Soa Azo avy Amin’ny Fitiavana ny Tenin’Andriamanitra
“Tiavo [ny fahendrena], dia [hiaro, NW ] anao. (...) Eny, hanome voninahitra anao izy, [satria, NW ] tànanao.” — OHABOLANA 4:6, 8.
1. Mahafaoka inona ny tena fitiavana ny Tenin’Andriamanitra?
FARAN’IZAY zava-dehibe ho an’ny Kristianina ny famakiana ny Baiboly. Ny famakiana fotsiny azy io anefa dia tsy midika ho fitiavana ny Tenin’Andriamanitra. Ahoana raha mamaky ny Baiboly ny olona iray, nefa manao zavatra melohin’ny Baiboly rehefa avy eo? Miharihary fa tsy tia ny Tenin’Andriamanitra araka ny fomba nitiavan’ilay mpanoratra ny Salamo faha-119 azy, izy. Ny fitiavan’ilay mpanao salamo ny Tenin’Andriamanitra tokoa mantsy dia nitarika azy hiaina nifanaraka tamin’ireo zavatra takin’izy io. — Salamo 119:97, 101, 105.
2. Soa inona avy no azo avy amin’ny fahendrena miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra?
2 Mitaky ny hanitsiana tsy tapaka ny fisainana sy ny fomba fiainan’ny tena ny hoe miaina mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny fanaovana izany dia manome taratry ny fahendren’Andriamanitra, izay midika ho fampiharana ny fahalalana sy ny fahatakaran-javatra azo avy amin’ny fianarana ny Baiboly. “Tiavo [ny fahendrena], dia [hiaro, NW ] anao. Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa; eny, hanome voninahitra anao izy, [satria, NW ] tànanao. Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao.” (Ohabolana 4:6, 8, 9). Izany ka fampirisihana tsara dia tsara ny amin’ny tokony hambolena fitiavana ny Tenin’Andriamanitra, sy ny hanekena hotarihin’izy io! Iza tokoa moa no tsy maniry ho voaro sy hasandratra ary hahazo voninahitra?
Voaro amin’ny fahavoazana maharitra
3. Nahoana no mila harovana mihoatra noho ny hatramin’izay ny Kristianina, ary mila harovana amin’iza?
3 Amin’ny ahoana no miaro ny olona iray ny fahendrena azo avy amin’ny fianarana sy ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra? Voalohany aloha, dia voaro amin’i Satana Devoly izy. I Jesosy dia nampianatra ireo mpanara-dia azy hivavaka mba hafahana amin’ilay ratsy, dia i Satana. (Matio 6:13). Tena ilaina maika amin’izao andro izao ny hampidirana an’io fangatahana io ao amin’ny vavaka ataontsika. Nazera avy tany an-danitra, taorian’ny 1914, tokoa mantsy i Satana sy ireo demoniany, hany ka manana “fahatezerana lehibe [izy], satria fantany fa kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:9, 10, 12). Amin’izao fotoana faramparany izao, dia tsy maintsy mirehitra tsy misy toy izany ny fahatezerany, satria tsy mahita fahombiazana eo amin’ny ady ataony amin’ireo “izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy” izy. — Apokalypsy 12:17.
4. Amin’ny fomba ahoana no iarovana ny Kristianina amin’ny fanerena sy ny fandrik’i Satana?
4 Tezitra mafy i Satana, ka manohy manao izay hahitan’ireny minisitra kristianina ireny zava-manahirana, sy manohy miteraka fanenjehana feno herisetra, na manisy vato misakana hafa eo amin’ny asan’izy ireo. Tsy tiany hifantoka koa amin’ny asa fitoriana ireo mpitory ilay Fanjakana, fa tiany hosarihina hifantoka amin-javatra toy ny laza eo amin’izao tontolo izao, ny fitiavana fialam-boly, ny fahazoana fananana ara-nofo, sy ny fikatsahana fahafinaretana. Inona no miaro ny mpanompo mahatokin’Andriamanitra mba tsy hampilavo lefona azy ireo eo anoloan’ny faneren’i Satana, na mba tsy hahalatsaka azy ireo ao anatin’ny fandriny? Mazava ho azy fa tena zava-dehibe ny vavaka, ny fifandraisana manokana sy akaiky amin’i Jehovah, ary ny finoana ny maha azo antoka ireo fampanantenany. Izany rehetra izany anefa dia mifandray amin’ny fahalalana ireo fampahatsiahivan’ny Tenin’Andriamanitra, sy ny fahatapahan-kevitra hanaraka azy ireny. Ireny fampahatsiahivana ireny dia azo avy amin’ny famakiana ny Baiboly sy ireo boky fianarana Baiboly, ny fanatrehana ireo fivoriana kristianina, ny fanarahana ny torohevitra araka ny Soratra Masina avy amin’ny mpiray finoana, na ny fisaintsainana fotsiny amim-bavaka ireo foto-pitsipika ara-baiboly izay ampahatsiarovin’ny fanahin’Andriamanitra. — Isaia 30:21; Jaona 14:26; 1 Jaona 2:15-17.
5. Amin’ny fomba ahoana avy no iarovan’ny fahendrena miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra antsika?
5 Voaro amin’ny fomba hafa koa ireo tia ny Tenin’Andriamanitra. Misoroka ny fahoriam-po sy ny aretina ara-batana vokatry ny zavatra toy ny fidorohana zava-mahadomelina, sy ny fifohana sigara, ary ny fahalotoam-pitondran-tena, ohatra, izy ireo. (1 Korintiana 5:11; 2 Korintiana 7:1). Tsy anisan’ireo mampihenjana fifandraisana, amin’ny fifosana na amin’ny fanaovana teny maharary, izy ireo. (Efesiana 4:31). Tsy azon’ny fisalasalana koa izy ireo, satria tsy mandalina ireo filôzôfia mamitaka araka ny fahendren’izao tontolo izao. (1 Korintiana 3:19). Noho ny fitiavan’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra, dia voaro amin-javatra izay mety hamoizany ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy ilay fanantenany fiainana mandrakizay, izy ireo. Mitoetra ho be atao izy ireo manampy ny mpiara-belona aminy mba hino ireo fampanantenana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly, satria fantany fa ‘hamonjy ny tenany sy izay mihaino azy’ izy ireo rehefa manao izany. — 1 Timoty 4:16.
6. Amin’ny ahoana no afaka miaro antsika ny fahendrena miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra, na dia amin’ny tarehin-javatra sarotra aza?
6 Marina fa mety ho azon’ny “fotoana sy ny sampona” ny rehetra, eny fa na dia ireo tia ny Tenin’Andriamanitra aza. (Mpitoriteny 9:11). Tsy azo ihodivirana ny hoe hihatra amin’ny sasany amintsika ny loza araka ny natiora, na ny aretina mafy, na ny loza tsy nampoizina, na ny fahafatesana aloha be. Na izany aza anefa, dia voaro isika, satria tsy misy loza afaka mitondra fahavoazana maharitra amin’olona tena tia ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany, dia tsy tokony ho be fanahiana loatra momba izay mety hitranga amin’ny hoavy isika. Rehefa avy nanao ny fitandremana rehetra araka ny antonony isika, dia tsara kokoa raha apetraka eo an-tanan’i Jehovah ny raharaha ka tsy avela hanaisotra amintsika ny fiadanantsika izao fiainana tsy azo antoka ankehitriny izao. (Matio 6:33, 34; Filipiana 4:6, 7). Tadidio fa azo antoka ilay fanantenana fitsanganana amin’ny maty sy ny hisian’ny fiainana tsara kokoa, rehefa ‘hanavao ny zavatra rehetra’ Andriamanitra. — Apokalypsy 21:5; Jaona 11:25.
Porofoy fa “tany tsara” ny tenanao
7. Fanoharana inona no nolazain’i Jesosy tamin’ilay vahoaka tonga nihaino azy?
7 Nasongadina tao amin’ny iray amin’ireo fanoharan’i Jesosy ny maha zava-dehibe ny hananana fomba fijery tsara momba ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa nitory ny vaovao tsara nanerana an’i Palestina i Jesosy, dia niangona mba hihaino azy ny vahoaka. (Lioka 8:1, 4). Tsy ny rehetra anefa no tena tia ny Tenin’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa maro no tonga nihaino an’i Jesosy, satria ta hahita fahagagana, na koa nahafinaritra azy ilay fomba mahatalanjona nampianaran’i Jesosy. Noho izany, dia nilaza fanoharana iray tamin’ilay vahoaka i Jesosy, ka nanao hoe: “Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dàlana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin’ny voro-manidina. Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin’ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando. Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy. Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny.” — Lioka 8:5-8.
8. Inona ilay voa ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy?
8 Nasehon’ilay fanoharan’i Jesosy fa ho samy hafa ny fihetsiky ny olona manoloana ny fitoriana ny vaovao tsara, satria miankina amin’ny toe-pon’ilay mihaino izany. “Ny tenin’Andriamanitra” ilay voa afafy. (Lioka 8:11). Na, araka ny voalazan’ny fitantarana hafa iray mahakasika ilay fanoharana, dia “ny tenin’ny fanjakana” ilay voa. (Matio 13:19). Afaka nampiasa ireo teny roa ireo i Jesosy, satria ilay Fanjakana any an-danitra izay manana an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka no foto-kevitry ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’io Fanjakana io no hanamarinan’i Jehovah ny fiandrianany sy hanamasinany ny anarany. (Matio 6:9, 10). Raha ny marina àry, dia tsy inona akory ilay voa fa ilay hafatra momba ny vaovao tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Manasongadina an’io hafatra momba ilay Fanjakana io ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mamafy voa, ho fanahafany an’i Jesosy Kristy, ilay Mpamafy voalohany. Fihetsika manao ahoana no hitan’izy ireo?
9. Sary mampiseho inona ilay voa voafafy a) teny amoron-dalana? b) teny ambony vatolampy? d) teny amin’ny tany be tsilo?
9 Nilaza i Jesosy fa nisy voa voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka. Izany dia manondro olona izay revo loatra amin-javatra hafa, ka tsy mamaka ao am-pony ny voan’ilay Fanjakana. Alohan’ny hahafahan’izy ireo hamboly fitiavana ny Tenin’Andriamanitra, dia efa “avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena”. (Lioka 8:12). Nisy voa voafafy koa teny ambony vatolampy. Izany dia manondro olona izay voasinton’ny hafatra ao amin’ny Baiboly, saingy tsy namela azy io hanan-kery ao am-pony. Rehefa tonga ny fanoherana, na rehefa hitany fa sarotra ny mampihatra ny torohevitry ny Baiboly, dia “mihemotra” izy, satria tsy manam-paka. (Lioka 8:13). Eo koa ireo mandre ny teny, nefa tototry ny “fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao”. Amin’ny farany, dia ‘voageja’ tanteraka, tahaka ny zavamaniry mifaningotsingotra amin’ny tsilo, izy ireny. — Lioka 8:14.
10, 11. a) Iza no asehon’ilay tany tsara? b) Inona no tsy maintsy ataontsika mba ‘hitanantsika’ ny Tenin’Andriamanitra ao am-pontsika?
10 Farany, dia eo koa ilay voa voafafy teny amin’ny tany tsara. Izany dia manondro olona izay mandray ilay hafatra “amin’ny fo sady marina no tsara”. Ara-dalàna raha tian’ny tsirairay amintsika ny hihevitra fa ao anatin’io sokajy io ny tenantsika. Rehefa dinihina anefa, dia ny fiheveran’Andriamanitra no zava-dehibe. (Ohabolana 17:3; 1 Korintiana 4:4, 5). Milaza ny Teniny fa ny fananantsika “fo sady marina no tsara”, dia zavatra porofointsika amin’ny ataontsika, manomboka izao ka mandra-pahafatintsika, na mandra-pamaran’Andriamanitra ity fandehan-javatra ratsy ity. Raha tsara fandray ny hafatra momba ilay Fanjakana isika amin’ny voalohany, dia tsara tokoa izany. Na izany aza anefa, ireo manana fo sady marina no tsara, dia manaiky ny Tenin’Andriamanitra sy “mitana azy [io] ka mamoa [amim-piaretana, NW ]”. — Lioka 8:15.
11 Ny hany fomba azo antoka itanantsika ny Tenin’Andriamanitra ao am-pontsika, dia ny famakiana sy ny fianarana azy io manokana, sy miaraka amin’ireo mpiray finoana amintsika. Tafiditra amin’izany ny fanararaotana amin’ny fomba feno ny sakafo ara-panahy, izay omena amin’ny alalan’ilay fitaovana voatendry hikarakara ny tombontsoa ara-panahin’ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy. (Matio 24:45-47). Amin’izany fomba izany, dia voatosiky ny fitiavana ‘hamoa amim-piaretana’ ireo mitana ny Tenin’Andriamanitra ao am-pony.
12. Inona ilay vokatra tsy maintsy omentsika amim-piaretana?
12 Manome voa, na vokatra, manao ahoana ilay tany tsara? Eo amin’ny tontolon’ny natiora, ny voa afafy dia mitombo ka tonga zavamaniry izay manome vokatra misy voany mitovy karazana aminy, izay azo afafy, avy eo, mba hanome vokatra fanampiny. Toy izany koa ireo manana fo sady marina no tsara: Mitombo ao amin’izy ireo ny voan’ny teny, ka mahatonga azy ireo handroso ara-panahy, mandra-pahatongan’izy ireo kosa indray ho afaka hamafy ilay voa ao am-pon’ny hafa. (Matio 28:19, 20). Ary mampiavaka ilay asa famafazan’izy ireo ny fiaretana. Nasehon’i Jesosy ny maha zava-dehibe ny fiaretana eo amin’ny famafazana, rehefa nilaza toy izao izy: “Izay [miaritra, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena. Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:13, 14.
“Mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra”
13. Inona no vavaka nataon’i Paoly, izay nampifandray ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny hoe manome vokatra?
13 Niresaka ny amin’ny ilana hanomezana vokatra koa ny apostoly Paoly, ary nampifandraisiny tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny hoe manome vokatra. Nivavaka izy mba “hofenoina fahalalana tsara ny sitrapon[’Andriamanitra ireo mpiray finoana taminy] amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra”. — Kolosiana 1:9, 10; Filipiana 1:9-11.
14-16. Mifanaraka amin’ilay vavaka nataon’i Paoly, inona no vokatra novokarin’ireo tia ny Tenin’Andriamanitra?
14 Asehon’i Paoly, araka izany, fa tsy ny fahazoana fahalalana momba ny Baiboly akory no tanjona farany. Ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra kosa dia manosika antsika ‘handeha mendrika ny Tompo’, amin’ny fanohizana manome ‘vokatra amin’ny asa tsara rehetra’. Asa tsara inona? Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no asa miavaka anendrena ny Kristianina amin’izao andro farany izao. (Marka 13:10). Fanampin’izany, ireo tia ny Tenin’Andriamanitra dia manao araka izay fara heriny mba hanohanana ara-bola tsy tapaka an’io asa io. Finaritra amin’izany tombontsoa izany izy ireo, noho ny fahalalany fa “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”. (2 Korintiana 9:7). Anisan’ny andoavana ny lany amin’ny fampandehanana ny asa any amin’ireo tranon’ny Betela maherin’ny zato ny fanomezana ataon’izy ireo. Avy ao amin’ireny trano ireny tokoa mantsy no itarihana ny asa mifandray amin’ny fitoriana ilay Fanjakana, ary any amin’ny sasany amin’izy ireny no amokarana Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Ny fanomezana ataon’izy ireo dia manampy koa amin’ny fandoavana ny lany amin’ireo fivoriambe lehibe ataon’ny Kristianina, sy amin’ny fandefasana mpiandraikitra mpitety faritany sy misionera ary mpitory ny filazantsara manontolo andro hafa.
15 Anisan’ny asa tsara koa ny fanorenana sy ny fikojakojana ireo foiben’ny fanompoam-pivavahana marina. Ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra dia manosika ireo mpivavaka aminy hanao izay hahazoana antoka fa tsy atao tsirambina ny fikarakarana ireo Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana. (Ampitahao amin’ny Nehemia 10:40.) Koa satria miseho eo anoloan’ireny trano ireny ny anaran’Andriamanitra, dia tena zava-dehibe ny hihazonana azy ireny ho madio sy manintona, na ny anatiny na ny ivelany, sy ny tsy hahitana tsiny eo amin’ny fitondran-tenan’ireo manolotra fanompoam-pivavahana ao anatin’ireny efitrano ireny. (2 Korintiana 6:3). Afaka manao bebe kokoa noho izany ny Kristianina sasany. Ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra dia manosika azy ireo hanao dia lavitra mba handraisana anjara amin’ny fanorenana toerana vaovao fanolorana fanompoam-pivavahana, any amin’ny faritra samihafa amin’ny tany, izay mila fanampiana satria mahantra na tsy ampy fahaiza-manao. — 2 Korintiana 8:14.
16 Tafiditra amin’ny hoe “mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra” koa ny fisahanana ireo andraikitra ara-pianakaviana, sy ny fiahiana ireo namana kristianina. Ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra dia manosika antsika hahatsapa ny zavatra ilain’ireo “mpianakavin’ny finoana” sy ‘haneho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranontsika’. (Galatiana 6:10; 1 Timoty 5:4, 8). Amin’io lafiny io, dia asa tsara ny mitsidika ny marary sy ny mampionona ireo ory. Ary asa tsara dia tsara tokoa no tontosain’ireo loholon’ny kôngregasiôna sy Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, eo amin’ny fanampiana olona miatrika zava-tsarotra ara-pitsaboana! (Asan’ny Apostoly 15:29). Eo koa ireo loza tsy mitsaha-mitombo — avy amin’ny natiora ny sasany amin’izy ireny, fa vokatry ny hadalan’olombelona kosa ny hafa. Omban’ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, hany ka, any amin’ny faritra maro amin’ny tany, izy ireo dia nanjary nanana laza tsara dia tsara ho mailaka mitondra fanampiana vonjy rano vaky, ho an’ny mpiray finoana aminy sy ny olon-kafa tra-boina sy tra-doza. Vokatra tsara asehon’ireo tia ny Tenin’Andriamanitra izany rehetra izany.
Soa be voninahitra amin’ny hoavy
17, 18. a) Inona no tontosa noho ny famafazana ny voan’ilay Fanjakana? b) Tsy ho ela intsony dia hahita fisehoan-javatra tena lehibe inona avy ireo tia ny Tenin’Andriamanitra?
17 Manohy mitondra soa lehibe ho an’ny olombelona ny famafazana ny voan’ilay Fanjakana. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia olona maherin’ny 300 000 isan-taona no namela ny hafatry ny Baiboly hamaka ao am-pony, ka tonga hatramin’ny fanolorana ny fiainany ho an’i Jehovah, ary nanamarika izany tamin’ny batisa tao anaty rano. Hoavy be voninahitra tokoa no miandry azy ireo!
18 Fantatr’ireo tia ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ho ela i Jehovah Andriamanitra dia hitsangana hankalaza ny anarany. Ho rava i “Babylona lehibe”, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 18:2, 8). Avy eo, ireo tsy mety miaina mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra dia horinganin’ilay Mpanjaka — Jesosy Kristy. (Salamo 2:9-11; Daniela 2:44). Aorian’izay, ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanaisotra tanteraka ny heloka bevava sy ny ady ary ny loza hafa. Tsy hisy hila hampionona olona noho ny alahelo sy ny aretina ary ny fahafatesana intsony. — Apokalypsy 21:3, 4.
19, 20. Hoavy be voninahitra manao ahoana no miandry an’ireo tena tia ny Tenin’Andriamanitra?
19 Asa tsara be voninahitra tokoa amin’izay fotoana izay no hotontosain’ireo tia ny Tenin’Andriamanitra! Ireo ho tafita velona amin’i Haramagedona dia hanomboka asa mahafaly, dia ny fanovana ity tany ity ho paradisa. Hanana tombontsoa mampientam-po izy ireo, dia ny fanomanana ny zavatra ilain’ireo maty, izay miala sasatra ao am-pasana ankehitriny ary ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, ka manana fahatsinjovana ny hitsangana amin’ny maty. (Jaona 5:28, 29). Mandritra izany fotoana izany, dia hisy fitarihan-dalana lavorary ho azon’ny mponina amin’ny tany — fitarihan-dalana izay omen’i Jehovah, Tompom-piandrianana, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Zanany nasandrany. ‘Hisy horonam-boky hovelarina’, izay hanambara ireo toromarik’i Jehovah mahakasika ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. — Apokalypsy 20:12, NW.
20 Amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, ireo Kristianina voahosotra nahatoky, amin’ny fitambarany, dia hatsangana ho amin’ny valisoany any an-danitra, amin’ny maha “mpiray lova amin’i Kristy” azy ireo. (Romana 8:17). Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia hasandratra hanana saina sy vatana lavorary ny olombelona rehetra eto an-tany izay tia ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa hita ho mahatoky ao anatin’ny fitsapana farany iray izy ireo, dia hovalian-tsoa amin’ny alalan’ny fiainana mandrakizay, ary hanjary hanana “ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Romana 8:21; Apokalypsy 20:1-3, 7-10). Ho fotoana hahatalanjona tokoa izany! Eny tokoa, na nomen’i Jehovah fanantenana ny ho any an-danitra isika na ny ho eto an-tany, ny fitiavana maharitra ny Teniny sy ny fahatapahan-kevitra hiaina mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra, dia hiaro antsika. Ary amin’ny hoavy izy io dia ‘hanome voninahitra antsika, [satria, NW ] tanantsika’. — Ohabolana 4:6, 8.
Hainao Hazavaina Ve?
◻ Amin’ny ahoana no miaro antsika ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra?
◻ Inona ilay voa ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy, ary ahoana no amafazana azy io?
◻ Ahoana no ahafahantsika manaporofo fa “tany tsara” isika?
◻ Soa inona avy no andrandrain’ireo tia ny Tenin’Andriamanitra?
[Sary, pejy 16]
Ny voa ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy dia sary mampiseho ilay hafatra momba ny vaovao tsara raketin’ny Tenin’Andriamanitra
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbandian
[Sary, pejy 17]
Manahaka an’ilay Mpamafy Lehibe ny Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 18]
Hankafy ny vokatry ny tany ireo ho tafita velona amin’i Haramagedona