Fanontanian’ny Mpamaky
Ho azo atao ve ny hilaza fa ny fahazoana ny hevitry ny teny hoe “taranaka” ao amin’ny Matio 24:34, izay nampifanarahina vao haingana tamin’ny fanazavana farany, dia mamela hieritreritra fa mety hihemotra ho amin’ny hoavy lavitra ny faran’ny fandehan-javatra?
Tsy izany velively no izy. Mifanohitra amin’izany, ny fahazoana ny hevitr’izy io, izay nohatsaraina vao haingana, dia tokony hanampy antsika hiandry tsy an-kijanona ny farany. Ahoana izany?
Araka ny nohazavain’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1995, dia nampiharin’i Jesosy tamin’ny olona ratsy fanahy niara-belona taminy ilay fitenenana hoe “izao taranaka izao”. (Matio 11:7, 16-19; 12:39, 45; 17:14-17; Asan’ny Apostoly 2:5, 6, 14, 40). Tsy filazalazana ny amin’ny halavam-potoana voafetra, manomboka amin’ny daty voafaritra tsara iray, akory izy io.
Raha ny tena izy, ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’io nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana io ihany dia nifantoka tamin’ny hevitra fototra roa: ‘Ny taranaka iray dia tsy azo heverina ho toy ny fe-potoana iray misy isan’ny taona voafetra’, ary, ‘miaina mandritra ny fe-potoana somary fohy ihany ny olona ao anatin’ny taranaka iray’.
Matetika isika no mampiasa ny hoe “taranaka” amin’izany fomba izany. Ohatra, mety hilaza isika hoe: ‘Tsy nahalala na inona na inona momba ny fiaramanidina sy ny baomba ataomika ireo miaramila tao anatin’ny taranaka nisy an’i Napoléon.’ Moa ve isika amin’izany miresaka momba ireo miaramila teraka tamin’ny taona nahaterahan’i Napoléon? Moa ve isika te hiresaka fotsiny ny amin’ireo miaramila frantsay izay maty talohany? Mazava ho azy fa tsia; tsy hitady hametra isan-taona voafaritra tsara akory isika, amin’ny fampiasana toy izany ny hoe “taranaka”. Hanondro fe-potoana somary fohy ihany tamin’ny andron’i Napoléon kosa anefa isika, fa tsy an-jatony taona maro akory.
Toy izany koa no fahazoantsika ny hevitr’izay nolazain’i Jesosy tao amin’ny faminaniany nomeny teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Ny fahatanterahan’ireo lafiny samy hafa amin’ilay faminaniana dia manaporofo fa akaiky ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ. (Matio 24:32, 33). Tadidio fa araka ny Apokalypsy 12:9, 10, tamin’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra tamin’ny 1914, dia nazera tetỳ amin’ny manodidina ny tany i Satana. Manampy teny ny Apokalypsy fa manana fahatezerana lehibe i Satana ankehitriny. Nahoana? Satria fantany fa “kely sisa ny androny”. — Apokalypsy 12:12, izahay no manao sora-mandry.
Mety àry ny hananan’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra ny lohatenikely hoe: “ ‘Miambena hatrany’!” Tena mety ny nilazan’ny fehintsoratra manaraka hoe: ‘Tsy mila mahafantatra ny fotoana marina hitrangan’ireo fisehoan-javatra isika. Ny tsy maintsy ifantohantsika kosa dia ny hiambina sy ny hamboly finoana matanjaka ary ny hitoetra ho be atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah — fa tsy ny fanaovana kajy daty iray akory.’ Avy eo dia nanonona ny tenin’i Jesosy toy izao izy io: ‘Mijere hatrany, mifohaza hatrany, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro. Miambena hatrany. Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena hatrany.’ — Marka 13:33, 37, NW.