anjara amin’ny fotoam-pisotroana lava be ho afaka hihazona laza tsara sy hanatontosa ny fanompoany ampahibemaso amin’ny fahasahiana? — Asan’ny Apostoly 28:31.
Tondroin’ny tatitra iray avy any amin’ny tany iray any Eoropa fa indraindray dia misy rahalahy sy anabavy tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana, maimbo alkaola be. Nanelingelina ny feon’ny fieritreretan’ny hafa izany. Mananatra toy izao ny Baiboly: “Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.” (Romana 14:21). Ny fomba fijery araka an’Andriamanitra momba ny zava-pisotro misy alkaola dia hanosika ny Kristiana matotra iray hanisy fiheverana ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, na dia midika aza izany hoe mifady alkaola ao anatin’ny toe-javatra sasany.
Mibaribary fa hafa ny Kristiana
Mampalahelo fa nanao zavatra betsaka mba hampahatezitra an’i Jehovah itỳ tontolo itỳ tamin’ny fampiasana tamin’ny fomba ratsy ny zavatra tsara nomeny ny olombelona, anisan’izany ny zava-pisotro misy alkaola. Tokony hiezaka hanalavitra ireo fomba fijery tsy araka an’Andriamanitra mahazo vahana ny Kristiana tsirairay vita fanoloran-tena. Amin’izany no hahafahan’ny olona ‘hahita ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy’. — Malakia 3:8.
Raha ny amin’ny zava-pisotro misy alkaola, dia tokony ho hita mibaribary ny ‘tsy fitovian’ny’ Vavolombelon’i Jehovah sy izao tontolo izao. Tsy ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny Kristiana marina. Tsy manandrana ny fetran’ny fahazakany alkaola izy ireo, ka hanakaiky amin’ny fomba mampidi-doza ny fahamamoana; sady tsy mamela ny zava-pisotro misy alkaola hanimba na hanembantsembana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny fanompoany an’Andriamanitra amin’ny fanahiny rehetra sy amin’ny saina mazava, koa izy ireo.
Amin’ny fitambarany, dia manana fomba fijery araka an’Andriamanitra momba ny zava-pisotro misy alkaola ny Vavolombelon’i Jehovah. Ahoana ny aminao? Ny tsirairay avy amintsika dia afaka miantehitra amin’ny fitahian’i Jehovah eo am-panarahantsika ny toromariky ny Baiboly mba “handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao”. — Titosy 2:12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Ny filibana amin’ny fisotroana dia nofaritana hoe fisotroana toaka dimy na mihoatra misesy ho an’ny lehilahy, ary efatra na mihoatra misesy ho an’ny vehivavy.” — The Journal of the American Medical Association.
[Efajoro/Sary, pejy 28]
Mihainoa An’ireo Olon-tianao
Matetika ny mpisotro iray tsy mahalala onony no farany mahatakatra fa manana olana izy. Tsy tokony hisalasala hanolotra fanampiana ho an’ireo olon-tiana izay tsy ampy fahalalana onony, ny havana sy ny namana ary ireo loholona kristiana. Etsy an-danin’izany, raha maneho fahasorisorena noho ny fahazaranao amin’ny fisotroana alkaola ireo olon-tianao, dia azo inoana fa manana antony tsara anaovana izany izy ireo. Eritrereto tsara izay lazainy. — Ohabolana 19:20; 27:6.