Fanontanian’ny Mpamaky
Zavatra ofisialy ataon’ny kôngregasiôna ve ilay ‘fanamarihana’ voalaza ao amin’ny 2 Tesaloniana 3:14, sa zavatra ataon’ny Kristianina isam-batan’olona, amin’ny fanalavirany an’ireo tsy azo fehezina?
Izay nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Tesaloniana dia manondro fa manana anjara asa voafaritra tsara amin’izany ‘fanamarihana’ izany ireo loholon’ny kôngregasiôna. Hanohy hatramin’ny farany izay natombok’ireo loholona kosa anefa avy eo ny Kristianina isam-batan’olona, ka hanao izany amin’ny fananana zava-kendrena ara-panahy. Afaka ny hahatakatra izany amin’ny fomba feno isika raha mandinika ny toe-javatra tany am-boalohany nahatonga an’i Paoly hanome ilay torohevitra.
Anisan’ny nanorina ny kôngregasiônan’i Tesalonika i Paoly, tamin’ny nanampiany lehilahy sy vehivavy maro ho tonga mpino. (Asan’ny Apostoly 17:1-4). Tatỳ aoriana, dia nanoratra avy tany Korinto izy mba hidera sy hankahery azy ireo. Nanome ny torohevitra nilaina koa i Paoly. Nampirisihiny izy ireo mba ‘ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahany ary hiasa amin’ny tanany’. Tsy nanao araka izany ny sasany, ka nanampy teny toy izao i Paoly: “Mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka”. Mazava fa nisy olona ‘tsy nitoetra tsara’a teo anivon’izy ireo ka nila torohevitra. — 1 Tesaloniana 1:2-10; 4:11; 5:14.
Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny Tesaloniana i Paoly, ka nanome fanazavana fanampiny momba ny fanatrehan’i Jesosy ho avy. Nanomezan’i Paoly tari-dalana fanampiny koa ny amin’ny tokony hatao tamin’ireo tsy nitoetra tsara, izay ‘tsy nety niasa, fa nivezivezy foana niraharaha ny an’olona’. Nifanohitra tamin’ny ohatr’i Paoly izay niasa mafy, ny zavatra nataon’izy ireny, no sady nifanohitra tamin’ilay didy mazava nomen’i Paoly ny amin’ny tokony hiasana mba hameloman-tena. (2 Tesaloniana 3:7-12). Nilaza i Paoly fa tokony hisy fepetra sasany horaisina momba izany. Rehefa avy nananatra na nanome torohevitra an’ilay olona tsy nitoetra tsara ireo loholona vao noraisina izany fepetra izany. Hoy no nosoratan’i Paoly:
“Mandidy anareo izahay, ry rahalahy, (...) mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. Fa hianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa. Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy. Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.” — 2 Tesaloniana 3:6, 13-15.
Anisan’ny fepetra fanampiny noraisina àry ny fialana tamin’ireo tsy nitoetra tsara, ny fanamarihana azy ireny, ny tsy fikambanana taminy, nefa koa ny fananarana azy toy ny rahalahy. Inona no hitarika ireo mpikambana ao amin’ny kôngregasiôna handray ireo fepetra ireo? Mba hanampiana antsika hahatakatra izany tsara kokoa, dia andeha hofantarintsika ireo toe-javatra telo izay tsy nifantohan’i Paoly teto.
1. Fantatsika fa tsy lavorary ny Kristianina ka manana fahalemena. Marika mampiavaka ny tena Kristianisma marina anefa ny fitiavana, ka mitaky amintsika mba hangoraka sy hamela ny fahadisoan’ny hafa. Toy izay nitranga teo amin’i Barnabasy sy i Paoly, ohatra, dia mety hipoaka ny fahatezeran’ny Kristianina iray, na dia mahalana aza no mety hitrangan’izany. (Asan’ny Apostoly 15:36-40). Mety hiteny amin’ny fomba henjana sy mandratra koa ny olona iray noho harerahana. Rehefa mampiseho fitiavana sy mampihatra ny torohevitry ny Baiboly isika amin’ny toe-javatra toy izany, dia afaka manarona ilay fahadisoana, ka manohy miara-miaina sy mifanerasera ary miara-miasa amin’ilay namantsika kristianina. (Matio 5:23-25; 6:14; 7:1-5; 1 Petera 4:8). Mazava fa tsy fahadisoana karazan’izany no noresahin’i Paoly ao amin’ny 2 Tesaloniana.
2. Tsy niresaka momba izao toe-javatra izao i Paoly: Manapa-kevitra ny Kristianina iray fa hametra ny fifaneraserany amin’ny Kristianina hafa iray izay manana fomba na fihetsika tsy tsara, noho izy io toa revo loatra amin’ny fialam-boly na ny zavatra ara-nofo, ohatra. Tsy niresaka ny amin’izao koa i Paoly: Mety hoferan’ny ray na ny reny iray ny fifaneraseran’ny zanany amin’ireo ankizy izay tsy miraharaha ny fahefan’ny ray aman-dreny; na milalao amin-kerisetra na amin’ny fomba mampidi-doza; na tsy mihevitra ho zava-dehibe ny Kristianisma. Fanapahan-kevitry ny tena manokana fotsiny izany, mifanaraka amin’izay vakintsika ao amin’ny Ohabolana 13:20, manao hoe: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 15:33.
3. Hafa dia hafa ny halehiben’ny zavatra noresahin’i Paoly rehefa nanoratra tamin’ireo Korintianina izy, mahakasika ny olona iray izay zatra nanao fahotana lehibe nefa tsy nibebaka. Tsy maintsy noroahina tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna ireny mpanota tsy nibebaka ireny. Azo lazaina hoe tsy maintsy natolotra an’i Satana ilay “mpanao ratsy”. Taorian’izay, dia tsy tokony hifanerasera tamin’ireny mpanao ratsy ireny ireo Kristianina nahatoky; nampirisika ny tsy hiarahabana azy ireny mihitsy aza ny apostoly Jaona. (1 Korintiana 5:1-13; 2 Jaona 9-11). Tsy mifanentana amin’ilay torohevitra ao amin’ny 2 Tesaloniana 3:14 koa anefa izany.
Samy hafa amin’ireo toe-javatra telo etsy ambony ireo ilay toe-javatra nisy an’ireo olona ‘tsy nitoetra tsara’, resahina ao amin’ny 2 Tesaloniana. Nanoratra i Paoly fa mbola “rahalahy” ihany izy ireny, tokony hanarina sy hoentina toy ny rahalahy. Araka izany, dia tsy raharaha tsotra fotsiny teo amin’ny samy Kristianina akory ilay olana nifandray tamin’ireo rahalahy ‘tsy nitoetra tsara’. Tsy tena mbola lehibe koa anefa ilay izy ka hoe nahatonga ny loholon’ny kôngregasiôna ho tsy maintsy niditra an-tsehatra mba handroahana azy ireny, tahaka izay nataon’i Paoly tamin’ilay zava-nanahirana ara-pitondran-tena tany Korinto. Tsy meloka ho nanao fahotana lehibe tahaka ny an’ilay lehilahy voaroaka, tany Korinto, ireo ‘tsy nitoetra tsara’.
Meloka ho nihataka lavitra ny Kristianisma ireo ‘tsy nitoetra tsara’ tao Tesalonika. Tsy nety niasa izy ireo, satria kamo na nihevitra fa efa antomotra ny fiverenan’i Kristy. Ankoatra izany, dia nampisy fikorontanana lehibe izy ireo tamin’ny ‘nivezivezeny niraharahany ny an’olona’. Azo inoana fa namerimberina nanome torohevitra azy ireo ny loholon’ny kôngregasiôna, nifanaraka tamin’ilay torohevitr’i Paoly tao amin’ilay taratasiny voalohany sy ny torohevitra hafa nomen’Andriamanitra. (Ohabolana 6:6-11; 10:4, 5; 12:11, 24; 24:30-34). Na izany aza, dia mbola nikiribiby tamin’ny fanarahana lalana nanala baraka ny kôngregasiôna izy ireny, ary nety ho niely tamin’ireo Kristianina hafa izany. Tsy nitoetra tsara izy ireny ka nanintona ny saina ampahibemaso ho amin’izany i Paoly, loholona kristianina, tamin’ny nampiharihariany ny lalan-dison’izy ireny, na dia tsy notononiny anarana aza izy ireny.
Nampahafantatra ny kôngregasiôna koa izy fa nety ny ‘hanamarihan’ny’ Kristianina isam-batan’olona an’ilay tsy nitoetra tsara. Nilaza izany fa ny isam-batan’olona no tokony hanamarika ireo izay nanao zavatra nifanitsy tamin’ilay fitondran-tena efa nampitandremana ampahibemaso ny kôngregasiôna. Nanoro hevitra i Paoly fa tokony ‘hialana ny rahalahy rehetra tsy mitoetra tsara’. Azo antoka fa tsy nilaza fanalavirana tanteraka ilay olona akory izany, satria tokony ‘hananatra azy toy ny rahalahy’ izy ireo. Hanana fifandraisana kristianina hatrany izy ireo any amin’ireo fivoriana sy eny amin’ny fanompoana koa angamba. Nanantena izy ireo fa handray tsara ny anatra nomena azy ilay rahalahin’izy ireo ka handao ilay lalany nahavelom-panahiana.
Tamin’ny heviny ahoana izy ireo no ‘niala’ taminy? Niharihary fa teo amin’ny sehatry ny fifaneraserana akaiky. (Ampitahao amin’ny Galatiana 2:12.) Nitsahatra tsy nifanerasera akaiky taminy sy tsy niara-niala voly taminy izy ireo, ka izany dia nety ho nampiseho taminy fa tsy tia ny lalana narahiny ny olona nanaja foto-pitsipika. Na dia tsy nahatsiaro ho menatra sy tsy niova aza izy, dia azo inoana kosa fa tsy hianatra ny lalany sy tsy hanahaka azy ny hafa, fara faharatsiny. Etsy an-danin’izany koa, dia tokony hifantoka tamin’ny lafy tsaran-javatra ireny Kristianina ireny, isam-batan’olona. Hoy ny torohevitr’i Paoly tamin’izy ireo: “Fa hianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.” — 2 Tesaloniana 3:13.
Mazava fa tsy fototra hanaovana tsinontsinona na hitsarana ireo rahalahintsika manao fahadisoana madinika io torohevitra nomen’ilay apostoly io. Ny zava-kendren’izy io kosa dia ny hanampiana ny olona iray izay manaraka lalam-pitondran-tena mahavelom-panahiana, izay mifanipaka tanteraka amin’ny Kristianisma.
Tsy nanorina fitsipika be tsipiriany i Paoly, ka hoe nanandrana namorona fomba fanaovan-javatra saro-takarina. Mazava anefa fa tokony hotoroan’ireo loholona hevitra sy hiezahany hampiana aloha ny olona iray tsy mitoetra tsara. Raha tsy mahita fahombiazana ireo loholona, ka mikiribiby amin’ny lalana iray izay mahavelom-panahiana sy mety hiely ilay olona, dia azon’ireo loholona atao ny manatsoaka hevitra fa tokony hampitandremana ny kôngregasiôna. Azon’izy ireo atao ny mandamina ny hanaovana lahateny iray izay miompana amin’ny antony tokony hanalavirana izany fitondran-tenan’ilay tsy mitoetra tsara izany. Tsy hanonona anarana izy ireo amin’ilay lahateny fampitandremana ataony. Hanampy mba hiarovana ny kôngregasiôna anefa izany lahateny izany, satria hitandrina bebe kokoa ireo mandray tsara izany ka hametra ny fifaneraserany amin’izay rehetra mety hampiseho mazava fa anisan’izany tsy mitoetra tsara izany.
Antenaina fa hahatsiaro ho menatra ny lalana narahiny ilay tsy mitoetra tsara ka ho voatosika hiova any aoriana. Rehefa hitan’ireo loholona sy ny hafa ao amin’ny kôngregasiôna fa niova ilay olona, dia afaka manapa-kevitra ny hanafoana ilay fetra napetrany teo amin’ny fiarahana taminy ny isam-batan’olona.
Ho famintinana àry, dia izao no azo lazaina: Loha laharana eo amin’ny fanampiana sy ny fanomezana torohevitra ireo loholon’ny kôngregasiôna raha misy olona tsy mitoetra tsara. Raha tsy tsapany ny lalan-disony nefa mitoetra hatrany ho fitaoman-dratsy izy, dia azon’ireo loholona atao ny mampitandrina ny kôngregasiôna, amin’ny alalan’ny lahateny iray izay manazava ny fomba fijerin’ny Baiboly — na mahakasika ny hoe “mampiaraka” amin’ny olona tsy mpino izany, na fanaovan-javatra tsy mety na inona na inona. (1 Korintiana 7:39; 2 Korintiana 6:14). Ny Kristianina ao amin’ny kôngregasiôna izay nahazo fampitandremana tamin’izany fomba izany dia afaka manapa-kevitra manokana ny hametra ny fiarahany amin’izany olona izany, izay hita mazava fa tsy mitoetra tsara nefa mbola rahalahy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay teny grika dia nampiasaina mba hilazana miaramila tsy nitana ny filaharany na tsy nanaraka lalàm-pifehezana, na koa mpianatra “ningitrika”, izany hoe ireo izay nangalatra tsy nianatra.
[Sary, pejy 31]
Mananatra ny tsy mitoetra tsara ireo loholona kristianina no sady mihevitra azy ireny ho mpiray finoana