Fanontanian’ny Mpamaky
Rehefa heverina ny didin’ny Baiboly momba ny fampiasana ra araka ny tokony ho izy, ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fomba fitsaboana ampiasana ny ran’ny tena?
Toy izay hanao fanapahan-kevitra mifototra amin’izay tian’ny tena manokana fotsiny, na amin’ny torohevitra ara-pitsaboana, dia tokony handinika amim-pitandremana izay lazain’ny Baiboly ny Kristianina tsirairay. Raharaha iray mahakasika ny tenany sy i Jehovah izany.
Nodidian’i Jehovah, izay nahazoantsika ny aintsika, fa tsy tokony hohanina ny ra. (Genesisy 9:3, 4). Tao amin’ny Lalàna ho an’ny Isiraely fahiny, dia nasian’i Jehovah fepetra ny fampiasana ny ra, noho izy io mampiseho ny aina. Nandidy toy izao izy: “Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo”. Ahoana raha toa ka namono biby iray mba ho sakafony ny olona iray? Nilaza toy izao Andriamanitra: “[Tsy maintsy, NW] haidiny amin’ny tany ny rany ka hototofany”.a (Levitikosy 17:11, 13). Naverin’i Jehovah imbetsaka io didy io. (Deoteronomia 12:16, 24; 15:23). Izao no fanamarihana ao amin’ny Soncino Chumash jiosy: “Tsy tokony hotahirizina ny ra, fa hatao kosa izay tsy hahazoana mihinana azy, amin’ny fandrarahana azy amin’ny tany.” Tsy nisy Isiraelita nahazo naka, nitahiry sy nampiasa ny ran’ny zavaboary iray hafa, izay an’i Jehovah ny ainy.
Tsy nanan-kery intsony ny Lalàn’i Mosesy, nony maty ny Mesia. Na izany aza anefa, dia mbola heverin’Andriamanitra ho masina foana ny ra. Natosiky ny fanahy masin’Andriamanitra ireo apostoly, ka nanome toromarika ny Kristianina mba ‘hifady ny ra’. Tsy tokony hohamaivanina io baiko io. Zava-dehibe mahakasika ny fitondran-tena izy io, tsy nisy hafa tamin’ny fifadiana ny fahalotoam-pitondran-tena na ny fanompoan-tsampy. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 21:25). Rehefa nanjary niely ny fanomezana sy ny fampidirana ra, tamin’ny taonjato faha-20, dia nahatakatra kosa ny Vavolombelon’i Jehovah fa nifanohitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra izany fanao izany.b
Indraindray, dia ampirisihin’ny dokotera mafy ny marary hametraka ny rany, herinandro vitsivitsy alohan’ny fandidiana (don préopératoire de sang autologue), mba hahafahany hampiditra izany rany notahirizina izany ao amin’ilay marary, raha ilaina. Kanefa, mifanohitra mivantana amin’izay voalaza ao amin’ny Levitikosy sy Deoteronomia ny fakana sy ny fitahirizana ary ny fampidirana ra toy izany. Tsy tokony hotahirizina ny ra, fa tokony hararaka—toy ny hoe averina amin’Andriamanitra. Marina fa tsy manan-kery ny Lalàn’i Mosesy ankehitriny. Na izany aza, dia manaja ny foto-pitsik’Andriamanitra tafiditra amin’izy io ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tapa-kevitra ny ‘hifady ny ra’. Noho izany, dia sady tsy manome ra isika no tsy mitahiry, ho amin’ny fampidiran-dra, ny rantsika, izay tokony ‘haidina amin’ny tany’. Mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany fanao izany.
Misy fomba na fitsirihana hafa, izay ampiasana ny ran’ny tena manokana, ary tsy mifanohitra mazava toy izany amin’ny foto-pitsipika naorin’Andriamanitra. Nanaiky ny nakana ampahany tamin’ny rany mba hanaovana fitsirihana na analizy, ohatra, ny Kristianina maro, santionan-dra izay nariana taorian’izany. Mety hampirisihana koa ny fomba fitsaboana hafa be kojakojany kokoa, izay ampiasana ny ran’ny tena.
Mandritra ny fandidiana sasany, ohatra, dia misy tapany amin’ny ra avily hiala amin’ny vatana, amin’ny alalan’ilay antsoina hoe hémodilution. Tampohana ny ra tavela ao amin’ilay marary. Aorian’izay, dia averina ao aminy indray ny rany, izay tao anatin’ny fitaovana mampifamoivoy ny ra ivelan’ny vatana, ka mampiverina ny isan’ny selan-drany hitovitovy amin’ny ara-dalàna. Tahaka izany koa fa azo alaina sy tantavanina ny ra mikoriana ao amin’ny faritra didiana na maratra iray, mba hahafahana hamerina ny liomena ao amin’ilay marary; antsoina hoe cell salvage (fanantazana sela) izany. Amin’ny fizotran-javatra hafa iray, ny ra dia tarihina ho ao anaty milina iray, izay manatontosa vetivety ny asa mahazatran’ny taova amin’ny vatana (toy ny fo, ny havokavoka, na ny voa). Avy eo, dia averina ao amin’ilay marary ilay ra avy tao amin’ilay milina. Amin’ny fanaovan-javatra hafa, ny ra dia avily ho ao anaty milina mpampisaraka ny ranoka (centrifugeuse) mba hanesorana izay zavatra manimba na misy tsininy. Na mety ho ny hanavahana ny taharon’ny ra iray sy ny hampiasana izany amin’ny toerana hafa eo amin’ny vatana no tanjona. Misy fitsirihana hafa koa izay akana fatrana ra, mba hamantarana azy na mba hampifangaroana azy amin’ny fanafody, ka aorian’izany dia averina ao amin’ilay marary indray.
Mety ho samy hafa ny tsipiriany, ary azo antoka fa hisy fanaovan-javatra sy fomba fitsaboana ary fitsirihana vaovao. Tsy andraikitray ny hamakafaka ny karazany tsirairay sy ny hanapa-kevitra momba izany. Tsy maintsy manapa-kevitra ho an’ny tenany ny Kristianina iray, raha ny amin’ny fomba hampiasana ny rany mandritra ny fandidiana iray, ny fitsirihana ara-pitsaboana, na ny fitsaboana arahiny. Tokony ho azony mialoha avy amin’ny dokotera na ny teknisianina ny fanazavana na tsipiriany momba izay mety hatao amin’ny rany mandritra ilay fizotran-javatra. Avy eo, dia tsy maintsy manapa-kevitra araka izay amelan’ny feon’ny fieritreretany azy hataony izy. (Jereo ny faritra voafefy.)
Tokony hotadidin’ny Kristianina ao an-tsaina ny fanoloran-tena nataony ho an’Andriamanitra sy ny adidiny ho ‘tia azy amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra ary ny sainy rehetra’. (Lioka 10:27). Tsy tahaka ny ankamaroan’ny olona eo amin’izao tontolo izao ny Vavolombelon’i Jehovah fa mihevitra kosa ny fifandraisany tsara amin’Andriamanitra ho faran’izay sarobidy. Mampirisika mafy antsika rehetra ilay Mpanome aina mba hatoky ilay ra nalatsak’i Jesosy. Izao no vakintsika: “Izy[Jesosy Kristy] no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany”.—Efesiana 1:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nanoratra toy izao ny Profesora Frank H. Gorman: “Fantatra tsara indrindra ho fanehoam-panajana ny ain’ilay biby, ny fandrarahana ilay ra, ary noho izany, dia fanehoam-panajana an’Andriamanitra, izay namorona sady mbola miahy izany aina izany.”
b Namaly ireo fanontaniana lehibe momba io foto-kevitra io Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jolay 1951 (anglisy), rehefa nampiseho ny antony tsy maha mety ny fampidirana ra avy amin’ny mpanome ra.
[Efajoro/Sary, pejy 31]
FANONTANIANA TOKONY HAPETRAKAO AMIN’NY TENANAO
Raha avily ivelan’ny vatako ny ampahany amin’ny rako, ka mety hijanona vetivety mihitsy aza ny fikorianany, hamela ahy hihevitra io ra io ho mbola tapany amiko ve ny feon’ny fieritreretako, ka noho izany dia tsy hitaky ny ‘hampidinana azy amin’ny tany’?
Hanenjika ahy ve ny feon’ny fieritreretako voataiza araka ny Baiboly, raha alaina sy ovana ary averina ho ao anatin’ny vatako indray ny rako, mandritra ny famantarana aretina na ny fitsaboana iray?