Inona no Takin’i Jehovah Amintsika Amin’izao Andro Izao?
“Nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” — MATIO 17:5.
1. Oviana ny Lalàna no nahatanteraka ny zava-nokendreny?
NOMEN’I Jehovah ny Lalàna mbamin’ireo lafiny maro mampiavaka azy io, ny firenen’ny Isiraely. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly, momba ireny lalàna ireny: “Fitsipika araka ny nofo [ireny], voatendry hatao mandra-pihavin’ny andro fanovana.” (Hebreo 9:10). Nahatanteraka ny zava-nokendreny ny Lalàna, rehefa nitarika ny sisa tamin’ny Isiraelita hanaiky an’i Jesosy ho ny Mesia, na Kristy. Noho izany, dia hoy ny nambaran’i Paoly: “Kristy no faran’ny lalàna”. — Romana 10:4; Galatiana 3:19-25; 4:4, 5.
2. Iza no teo ambanin’ny Lalàna, ary oviana izy ireo no nafahana tamin’izy io?
2 Midika ve izany fa tsy fehezin’ny Lalàna isika amin’izao andro izao? Raha ny marina, ny ankamaroan’ny taranak’olombelona dia tsy teo ambanin’ny Lalàna mihitsy, araka izao fanazavan’ny mpanao salamo izao: “Milaza ny teniny amin’i Jakoba [i Jehovah] ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’Isiraely. Tsy nanao toy izany tamin’izay firenena hafa Izy; ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ireny.” (Salamo 147:19, 20). Rehefa naorin’Andriamanitra nifototra tamin’ny soron’i Jesosy ilay fanekena vaovao, na ny firenen’ny Isiraely aza dia tsy voatery nankato ny Lalàna intsony. (Galatiana 3:13; Efesiana 2:15; Kolosiana 2:13, 14, 16). Raha tsy fehezin’ny Lalàna intsony àry isika, inona no takin’i Jehovah amin’ireo izay maniry ny hanompo azy amin’izao andro izao?
Izay takin’i Jehovah
3, 4. a) Inona no takin’i Jehovah amintsika amin’izao andro izao, raha ny marina? b) Nahoana isika no tokony hanaraka ny dian’i Jesosy?
3 Niaraka tamin’i Jesosy nankeo amin’ny tendrombohitra avo iray, angamba teo amin’ny tehezany iray tamin’ny Tendrombohitra Hermona, i Petera sy i Jakoba ary i Jaona apostoliny, tamin’ny taona farany nanompoan’i Jesosy. Teo izy ireo dia nahazo fahitana ara-paminaniana ny amin’i Jesosy tao amin’ny hafatratry ny voninahiny, ary nandre ny feon’Andriamanitra nanambara hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” (Matio 17:1-5). Raha ny marina, dia izany no takin’i Jehovah amintsika, dia ny hihaino ny Zanany ka hanaraka ny ohatra navelany sy ny fampianarany. (Matio 16:24). Izany no antony nanoratan’ny apostoly Petera hoe: “Kristy (...) efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany”. — 1 Petera 2:21.
4 Nahoana isika no tokony hanaraka ny dian’i Jesosy? Satria amin’ny fanahafantsika azy no anahafantsika an’i Jehovah Andriamanitra. Fantatr’i Jesosy tsara ny Rainy, satria izy efa niaraka taminy tany an-danitra nandritra ny an’arivo tapitrisany taona maro tsy hita isa, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Ohabolana 8:22-31; Jaona 8:23; 17:5; Kolosiana 1:15-17). Nisolo tena tamim-pahatokiana ny Rainy i Jesosy, fony izy teto an-tany. Hoy ny fanazavany: “Araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” Raha ny marina, dia nanahaka tsara aoka izany an’i Jehovah i Jesosy, ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”. — Jaona 8:28; 14:9.
5. Eo ambanin’ny lalàna inona ny Kristianina, ary oviana io lalàna io no nanjary nanan-kery?
5 Inona no tafiditra amin’ny fihainoana sy ny fanahafana an’i Jesosy? Moa ve izany midika hoe eo ambanin’ny lalàna iray? Izao no nosoratan’i Paoly: “Tsy ambanin’ny lalàna (...) aho”. Ny nasian’i Paoly firesahana teto, dia ilay “fanekena taloha”, izany hoe ny faneken’ny Lalàna nifanaovana tamin’ny Isiraely. Tena niaiky anefa i Paoly fa teo “ambanin’ny lalàn’i Kristy” ny tenany. (1 Korintiana 9:20, 21; 2 Korintiana 3:14). Rehefa nifarana ilay faneken’ny Lalàna taloha, dia nanjary nanan-kery ny “fanekena vaovao” iray, izay nisy ny “lalàn’i Kristy” tsy maintsy ankatoavin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra amin’izao andro izao. — Lioka 22:20; Galatiana 6:2; Hebreo 8:7-13.
6. Ahoana no azo ilazalazana “ny lalàn’i Kristy”, ary amin’ny fomba ahoana no ankatoavantsika azy io?
6 Tsy nataon’i Jehovah nanana endrika fehezan-dalàna akory “ny lalàn’i Kristy”, ka hoe nalahatra ho sokajy samihafa, toy ny natao tamin’ny faneken’ny Lalàna taloha. Tsy mahafaoka lisitra lava be momba ny zavatra tokony hatao sy ny tsy tokony hatao, io lalàna vaovao ho an’ny mpanara-dia an’i Kristy io. Tena notahirizin’i Jehovah ao amin’ny Teniny anefa ny fitantarana feno efatra momba ny fiainan’ny Zanany sy ny fampianarany. Ankoatra izany, dia nomen’Andriamanitra tsindrimandry ny sasany tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy tany am-boalohany, mba hanome toromarika an-tsoratra mahakasika ny fitondran-tena, ny raharahan’ny kôngregasiôna, ny fihetsika eo anivon’ny fianakaviana, sy ny raharaha hafa. (1 Korintiana 6:18; 14:26-35; Efesiana 5:21-33; Hebreo 10:24, 25). Rehefa mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny ohatr’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany isika, ka manaraka ny torohevitra nomen’ireo mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry tamin’ny taonjato voalohany, dia mankato “ny lalàn’i Kristy” isika. Izany no takin’i Jehovah amin’ny mpanompony amin’izao andro izao.
Ny maha zava-dehibe ny fitiavana
7. Ahoana no nanantitranteran’i Jesosy ny votoatin’ny lalàny, nandritra ilay Paska farany niarahany tamin’ny apostoliny?
7 Na dia zava-dehibe aza ny fitiavana teo ambanin’ny Lalàna, dia ny fitiavana no fototra, na votoatin’ny lalàn’i Kristy. Nohamafisin’i Jesosy izany, fony izy niara-nivory tamin’ireo apostoliny, mba hankalaza ny Paska tamin’ny taona 33 am.f.i. Araka ny namintinan’ny apostoly Jaona ny zava-nitranga tamin’io alina io, dia nanisy firesahana im-28 ny amin’ny fitiavana i Jesosy, tao amin’ireo teny nataony tamim-pahatsorana. Nantitranterin’izany tamin’ireo apostoliny ny votoatin’ny lalàny. Mifono heviny lehibe ny teny nampidiran’i Jaona ny fitantarany momba ireo fisehoan-javatra tamin’io takariva nanan-tantara io, nanao hoe: “Talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany.” — Jaona 13:1.
8. a) Inona no nampiseho fa nisy fifandirana nitohy teo amin’ireo apostoly? b) Ahoana no nampianaran’i Jesosy ny apostoliny lesona ny amin’ny fanetren-tena?
8 Tia an’ireo apostoliny i Jesosy, na dia efa niezaka aza izy ny hanampy azy ireo handresy ilay fanirian’izy ireo tafahoatra ny hahazo fahefana sy toerana ambony. Toa tsy nisy vokany anefa ilay ezaka nataon’i Jesosy. ‘Niady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra izy ireo’, volana vitsivitsy talohan’ny nahatongavan’izy ireo tany Jerosalema. Ary nipoaka indray ilay adihevitra momba ny fitadiavana toerana ambony, taloha kelin’ny nahatongavan’izy ireo tao amin’ilay tanàna mba hankalaza ny Paska. (Marka 9:33-37; 10:35-45). Olana nitohy izy io, araka ny nasehon’izay nitranga, fotoana fohy taorian’ny nidiran’ireo apostoly tao amin’ilay efitra ambony rihana, mba handray anjara tamin’ilay Paska niarahan’izy ireo farany. Tamin’io fotoana io, dia tsy nisy na iray aza nanararaotra ilay fahafahana hanao ilay fomba faneho fahaiza-mandray vahiny, dia ny fanasana ny tongotry ny hafa. Mba hampianarana azy ireo lesona ny amin’ny fanetren-tena, dia ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanasa ny tongotr’izy ireo. — Jaona 13:2-15; 1 Timoty 5:9, 10.
9. Ahoana no niatrehan’i Jesosy ilay toe-javatra nitranga taorian’ilay Paska farany?
9 Na dia teo aza izany lesona izany, dia mariho izay nitranga indray, rehefa vita ny fankalazana ny Paska, ary rehefa avy nanorina ny Fahatsiarovana ny fahafatesany izay efa akaiky, i Jesosy. Hoy ny fitantaran’ny Filazantsaran’i Lioka: “Nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’izay anankiray aminy hatao lehibe.” Tsy tezitra tamin’ireo apostoly na nandevilevy azy i Jesosy, fa nanome torohevitra tamin-katsaram-panahy kosa hoe tokony ho hafa noho ireo mpanapaka liam-pahefana teo amin’izao tontolo izao izy ireo. (Lioka 22:24-27). Avy eo izy dia nanome ilay azo antsoina hoe ny vato fehizoron’ny lalàn’i Kristy. Hoy izy: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” — Jaona 13:34.
10. Didy inona no nomen’i Jesosy ny mpianany, ary inona no tafiditra tamin’izany?
10 Tatỳ aoriana kokoa, tamin’io takariva io ihany, dia nohazavain’i Jesosy hoe tokony ho tonga hatraiza ny fitiavana toy ny an’i Kristy. Hoy izy: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:12, 13). Te hilaza ve i Jesosy fa tokony ho vonona ho faty ho an’ny mpiray finoana aminy ireo mpanara-dia azy, raha mitaky izany ny toe-javatra? Izany no fahazoan’i Jaona, izay vavolombelona nanatri-maso ilay toe-javatra, ny tiany holazaina. Izao mantsy no nosoratan’i Jaona tatỳ aoriana: “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy [Jesosy Kristy] no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.” — 1 Jaona 3:16.
11. a) Ahoana no anatanterahantsika ny lalàn’i Kristy? b) Inona no ohatra navelan’i Jesosy?
11 Koa tsy manatanteraka ny lalàn’i Kristy àry isika, amin’ny fampianarana fotsiny ny hafa momba an’i Kristy. Tsy maintsy miaina sy mitondra tena toy ny nataon’i Jesosy isika. Marina fa nampiasa teny kanto sady voafantina tsara i Jesosy, rehefa nandaha-teny. Nampianatra tamin’ny alalan’ny ohatra koa anefa izy. Na dia zavaboary ara-panahy mahery tany an-danitra aza i Jesosy, dia nanararaotra ilay fahafahana hampandroso ny tombontsoan’ny Rainy teto an-tany sy hampiseho ny fomba tokony hiainantsika. Nanetry tena sy tsara fanahy ary naneho fiheverana izy, ka nanampy an’ireo novesaran’enta-mavesatra sy nampahorina. (Matio 11:28-30; 20:28; Filipiana 2:5-8; 1 Jaona 3:8). Ary nampirisika an’ireo mpanara-dia azy hifankatia izy, toy ny nitiavany azy ireo.
12. Nahoana no azo lazaina fa tsy manamaivana ny ilana hitiavana an’i Jehovah ny lalàn’i Kristy?
12 Inona no toeran’ny fitiavana an’i Jehovah — izay didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna — ao amin’ny lalàn’i Kristy? (Matio 22:37, 38; Galatiana 6:2). Ny toerana faharoa ve? Tsia dia tsia! Mifamatotra tsy afa-misaraka ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fitiavana ny Kristianina hafa. Tsy misy olona tena tia an’i Jehovah, raha tsy tia ny rahalahiny koa izy, satria izao no nomarihin’ny apostoly Jaona: “Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany?” — 1 Jaona 4:20; ampitahao amin’ny 1 Jaona 3:17, 18.
13. Inona no vokatry ny nankatoavan’ny mpianatr’i Jesosy ilay didy vaovao nomeny?
13 Rehefa nomen’i Jesosy an’ireo mpianany ilay didy vaovao hoe tokony hifankatia izy ireo, toy ny nitiavany azy ireo, dia nolazalazainy toy izao ny ho vokatr’izany: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Araka ny voalazan’i Tertullien, velona zato taona mahery tatỳ aorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia tena izany tokoa no vokatry ny fitiavan-drahalahy nasehon’ny Kristianina tany am-boalohany. Nanonona izay nolazain’ny tsy Kristianina momba ny mpanara-dia an’i Kristy i Tertullien, nanao hoe: ‘Jereo fa mifankatia tokoa izy ireo, ary vonona ho faty ho an’izy samy izy mihitsy aza.’ Azontsika atao ny manontany tena hoe: ‘Moa ve aho maneho fitiavana toy izany amin’ny Kristianina hafa, ka manaporofo fa mpianatr’i Jesosy ny tenako?’
Ny fomba anaporofoantsika ny fitiavantsika
14, 15. Inona no mety hanasarotra ny fankatoavana ny lalàn’i Kristy, kanefa inona no manampy antsika hankato azy io?
14 Tena zava-dehibe ny hanehoan’ny mpanompon’i Jehovah fitiavana toy ny an’i Kristy. Hitanao ho sarotra anefa ve ny ho tia Kristianina hafa izay maneho lafin-toetra feno fitiavan-tena? Araka ny efa hitantsika, na dia ireo apostoly aza dia nifanditra sy nitady hampandroso ny tombontsoan’ny tenany manokana. (Matio 20:20-24). Nifamaly koa ireo Galatianina. Nampitandreman’i Paoly toy izao izy ireo, rehefa avy nohazavainy fa nanatanteraka ny Lalàna ny fitiavana ny mpiara-belona: “Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.” Nananatra toy izao koa izy, rehefa avy nampiseho ny fifanoheran’ny asan’ny nofo sy ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra: “Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.” Avy eo dia nampirisika toy izao ilay apostoly: “Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.” — Galatiana 5:14–6:2.
15 Mitaky zavatra be loatra amintsika ve i Jehovah, rehefa mitaky ny hankatoavantsika ny lalàn’i Kristy? Mety ho sarotra ny ho tsara fanahy amin’ireo nikitakita antsika sy nandratra ny fihetseham-pontsika, raha ny marina. Na izany aza, dia tsy maintsy ‘manahaka an’Andriamanitra isika, tahaka ny zanaka malala, ka handeha amin’ny fitiavana’. (Efesiana 5:1, 2). Ilaintsika ny manohy mibanjina ny ohatr’Andriamanitra, izay “mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy”. (Romana 5:8). Rehefa manao ny dingana voalohany hanampy ny hafa isika, anisan’izany ireo ratsy fitondra antsika, dia afaka ny hahatsapa ho afa-po mahafantatra fa manahaka an’Andriamanitra isika, no sady mankato ny lalàn’i Kristy.
16. Ahoana no anaporofoantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy i Kristy?
16 Tokony hotadidintsika fa manaporofo ny fitiavantsika isika amin’izay ataontsika, fa tsy amin’izay lazaintsika fotsiny. Na i Jesosy aza, indray mandeha, dia nahita fa sarotra nekena ny lafiny iray tamin’ny sitrapon’Andriamanitra, noho ireo zava-drehetra tafiditra tamin’izy io. Hoy izy: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity”. Nampiany haingana anefa ny teniny hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Lioka 22:42). Nanao ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy, na dia teo aza ny fahoriana rehetra niaretany. (Hebreo 5:7, 8). Porofon’ny fitiavantsika ny fankatoavana, ary fisehoan’ny fanekentsika fa ny lalan’Andriamanitra no lalana tsara indrindra. “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny”, hoy ny Baiboly. (1 Jaona 5:3). Ary hoy i Jesosy tamin’ireo apostoliny: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.” — Jaona 14:15.
17. Didy manokana inona no nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy, ary ahoana no ahafantarantsika fa mihatra amintsika amin’izao andro izao izy io?
17 Ankoatra ny fandidian’i Kristy ny mpanara-dia azy mba hifankatia, didy manokana inona no nomeny azy ireo? Nandidy ny hanaovan’izy ireo ilay asa fitoriana nampiofanany azy ireo izy. Hoy i Petera: “Izy dia nandidy anay hitory amin’ny olona sy hanao fanambarana feno”. (Asan’ny Apostoly 10:42, NW ). Nanome didy voafaritra mazava toy izao i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8). Nahariharin’i Jesosy fa hihatra koa amin’ny mpanara-dia azy ankehitriny, amin’izao “andro farany” izao, ireo toromarika ireo, satria hoy izy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” (Daniela 12:4; Matio 24:14, NW ). Mazava ho azy fa sitrapon’Andriamanitra ny hitoriantsika. Mety hisy hihevitra anefa fa mitaky zavatra be loatra amintsika Andriamanitra, rehefa mitaky ny hanaovantsika io asa io. Izany tokoa anefa ve?
Nahoana no mety ho toa sarotra ilay izy?
18. Inona no tokony hotadidintsika, rehefa mijaly noho ny fanaovana izay takin’i Jehovah isika?
18 Araka ny efa hitantsika, dia samihafa ny zavatra notakin’i Jehovah tamin’ny olona, nandritra ny tantara manontolo. Samihafa ny zavatra nasaina nataon’izy ireo. Ary samihafa torak’izany koa ny karazam-pisedrana nodiavin’izy ireo. Niaritra ireo fisedrana faran’izay mafy ny Zanaka malalan’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny fomba faran’izay tsy nifaditra ovana tamin’ny farany, noho izy nanao izay notakin’Andriamanitra. Rehefa mijaly noho ny fanaovana izay takin’i Jehovah amintsika anefa isika, dia tokony hitadidy fa tsy izy akory no tompon’andraikitra amin’ny fisedrana antsika. (Jaona 15:18-20; Jakoba 1:13-15). Ny fikomian’i Satana no nampiditra ny ota sy ny fahoriana ary ny fahafatesana. Ary i Satana no ilay namorona ireo tarehin-javatra izay matetika no manasarotra be ny fanaovana ny zavatra takin’i Jehovah amin’ny mpanompony. — Joba 1:6-19; 2:1-8.
19. Nahoana no tombontsoa ny manao izay takin’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’ny Zanany?
19 Tamin’ny alalan’ny Zanany no nanomezan’i Jehovah toromarika hoe amin’izao andro farany izao, ireo mpanompony dia hitory maneran-tany fa ny fanapahan’ilay Fanjakana no hany fanafodin’ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona. Hanafoana ny olana rehetra eto an-tany — ny ady, ny heloka bevava, ny fahantrana, ny fahanterana, ny aretina, sy ny fahafatesana — io fitondram-panjakan’Andriamanitra io. Hanorina paradisa be voninahitra eto an-tany koa ilay Fanjakana, ary ny maty aza hatsangana ho ao amin’io paradisa io. (Matio 6:9, 10; Lioka 23:43, NW; Asan’ny Apostoly 24:15; Apokalypsy 21:3, 4). Tombontsoa tokoa ny manambara ny vaovao tsara momba ireo zavatra ireo! Mazava àry fa tsy misy olana eo amin’izay takin’i Jehovah amintsika. Miatrika fanoherana isika, kanefa i Satana Devoly sy ny tontolony no tompon’andraikitra amin’izany.
20. Ahoana no ahafahantsika miatrika ny zava-tsarotra rehetra apoitran’ny Devoly?
20 Ahoana no ahafahantsika miatrika amim-pahombiazana ny zava-tsarotra rehetra apoitran’i Satana? Amin’ny fitadidiana ireto teny ireto: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11). Nanome fahafahana ho an’i Jehovah hamaly an’i Satana, izay niteny ratsy azy, i Jesosy, rehefa nandao ny fiainany nilamina tany an-danitra, mba hanao ny sitrapon’ny Rainy teto an-tany. (Isaia 53:12; Hebreo 10:7). Rehefa tonga olombelona i Jesosy, dia niaritra ny fisedrana rehetra nampiharina taminy, hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana mihitsy aza. Raha manaraka azy amin’ny maha Modelintsika azy isika, dia ho afaka ny hiaritra fahoriana koa, ary ho afaka hanao izay takin’i Jehovah amintsika. — Hebreo 12:1-3.
21. Manao ahoana ny fihetseham-ponao manoloana ny fitiavana nasehon’i Jehovah sy ny Zanany?
21 Endrey ny fitiavana nasehon’Andriamanitra sy ny Zanany antsika! Noho ny soron’i Jesosy, dia manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ny olombelona mpankato. Koa aoka àry isika tsy hamela na inona na inona hanamaizina ny fanantenantsika. Aoka kosa horaisintsika ho an’ny tenantsika manokana ny zavatra nanjary nety noho i Jesosy. Amin’izany isika dia hanao toy ny nataon’i Paoly, izay nilaza hoe: “Ny Zanak’Andriamanitra (...) efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.” (Galatiana 2:20, izahay no manao sora-mandry.) Ary enga anie isika haneho fankasitrahana amim-pahatsorana an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana, izay tsy mitaky zavatra be loatra amintsika na oviana na oviana.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no takin’i Jehovah amintsika amin’izao andro izao?
◻ Nandritra ilay takariva farany niarahany tamin’ireo apostoliny, ahoana no nanantitranteran’i Kristy ny maha zava-dehibe ny fitiavana?
◻ Ahoana no ahafahantsika manaporofo fa tia an’Andriamanitra isika?
◻ Nahoana no tombontsoa ny manao izay takin’i Jehovah amintsika?
[Sary, pejy 23]
Lesona inona no nampianarin’i Jesosy, rehefa nanasa ny tongotr’ireo apostoliny izy?
[Sary, pejy 25]
Tombontsoa mahafinaritra ny mitory ny vaovao tsara, na dia eo aza ny fanoherana