“Niara-niasa Tamin’Andriamanitra” i Jonatana
TONGA nitsidika lehilahy iray niafina ny zanakalahin’ny mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely. Hoy izy taminy: “Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’i Saoly raiko; fa hianao no ho mpanjaka amin’ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao.”—1 Samoela 23:17.
I Davida ilay niafina, ary Jonatana ilay namangy. Mety ho lasa ny tanana ankavanan’i Davida izy, raha tsy maty taoriana kelin’izay.
Tena niavaka ny fisakaizan’i Jonatana sy Davida. Niavaka mihitsy koa anefa i Jonatana. Toy izany no fahitan’ny mpiara-belona taminy azy, satria nilaza toy izao izy ireo: “Niara-niasa tamin’Andriamanitra izy.” (1 Samoela 14:45) Nahoana izy ireo no nilaza izany? Inona avy no toetra tsaran’i Jonatana? Inona no azonao ianarana avy amin’ny tantaram-piainany?
“Ory indrindra” ny Israelita
Tamin’ny fotoana ‘nampahory indrindra’ ny Israelita, no manomboka misy resaka momba an’i Jonatana ao amin’ny Baiboly. Naka an-keriny ny tanin’izy ireo ny Filistinina, ary nataony izay tsy nahafahany niaro tena.—1 Samoela 13:5, 6, 17-19.
Nilaza anefa i Jehovah fa tsy hahafoy ny olony izy, ary natoky izany i Jonatana. Efa nampanantena Andriamanitra fa hisy lehilahy iray ‘hamonjy [ny vahoakany] amin’ny tanan’ny Filistinina’, dia i Saoly. Nino izany teny izany i Jonatana. Efa naharesy ny Filistinina mantsy izy taloha, nefa miaramila 1 000 monja no nentiny niady, sady zara raha nanana fiadiana izy ireo. Te hanao zavatra izy izao, mba tsy handrahona azy ireo intsony ny Filistinina.—1 Samoela 9:16; 12:22; 13:2, 3, 22.
Mpanafika be herim-po
Nikendry hanafika ny toby mpitilin’ny Filistinina, teo akaikin’ny hadilanana tao Mikmasy, i Jonatana. (1 Samoela 13:23) Tsy maintsy ‘handady’ izy mba hahatongavana tany. Tsy nahakivy azy anefa izany. Nanapa-kevitra ny hanafika irery niaraka tamin’ny mpitondra fiadiany izy, ka nilaza taminy hoe: “Angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ny maro, na amin’ny vitsy.”—1 Samoela 14:6, 13.
Nitady famantarana avy tamin’i Jehovah izy roa lahy. Hankeo amin’ny toerana tazan’ny miaramila tao amin’ilay toby izy, ka raha milaza ireo hoe: “Andraso mandra-pahatonganay any aminareo”, dia tsy hiakatra hankeny aminy izy. Raha hoy kosa ny Filistinina hoe: “Miakara etỳ aminay”, dia midika izany fa homen’i Jehovah azy roa lahy ny fandresena. Tapa-kevitra ny hiady tamin’ilay toby i Jonatana, raha azony antoka fa hanohana azy Andriamanitra.—1 Samoela 14:8-10.
Inona no mba ho vitan’ny olona roa eo anatrehan’ny miaramila iray toby? Eritrereto izao: Moa ve i Jehovah tsy nanampy an’i Ehoda Mpitsara, rehefa nitarika ny Israely hiady tamin’i Moaba izy? Tsy nomba an’i Samgara koa ve izy, ka nahafaty Filistinina 600 tamin’ny fanindronan’omby i Samgara? Ary tsy i Jehovah ve no nanome hery an’i Samsona, ka imbetsaka izy no naharesy ny Filistinina, na dia niady irery aza? Natoky i Jonatana fa hanampy azy koa i Jehovah.—Mpitsara 3:12-31; 15:6-8, 15; 16:29, 30.
Nihorakoraka toy izao ny Filistinina rehefa nahita azy roa lahy: “Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra hianareo.” Niakatra àry i Jonatana sy ny mpitondra fiadiany. Nisikina herim-po izy ireo, ka namely ny fahavalo ary nahafaty miaramila 20 teo ho eo. Nanjary raiki-tahotra ny tao amin’ilay toby. Nihevitra angamba ny Filistinina fa nisy miaramila israelita maro nanaraka azy roa lahy. Hoy ny fitantarana: “Nisy hovitra ... tamin’ny vahoaka rehetra; ... ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin’Andriamanitra.” Nisahotaka ny Filistinina ka “nifamely tamin’ny sabany”, noho ilay horohoron-tany avy tamin’Andriamanitra. Nahazo hery ny tafik’Israely rehefa nahita izany. Nanatevin-daharana azy ireo ny Israelita niafina sy ireo niaraka tamin’ny Filistinina taloha, ka “namely ny Filistina ... hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona.”—1 Samoela 14:11-23, 31.
Namonjy azy ny vahoaka
Tsy mba nieritreritra i Saoly Mpanjaka, rehefa nilaza fa ho voaozona izay miaramila mihinan-kanina alohan’ny hahazoana fandresena. Tsy nahalala izany i Jonatana noho ny antony tsy fantatra. Natsobony tao amin’ny toho-tantely iray àry ny tehiny, ary nihinana izy. Toa nanome azy hery hamitana ilay ady izany.—1 Samoela 14:24-27.
Nasain’i Saoly novonoina i Jonatana, rehefa fantany fa nihinan-kanina. Tsy natahotra ny ho faty anefa i Jonatana, ka nilaza hoe: ‘Intỳ aho manaiky ny ho faty.’ (Fandikan-teny Katolika) “Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin’ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ny tany, fa niara-niasa tamin’Andriamanitra izy andro-any. Ary ny vahoaka namonjy an’i Jonatana, ka dia tsy maty izy.”—1 Samoela 14:38-45.
Tsy miady ara-bakiteny ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Mety hila finoana sy herim-po koa anefa ianao. Mety ho sarotra, ohatra, ny manao ny tsara, rehefa manao ratsy avokoa ny manodidina. Hanatanjaka anao anefa i Jehovah, ka hanampy anao hanaraka ny fitsipiny marina. Mety hila herim-po koa ianao mba hanekena tombontsoam-panompoana sasany eo amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ohatra amin’izany ny fanitarana ny fanompoana, ny fandraisana andraikitra hafa, na ny fifindrana any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Mety hisalasala ianao raha ho vitanao izany. Matokia anefa fa tsara ny ataonao, raha manaiky hampiasain’i Jehovah amin’izay fomba hitany fa mety ianao. Tsarovy i Jonatana! “Niara-niasa tamin’Andriamanitra izy.”
Jonatana sy Davida
Nihantsy ny tafik’Israely i Goliata, ilay mpiady maherin’ny Filistinina, 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Novonoin’i Davida anefa izy. Nisy zavatra maro nitovizan’i Davida sy Jonatana, na dia zokin’i Davida 30 taona teo ho eo aza izy.a Naneho herim-po i Davida, toy ny nataon’i Jonatana tao Mikmasy. Ny tena nampitovy azy anefa, dia izy ireo samy natoky fa manana hery i Jehovah ka afaka mamonjy. Izany no nahatonga an’i Davida tsy hatahotra hifanandrina tamin’i Goliata, nefa ny Israelita rehetra tsy nisy sahy. Nanjary “raiki-pitia tamin’i Davida [àry] ny fanahin’i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.”—1 Samoela 17:1–18:4.
Nitsangan-ko fahavalon’i Davida i Saoly Mpanjaka, rehefa hitany fa nahay izy. Tsy mba nialona an’i Davida anefa i Jonatana. Lasa mpinamana be izy mirahalahy. Tamin’ny resaka manokana nifanaovany angamba no nahafantaran’i Jonatana fa i Davida indray no voahosotra ho mpanjakan’ny Israely. Nanaja ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra i Jonatana.
Nilaza tamin’ny mpanompony sy Jonatana i Saoly fa hamono an’i Davida, ka nampitandrina an’i Davida i Jonatana. Nandresy lahatra ny rainy izy fa tsy misy antony tokony hatahorany an’i Davida. Sady mbola tsy nanao ratsy tamin’ny mpanjaka mihitsy izy! Tsy nanao vivery ny ainy ve i Davida rehefa niady tamin’i Goliata? Nampitony ny fahatezeran’i Saoly ny fiangaviana mafy nataon’i Jonatana momba an’ilay namany niharan’ny tsy rariny. Nitetika ny hamono an’i Davida indray anefa ny mpanjaka tsy ela taorian’izay, ka voatery nandositra izy.—1 Samoela 19:1-18.
Nanohana an’i Davida foana i Jonatana. Nihaona izy mirahalahy ary nikaon-doha ny amin’izay tokony hatao. Tsy nivadika tamin’ilay namany i Jonatana, sady mbola niezaka ny tsy hivadika tamin’ny rainy. Hoy izy tamin’i Davida: “Sanatria izany! Tsy ho faty hianao.” Hoy anefa i Davida: “Toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.”—1 Samoela 20:1-3.
Namorona tetika izy roa lahy mba hahafantarana izay tian’i Saoly hatao. Tsy hiara-misakafo amin’ny mpanjaka i Davida. Raha voamarik’i Saoly izany, dia holazain’i Jonatana aminy fa niera i Davida mba handeha hanao fanatitra miaraka amin’ny fianakaviany. Raha tezitra i Saoly, dia ho hita fa mankahala an’i Davida izy. Nitso-drano an’ilay namany i Jonatana avy eo, ary nilaza hoe: “Homba anao tahaka ny tamin’ny raiko anie Jehovah.” Nekeny tamin’izany fa ho mpanjaka i Davida. Nivoady izy mirahalahy fa tsy hifanary mihitsy, ary nanapa-kevitra hoe ahoana no hampahafantarana an’i Davida izay hataon’i Saoly.—1 Samoela 20:5-24.
Hitan’i Saoly fa tsy teo i Davida. Nohazavain’i Jonatana taminy àry fa niangavy azy i Davida hoe: “Raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna hianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko.” Tsy natahotra i Jonatana niaiky fa nahazo sitraka taminy i Davida. Nisafoaka ilay mpanjaka! Nanompa an’i Jonatana sy nivazavaza taminy izy, ka nilaza fa mety tsy ho lasa mpanjaka i Jonatana raha mbola eo koa i Davida. Nasain’i Saoly nentin’i Jonatana tany aminy i Davida mba hovonoiny. Namaly anefa i Jonatana hoe: “Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?” Romotra i Saoly ka notorahany tamin’ny lefona ny zanany. Afa-niala i Jonatana ka tsy naninona, saingy nalahelo mafy an’i Davida izy.—1 Samoela 20:25-34.
Tena miavaka ny tsy fivadihan’i Jonatana! Raha araka ny fisainan’ny olombelona fotsiny, dia tsy ho nahazoany tombony firy ny fisakaizany tamin’i Davida, fa vao mainka aza hahamatiantoka azy. Nanapa-kevitra anefa i Jehovah fa i Davida no ho mpanjaka handimby an’i Saoly, ary natao hahasoa an’i Jonatana sy ny hafa izay fanapahan-kevitra raisin’Andriamanitra.
Fisarahana nampitomany
Nihaona mangingina tamin’i Davida i Jonatana mba hilaza vaovao. Fantatra tamin’izany fa tsy hahazo hanitsaka ny tokonam-baravaran’i Saoly intsony mihitsy i Davida. Nifamihina sy nitomany izy roa lahy, ary nandeha niafina indray i Davida avy eo.—1 Samoela 20:35-42.
Nihaona farany izy mirahalahy, rehefa niafina an’i Saoly “tany an-efitr’i Zifa tany anaty ala” i Davida. Nampahery an’i Davida tamin’ireto teny ireto i Jonatana: “Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’i Saoly raiko; fa hianao no ho mpanjaka amin’ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’i Saoly raiko koa izany.” (1 Samoela 23:15-18) Tsy ela taorian’izay, dia maty i Jonatana sy Saoly rehefa niady tamin’ny Filistinina.—1 Samoela 31:1-4.
Tokony hisaintsaina tsara ny nataon’i Jonatana izay rehetra tia an’Andriamanitra. Sahiran-tsaina ve ianao satria sady tsy te hivadika amin’i Jehovah no tsy te hivadika amin’ny havanao na ny namanao? Tadidio fa nampirisika an’i Jonatana hitady izay hahasoa ny tenany i Saoly. Nanome voninahitra an’i Jehovah anefa i Jonatana, ka nankatò azy tamin’ny fony sy nanaja azy. Faly koa izy fa ho lasa mpanjakan’ny Israely ilay lehilahy nofidin’Andriamanitra. Nanohana an’i Davida tokoa i Jonatana, ary tsy nivadika tamin’i Jehovah.
Nanana toetra tena tsara i Jonatana. Tahafo àry izy! Raha manao izany ianao, dia hiaiky koa ny olona fa ‘miara-miasa amin’Andriamanitra ianao.’—1 Samoela 14:45.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Efa 20 taona i Jonatana, fara fahakeliny, tamin’izy nitari-tafika teo am-piandohan’ny fotoana nanjakan’i Saoly. Naharitra 40 taona anefa ny fotoana nanjakan’i Saoly. (Nomery 1:3; 1 Samoela 13:2) Mety ho 60 taona teo ho eo àry i Jonatana rehefa maty tamin’ny 1078 T.K. Koa satria 30 taona i Davida tamin’izay, dia azo inoana fa zokiny 30 taona teo ho eo i Jonatana.—1 Samoela 31:2; 2 Samoela 5:4.
[Sary, pejy 19]
Tsy nialona an’i Davida i Jonatana