Misy Olona Iray Tena Miahy ny Hafa Tokoa
OLONA an’arivony maro no mampiseho fa tena miahy ny hafa izy ireo. Tsy ananan’izy ireo ilay fiheverana feno hamafisam-po sy fitiavan-tena hoe tsy mahakasika azy ny zava-manahirana ny hafa. Manao izay rehetra azony atao kosa izy ireo — manao vivery ny ainy mihitsy aza indraindray — mba hanamaivanana fahoriana. Asa goavana izany, dia asa hasarotin’ny hery matanjaka izay tsy voafehiny.
Ny anton-javatra toy ny fierenana sy ny fiokoana ara-politika ary ny loza voajanahary, dia afaka mampandamòka na dia “ireo ezaka atao amim-pahalalana sy amim-pahatapahan-kevitra indrindra mba hamongorana ny hanoanana aza”, hoy ny mpanao asa fanampiana iray. Iray monja amin’ireo zava-manahirana maro atrehin’ireo olona miahy ny amin’ny hafa, ny fanafoanana ny hanoanana. Miady amin’ny zavatra toy ny aretina, ny fahantrana, ny tsy rariny ary ny fahoriana faraidiny ateraky ny ady koa izy ireo. Mandresy ve anefa izy ireo?
Ny talen’ny fikambanana mpanome fanampiana iray dia nilaza fa ireo manao izany “ezaka atao amim-pahalalana sy amim-pahatapahan-kevitra” izany mba hanamaivanana hanoanana sy fanaintainana, dia tahaka ilay Samaritanina be fangorahana, lazalazaina ao amin’ny fanoharan’i Jesosy Kristy. (Lioka 10:29-37). Na inona na inona anefa ataon’izy ireo, hoy izy, dia tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo iharam-pahavoazana. Koa nanontany toy izao àry izy: “Inona no tokony hataon’ilay Samaritanina tsara fanahy, raha mandeha amin’io lalana io isan’andro mandritra ny taona maromaro izy, ka mahita voaroba hafa iray isan-kerinandro eo an-tsisin-dalana?”
Ho mora ny ho resin’izay nolazaina ho ‘ny aretina mahafatin’ny faharerahan’ny mpikarakara’, sy hilavo lefona noho ny fahakiviana tsotra izao. Tsy milavo lefona ireo izay tena miahy, ary anomezam-boninahitra azy ireo izany. (Galatiana 6:9, 10). Ohatra, ny lehilahy iray izay nanoratra tany amin’ny Jewish Telegraph any Grande-Bretagne, dia nidera ny Vavolombelon’i Jehovah izay “nanampy Jiosy an’arivony maro mba tsy ho faty tamin’ireo fahoriana tany Auschwitz”, nandritra ny fotoanan’i Alemaina Nazia. “Rehefa zara raha nisy sakafo”, hoy ilay mpanoratra, “dia nizara ny mofony tamin’ireo rahalahinay sy anabavinay [jiosy] izy ireo!” Tsy nitsahatra nanao izay azony natao, tamin’izay nananany, ireo Vavolombelona.
Kanefa, ny zava-misy dia hoe tsy ny habetsahan’ny fizarana mofo no hamarana tanteraka ny fijalian’olombelona. Izany akory tsy natao hampihem-bidy velively izay nataon’ireo olona be fangorahana. Ny zavatra rehetra izay mety hampihena fahoriana dia mendrika ny hatao. Nahavita nanalefaka ihany ny fanaintainan’ireo mpiray fonja taminy ny Vavolombelona, ary rava ny Nazisma tamin’ny farany. Kanefa, ny fandehan-javatr’ity tontolo ity izay mahatonga izany fampahoriana izany, dia mbola eo foana ary mbola maro be ihany ireo olona tsy miraharaha. Eny tokoa, “misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, ary toy ny antsy ny vazany, hamongotra ny ory tsy ho amin’ny tany sy ny malahelo tsy ho amin’ny olona”. (Ohabolana 30:14). Azo inoana fa manontany tena ny amin’ny anton’izany ianao.
Nahoana no misy fahantrana sy fampahoriana?
Nilaza toy izao i Jesosy Kristy indray mandeha: “Ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo”. (Marka 14:7). Te hilaza ve i Jesosy fa tsy hifarana mihitsy ny fahantrana sy ny fampahoriana? Tahaka ny olona sasany, moa ve izy nino fa anisan’ny fandaharan’Andriamanitra mba hanomezana an’ireo olona be fangorahana fahafahana hampiseho ny haben’ny fiahiany, ny fahoriana toy izany? Tsia! Tsy nino izany i Jesosy. Nanazava fotsiny izy fa ho anisan’ny fiainana ny fahantrana, raha mbola misy foana ity fandehan-javatra ity. Fantatr’i Jesosy koa anefa izao: Tsy fikasan’ny Rainy any an-danitra tany am-boalohany ny hisian’ny toe-piainana toy izany eto an-tany.
Namorona ny tany ho paradisa, fa tsy ho toerana iray anjakan’ny fahantrana sy ny tsy rariny ary ny fampahoriana, i Jehovah Andriamanitra. Nasehony ny halehiben’ny fiahiany ny fianakavian’olombelona, tamin’ny fanaovany fandaharana mahatalanjona izay hampitombo ny fankafizana ny fiainana. Eritrereto fotsiny ny anaran’ilay zaridaina nisy an’ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia i Adama sy i Eva! Nantsoina hoe Edena, izay midika hoe “Fahafinaretana”, izy io. (Genesisy 2:8, 9). Tsy noferan’i Jehovah tsy hanana afa-tsy izay tena ilaina mba tsy ho faty, ao amin’ny tontolo iray manorisory sy mampahory ny olombelona. Teo am-piafaran’ny asa famoronany, i Jehovah dia nandinika izay nataony ka nilaza fa indro “tsara indrindra” izany. — Genesisy 1:31.
Nahoana àry no mihanaka maneran-tany amin’izao andro izao ny fahantrana sy ny fampahoriana ary ireo anton-javatra hafa mahatonga fijaliana? Misy ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity, satria nifidy ny tsy hankato an’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany. (Genesisy 3:1-5). Izany dia nampipoitra ilay raharaha ny amin’ny hoe nety tamin’Andriamanitra sa tsia ny hitaky fankatoavana avy tamin’ny zavaboariny. Koa namela ny taranak’i Adama tsy hiankina taminy nandritra ny fe-potoana voafetra àry i Jehovah. Mbola niahy foana ny amin’izay nitranga tamin’ny fianakavian’olombelona Andriamanitra. Nanao fandaharana mba hikosehana ny fahavoazana rehetra naterak’izany fikomiana taminy izany izy. Ary tsy ho ela intsony izao i Jehovah dia hamarana ny fahantrana sy ny fampahoriana — raha ny marina, dia ny fahoriana rehetra. — Efesiana 1:8-10.
Olana iray tsy voavahan’ny olombelona
Nandritra ireo taonjato hatramin’ny namoronana ny olombelona, dia nihananalavitra hatrany ny fari-pitsipik’i Jehovah izy ireo. (Deoteronomia 32:4, 5). Nanohy nanda ny lalàna sy ny foto-pitsipik’Andriamanitra, ny olombelona, ka nifamely sy ‘nanapaka ny namany ka nampiditra loza taminy’. (Mpitoriteny 8:9). Ny ezaka rehetra hitondrana fiaraha-monina hahitana ny tena rariny, tsy hisian’ny zavatra rehetra mamely ireo vahoaka mijaly, dia voasakan’ny fitiavan-tenan’ireo izay maniry hanao zavatra araka izay tiany ihany, fa tsy manaiky ny fiandrianan’Andriamanitra.
Misy zava-manahirana iray hafa — zava-manahirana iray izay mety hailiky ny maro ho finoanoam-poana tsy misy dikany. Ilay mpampirisika ny fikomiana tamin’Andriamanitra dia mbola mampirisika ny olona ho amin’ny faharatsiana sy ny fitiavan-tena ihany. Izany dia i Satana Devoly, izay nantsoin’i Jesosy Kristy hoe “ny andrianan’izao tontolo izao”. (Jaona 12:31; 14:30; 2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 5:19). Tao amin’ilay fanambarana nomena ny apostoly Jaona, i Satana dia ampahafantarina ho ilay loharano lehibe indrindran’ny loza — ilay tompon’andraikitra voalohany amin’ny ‘famitahana izao tontolo izao’. — Apokalypsy 12:9-12.
Na manao ahoana na manao ahoana halehiben’ny fiahian’ny olona sasany ny mpiara-belona aminy, dia tsy ho afaka na oviana na oviana hanesotra an’i Satana Devoly, izy ireo, na hanova an’ity fandehan-javatra izay mampitombo isa hatrany an’ireo iharam-pahavoazana ity. Inona àry no takina mba handaminana ireo zava-manahirana ny olombelona? Tsy ny fisian’ny olona iray miahy fotsiny no vahaolana. Ny ilaina kosa dia olona iray izay manana ny faniriana sy ny hery hanesorana an’i Satana sy ny fandehan-javany tsy ara-drariny manontolo.
“Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany”
Mampanantena ny handringana an’ity fandehan-javatra ratsy ity Andriamanitra. Sady manana ny faniriana izy no manana ny hery ilaina mba hanaovana izany. (Salamo 147:5, 6; Isaia 40:25-31). Toy izao no ambara mialoha ao amin’ny boky ara-paminanian’i Daniela, ao amin’ny Baiboly: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44). Io fitondram-panjakana any an-danitra, izay maharitra sy vonona hanao soa io no tao an-tsain’i Jesosy Kristy, fony izy nampianatra ny mpianany mba hangataka tamin’Andriamanitra tamin’ny vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.
Hamaly ny vavaka toy izany i Jehovah, satria tena miahy tokoa ny fianakavian’olombelona izy. Araka ny teny ara-paminaniana ao amin’ny Salamo 72, Andriamanitra dia hanome lalana an’i Jesosy Kristy, Zanany, mba hitondra fanamaivanana maharitra ho an’ny mahantra sy ny ory ary ny nampahorina, izay manohana ny fanapahan’i Jesosy. Ohatra, nihira toy izao ilay mpanao salamo nahazo tsindrimandry: “Hitsara ny olona ory izy [Ilay Mpanjaka Mesianikan’Andriamanitra] sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory. (...) Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.” — Salamo 72:4, 12-14.
Ao amin’ny fahitana iray mahakasika ny androntsika, ny apostoly Jaona dia nahita “lanitra vaovao sy tany vaovao”, dia fandehan-javatra vaovao tanteraka iray aorin’Andriamanitra. Fitahiana ho an’ny olombelona mijaly re izany! Nanoratra toy izao i Jaona, rehefa nanambara mialoha izay hataon’i Jehovah: “Nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Apokalypsy 21:1-5.
Eny, afaka mino ireo teny ireo isika, satria mahatoky sy marina izy ireo. Tsy ho ela i Jehovah dia hanao zavatra, mba hanesorana amin’ny tany ny fahantrana, ny hanoanana, ny fampahoriana, ny aretina, ary ny tsy rariny rehetra. Araka ny efa nasehon’ity gazety ity matetika tamin’ny alalan’ny Soratra Masina, dia misy porofo maro be mampiseho fa miaina amin’ny fotoana hahatanterahan’ireo fampanantenana ireo isika. Efa antomotra ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra! (2 Petera 3:13). Tsy ho ela, i Jehovah dia ‘hanafoana tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana’ sy ‘hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra’. — Isaia 25:8.
Mandra-pahatongan’izany, dia afaka mifaly isika fa misy olona izay tena miahy marina, na dia ankehitriny aza. Ny antom-pifaliana lehibe kokoa, dia ny hoe i Jehovah Andriamanitra mihitsy no tena miahy. Tsy ho ela izy dia hanafoana ny fampahoriana sy ny fijaliana rehetra.
Afaka mitoky tanteraka amin’ny fampanantenan’i Jehovah ianao. Azo antoka fa nanao izany i Josoa mpanompony. Tsy nihambahamba mihitsy izy nilaza toy izao tamin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra; tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” (Josoa 23:14). Raha mbola maharitra àry ity fandehan-javatra ankehitriny ity, dia aoka ianao tsy hamela ny tenanao ho resin’ireo fisedrana izay mety ho tsy maintsy hatrehinao. Apetraho amin’i Jehovah ny fanahianao rehetra, satria tena miahy tokoa izy. — 1 Petera 5:7.
[Sary, pejy 7]
Ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’ Andriamanitra, dia tsy hisy fahantrana, fampahoriana, aretina, ary tsy rariny intsony eto an-tany