Tiavo Ilay Andriamanitra Tia Anao
“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.”—MATIO 22:37.
1, 2. Inona no mety ho nahatonga an’ireo Fariseo hanontany izay didy lehibe indrindra?
AZO inoana fa niady hevitra be ireo Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy, noho ilay fanontaniana hoe: Iza no lehibe indrindra amin’ireo lalàna 600 mahery tao amin’ny Lalàn’i Mosesy? Ny lalàna momba ny fanatitra ve? Ny fanatitra mantsy no ahazoana famelan-keloka, sady fanolorana fisaorana ho an’Andriamanitra. Sa ny lalàna momba ny famorana? Lehibe koa io satria ny famorana no mariky ny fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama.—Genesisy 17:9-13.
2 Ireo Fariseo tsy tia fiovana kosa mety ho nilaza, fa tsy tokony hisy didy hoheverina ho lehibe kokoa noho ny hafa. Lehibe avokoa mantsy, hono, ny lalàna nomen’Andriamanitra, na dia ireo heverina ho maivan-danja aza. Nanapa-kevitra àry ny Fariseo fa hametraka an’ilay fanontaniana niadian-kevitra, tamin’i Jesosy. Mety hahatonga ny olona tsy hatoky azy intsony mantsy izay valin-teniny eo. Nanatona an’i Jesosy ny iray tamin’izy ireo, ary nanontany hoe: “Inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?”—Matio 22:34-36.
3. Inona no didy lehibe indrindra, araka ny nolazain’i Jesosy?
3 Tena ilaintsika ny valin-tenin’i Jesosy. Nofintininy ny fototry ny fivavahana marina, hatramin’ny taloha sy ho mandrakizay. Nanonona ny Deoteronomia 6:5 izy, ka nanao hoe: “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.” Nilaza didy hafa koa i Jesosy, na dia didy iray ihany aza no nanontanian’ilay Fariseo. Naka teny tao amin’ny Levitikosy 19:18 izy, ary nilaza hoe: “Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” Nolazain’i Jesosy avy eo, fa ireo lalàna roa ireo no fototry ny fivavahana marina. Tsy te handahatra an’ireo lalàna hafa arakaraka ny halehibeny izy, ka namarana ny teniny hoe: “Ireo didy roa ireo no ihantonan’ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany.” (Matio 22:37-40) Hiresaka ny didy lehibe indrindra amin’izy roa ireo isika, ato amin’ity lahatsoratra ity. Nahoana isika no tsy maintsy tia an’Andriamanitra? Ahoana no ampisehoantsika fa tia azy isika? Inona no hanampy antsika amin’izany? Tena ilaina ny mahafantatra ny valin’ireo fanontaniana ireo, satria tsy maintsy tia an’i Jehovah amin’ny fontsika sy ny tenantsika ary ny saintsika manontolo isika, raha te hampifaly azy.
Tena ilaina ny fitiavana
4, 5. a) Nahoana ilay Fariseo no tsy gaga tamin’ny valin-tenin’i Jesosy? b) Araka ny fomba fijerin’Andriamanitra, inona no sarobidy kokoa noho ny fanatitra?
4 Toa tsy gaga na tafintohina tamin’ny valin-tenin’i Jesosy, ilay Fariseo nanontany azy. Fantany fa tena ilaina eo amin’ny fivavahana marina ny fitiavana an’Andriamanitra, na dia maro aza no tsy maneho izany. Fanaon’ny olona tao amin’ny synagoga koa ny nanonona tamin’ny feo avo ny Shema, na fanekem-pinoana. Tafiditra tao amin’izy io ilay andalan-teny ao amin’ny Deoteronomia 6:4-9, izay nampiasain’i Jesosy. Namaly an’i Jesosy toy izao ilay Fariseo, araka ny Filazantsaran’i Marka: “Mpampianatra ô, marina izay nolazainao hoe: ‘Iray ihany Izy, ary tsy misy afa-tsy Izy.’ Ary sarobidy lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra ny fitiavana azy amin’ny fo manontolo sy ny fahaiza-misaina manontolo ary ny hery manontolo, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.”—Marka 12:32, 33.
5 Notakin’ny Lalàna tokoa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa. Ny fitiavana manosika ny mpanompony hanao izany anefa no tena sarobidy amin’Andriamanitra. Ny fody iray natolotra ho azy tamim-pitiavana dia sarobidy lavitra noho ny ondrilahy an’arivony natolotra noho ny antony ratsy. (Mika 6:6-8) Tsarovy ny tantaran’ilay vehivavy mpitondratena hitan’i Jesosy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Tsy nahazo fody iray akory ireo farantsa kely roa narotsany tao amin’ny vata fandatsaham-bola. Ireo fanomezana nomena tamim-pitiavana ireo anefa no nanan-danja kokoa tamin’i Jehovah, noho ireo fanomezana be dia be nomen’ireo mpanankarena, avy tamin’ny ambim-bavany. (Marka 12:41-44) Mampahery tokoa ny mahafantatra fa ny fitiavantsika azy no sarobidy indrindra amin’i Jehovah. Ary afaka maneho azy io isika rehetra, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy antsika!
6. Nahoana no zava-dehibe ny fitiavana, araka ny tenin’i Paoly?
6 Nohamafisin’ny apostoly Paoly fa zava-dehibe eo amin’ny fivavahana marina ny fitiavana. Hoy izy: “Raha miteny amin’ny fitenin’olona sy fitenin’anjely aho nefa tsy manam-pitiavana, dia tonga takela-barahina maneno na kipantsona mikarantsana aho. Ary raha manana ny fahaiza-maminany sady mahafantatra ny zava-miafina masina rehetra sy ny fahalalana rehetra aho, ary manana ny finoana rehetra ka mahafindra tendrombohitra, nefa tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona aho. Ary raha manome ny fananako rehetra aho mba hahazoan’ny hafa sakafo, ary manolotra ny tenako ho sorona mba hisy hireharehako, nefa tsy manam-pitiavana aho, dia tsy hisy tombony ho ahy velively izany.” (1 Korintianina 13:1-3) Tena ilaina àry ny fitiavana, raha tiantsika hankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahantsika. Ahoana anefa no ampisehoantsika fa tia an’i Jehovah isika?
Ahoana no ampisehoantsika fa tia an’i Jehovah isika?
7, 8. Ahoana no ampisehoantsika fa tia an’i Jehovah isika?
7 Maro no mino fa fihetseham-po tonga ho azy ny fitiavana, toy izay mitranga tampoka eo amin’ny lehilahy sy vehivavy raiki-pitia. Tsy fihetseham-po fotsiny anefa ny tena fitiavana. Miseho amin’ny atao izy io. Lazain’ny Baiboly fa ‘lalana tsara indrindra’ ny fitiavana, ary mila ‘ezaka’ ny fanehoana azy. (1 Korintianina 12:31; 14:1, Fandikan-teny Protestanta) Ampirisihina ny Kristianina mba tsy ho tia “amin’ny teny na amin’ny lela” fotsiny, “fa amin’ny atao ary amin’ny fahamarinana.”—1 Jaona 3:18.
8 Ny fitiavana an’Andriamanitra no mandrisika antsika hanao izay sitrany ary hiaro sy hanohana ny zony hitondra, amin’ny tenintsika sy ny ataontsika. Izy io no mahatonga antsika tsy ho tia an’izao tontolo izao sy ny fitondran-tena ratsiny. (1 Jaona 2:15, 16) Mankahala ny ratsy ireo tia an’Andriamanitra. (Salamo 97:10) Anisan’ny fitiavana an’Andriamanitra koa ny fitiavana ny mpiara-belona, ary handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Tokony hankatò an’Andriamanitra isika raha tia azy. Hoy mantsy ny Baiboly: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny.”—1 Jaona 5:3.
9. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tia an’Andriamanitra izy?
9 Nasehon’i Jesosy tamin’ny fomba tonga lafatra ny atao hoe fitiavana an’Andriamanitra. Niala tany an-danitra izy noho ny fitiavana, ary lasa olombelona tetỳ an-tany. Io fitiavana io koa no nandrisika azy hanome voninahitra ny Rainy, tamin’izay rehetra nataony sy nampianariny. “Tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany”, noho ny fitiavana. (Filipianina 2:8) Afaka ny ho marina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona mahatoky, vokatr’izany fankatoavana tamim-pitiavana izany. Hoy i Paoly: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray [Adama], no hahatongavan’ny maro ho marina noho ny nankatoavan’ny olona iray [Kristy Jesosy].”—Romanina 5:19.
10. Nahoana ny fankatoavana no anisan’ny fomba anehoana ny fitiavana an’Andriamanitra?
10 Mankatò toa an’i Jesosy isika, mba hampisehoantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Hoy i Jaona, ilay apostoly tian’i Jesosy: “Izao no fitiavana, dia ny handehanantsika hatrany araka ny didiny.” (2 Jaona 6) Maniry mafy ny tari-dalan’i Jehovah ireo tena tia azy. Miaiky izy ireo fa tsy mahavita tena. Noho izany, dia mitoky amin’ny fahendren’Andriamanitra izy ireo, sady manaiky ny tari-dalany feno fitiavana. (Jeremia 10:23) Tena maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, toy ireo olona ambony saina tany Beria fahiny, izay “nazoto” nandray ny hafatra avy amin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 17:11) Nandinika tsara ny Soratra Masina izy ireo, mba hahafantarany tsara kokoa ny sitrapon’Andriamanitra. Nanampy azy ireo hankatò an’Andriamanitra bebe kokoa izany, mba hampisehoany fa tia azy izy ireo.
11. Inona no dikan’ny hoe tia an’Andriamanitra amin’ny fo, saina, tena, ary hery manontolo?
11 Nilaza i Jesosy fa tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fo, saina, tena, ary ny herintsika manontolo isika. (Marka 12:30) Avy ao am-po ny fitiavana toy izany. Ny fihetseham-pontsika sy ny faniriantsika ary ny eritreritsika lalina indrindra, no tiana holazaina amin’ny hoe fo eto. Haniry mafy hampifaly an’i Jehovah àry isika, raha tia azy amin’ny fo. Tia azy amin’ny saintsika koa isika. Tsy hoe tia an’i Jehovah an-jambany fotsiny isika, fa noho ny fahafantarantsika azy. Nanjary fantatsika mantsy ny toetrany sy ny fitsipiny ary ny fikasany. Ampiasaintsika mba hanompoana sy hiderana azy ny tenantsika, izany hoe ny maha isika antsika sy ny fiainantsika. Ampiasaintsika amin’izany koa ny herintsika.
Nahoana isika no tokony ho tia an’i Jehovah?
12. Nahoana no takin’Andriamanitra ny hitiavantsika azy?
12 Tokony ho tia an’i Jehovah isika, satria mitaky ny hanahafantsika ny toetrany izy. Avy amin’Andriamanitra mantsy ny fitiavana, ary izy no modely tsara indrindra amin’ny fanehoana azy io. Hoy ny apostoly Jaona: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona, izany hoe natao hitia. Miorina amin’ny fitiavana mihitsy aza ny fampiharan’i Jehovah ny zony hitondra. Ny olona tiany hofehezina, dia ireo manompo azy noho ny fitiavana sy ny faniriana ho eo ambany fitondrany mahitsy sy marina. Tena ilaina tokoa ny fitiavana, mba hanjakan’ny fiadanana sy ny filaminana eo amin’ny zavaboary rehetra.
13. a) Nahoana ny Israelita no nilazana hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao”? b) Nahoana no rariny raha irin’i Jehovah ho tia azy isika?
13 Tia an’i Jehovah koa isika, satria mankasitraka izay nataony ho antsika. Tadidio fa nilaza tamin’ny Jiosy i Jesosy hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao.” Tsy andriamanitra tsy fantatra na mafy fo no nasaina notiavin’izy ireo, fa ilay Andriamanitra efa naneho fitiavana taminy. I Jehovah no Andriamanitr’izy ireo. Izy no nanafaka azy ireo tany Ejipta sy nitondra azy tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Izy no niaro azy, nanome sakafo sy niraiki-po tamin’izy ireo, ary nanafay azy tamim-pitiavana. I Jehovah koa no Andriamanitsika ankehitriny, dia ilay nanome ny Zanany ho vidim-panavotana mba hahazoantsika fiainana mandrakizay. Rariny àry raha iriny ho tia azy isika! Valim-pitia ny fitiavana asehontsika, satria Andriamanitra tia antsika no asaina tiavintsika. Tia azy isika, satria “izy no tia antsika voalohany.”—1 Jaona 4:19.
14. Inona no mampitovy ny fitiavan’i Jehovah sy ny an’ny ray aman-dreny be fitiavana?
14 Toy ny fitiavan’ny ray aman-dreny an-janany, ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona. Tsy lavorary ireo ray aman-dreny ireo, nefa milofo mandritra ny taona maro mba hikarakarana an-janany, na dia mety handaniany vola be sy zavatra hafa aza izany. Mampianatra, mampahery, manohana, ary manafay ny zanany ny ray aman-dreny, satria tiany ho sambatra sy hahomby izy ireo. Inona no irin’izy ireo ho setrin’izany? Iriny hamaly fitia azy ny zanany, ka handray am-po ny zavatra nampitainy, satria hahasoa azy ireo izany. Tsy rariny àry ve raha irin’ilay Raintsika lavorary any an-danitra ho tia sy hankasitraka azy koa isika, noho izay rehetra nataony tamintsika?
Inona no hanampy antsika ho tia an’Andriamanitra?
15. Inona no dingana voalohany tsy maintsy atao, raha irintsika ny ho tia an’Andriamanitra?
15 Mbola tsy nahita an’Andriamanitra isika, sady mbola tsy nandre ny feony. (Jaona 1:18) Manasa antsika ho tia azy sy hifandray aminy anefa izy. (Jakoba 4:8) Ahoana no ahavitantsika izany? Tsy afaka mifandray am-po amin’ny olona iray tsy fantatsika isika. Noho izany, ny dingana voalohany tsy maintsy atao mba hitiavana olona iray, dia ny fahafantarana ny momba azy. Nomen’i Jehovah ny Teniny, mba hahafantarantsika ny momba azy. Izany no antony ampirisihan’i Jehovah antsika, amin’ny alalan’ny fandaminany, mba hamaky Baiboly tsy tapaka. Ny Baiboly no mampianatra antsika ny momba an’Andriamanitra, ny toetrany, ny maha izy azy, ary ny fifandraisany tamin’ny olona nandritra ny an’arivony taona. Mitombo ny zavatra fantatsika momba an’Andriamanitra sy ny fitiavantsika azy, rehefa misaintsaina ireny fitantarana ireny isika.—Romanina 15:4.
16. Nahoana no mampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra ny fisaintsainana ny fanompoan’i Jesosy?
16 Tena ilaina koa ny misaintsaina ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany, raha tiantsika hitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah. Nanahaka tanteraka ny Rainy mantsy izy, ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Azo antoka fa manohina ny fonao ny misaintsaina ny fangoraham-po nasehon’i Jesosy, tamin’izy nanangana ny zanaka lahitokan’ilay mpitondratena. (Lioka 7:11-15) Mahafinaritra ny mahafantatra fa nanetry tena sy nanasa ny tongotry ny mpianany i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra sady ny lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. (Jaona 13:3-5) Niavaka sy hendry kokoa noho ny olon-kafa rehetra izy. Azo inoana anefa fa mampihetsi-po anao ny mahafantatra fa vonona ny hifandray tamin’ny hafa izy, na dia ny ankizy aza. (Marka 10:13, 14) Rehefa misaintsaina an’izany rehetra izany isika, dia manjary manahaka an’ireo Kristianina nanoratan’i Petera hoe: “Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo.” (1 Petera 1:8) Ary rehefa mitombo ny fitiavantsika an’i Jesosy, dia mitombo koa ny fitiavantsika an’i Jehovah.
17, 18. Inona avy ny zavatra omen’i Jehovah amim-pitiavana, ka hampitombo ny fitiavantsika azy raha saintsainintsika?
17 Hampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra koa, ny fisaintsainana ireo zavatra maro omeny amim-pitiavana mba hankafizantsika ny fiainana. Anisan’izany ny zavaboary kanto, sakafo matsiro isan-karazany, fiarahana amin’ny namana tsara sy be fitiavana, ary ireo zavatra tsy hita isa mahafaly sy mahafinaritra antsika. (Asan’ny Apostoly 14:17) Vao mainka isika mankasitraka an’Andriamanitsika, arakaraka ny ianarantsika momba azy, satria tsy manam-petra ny hatsaram-panahiny sy ny fahalalahan-tanany. Saintsaino izay rehetra nataony ho anao. Tsy ekenao ve fa mendrika ny hotiavinao izy?
18 Fanomezana avy amin’Andriamanitra koa ny fahafahana mivavaka aminy amin’ny fotoana rehetra. Fantatsika fa mihaino antsika ilay “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Nomen’i Jehovah an’ilay Zanany malalany, ny fahefana hanjaka sy hitsara. Tsy nankininy tamin’iza na iza anefa ny fihainoana ny vavaka ataontsika. Izy mihitsy no mihaino azy ireny. Manjary akaiky kokoa an’i Jehovah àry isika, satria miahy antsika manokana izy, ary ataony amim-pitiavana izany.
19. Inona ireo fampanantenan’i Jehovah mahatonga antsika ho akaiky kokoa azy?
19 Manjary akaiky kokoa an’i Jehovah koa isika, rehefa misaintsaina ny fikasany momba ny olombelona. Nampanantena izy fa hanafoana ny aretina sy ny alahelo ary ny fahafatesana. (Apokalypsy 21:3, 4) Tsy hisy intsony ny olona kivy na iharan-doza, rehefa lasa lavorary ny olombelona. Tsy hisy intsony koa ny mosary sy ny fahantrana ary ny ady. (Salamo 46:9; 72:16) Ho lasa paradisa ny tany. (Lioka 23:43) Hitondra an’ireo fitahiana ireo i Jehovah noho ny fitiavany antsika, fa tsy hoe voatery hanao izany izy.
20. Inona no soa azon’ireo tia an’i Jehovah, araka ny nolazain’i Mosesy?
20 Tokony ho tia an’Andriamanitra sy hampitombo ny fitiavantsika azy àry isika, noho ireo antony mavesa-danja ireo. Hampitombo ny fitiavanao an’Andriamanitra hatrany ve ianao, ka hamela azy hitari-dalana anao? Anao ny safidy. Niaiky i Mosesy fa mandray soa ny olona, rehefa tia an’i Jehovah sy tsy mamela izany fitiavana izany hangatsiaka. Hoy izy tamin’ny Israelita fahiny: “Mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao.”—Deoteronomia 30:19, 20.
Tadidinao Ve?
• Nahoana no tena ilaina ny hitiavantsika an’i Jehovah?
• Ahoana no ampisehoantsika fa tia an’Andriamanitra isika?
• Inona avy no antony tokony hitiavantsika an’i Jehovah?
• Inona no hanampy antsika ho tia an’Andriamanitra?
[Sary, pejy 20]
Ny fitiavantsika an’i Jehovah no tena sarobidy aminy, ary afaka maneho izany isika rehetra
[Sary, pejy 23]
“Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.”—Jaona 14:9.