Tena Faly Izy Ireo Manao ny Sitrapon’Andriamanitra
NANOME modely ho an’ny Kristianina rehetra i Jesosy, rehefa nivavaka tamin’ny Rainy hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.” (Lioka 22:42) Nasehony tamin’izany fa manaiky amim-panetren-tena ny hankatò an’i Jehovah izy. Manao toy izany koa ny mpanompon’Andriamanitra an-tapitrisany ankehitriny. Anisan’izany ny kilasy faha-120 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Nizarana diplaoma ireo mpianatra 52 ireo tamin’ny 11 Martsa 2006, ary tena faly hanao ny sitrapon’Andriamanitra any amin’ny tany samihafa, na dia mety hisy zava-tsarotra aza.
Inona no mahatonga azy ireo hampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’i Jehovah? Hoy i Chris sy Leslie, mpivady voatendry ho misionera any Bolivia: “Efa nanda tena izahay, ka vonona hanao izay asa rehetra azo atao miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah.” (Marka 8:34) Hoy koa i Jason sy Chere, izay voatendry ho any Albania: “Niatrika zava-tsarotra izahay tamin’ny fanompoana rehetra nampanaovin’ny fandaminan’i Jehovah anay, nefa tsapanay foana fa azo itokisana tanteraka i Jehovah.”
Fampirisihana hanaiky ny sitrapon’i Jehovah
Nanao ny vavaka fanokafana tamin’ilay fizarana diplaoma i George Smith, mpianakavin’ny Betela miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary. Niarahaba ny mpanatrika avy eo i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy mpitari-draharaha tamin’io fotoana io. Vahiny avy any amin’ny tany 23 no tonga nanatrika io fandaharana mahafinaritra io, izay natao tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, any New York. Nilaza tamin’ireo misionera ny Rahalahy Lett fa “hisy heriny lehibe” ny asan’izy ireo. Nisarika ny saina ho amin’ny “zavatra efa mafy orina” toy ny fampianaran-diso izy, ary nilaza fa ho afaka handrava azy ireny amin’ny alalan’ny herin’ny Soratra Masina ireo misionera vaovao. (2 Korintianina 10:4, 5) Izao no famaranan-teniny: “Tena ho faly ianareo, satria hampiasain’i Jehovah handrava zavatra efa mafy orina ao amin’ny olona tso-po, any amin’ny faritany anendrena anareo!”
Namelabelatra ny loha hevitra hoe “Zavatra Vitsivitsy Tokony Hotadidina” i Harold Jackson, mpikambana ao amin’ny foibe. Nohamafisiny fa tsy tokony hohadinoin’ireo misionera vaovao mihitsy hoe ‘ny fikatsahana ilay Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra’ no tokony hataon’izy ireo loha laharana. (Matio 6:33) Tokony hotadidin’izy ireo koa fa ‘mampahery ny fitiavana’, ary azo antoka fa hahomby izay manana azy io. (1 Korintianina 8:1) Hoy izy: “Ny fitiavana no avelao hitari-dalana anareo eo amin’ny fifandraisanareo amin’ny hafa.”
Nandray ny fitenenana avy eo i Geoffrey Jackson, izay misionera nanomboka tamin’ny 1979 ka hatramin’ny 2003, ary anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny. Izao no loha hevitra novelabelariny: “Mandray ny Andraikitrao ve Ianao?” Nantitranteriny fa ilaina ny mihevi-tena araka ny antonony sy manana fomba fijery voalanjalanja momba ny fanompoana. Andraikitry ny Kristianina ny miasa mafy amin’ny fambolena sy fanondrahana ny voan’ny fahamarinana. Andraikitr’i Jehovah kosa ny mampitombo izany, satria ‘Andriamanitra no mampitombo.’ (1 Korintianina 3:6-9) Hoy koa ny Rahalahy Jackson: “Andraikitrao eo anatrehan’i Jehovah ny manao izay hampahatanjaka anao foana eo amin’ny lafiny ara-panahy. Inona anefa no andraikitrao lehibe indrindra? Ny ho tia an’i Jehovah sy ireo olona ampianao.”
I Lawrence Bowen, mpampianatra ao amin’ny Sekolin’i Gileada, no nanao ilay lahateny hoe: “Fantaro ny Fomba Tokony Hitondranao Tena.” Nampahatsiahiviny fa nitari-dalana sy niaro ny Israelita tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah, tamin’izy ireo namakivaky ny tany efitra. (Eksodosy 13:21, 22) Manome tari-dalana sy fiarovana antsika koa izy ankehitriny. Ataony amin’ny alalan’ny Kristianina voahosotra, izay “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana”, ny ampahany amin’izany. (1 Timoty 3:14, 15) Nampirisihina àry ireo misionera vaovao, mba hanohana ny fahamarinana, izay mitari-dalana sy miaro ny manetry tena.
Nampirisika an’ireo misionera mba tsy hanadino ny tenin’Andriamanitra izay ‘ao ivohony’ i Wallace Liverance, mpampianatra ao amin’ny Sekolin’i Gileada. Toy ny hoe ao ivohontsika na ao aoriantsika ny tenin’Andriamanitra, satria efa an-jatony taona maro lasa izay no vita ny fanoratana ny Baiboly. Toy ny mpiandry ondry miantsoantso avy ao aorian’ny andian’ondry koa i Jehovah. Ao aorian’ny vahoakany izy, izany hoe manome tari-dalana azy ireo amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Isaia 30:21; Matio 24:45-47) Nanampy an’ireo misionera mba hankasitraka bebe kokoa an’io mpanompo io ny Sekolin’i Gileada. Io “mpanompo” io tokoa no nanome Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nampirisihina àry ireo misionera hoe: “Ento miaraka aminareo io tahirim-pahalalana sarobidy io, ary ampiasao mba hampianarana ny olona.”—Matio 13:52.
Fanaovana ny sitrapon’i Jehovah eny amin’ny fanompoana
Nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha ireo misionera nandritra ilay fiofanany. Nanasongadina ny zavatra sasany hitan’izy ireo tamin’izany i Mark Noumair, anisan’ny mpampianatra, nandritra ilay lahateniny hoe: “Marisika Hitory ny Vaovao Tsara.” (Romanina 1:15) Nanadinadina misionera maromaro izy, ary niharihary tamin’izany fa narisika nitory tamin’ny fotoana rehetra tokoa izy ireo.
Mbola nahazo fampaherezana koa ireo misionera, nandritra ny fanadinadinana nataon’i Kenneth Flodin. Nadinadininy tamin’izany i Richard Keller sy Alejandro Lacayo ary Moacir Felisbino, izay mpiandraikitra mpitety faritany eto Etazonia izao. Efa misionera tany Amerika Atsimo sy Afovoany izy mirahalahy voalohany, ary nitantara ny fomba niatrehany fitsapana sy ny fitahiana azony tamin’izany. I Moacir Felisbino kosa niresaka momba ny fampiofanana azony, rehefa niara-niasa akaiky tamin’ny misionera tany Brezila, tany nahalehibe azy izy.
Nanadinadina an’i Robert Jones sy Woodworth Mills ary Christopher Slay i David Schafer avy eo. Notantarain’ireo misionera za-draharaha ireo fa nianatra nitoky tamin’i Jehovah izy ireo, rehefa niaritra zava-tsarotra. Nanome toky koa ireo rahalahy ireo fa ho afaka hanatanteraka tsara ny asany izao ireo misionera vaovao, noho ilay fampiofanana nomen’ny fandaminan’i Jehovah. Toy izao no namintinan’ny Rahalahy Mills izany: “Tsy ny fahalalana azoko tamin’ny Sekolin’i Gileada no tena nanampy ahy, fa ny fampirisihana ahy hanetry tena sy ho be fitiavana.”
Taorian’izay i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, dia nanao ny lahateny fototra hoe: “Tsy Maintsy Hahomby i Jehovah.” Marina fa tsy nahavita nanao izay tokony ho nataony i Adama, nefa midika ve izany fa tsy nahomby Andriamanitra? Marina ve ny lazain’ny olona sasany hoe tsy lavorary ny fomba namoronany an’i Adama? Tsy izany mihitsy, satria “nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona.” (Mpitoriteny 7:29) Nilaza ilay mpandahateny fa ny tsy fivadihan’i Jesosy tao anatin’ny fitsapana faran’izay mafy, dia manaporofo fa “tsy nanana fialan-tsiny na antony tsy hankatoavana mihitsy i Adama.” Tsy mafy noho ilay fitsapana nahazo an’i Jesosy ny fitsapana ny fankatoavan’i Adama, tao amin’ny Saha Edena, nefa tsy nahavita nankatò izy. Na izany aza, dia tsy maintsy hahomby i Jehovah. Ho tanteraka ny fikasany. (Isaia 55:11) Hoy ny Rahalahy Pierce tamin’ireo misionera vaovao: “Manana tombontsoa ianareo hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny alalan’ny fahafoizan-tenanareo. Homba anareo tsirairay anie i Jehovah, na aiza na aiza anompoanareo azy amin’ny maha misionera!”
Avy eo dia nampita ny firarian-tsoa avy tamin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany hafa ny Rahalahy Lett, mpitari-draharaha, ary nizara ny diplaoma sy nilaza ny toerana anendrena ireo misionera. Nisolo tena ny mpanatrika tamin’ny vavaka famaranana i Vernon Wisegarver, mpianakavin’ny Betela efa hatry ny ela.
Tsapan’ireo mpanatrika 6 872, fa nahatonga azy ireo hazoto kokoa hanao ny sitrapon’Andriamanitra ilay fandaharana tamin’ny fizarana diplaoma. (Salamo 40:8) Hoy i Andrew sy Anna, anisan’ny nahazo diplaoma: “Nanolo-tena ho an’i Jehovah izahay, ary efa nivoady fa hanao izay rehetra asainy ataonay. Izao izahay dia nirahiny ho any Cameroun, any Afrika.” Efa tsindrian-daona erỳ ry zareo sy ireo misionera hafa vao nahazo diplaoma, hanao ilay asa izay hitondra fifaliana sy fahafaham-po ho azy ireo. Tena faly tokoa izy ireo manao ny sitrapon’Andriamanitra.
[Efajoro, pejy 17]
ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY
Tany nanana solontena: 6
Tany nanendrena: 20
Mpianatra: 52
Salanisan-taona: 35,7
Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 18,3
Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 14,5
[Sary, pejy 18]
Ny Kilasy Faha-120 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada
Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Wright, S.; Suárez, B.; Croisant, B.; Davenport, L. 2) Johnson, A.; Ali, C.; Cady, K.; Guerrero, P.; Ases, A. 3) Ortiz, L.; Lyall, K.; Uzeta, M.; Perez, R.; Backus, K.; Caterina, C. 4) Palmer, B.; Loving, D.; Macdonough, J.; Bostock, D.; Benetatos, L. 5) Jasicki, M.; Sarafianos, E.; Stelter, C.; Vaira, R.; Woon, J.; Prentice, K. 6) Davenport, H.; Croisant, H.; Perez, M.; Vaira, E.; Suárez, A.; Caterina, I.; Wright, C. 7) Cady, K.; Macdonough, J.; Ortiz, M.; Woon, J.; Ali, J.; Ases, M. 8) Sarafianos, G.; Lyall, D.; Uzeta, C.; Stelter, P.; Prentice, G.; Johnson, A.; Benetatos, C. 9) Palmer, J.; Jasicki, W.; Backus, J.; Bostock, S.; Guerrero, J. M.; Loving, S.