Fiadiana Toerana “Masina”
NAHATRATRA ny tanjony haka an’i Jerosalema, ilay Kroazada Voalohany nahazo lalana tamin’ny papan’i Roma, tamin’ny 15 Jolay 1099. Nampivarahontsana ilay fandripahana! Ny hany mponina sisa tsy maty dia ny governora sy ny mpiambina azy manokana, taorian’ny nanomezana tsolotra be. Nanao tatitra toy izao momba izay nanjo ny sisa tamin’ny mponina silamo sy jiosy ilay mpitondra fivavahana atao hoe Antony Bridge, tao amin’ny bokiny hoe The Crusades: “Raha vantany vao navela hanao izay tiany tao amin’ilay tanàna ireo Kroaze, dia resin’ny filan-dratsy ho lian-dra izy ireo, ka nampisy ra nandriaka be nahatsiravina. (...) Novonoiny avokoa izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy rehetra hitany tao an-tanàna (...) Rehefa tsy nisy na iza na iza hovonoina intsony, dia nanao filaharana nanaraka ny araben’ny tanàna ireo mpandresy (...) nankany amin’ny Eglizin’ny Fasana Masina mba hisaotra an’Andriamanitra.”
Hatramin’ilay fandresena azon’ny Kroaze, ny fisian’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina tany Jerosalema dia voamariky ny tsy fifanarahana teo amin’ny Katolika Romanina sy ny Ôrtôdôksa Tatsinanana, mbamin’ny fivavahana hafa lazaina fa kristianina. Tamin’ny 1850, dia antony lehibe nahatonga ny Ady tany Crimée ny fifandiran’ireo mpitondra fiangonana samihafa nahakasika ireo toerana masina tao Jerosalema sy ny manodidina azy. Niady tamin’i Rosia i Angletera sy i Frantsa ary ny Fanjakana Ôtômanina, ka ain’olona antsasa-tapitrisa no nafoy ho tambin’izany.
Tsy namarana ireo tsy fifanarahan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina momba an’i Jerosalema sy ny toerany masina akory ilay ady. Nanandrana namitram-pihavanana ireo Ôtômanina izay nanapaka ilay tany tamin’izany fotoana izany, ka nozarazarainy tamin’ireo antokom-pinoana samihafa ireo toerana masina. Nohazavain’ny Pr. Menashe Har-el, tao amin’ilay bokiny hoe This Is Jerusalem, fa “io fitsipika io dia neken’ny (...) Firenena Mikambana, niaraka tamin’ilay Fehin-kevitra Fizarana tamin’ny Novambra 1947. Anisan’ny lalàna iraisam-pirenena izy io, araka izany”. Vokatr’izany, dia nozarazaraina tamin’ny Katolika Romanina sy ny Ôrtôdôksa Grika sy ny Armenianina, sy ny Syrianina ary ny Kopta, ilay Eglizin’ny Fasana Masina. Farany, dia mba naka ny anjarany tamin’io eglizy io koa ny Etiopianina, ka nasainy nipetraka tao amin’ny trano bongo teo amin’ny tafon’ilay eglizy ny mpikambana sasany teo aminy. Maro no mihevitra ny Eglizin’ny Fasana Masina ho ny toerana masina indrindra an’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Feno relìka sy sary vongana ary sary masina izy io. Ankamasinin’ny Protestanta sasany ho toerana heverina fa namonoana sy nandevenana an’i Jesosy ilay toerana hafa iray lazaina fa masina, dia ny Kalvarian’i Gordon.
Efa ela izay, dia nilazan’i Jesosy toy izao ny vehivavy iray nino ny toerana masina: “Avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray. (...) Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:21-24). Araka izany, dia tsy mankamasina toerana masina ny tena Kristianina. Fampitandremana ho an’ny Tontolon’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny nandravan’ny tafika romanina an’i Jerosalema nivadika, tamin’ny taona 70 am.f.i. Ny fanompoan-tsampy sy ny fisaratsarahana ary ny trosan-dra eo aminy dia mandiso ny fihamboany ho Kristianina. Noho izany, dia hanjo azy ny fiafarana izay efa nambaran’Andriamanitra mialoha ho an’ireo fivavahana rehetra mahaforona an’i Babylona Lehibe. — Apokalypsy 18:2-8.