Ireo Fitahiana Entin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
“Ny fitahian’i Jehovah no mampanankarena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” — OHABOLANA 10:22.
1, 2. a) Ahoana no nanehoan’ny mpisava lalana iray izay tsapany momba ny fanompoana manontolo andro? b) Nahoana ny mpisava lalana no afaka mahatsapa amin’ny fomba feno kokoa ireo fifaliana entin’ny fanaovana mpianatra?
“METY hisy fifaliana lehibe kokoa noho ny fahitana olona iray niara-nianatra taminao tonga mpidera marisika an’i Jehovah ve? Mampientam-po no sady manatanjaka ny finoana ny mahita ny herin’ny Tenin’Andriamanitra manosika olona hitondra fiovana eo amin’ny fiainany mba hampifaliana an’i Jehovah.” Izany no nosoratan’ny mpisava lalana iray any Kanada, izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro efa hatramin’ny 32 taona mahery. Hoy izy momba ny fanompoan’ny mpisava lalana ataony: “Tsy mahita ny tenako manao zavatra hafa aho. Tena tsy mahita zavatra hafa afaka ny hitondra fifaliana toy izao aho.”
2 Manaiky ve ianao fa mitondra fifaliana lehibe ny fanampiana olona iray handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana? Mazava ho azy fa tsy ny mpisava lalana ihany no mahatsapa izany fifaliana izany. Ny mpanompon’i Jehovah rehetra dia nirahina ‘hanao mpianatra’, ary miezaka hanao izany izy ireo. (Matio 28:19). Kanefa, noho ireo mpisava lalana afaka mandany ora maro eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, dia matetika izy ireny no afaka mahatsapa amin’ny fomba feno kokoa ireo fifaliana entin’ny fanaovana mpianatra. Valian-tsoa amin’ny fomba hafa koa anefa ny asan’ny mpisava lalana. Miresaha amin’ny mpisava lalana, dia hilaza aminao izy ireo fa ny asan’ny mpisava lalana dia fomba iray tena tsara ahatsapana ‘ilay fitahian’i Jehovah izay mampanankarena’. — Ohabolana 10:22.
3. Inona no mety handrisika antsika eo am-panohizantsika manompo an’i Jehovah?
3 Tsy ela izay, dia nisy mpisava lalana avy amin’ny faritra maro samihafa amin’ny tany nasaina nilaza ireo fitahiana azony teo amin’ny fanompoana manontolo andro. Andeha isika handinika izay nolazain’izy ireo. Aza kivy anefa raha voafetra noho ny tsy fahasalamana, ny fandroson’ny taona, na ny toe-javatra hafa, ny fanompoanao. Tadidio fa ny zava-dehibe dia ny manompo an’i Jehovah amin’ny fanahy manontolo, na inona na inona anjara asanao. Na dia izany aza, ny fandrenesana ny tenin’ny mpisava lalana sasany dia mety hampitombo ny fahaliananao hanao io asa mahafa-po io.
Fahatsapana fahafaham-po sy fifaliana lalina
4, 5. a) Nahoana no tena mahafa-po ny fizarana ny vaovao tsara amin’ny hafa? b) Inona no tsapan’ny mpisava lalana momba ny fanompoana manontolo andro?
4 “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”, hoy i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 20:35). Eny, valian-tsoa manokana ny fanomezana tsy amim-pitiavan-tena. (Ohabolana 11:25). Marina indrindra izany, raha ny amin’ny fizarana ny vaovao tsara amin’ny hafa. Eny tokoa, mety hisy fanomezana lehibe kokoa noho ny fanampiana ny mpiara-belona amintsika hahazo ny fahalalana an’Andriamanitra, izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, ve? — Jaona 17:3.
5 Tsy mahagaga raha miresaka matetika momba ny fifaliana sy ny fahafaham-po lalina entin’ny fanompoany ireo izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro. “Fantatro fa tsy misy asa hafa ho afaka nanome ahy ilay fahafaham-po ateraky ny fizarana ny fahamarinana amin’ny hafa”, hoy ny mpisava lalana iray 64 taona any Grande-Bretagne. Ny anabavy maty vady iray any Zaïre dia nilaza toy izao momba izay nentin’ny asan’ny mpisava lalana ho azy: “Tena fampiononana ho ahy ny fanompoan’ny mpisava lalana, taorian’ny namoizako ny vady malalako. Isaky ny mandeha manampy ny hafa eny amin’ny fanompoana aho, dia mihamihena ny fahatsapako ilay fahabangana. Mametraka ny finoako amin’ireo fampanantenan’i Jehovah aho ary mifantoka indrindra indrindra amin’ny fomba ahafahako manampy an’ireo olona ampianariko mba hitondra fiovana eo amin’ny fiainany. Amin’ny faran’ny andro tsirairay, dia mamy ny torimasoko, ary feno fifaliana ny foko.”
6. Fifaliana manokana inona no tsapan’ny mpisava lalana sasany?
6 Ny sasany izay nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny am-polony taona maro dia nahita ilay fifaliana manokana nentin’ny fanompoana tany amin’ny toerana lavitra, sy ny fanorenana kongregasiona izay nitombo ka tonga fizaran-tany tamin’ny farany. Ohatra, any Abashiri, any Hokkaido (nosin’i Japon farany avaratra), dia misy anabavy iray izay mpisava lalana efa hatramin’ny 33 taona. Tsaroany fa tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany voalohany natrehiny — ho an’i Hokkaido manontolo — dia 70 monja ny mpanatrika. Ary ankehitriny? Misy fizaran-tany 12 voaforon’ny mpitory maherin’ny 12 000 any amin’io nosy io. Alao sary an-tsaina ny fony diboky ny hafaliana, rehefa manatrika fivoriambe miaraka amin’ny mpiara-mitory ilay Fanjakana sesehena any amin’io nosy io izy!
7, 8. Inona no fifaliana tsapan’ny ankamaroan’ny mpisava lalana efa hatramin’ny ela?
7 Ireo mpisava lalana hafa efa hatramin’ny ela dia nahita ilay fifaliana nentin’ny fahitana ireo nampianariny Baiboly natao batisa ary avy eo dia niezaka hahazo tombontsoam-panompoana lehibe kokoa. Tany Japon, ny anabavy mpisava lalana iray izay nanompo tany amin’ny faritany sivy samy hafa nanendrena azy hatramin’ny 1957, dia mahatsiaro fa nametraka gazety Mifohaza! iray tamin’ny vehivavy tanora iray niasa tao amin’ny banky. Rehefa afaka sivy volana dia natao batisa io vehivavy tanora io. Tatỳ aoriana, dia nanambady izy ary tonga mpisava lalana manokana izy sy ny vadiny. Endrey ny fifalian’ilay anabavy mpisava lalana, tamin’ny faritany fahatelo nanendrena azy, rehefa tonga nitsidika ny kongregasionany ny mpiandraikitra ny fizaran-taniny vaovao sy ny vadiny — ilay nampianariny Baiboly taloha!
8 Tsy mahagaga raha mihevitra ny fanompoan’ny mpisava lalana ho “tombontsoa tsy hay tombanana izay tokony hankamamina”, araka ny tenin’ny mpisava lalana iray efa hatramin’ny 22 taona, ireo izay nifidy io asa io!
Porofon’ny fiahian’i Jehovah
9. Noho izy ilay Mpikarakara Lehibe, inona moa no ampanantenain’i Jehovah ny mpanompony, ary inona no hevitr’izany ho antsika?
9 I Jehovah, ilay Mpikarakara Lehibe, dia nampanantena ny hanohana ny mpanompony, ka hikarakara azy ireo eo amin’ny ara-panahy sy ny ara-nofo. Tena nety ny nilazan’i Davida Mpanjaka fahizay hoe: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:25). Mazava ho azy fa io fanomezan-toky avy amin’Andriamanitra io dia tsy manaisotra amintsika ny adidy hamelona ny ankohonantsika, no sady tsy manome lalana antsika hiantehitra amin’ny fahalalahan-tanan’ireo rahalahintsika kristiana. (1 Tesaloniana 4:11, 12; 1 Timoty 5:8). Kanefa, rehefa vonona haneho fandavan-tena eo amin’ny fiainantsika isika, mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa, dia tsy hahafoy antsika na oviana na oviana izy. — Matio 6:33.
10, 11. Avy amin’ny zavatra iainany, inona moa no fantatry ny mpisava lalana maro momba ny fahaizan’i Jehovah hanome izay ilaintsika?
10 Ny mpisava lalana maneran-tany dia mahafantatra avy amin’ny zavatra iainany fa manome izay ilain’ireo izay mametraka ny fiainany eo an-tanany feno fiahiana i Jehovah. Diniho ny ohatry ny mpivady mpisava lalana iray, izay nifindra monina tany amin’ny tanàna kely iray nilana mpitory ilay Fanjakana betsaka kokoa. Rehefa afaka volana vitsivitsy, dia nanjary tsy nisy ny asa, ary lany ny vola tahirin’izy ireo. Avy eo dia tonga koa ny taratasy fitakiana ny 81 dolara saran’ny fiantohana ny aotomobiliny. “Tsy afaka nandoa azy io mihitsy izahay”, hoy ilay rahalahy. “Nivavaka mafy tsy nisy ohatra izany izahay tamin’iny alina iny.” Ny ampitso izy ireo dia nahazo carte iray avy tamin’ny fianakaviana iray izay sahirana tahaka azy ireo koa. Namerenana ny vola hetra naloan’io fianakaviana io, araka ny fanazavana tao amin’ilay carte. Ary noho ilay izy nihoatra noho izay nampoizin’izy ireo, dia naniry ny hanome ny sasany taminy ho an’ilay mpivady mpisava lalana izy ireo. Nisy seky 81 dolara niaraka tamin’ilay carte! “Tsy hohadinoiko mihitsy iny andro iny — nitampim-bava fotsiny teo aho!”, hoy ilay rahalahy mpisava lalana. “Tena nankasitrahanay ny fahalalahan-tanan’io fianakaviana io.” I Jehovah koa dia mankasitraka ny hatsaram-panahy toy izany, izay mampiavaka ny toe-tsaina malala-tanana ampirisihany ao amin’ireo mpanompony. — Ohabolana 19:17; Hebreo 13:16.
11 Mpisava lalana maro no afaka mitantara fanandraman-javatra mitovy amin’izany. Anontanio izy ireo, dia hilaza aminareo fa mbola tsy “nafoy” mihitsy ny tenany. Nanao jery todika ireo 55 taona nanaovany fanompoana manontolo andro ny mpisava lalana iray 72 taona, ka nanao hoe: “Tsy nandao ahy mihitsy i Jehovah.” — Hebreo 13:5, 6.
“Fomba faran’izay tsara hanatonana akaiky kokoa an’i Jehovah”
12. Nahoana no tena tombontsoa miavaka ny asa fanambarana ny vaovao tsara?
12 Ny fangatahan’i Jehovah antsika hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakany fotsiny dia efa tombontsoa. Mihevitra antsika — olombelona tsy tanteraka — ho “mpiara-miasa” aminy eo amin’io asa famonjena aina io izy. (1 Korintiana 3:9; 1 Timoty 4:16). Rehefa mitory amin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra isika, rehefa manambara ny faran’ny faharatsiana isika, rehefa manazava amin’ny olona ny fitiavany mahatalanjona tamin’ny fanomezana ny avotra isika, rehefa manokatra ny Teniny velona isika ka mampianatra ireo zavatra sarobidy raketiny amin’ny olona tso-po, dia mihamanatona akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika. — Salamo 145:11; Jaona 3:16; Hebreo 4:12.
13. Inona no lazain’ny sasany momba ny vokatry ny fanompoan’ny mpisava lalana ataony, eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah?
13 Ny mpisava lalana dia afaka mandany fotoana be dia be isam-bolana ianarana sy ampianarana momba an’i Jehovah. Inona no vokatr’izany eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra, araka ny hevitr’izy ireo? “Ny asan’ny mpisava lalana dia fomba faran’izay tsara hanatonana akaiky kokoa an’i Jehovah”, hoy ny navalin’ny loholona iray any Frantsa, izay mpisava lalana efa hatramin’ny folo taona mahery. Ny mpisava lalana iray hafa any amin’io tany io ihany, izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro efa hatramin’ny 18 taona, dia nilaza hoe: “Ny fanompoan’ny mpisava lalana dia mamela antsika ‘hanandrana ka hizaha fa tsara i Jehovah’, satria mampiorina fifandraisana mihamatanjaka amin’ny Mpamorona antsika isan’andro isan’andro.” (Salamo 34:8). Mitovy hevitra amin’izany ny anabavy iray any Grande-Bretagne, izay mpisava lalana efa hatramin’ny 30 taona mahery. “Tsy maintsy miantehitra amin’ny fanahin’i Jehovah aho mba hahazoako fitarihana eo amin’ny fanompoako, ka izany dia mampanatona ahy akaiky kokoa azy”, hoy izy. “Tena tsapako fa imbetsaka ny fanahin’i Jehovah no nitarika ahy ho amin’ny trano iray tamin’ny fotoana tena nety.” — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:6-10.
14. Inona no soa raisin’ny mpisava lalana avy amin’ny fampiasana ny Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly isan’andro isan’andro mba hampianarana ny hafa?
14 Mpisava lalana maro no mahita fa ny fampiasana ny Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly isan’andro isan’andro mba hanazavana sy hampianarana fahamarinana araka ny Soratra Masina, dia manampy azy ireo hampitombo ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra. Hoy ny nohazavain’ny rahalahy iray 85 taona any Espaina, izay mpisava lalana efa hatramin’ny 31 taona: “Ny asan’ny mpisava lalana dia nanampy ahy hahazo fahalalana lalina ny Baiboly, dia fahalalana nampiasaiko mba hanampiana olona maro hahalala an’i Jehovah sy ny fikasany.” Hoy ny anabavy iray any Grande-Bretagne, izay mpisava lalana efa hatramin’ny 23 taona: “Ny fanompoana manontolo andro dia nanampy ahy hamboly fahazotoan-komana ara-panahy.” Rehefa manazava amin’ny hafa ‘ny anton’ny fanantenana ao anatinao’ ianao, dia manamafy ny fieken’ny tenanao manokana momba ireo zavatra inoanao sy heverinao ho sarobidy. (1 Petera 3:15). Hoy ny mpisava lalana iray any Aostralia: “Ny asan’ny mpisava lalana dia manatsara ny finoako, rehefa miresaka amin’ny hafa aho.”
15. Vonona hanao inona ny maro mba hirotsahana ao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana sy tsy hialana aminy, ary nahoana?
15 Mazava fa ireo mpisava lalana ireo dia miaiky fa nifidy endriky ny fanompoana iray izay mitondra fitahiana tsy hita isa avy amin’i Jehovah ny tenany. Tsy mahagaga raha maro no vonona hanao fanitsiana teo amin’ny fiainany, ka nanao sorona asa nisy fisondrotana sy harena ara-nofo mihitsy aza, mba hirotsahana ao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, sy tsy hialana aminy! — Ohabolana 28:20.
Moa ve ny fonao maniry hanao bebe kokoa?
16, 17. a) Raha manontany tena ianao raha ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana, inona moa no ho azonao atao? b) Inona no tsapan’ny sasany izay tsy afaka ny ho mpisava lalana?
16 Rehefa avy nandinika izay lazain’ny mpisava lalana momba ireo fitahiana entin’ny fanompoan’ny mpisava lalana ianao, dia mety hanontany tena raha ho azonao atao ny asan’ny mpisava lalana. Raha izany no izy, nahoana raha miresaka amin’ny mpisava lalana iray izay mahavita soa aman-tsara ny fanompoana manontolo andro? Mety hanampy koa ny miresaka amin’ny iray amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona, dia loholona iray izay mahafantatra anao — ny toe-pahasalamanao sy ireo fetran’ny mety ho vitanao ary ny andraikitrao ara-pianakaviana. (Ohabolana 15:22). Ny teny araka ny zava-misy ataon’ny hafa dia mety hanampy anao hanombana amim-pitandremana raha ho vitanao ny asan’ny mpisava lalana. (Ampitahao amin’ny Lioka 14:28.) Raha afaka ny ho mpisava lalana ianao, dia ho lehibe tokoa ny fitahiana ho azonao. — Malakia 3:10.
17 Ahoana anefa ny amin’ireo mpitory ilay Fanjakana mahatoky maro be izay tsy afaka ny ho mpisava lalana, na dia mety haniry hanao bebe kokoa eo amin’ny fanompoana aza izy ireo? Diniho, ohatra, ny fihetseham-pon’ny anabavy kristiana iray izay miady mafy mitaiza irery ireo zanany efatra. “Malahelo aho”, hoy izy, “satria mpisava lalana maharitra aho taloha, nefa izao, noho ny toe-javatra misy ahy, dia tsy afaka mandeha eny amin’ny fanompoana toy ny taloha.” Tia an’ireo zanany efatra io anabavy io ary maniry hanome izay ilain’izy ireo. Etsy an-danin’izany anefa dia maniry hanao bebe kokoa eo amin’ny asa fitoriana koa izy. “Tena tiako ny fanompoana”, hoy izy nanazava. Mitovy fihetseham-po aminy ny Kristiana be fandavan-tena maro hafa izay maniry hanompo an’i Jehovah ‘amin’ny fony rehetra’, noho ny fitiavany an’Andriamanitra. — Salamo 86:12.
18. a) Inona no antenain’i Jehovah amintsika? b) Nahoana isika no tsy tokony ho kivy raha mametra izay mety ho vitantsika ny toe-javatra misy antsika?
18 Tadidio fa ny antenain’i Jehovah amintsika dia fanompoana amin’ny fanahy manontolo. Mety ho samy hafa be ny dikan’izany, arakaraka ny olona. Ny sasany afaka manao fanitsiana eo amin’ny raharahany mba ho mpisava lalana maharitra. Ny maro hafa mirotsaka ho mpisava lalana mpanampy na tsindraindray na mitohy, ka mandany 60 ora isam-bolana eo amin’ny fanompoana. Ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah anefa dia mpitorin’ny kongregasiona manokan-tena amin’ny fanahiny manontolo ho amin’ny asa fitoriana sy fampianarana. Koa raha tena voafetra marina ny mety ho vitanao noho ny tsy fahasalamana, ny fandroson’ny taona, ny andraikitra ara-pianakaviana, na ny toe-javatra hafa, dia aza kivy. Raha mbola manao araka ny fara herinao koa ianao, dia sarobidy eo imason’Andriamanitra ny fanompoanao, tsy misy hafa amin’ny an’ireo izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro!
Afaka mampiseho ny toe-tsain’ny mpisava lalana ny rehetra
19. Inona moa no atao hoe toe-tsain’ny mpisava lalana?
19 Na dia mety tsy ho afaka hirotsaka ho mpisava lalana aza ianao, dia afaka mampiseho ny toe-tsain’ny mpisava lalana. Inona moa no atao hoe toe-tsain’ny mpisava lalana? Hoy ny nambaran’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Septambra 1988: ‘Izy io dia azo faritana ho ny fananana fihetsika manorina eo anoloan’ilay didy hitory sy hanao mpianatra, ny fanekena amin’ny fomba feno ny adidy hampiseho fitiavana sy fiahiana ny olona, ny fananana fandavan-tena, ny fahitana fifaliana rehefa manara-dia akaiky ny Tompo ary ny fahitana fahafinaretana amin’ny zavatra ara-panahy, fa tsy ara-nofo.’ Ahoana no ahafahanao maneho ny toe-tsain’ny mpisava lalana?
20. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mampiseho ny toe-tsain’ny mpisava lalana?
20 Raha ray na reny manan-janaka kely ianao, dia afaka mampirisika amim-pahatsorana azy ireo hifidy ny asan’ny mpisava lalana. Ny fihetsikao manorina eo anoloan’ny fanompoana dia mety handentika ao amin’izy ireo ny ilana hanao ny fanompoana an’i Jehovah ho ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Ho azonao atao ny hanasa mpisava lalana sy mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny any aminareo, mba handraisan’ny zanakao soa avy amin’ny ohatr’ireo izay nahita fifaliana teo amin’ny fanompoana manontolo andro. (Ampitahao amin’ny Hebreo 13:7.) Na dia ao amin’ny ankohonana voazarazara ara-pivavahana aza, amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra ireo ray na reny mpino dia afaka manampy ny zanany hanao ny fanompoana manontolo andro ho tanjona eo amin’ny fiainany. — 2 Timoty 1:5; 3:15.
21. a) Ahoana no ahafahantsika rehetra manohana ny mpisava lalana? b) Inona no azon’ny loholona atao mba hampaherezana ny mpisava lalana?
21 Ao amin’ny kongregasiona, dia afaka manohana amim-pahatsorana an’ireo izay afaka ny ho mpisava lalana isika rehetra. Ohatra, moa ve ianao afaka manao ezaka manokana mba hiara-miasa amin’ny mpisava lalana iray eny amin’ny fanompoana, indrindra fa amin’ny fotoana izay mety hiasany irery, raha tsy izany? Mety ho hitanao fa hisy “fifampaherezana” eo aminareo amin’izay. (Romana 1:11, 12, NW ). Raha loholona ianao, dia vao mainka ho afaka hanao bebe kokoa aza mba hampaherezana ireo mpisava lalana. Rehefa mivory ny fitambaran-doholona, dia tokony handinika tsy tapaka ny zavatra ilain’ireo mpisava lalana. Rehefa kivy na mahita zava-manahirana ny mpisava lalana iray, dia aza mailaka ny hampirisika azy hitsahatra tsy ho mpisava lalana. Na dia mety hilaina aza izany amin’ny toe-javatra sasany, dia aza hadinoina fa ny asan’ny mpisava lalana dia tombontsoa sarobidy izay mety hankamamin’ilay mpanompo manontolo andro fatratra. Fampaherezana kely sy torohevitra na fanampiana azo ampiharina no mety ho hany zavatra ilainy. Hoy ny nosoratan’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana any Espaina: “Rehefa mampirisika hanao ny asan’ny mpisava lalana ny loholona, sy manohana an’ireo mpisava lalana eny amin’ny fanompoana, ary manao fitsidihan’ny mpiandry any amin’izy ireo tsy tapaka, dia mahita fifaliana kokoa ireo mpisava lalana, mahatsiaro ho misy ilana azy, ary maniry hanohy na dia mety hisy vato misakana mipoitra aza.”
22. Amin’izao vanim-potoana tena lehibe amin’ny tantaran’ny olombelona izao, tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona moa isika?
22 Miaina amin’ny vanim-potoana tena lehibe eo amin’ny tantaran’ny olombelona isika ankehitriny. Nomen’i Jehovah asa famonjena aina hotontosaina isika. (Romana 10:13, 14). Na afaka ny ho mpisava lalana isika na tsia eo am-pandraisana anjara amin’io asa io, dia aoka isika hampiseho ny toe-tsain’ny mpisava lalana. Aoka isika hahatsapa fa mahadodona ny fotoana, ary hanana toe-tsaina feno fandavan-tena. Aoka isika ho tapa-kevitra ny hanome izay angatahin’i Jehovah amintsika — fanompoana amin’ny fanahy manontolo. Ary aoka isika hitadidy fa rehefa manome izay rehetra azontsika omena isika, na mitovy amin’ireo farantsakelin’ilay mpitondratena izany na amin’ilay menaka lafo vidin’i Maria, ny fanompoantsika dia amin’ny fanahintsika manontolo, ary mankamamy ny fanompoantsika amin’ny fanahintsika manontolo i Jehovah!
Tsaroanao ve?
◻ Nahoana no mitondra fahafaham-po sy fifaliana ny fanompoana manontolo andro?
◻ Avy amin’ny zavatra iainany, inona no fantatry ny mpisava lalana maro momba ny fahaizan’i Jehovah mikarakara ny mpanompony?
◻ Araka ny tsapan’ny mpisava lalana, inona no vokatry ny fanompoany eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah?
◻ Ahoana no ahafahanao mampiseho ny toe-tsain’ny mpisava lalana?
[Sary, pejy 23]
Mahita fifaliana lehibe avy amin’ny fanaovana mpianatra ny mpisava lalana
Afaka mandray soa avy amin’ny fifaneraserana amin’ireo mpitory ilay Fanjakana manontolo andro ny zanakao
Afaka mampahery ny mpisava lalana eny amin’ny fanompoana ny loholona