Fiandohan’ny Fiadanana ny Hara-magedona
AVY amin’ny teny hebreo midika hoe “Tendrombohitr’i Megido”, ilay teny hoe “Hara-magedona.” Ao amin’ny Apokalypsy 16:16 no misy azy io, manao hoe: “Nangonin’izany fanambarana izany ho amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona ireo.” Iza no hangonina ao Hara-magedona ary nahoana? Milaza ny andininy eo aloha kokoa, izany hoe ny Apokalypsy 16:14, fa hangonina ‘ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony, ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina.’ Mampipoitra fanontaniana hafa indray izany: Aiza ireo ‘mpanjaka’ ireo no hiady? Inona no antony hiadiany ary iza no hifanandrina aminy? Hampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ve izy ireo, araka ny eritreretin’ny maro? Hisy ho tafavoaka velona ve? Andeha hojerentsika izay avalin’ny Baiboly.
Ny firesahana momba ny “Tendrombohitr’i Megido” ve midika fa hatao any amin’ny tendrombohitra iray any Moyen-Orient, ny ady Hara-magedona? Tsia, satria tsy tena misy io tendrombohitra io. Havoana kely mirefy 20 metatra monja no eo amin’ilay lohasaha nisy an’i Megido fahiny. Tsy ho antonona an’ireo “mpanjakan’ny tany [rehetra] mbamin’ny tafiny” mihitsy koa, ilay faritra manodidina an’i Megido. (Apokalypsy 19:19) Tao anefa no nitranga ny ady sasany nahery vaika sy nampiova zavatra indrindra teo amin’ny tantaran’i Moyen-Orient. Manondro ady mampiova zavatra, ahitana mpandresy tokana, àry ny teny hoe Hara-magedona.—Jereo ny efajoro “Mety Tsara Ilay Anarana hoe Megido”, pejy 5.
Tsy ady hifanaovan’ireo firenena eto an-tany fotsiny ny Hara-magedona. Milaza mantsy ny Apokalypsy 16:14, fa hiray hina ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina” amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony.” Naminany i Jeremia, fa hiampatrampatra ‘hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa ny voavonon’i Jehovah.’ (Jeremia 25:33) Tsy ady hifanaovan’ny olona amin’ny toerana iray any Moyen-Orient àry, ny Hara-magedona. Adin’i Jehovah izy io, ary haneran-tany.
Mariho anefa fa antsoina hoe “toerana” ny Hara-magedona, ao amin’ny Apokalypsy 16:16. Mety hidika ho toe-javatra ny teny hoe “toerana”, ao amin’ny Baiboly. (Apokalypsy 12:6, 14) Hanao angaredona tokoa mantsy izao tontolo izao mba hanoherana an’i Jehovah. Hiara-manohitra ‘ny tafika any an-danitra’ tarihin’i Jesosy Kristy, “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”, ny firenena rehetra eto an-tany.—Apokalypsy 19:14, 16.
Ary ahoana ilay filazana hoe fandripahana olona amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ny Hara-magedona, na fifandonan’ny tany amin’ny planeta hafa? Ny Andriamanitra iray be fitiavana ve dia hamela ny olona sy ny tany fonenany hiafara amin’ny fomba mahatsiravina toy izany? Tsia. Izy mihitsy no milaza fa tsy ho tany “tsy misy endrika tsy akory” no namoronany ny tany, fa “nataony honenana.” (Isaia 45:18; Salamo 96:10) Tsy handevona azy io amin’ny afo àry i Jehovah amin’ny Hara-magedona. ‘Handringana izay manimba ny tany’ kosa izy.—Apokalypsy 11:18.
Rahoviana ny Hara-magedona?
Efa hatry ny ela no nanitikitika ny sain’ny olona ilay fanontaniana hoe: Rahoviana no ho avy ny Hara-magedona? Be dia be ny tombantombana momba izany. Manampy antsika hamantatra ny fotoana lazain’ny Baiboly fa hitrangan’io ady faran’izay lehibe io, ny fandinihana ny Apokalypsy sy ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Ampifandraisin’ny Apokalypsy 16:15 ny Hara-magedona sy ny fiavian’i Jesosy toy ny mpangalatra. Nampiasa io fanoharana io koa i Jesosy, rehefa nilaza fa ho avy hampihatra didim-pitsarana amin’ity tontolo ity izy.—Matio 24:43, 44; 1 Tesalonianina 5:2.
Miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ity isika nanomboka tamin’ny 1914, araka ny asehon’ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly.a Hitranga mandritra ny tapany farany amin’ny andro farany, ilay vanim-potoana nantsoin’i Jesosy hoe “fahoriana lehibe.” Tsy lazain’ny Baiboly ny faharetan’izy io. Mbola tsy hisy fahoriana toy izany mihitsy anefa. Hamarana an’io fahoriana lehibe io ny Hara-magedona.—Matio 24:21, 29.
Tsy afaka mampihemotra ny ady Hara-magedona ny olona, satria “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony” izy io. Efa noferan’i Jehovah ny ‘fotoana’ hanombohan’io ady io, ka tsy ho diso aoriana.—Habakoka 2:3.
Ady ara-drariny hataon’Andriamanitra tia rariny
Fa nahoana Andriamanitra no hanao ady iray haneran-tany? Mifandray ny Hara-magedona sy ny iray amin’ireo toetrany lehibe indrindra, dia ny fitiavany ny rariny. Hoy ny Baiboly: “Jehovah tia rariny.” (Salamo 37:28) Hitany ny tsy rariny rehetra nitranga teo amin’ny tantara, ka rariny raha tsy faly izy. Nanendry ny Zanany hanao ady ara-drariny àry izy, mba handringanana tanteraka an’ity tontolo ratsy ity.
I Jehovah irery no mahavita manao ady tena ara-drariny, ka izay mendrika ny horinganina ihany no ho faty. Harovany kosa ny olona tso-po, na aiza na aiza misy azy. (Matio 24:40, 41; Apokalypsy 7:9, 10, 13, 14) Izy irery koa no manan-jo hampihatra ny fahefany manerana ny tany, satria izy no namorona azy io.—Apokalypsy 4:11.
Inona no fitaovam-piadiana hampiasain’i Jehovah hamelezana ny fahavalony? Tsy fantatra, fa ny fantatsika dia hoe ho vitany ny handringana tanteraka an’ireo firenena ratsy fanahy. (Joba 38:22, 23; Zefania 1:15-18) Tsy handray anjara amin’io ady io anefa ny mpanompon’Andriamanitra etỳ an-tany. I Jesosy Kristy sy ny tafiky ny lanitra ihany no hanao azy io, araka ny fahitana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-19. Tsy hisy handray anjara amin’izy io ny Kristianina manompo an’i Jehovah etỳ an-tany.—2 Tantara 20:15, 17.
Manome fampitandremana ampy tsara ilay Andriamanitra hendry
Hisy ho tafavoaka velona ve amin’io ady io? Tsy misy olona voatery ho faty amin’ny Hara-magedona, raha ny marina. Hoy ny apostoly Petera: “Tsy irin[’i Jehovah] hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2 Petera 3:9) Nilaza koa ny apostoly Paoly, fa “sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.”—1 Timoty 2:4.
Hendry àry i Jehovah, ka nataony izay hitoriana eran-tany ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana”, amin’ny fiteny an-jatony. Afaka ny ho tafavoaka velona sy ho voavonjy ny olona hatraiza hatraiza. (Matio 24:14; Salamo 37:34; Filipianina 2:12) Afaka ny tsy ho faty amin’ny Hara-magedona ireo mandray ny vaovao tsara. Hanjary ho lavorary izy ireo, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany. (Ezekiela 18:23, 32; Zefania 2:3; Romanina 10:13) Tsy izany ve no hampoizina fa hataon’Andriamanitra fitiavana?—1 Jaona 4:8.
Andriamanitra fitiavana ve dia hiady?
Maro anefa no manontany tena hoe nahoana ny Andriamanitra iray be fitiavana no hamono sy handripaka olona maro be toy izany. Azo ampitahaina amin’ny trano iray feno voalavo ilay toe-javatra. Inona no hataon’ny tompon-trano mahay mandray andraikitra, mba hiarovana ny fahasalamana sy ny fahasambaran’ny fianakaviany? Tsy hofongorany ve ireo voalavo ireo?
Hanao ilay ady Hara-magedona koa i Jehovah, satria tena tiany ny olombelona. Mikasa ny hanova ny tany ho paradisa izy. Tiany ho lasa lavorary sy hiadana ny olona, ka “tsy hisy hanaitaitra azy.” (Mika 4:3, 4; Apokalypsy 21:4) Hatao ahoana àry ireo olona mety hanakantsakana ny fisian’ny fiadanana sy ny filaminana? Toy ny namongoran’ilay tompon-trano an’ireo voalavo, dia tsy maintsy haringan’Andriamanitra koa ireo ratsy fanahy tsy mety miova, mba handraisan’ny olo-marina soa.—2 Tesalonianina 1:8, 9; Apokalypsy 21:8.
Ny fitondran’olombelona tsy lavorary sy ny fitadiavan’ny firenena izay hahasoa azy fotsiny, no mahatonga ny ankamaroan’ny ady sy ny fandatsahan-dra ankehitriny. (Mpitoriteny 8:9) Te hampitombo ny fahefany ny mpitondra olombelona, ka tsy miraharaha velively an’ilay Fanjakana efa naorin’Andriamanitra. Tsy hita soritra mihitsy hoe vonona hanolotra ny fahefany ho an’Andriamanitra sy Kristy izy ireo. (Salamo 2:1-9) Tsy maintsy hesorina àry ireo fitondram-panjakana ireo, mba hahafahan’ny Fanjakan’i Jehovah hitondra. I Kristy no mpanjakan’izy io, ary ho ara-drariny ny fitondrany. (Daniela 2:44) Tsy maintsy hatao ny ady Hara-magedona, mba handaminana tanteraka ilay adihevitra momba ny zo hitondra an’ity planeta ity sy ny olombelona.
Hitondra soa ho an’ny olona ny fisalovanan’i Jehovah amin’ny Hara-magedona. Miharatsy hatrany mantsy ny toe-draharaha eran-tany, ka ny fitondrany lavorary ihany no hanome fahafaham-po tanteraka izay ilain’ny olona. Ny Fanjakany ihany no afaka hampanjaka ny fiadanana sy ny fanambinana. Hanao ahoana tokoa moa ny toe-draharaha eran-tany, raha tsy hanao na inona na inona mihitsy Andriamanitra? Mbola hitohy foana ny fankahalana, herisetra, ary ady, toy ny hita hatramin’izay nitondran’ny olombelona izay. Tena hahasoa ny olona àry ny ady Hara-magedona!—Lioka 18:7, 8; 2 Petera 3:13.
Ady hamarana ny ady rehetra
Hanatanteraka zavatra iray mbola tsy vitan’ny ady rehetra hatramin’izay, ny Hara-magedona. Hamarana ny ady rehetra izy io. Iza tokoa moa no tsy maniry ny hanjavonan’ny ady? Tsy nahavita izany anefa ny olona. Manamarina ny voalazan’i Jeremia ny ezaka rehetra nandamòka nataon’izy ireo. Hoy izy: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) Mampanantena ny Baiboly fa hataon’i Jehovah ity voalaza ity: “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.”—Salamo 46:8, 9.
Hisalovana Ilay nanao ny tany, rehefa hifamely amin’ny fitaovam-piadiany mahery vaika ireo firenena, ka hatahorana hanimba tanteraka ny tontolo iainana. Hanao izany amin’ny Hara-magedona izy, araka ny hevitr’ilay teny ao amin’ny Baiboly! (Apokalypsy 11:18) Hanatanteraka ny fanirian’ireo olona matahotra an’Andriamanitra velona hatramin’izay àry io ady io. Hohamarininy fa manan-jo hitondra ny zavaboariny rehetra i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompon’ny tany.
Tsy tokony hatahotra ny ady Hara-magedona àry ny olona tia rariny. Mahavelom-panantenana kosa izy io. Hodiovina ny tany, ka tsy hisy intsony ny kolikoly sy ny faharatsiana rehetra. Hanomboka ny tontolo vaovao sy marina, eo ambany Fanjakan’Andriamanitra tantanan’ny Mesia. (Isaia 11:4, 5) Tsy fara andro mahatsiravina sy mampahatahotra àry ny Hara-magedona. Ho fiandohan’ny fiadanana kosa izy io ho an’ny olo-marina, izay hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa.—Salamo 37:29.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, toko faha-9, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro/Sary, pejy 5]
METY TSARA ILAY ANARANA HOE MEGIDO
Tsara toerana ny tanànan’i Megido fahiny. Tazana avy teny amin’izy io ny faritra andrefan’ny lohasaha lonak’i Jezirela, tany amin’ny faritra avaratr’i Israely. Tsy maintsy nandalo tao ny mpivarotra sy ny miaramila avy amin’ny firenena samihafa. Nisy ady maro nampiova zavatra àry tany Megido. Hoy ny Profesora Graham Davies, ao amin’ny bokiny hoe Tanàna ao Amin’ny Baiboly: Megido (anglisy): ‘Mora tamin’ireo mpivarotra sy mpifindra monina avy tany amin’ny faritra rehetra ny nankao amin’ny tanànan’i Megido. Afaka nanara-maso an’izay niditra tao koa anefa ny mponina tao, raha natanjaka, ka nanan-kery teo amin’ny fizotran’ny varotra sy ny ady. Tsy mahagaga àry raha maro no naniry hahazo an’io tanàna io, ary narovana mafy rehefa azo.’
Efa 3 500 taona mahery izay no nanombohan’ny tantaran’i Megido. Resin’i Thoutmosis III, mpanjakan’i Ejipta, ireo mpanjaka kananita tao tamin’izay. Nitohy nandritra ny taonjato maro ny tantaran’ilay tanàna, mandra-pahatongan’ny 1918. Tamin’izay indray dia ny jeneraly britanika Edmund Allenby no nandresy ny tafika tiorka, tao amin’io toerana io. Tao koa i Baraka Mpitsara no nampian’Andriamanitra handresy tanteraka an’i Jabina, mpanjaka kananita. (Mpitsara 4:12-24; 5:19, 20) Tao amin’io faritra io i Gideona Mpitsara no nampandositra ny Midianita. (Mpitsara 7:1-22) Ary mbola tao koa no nahafaty an’i Ahazia sy Josia Mpanjaka.—2 Mpanjaka 9:27; 23:29, 30.
Mety àry raha ampifandraisina amin’io faritra io ny Hara-magedona, satria nisy ady maro nampiova zavatra tao. Mety tsara io anarana io, mba hilazana an’ilay ady handresen’Andriamanitra tanteraka an’izay rehetra manohitra azy.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 7]
Efa ampitandremana ny olona eran-tany, ka afaka ny ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona
[Sary, pejy 7]
Ho fiandohan’ny fiadanana ny Hara-magedona