Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Fitsidihana Iray Novalian-tsoa Be dia Be
TSY maintsy nahatrotraka ilay mpanjakavavy ilay dia avy tany Sheba nankany Jerosalema. Efa zatra nigalabina tao anatin’ny fiadanana izy. Izao anefa, dia araka ny hafainganam-pandehan’ny rameva no nanaovany dia lavitra 2 400 kilaometatra, ary efitra nandoro ny ampahany betsaka tamin’izany lalana izany. Tombanana ho naka 75 andro teo ho eo ny famitana io diany io, ary vao ny dia nandroso fotsiny ihany izany!a
Nahoana io mpanjakavavy nanankarena io no nandao ny tranony nampiadana tany Sheba ka nanao izany dia sarotra izany?
Tatitra nahaliana
Tonga tany Jerosalema ilay mpanjakavavin’i Sheba rehefa “nahare ny lazan’i Solomona ny amin’ny anaran’i Jehovah”. (1 Mpanjaka 10:1). Tsy voalaza hoe inona marina no ren’ilay mpanjakavavy. Fantatsika anefa fa nanana fahendrena sy harena ary voninahitra tsy fahita firy i Solomona, noho ny nitahian’i Jehovah azy. (2 Tantara 1:11, 12). Ahoana no nahatonga ilay mpanjakavavy hahafantatra izany? Koa satria foibe ara-barotra i Sheba, dia nety ho tamin’ny alalan’ireo mpivarotra nitsidika ny taniny no nandrenesany ny lazan’i Solomona. Ny sasany tamin’izy ireny dia nety ho efa tany Ofira, tany iray izay nanaovan’i Solomona fifampiraharahana ara-barotra be dia be. — 1 Mpanjaka 9:26-28.
Na ahoana na ahoana, dia tonga tany Jerosalema ilay mpanjakavavy “mbamin’ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa”. (1 Mpanjaka 10:2a). Milaza ny sasany fa anisan’izany “mpanaraka maro be” izany ireo mpiaro azy nitam-piadiana. Takatra ny anton’izany rehefa heverina fa sady olona ambony nanana ny naha izy azy ilay mpanjakavavy no nitondra zava-tsarobidy tsy hita pesipesenina ny tokom-bidiny.b
Mariho anefa fa nandre ny lazan’i Solomona “ny amin’ny anaran’i Jehovah” ilay mpanjakavavy. Tsy raharaham-barotra fotsiny àry no nanaovany an’io dia io. Miharihary fa ny antony voalohany indrindra nahatongavan’ilay mpanjakavavy, dia ny hihainoana ny fahendren’i Solomona, angamba aza hiana-javatra momba an’i Jehovah, Andriamanitr’i Solomona, mihitsy. Koa satria azo inoana fa avy tamin’ny taranak’i Sema na i Hama, izay mpivavaka tamin’i Jehovah, izy, dia nety ho liana ta hahafanta-javatra momba ny fivavahan’ireo razambeny.
Fanontaniana sarotra, valiny nahafa-po
Rehefa tafahaona tamin’i Solomona ilay mpanjakavavy, dia nanomboka nitsapa azy tamin’ny “fanontaniana sarotra”. (1 Mpanjaka 10:1). Azo adika hoe “ankamantatra” ilay teny hebreo ampiasaina eto. Tsy milaza anefa izany fa kilalaon-tsaina tsy dia manao ahoana no nataon’ilay mpanjakavavy tamin’i Solomona. Mahaliana ny manamarika fa teny hebreo mitovy amin’io no ampiasaina ao amin’ny Salamo 49:4, mba hilazalazana raharaha lehibe momba ny fahotana sy ny fahafatesana ary ny fanavotana. Azo inoana àry fa foto-kevitra lalina no noresahin’ilay mpanjakavavin’i Sheba tamin’i Solomona mba hitsapana ny halalin’ny fahendreny. Voalazan’ny Baiboly fa “nilaza taminy izay rehetra tao am-pony” ilay mpanjakavavy. I Solomona kosa dia ‘namaly azy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa’. — 1 Mpanjaka 10:2b, 3.
Nampiaiky volana ny mpanjakavavin’i Sheba ny fahendren’i Solomona sy ny haren’ny fanjakany ka “tsy nisy fanahy intsony tao aminy”. (1 Mpanjaka 10:4, 5, NW ). Misy milaza fa ny dikan’io teny io dia hoe “tsy avy niaina” ilay mpanjakavavy. Nilaza mihitsy aza ny manam-pahaizana iray fa safotra ilay mpanjakavavy! Na inona na inona nitranga, dia talanjona tamin’izay hitany sy reny ilay mpanjakavavy. Sambatra, hoy izy, ireo mpanompon’i Solomona fa afaka nandre ny fahendren’io mpanjaka io, ary nisaotra an’i Jehovah izy tamin’ny nametrahany an’i Solomona teo amin’ny seza fiandrianana. Avy eo izy dia nanome fanomezana lafo vidy ho an’ny mpanjaka, ka ny tontalin’ny volamena fotsiny no efa nitentina ho 240 000 tapitrisa FMG, raha amin’ny vidiny ankehitriny. Nanao fanomezana ihany koa i Solomona, ka nanome ho an’ilay mpanjakavavy “izay rehetra niriny”.c — 1 Mpanjaka 10:6-13.
Lesona ho antsika
Nampiasain’i Jesosy ho ohatra hakan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fianarana, ny mpanjakavavin’i Sheba. “Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy”, hoy izy tamin’izy ireo, “fa avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.” (Matio 12:42). Eny, nankasitraka fatratra ny fahendrena nomen’Andriamanitra ilay mpanjakavavin’i Sheba. Raha nanao dia lavitra 2 400 kilaometatra izy mba hihainoana an’i Solomona, dia azo antoka fa tokony ho nanongilan-tsofina nihaino an’i Jesosy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, satria teo anoloan’izy ireo teo indrindra i Jesosy.
Afaka mampiseho fankasitrahana lalina an’i Jesosy Kristy, ilay Solomona Lehibe, isika amin’izao andro izao. Amin’ny fomba ahoana? Ny fomba iray dia amin’ny fanarahana ilay toro lalana nomeny, manao hoe: “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra”. (Matio 28:19). Ny fomba hafa koa dia amin’ny fandinihana akaiky ny ohatra navelan’i Jesosy sy ny toe-tsainy, ary avy eo dia ny fanahafana izany. — Filipiana 2:5; Hebreo 12:2, 3.
Marina aloha fa hitaky ezaka avy amintsika ny fanarahana ny ohatra navelan’ilay Solomona Lehibe. Na izany aza anefa, dia hovalian-tsoa be dia be isika. Eny tokoa, mampanantena ny vahoakany i Jehovah fa raha mampiseho toe-tsaina feno fahafoizan-tena izy ireo, dia ‘hamoha ny varavaran’ny lanitra ho azy ireo izy ka hampidina fitahiana manana amby ampy ho azy ireo’. — Malakia 3:10.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa any atsimoandrefana amin’i Arabia, any amin’ny Repoblikan’i Yémen ankehitriny, no nisy an’i Sheba.
b Araka ny filazan’ilay mpahay jeografia grika fahiny atao hoe Strabon, dia tena mpanefohefo tokoa ireo mponin’i Sheba. Voalazany fa volamena tsy toko tsy forohana no nampiasain’izy ireo tamin’ny fanaka nataony sy ireo fitaovana nampiasainy, ary eny fa na dia tamin’ny rindrina sy ny varavarana ary ny tafon’ny tranon’izy ireo koa aza.
c Misy milaza fa ny dikan’io teny io dia hoe nanao firaisana tamin’i Solomona ilay mpanjakavavy. Misy angano milaza fa nanan-janakalahy mihitsy aza izy ireo. Tsy misy porofo manamarina izany rehetra izany anefa.