Reny Mahomby
MIASA any ivelan’ny tokantranony ny ankamaroan’ny vehivavy ankehitriny. Mila hitovy ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy miasa, any amin’ny tany mandroso. Miasa mandritra ny ora maro eny an-tsaha kosa ny ankamaroan’ny vehivavy atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Manampy ny vadiny amin’ny fitadiavana izy ireo.
Vehivavy maro no tsy maintsy mitady vola, sady mikarakara ny ankohonany sy ny tokantranony. Mikarama mba hahazoana sakafo sy fitafiana ary fialofana izy ireny, nefa tsy maintsy mahandro sakafo sy manasa lamba ary manadio trano koa.
Ankoatra izany, dia miezaka mampianatra ny zanany hifandray tsara amin’Andriamanitra ny reny kristianina. Hoy i Cristina, manan-janaka kely roa vavy: “Tsoriko aloha fa tena sarotra ny mampifandanja ny asa sy ny andraikitra ao an-trano, indrindra raha mbola kely ny zanakao. Tsy mora ny mikarakara izay rehetra ilain’ny ankizy.”
Inona no mahatonga ny reny hiasa any ivelan’ny tokantranony? Inona no zava-tsarotra atrehiny? Tena tsy maintsy miasa ve izy vao hahomby?
Antony iasan’ny reny
Maro ny reny tsy maintsy miasa. Tsy manana vady hanampy azy ny sasany. Ny mpivady sasany indray mahita hoe tsy ampy isahanana izay tena ilain’izy mianakavy, raha ny karaman’ny lehilahy fotsiny.
Tsy hoe ny tsy fahampiana foana no mahatonga ny reny hiasa. Maro no miasa mba hahatsapana ho misy vidiny kokoa. Ny sasany indray tsy te hangata-bola amin’ny vadiny foana, na mba te hividy zavatra lafo vidy. Mahay tsara ny asany ny vehivavy maro, ary afa-po amin’izany.
Mety hahatonga ny reny sasany hiasa koa ny fihetsiky ny manodidina. Eken’ny ankamaroan’ny olona fa miady saina sy vizana be foana ny reny miasa. Matetika anefa no omena tsiny na esoina mihitsy aza, ireo mifidy ny tsy hiasa. Hoy ny vehivavy iray: “Tsy mora ny manazava amin’ny hafa hoe ‘mpikarakara tokantrano fotsiny’ ianao. Asehon’ny olona sasany amin’ny teniny na ny fihetsiny, fa very fotoana fotsiny ianao.” Hoy i Rebeca, manan-janaka vavikely roa taona: “Eken’ny fiaraha-monina hoe mila mikarakara ny zanany ny vehivavy. Tsapako anefa fa heverina ho ambany ny vehivavy tsy miasa.”
Jereo ny zava-misy
Asehon’ny fampitam-baovao any amin’ny tany sasany, fa ny “vehivavy filamatra” dia ny vehivavy mahomby amin’ny asa fidiny, izany hoe be karama sy matoky tena tanteraka ary manao fitafy raitra. Rehefa tonga ao an-trano izy, dia mbola mahavita mandamina ny olana mahazo ny zanany, manarina ny tsy mety ataon’ny vadiny, ary misahana ny olana rehetra. Vitsy ny vehivavy mahavita izany, raha hisy aza.
Dridralava sy kely karama ny ankamaroan’ny asa azon’ny vehivavy. Diso fanantenana izy ireo satria tsy tena afaka mampiasa tsara ny talentany. Hoy ny boky Toe-tsaina eo Amin’ny Fiaraha-monina (anglisy): “Ny lehilahy foana no mahazo asa ambony sy tsara karama kokoa, na dia efa mihamitovy zo aza ny lahy sy ny vavy. Ho sahirana àry ny vehivavy raha ny asany no antenainy hampisy vidiny kokoa azy.” Hoy ny gazety espaniola El País: ‘Araka ny hita, dia ny vehivavy no mora tratran’ny tebiteby ateraky ny adin-tsaina, raha oharina amin’ny lehilahy. Misahana asa roa mantsy ny ankamaroan’ny vehivavy, dia ny any am-piasana sy ny ao an-tokantrano.’
Ahoana no anampian’ny raim-pianakaviana?
Mazava ho azy fa ny vehivavy kristianina tsirairay no hanapa-kevitra raha hiasa any ivelan’ny tokantranony izy na tsia. Tokony hiara-midinika izany amin’ny vadiny anefa izy, raha manambady. Hodinihin’izy ireo tsara ny lafy tsarany sy lafy ratsiny, alohan’ny hanapahany hevitra.—Ohabolana 14:15.
Ahoana raha manapa-kevitra ny mpivady fa samy hiasa izy roa noho ny fahasahiranana? Tokony hanaraka tsara ity voalazan’ny Baiboly ity ny lehilahy hendry: “Hianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin’ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana hianareo, mba tsy hisy hanampontsampona ny fivavahanareo.” (1 Petera 3:7; Fandikan-teny Katolika) Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy fa manaja ny vadiny izy? Fantariny ny zavatra mety ho vitan’ny vadiny sy ny mety tsy ho tantiny. Manampy amin’ny raharaha ao an-trano izy, raha mbola azo atao. Vonona hanao asa ambany toa an’i Jesosy izy, fa tsy hieritreritra hoe manambany azy ny asa toy izany. (Jaona 13:12-15) Hoheveriny ho fomba hampisehoana ny fitiavany an’ilay vadiny miasa mafy kosa izany. Tena hankasitraka an’izany fanampiana izany ilay vadiny.—Efesianina 5:25, 28, 29.
Tena ilaina ny fiaraha-miasa ao an-tokantrano, raha samy tsy maintsy miasa ny mpivady. Manantitrantitra izany ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazety ABC any Espaina, rehefa miresaka momba ny fanadihadiana nataon’ny Fikambanana Misahana ny Fianakaviana. Nolazainy ny antony mampitombo be ny fisaraham-panambadiana any Espaina. Anisan’izany ny “tsy fisian’ny fitsipika ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena intsony.” Eo koa “ny fidiran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa sy ny tsy fandraisan’ny lehilahy anjara amin’ny raharaha ao an-trano.”
Andraikitry ny reny kristianina
Marina fa ny raim-pianakaviana no notendren’i Jehovah voalohany hampiofana ny zanany. Fantatry ny reny kristianina anefa fa nanankinana andraikitra lehibe koa izy, indrindra raha mbola kely ny zanany. (Ohabolana 1:8; Efesianina 6:4) Samy nasain’i Jehovah nampianatra ny zanany ny ray sy ny reny israelita. Fantany fa hitaky fotoana sy faharetana izany, indrindra amin’ireo taona voalohany amin’ny fiainan-janany. Izany no antony nilazan’Andriamanitra tamin’ny ray aman-dreny hoe tokony hampiofana ny zanany izy ireo, na ao an-trano, na eny an-dalana, na mandry na mifoha.—Deoteronomia 6:4-7.
Miresaka ny andraikitra lehibe sy mendri-kaja ananan’ny vehivavy ny Tenin’Andriamanitra, rehefa mandidy ny ankizy hoe: “Aza mahafoy ny lalàn-dreninao.” (Ohabolana 6:20) Manan-jo hanao lalàna ny reny, araka an’io andininy io. Mazava ho azy anefa fa hiresaka amin’ny vadiny izy alohan’ny hampiharany izany amin’ny zanany. Tena handray soa ny ankizy mandatsaka am-po ny lalàna ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena ampianarin’ny reny matahotra an’Andriamanitra. (Ohabolana 6:21, 22) Manan-janaka roa lahikely i Teresa. Hoy izy rehefa niresaka ny antony tsy nitadiavany asa: “Ny hampiofana ny zanako hanompo an’Andriamanitra no andraikitro lehibe indrindra. Tiako ny hanao izany araka izay tsara indrindra vitako.”
Reny niavaka
Tena nandray soa avy amin’ny ezaka mafy nataon-dreniny i Lemoela, Mpanjakan’ny Israely. Voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mihitsy aza “ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.” (Ohabolana 31:1; 2 Timoty 3:16) Mbola manampy ny tovolahy ankehitriny hahay hifidy vady ny firesahan’io reny io momba ny vehivavy tsara. Azo ampiharina ankehitriny koa, toy ny tamin’ny fotoana nanoratana azy ihany, ny fampitandremany mahakasika ny fitondran-tena ratsy sy ny fibobohan-toaka.—Ohabolana 31:3-5, 10-31.
Noderain’ny apostoly Paoly ny asa tsara nataon’i Eonika, reny iray tamin’ny taonjato voalohany, noho ny nampianarany an’i Timoty zanany lahy. Nety ho nivavaka tamin’ireo andriamanitra grika ny vadin’i Eonika. Tsy maintsy nandresy lahatra an’i Timoty mba hino ny “Soratra Masina” àry i Eonika. Oviana izy no nanomboka nanao izany? Milaza ilay fitantarana fa tamin’ny zanany “mbola zazakely.” (2 Timoty 1:5; 3:14, 15) Hita fa nanomana an’i Timoty hanao ny asa misionera ny finoan-dreniny sy ny ohatra nomeny ary ny fampianarany.—Filipianina 2:19-22.
Miresaka momba ireo reny nampiantrano mpanompon’Andriamanitra mahatoky koa ny Baiboly. Afaka nifanerasera tamin’ny olona fakan-tahaka ny zanak’izy ireo, noho izany. Nampiantrano an’i Elisa mpaminany foana, ohatra, ilay vehivavy tao Sonema. Natsangan’i Elisa tamin’ny maty ny zanany lahy, tatỳ aoriana. (2 Mpanjaka 4:8-10, 32-37) Diniho koa ny ohatr’i Maria, renin’i Marka mpanoratra Baiboly. Toa nanome ny tranony tao Jerosalema mba hivorian’ireo mpianatra voalohany izy. (Asan’ny Apostoly 12:12) Azo antoka fa nandray soa tamin’ny fiarahana tamin’ireo apostoly sy ny Kristianina hafa tonga matetika tao an-tranony i Marka.
Tena ankasitrahan’i Jehovah àry ny asa mafy ataon’ireo reny mahatoky, izay mampianatra ny zanany ny toro lalan’Andriamanitra. Tiany ireny vehivavy ireny satria tsy mivadika ary miezaka mampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra.—2 Samoela 22:26; Ohabolana 14:1.
Safidy mahafa-po indrindra
Asehon’ireo ohatra ara-baiboly ireo, fa tsy manan-tsahala ny valisoa azo rehefa voakarakara tsara ny zavatra ilain’ny fianakaviana, eo amin’ny ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po. Tsy mora anefa izany. Mety ho sarotra kokoa noho ny fitantanana orinasa matetika ny asan’ny reny ao an-trano.
Mety hifidy ny hampihena ny fotoana iasany any ivelan’ny tokantrano ny reny iray, rehefa avy niresaka tamin’ny vadiny. Mazava ho azy fa mila manatsotra ny fiainany ny mpianakavy amin’izay. Mety hanakiana an’ilay reny ny olona tsy mahalala ny anton’ilay safidiny, ka tsy maintsy miaritra izany izy. Betsaka lavitra noho izay mety hafoy anefa ny valisoa. Manan-janaka telo i Paqui, ary miasa tapak’andro. Hoy izy: “Tiako raha ao an-trano aho rehefa avy mianatra ny zanako. Misy olona iresahana izy ireo amin’izay.” Inona no soa noraisin’ny zanany? Hoy izy: “Nanampy azy ireo nanao ny entimodiny aho, ary raha nisy olana dia nalamiko avy hatrany izany. Afaka nifampiresaka tsara foana izahay noho ny fotoana niarahanay isan’andro. Tena tiako ireny fotoana ireny, ka tsy nanaiky hanao asa manontolo andro aho.”
Hitan’ny reny kristianina maro fa mandray soa ny mpianakavy rehetra, raha afaka mampihena ny fotoana iasany any ivelan’ny tokantrano izy. Nanazava i Cristina, ilay noresahina terỳ aloha hoe: “Toa nihena ny olana tao an-tokantranonay rehefa tsy niasa intsony aho. Nanam-potoana iresahana tamin’ny zanako sy anampiana ny vadiko tamin-javatra maro aho. Lasa nahafinaritra ahy ny nampianatra ny zanako vavy, sy ny nahita azy ireo nihanahay.” Misy zavatra iray tsy hadinon’i Cristina mihitsy. Hoy izy: “Tany amin’ny akanin-jaza no nianatra nandeha ny zanako vavimatoa. Tato an-trano kosa ny zanako faharoa no nianatra nandeha, ary izaho no nampianatra azy. Teo an-tsandriko izy no niantoraka, raha vao avy namindra voalohany. Tena nahatsiaro sambatra aho tamin’izay!”
Misy lafin-javatra hafa koa tokony hodinihina. Ekena fa mihena ny vola miditra rehefa tsy miasa manontolo andro intsony ny reny. Tsy voatery hahafaty antoka anefa izany. Hoy i Cristina: “Ny karaman’ny mpikarakara ankizy sy ny saram-pitaterana no tena nandany ny karamako. Rehefa nandinika tsara ny toe-javatra nisy anay izahay, dia hita fa tsy tena nahazoana tombony ny asako.”
Nandinika tsara ny toe-javatra nisy azy ny mpivady sasany, ka nahita fa be lavitra ny soa raisin’izy mianakavy, raha mpikarakara tokantrano ny reny, na dia mihena aza ny vola miditra. Hoy i Paul, vadin’i Cristina: “Tena faly aho fa afaka mijanona ao an-trano mba hikarakara ny zanakay roa vavy ny vadiko. Niady saina kokoa izahay, tamin’izy mbola niasa.” Inona no soa noraisin’ny zanany, noho ilay fanapahan-kevitr’izy mivady? Hoy i Paul: “Nilamin-tsaina kokoa izy ireo, sady tena voaro tamin’ireo zavatra natahorana hanimba azy nandritra ny fahazazany.” Nahoana no tsapan’ireo mpivady ireo fa tena ilaina ny manokana fotoana betsaka araka izay azo atao iarahany amin-janany? Hoy i Paul: “Niaiky aho fa raha tsy isika ray aman-dreny no miezaka mamolavola ny fo sy ny sain’ny zanatsika, dia hisy olon-kafa hanao izany.”
Mazava ho azy fa ny mpivady tsirairay no handinika ny toe-javatra misy azy manokana, ary tsy tokony hisy hanakiana ny fanapahan-kevitra raisiny. (Romanina 14:4; 1 Tesalonianina 4:11) Mendrika ny hodinihina anefa ireo soa azo, rehefa tsy miasa manontolo andro any ivelan’ny tokantrano ny reny. Hoy i Teresa: “Tsara ny manokana fotoana betsaka, araka izay azo atao, ikarakarana sy ampianarana ny ankizy. Tsy misy zavatra mahafa-po kokoa noho izany.”—Salamo 127:3.
[Sary, pejy 31]
Tena ilaina ny ampiofanan’ny reny kristianina ny zanany