Velona ny Tenin’i Jehovah
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Apokalypsy—Fizarana I
NAHAZO fahitana 16 ny apostoly Jaona, tamin’izy nigadra tany amin’ny nosy Patmo. Hitany tamin’izany ny zavatra ataon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy mandritra ny andron’ny Tompo, izay nanomboka tamin’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914 ka hatramin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Mitantara an’ireo fahitana ireo ny bokin’ny Apokalypsy, izay nosoratan’i Jaona tamin’ny taona 96 tany ho any.
Andeha isika izao hijery ny hevitra misongadina ao amin’ny Apokalypsy 1:1–12:17, izay misy ireo fahitana fito voalohany. Mahaliana antsika ireo fahitana ireo, satria miresaka ny zava-mitranga eto an-tany ankehitriny sy izay hataon’i Jehovah tsy ho ela. Hahazo fampaherezana isika, raha mamaky ny fitantarana momba ireo fahitana ireo sy mino izay lazainy.—Heb. 4:12.
MAMAHA NY ENINA AMIN’IREO TOMBO-KASE FITO NY “ZANAK’ONDRY”
Nahita an’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra i Jaona, ary nahazo hafatra maromaro izay nasaina ‘nosoratany teo amin’ny horonam-boky’ sy ‘nalefany tany amin’ny fiangonana fito.’ (Apok. 1:10, 11) Nahita seza fiandrianana tany an-danitra izy, taorian’izay. Nisy horonam-boky voahidy tamin’ny tombo-kase fito teo amin’ny tanana havanan’Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana. “Ny Liona avy amin’ny fokon’i Joda”, na ny “zanak’ondry, izay manana tandroka fito sy maso fito” no hita fa ‘mendrika hanokatra an’ilay horonam-boky.’—Apok. 4:2; 5:1, 2, 5, 6.
Nasehon’ny fahitana fahatelo ny zava-nitranga rehefa namaha ireo tombo-kase enina voalohany ilay “Zanak’ondry.” Rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohoron-tany lehibe, ary tonga ny andro lehiben’ny fahatezerana. (Apok. 6:1, 12, 17) Asehon’ny fahitana fahefatra anefa, fa nisy ‘anjely efatra nihazona mafy ny rivotra efatry ny tany’ mandra-panisy tombo-kase ny 144 000. Hita “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry” ny “vahoaka be”, izay tsy anisan’ireo nasiana tombo-kase.—Apok. 7:1, 9.
Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:
1:4; 3:1; 4:5; 5:6—Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “fanahy fito”? Isa feno ny isa fito, amin’Andriamanitra. Midika izany fa mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra any amin’ny fiangonana maherin’ny 100 000 eran-tany ny hafatra ho an’ireo “fiangonana fito.” (Apok. 1:11, 20) Ampiasain’i Jehovah ny fanahy masina rehefa misy zavatra tiany hotanterahina. Ny hoe “fanahy fito” àry dia midika fa miasa amin’ny fomba feno ny fanahy masina mba hanomezana fahatakarana sy fitahiana ho an’ireo mandinika an’ilay faminaniana. Toa mandeha tsifitofito ny zavatra resahin’ny Apokalypsy. Midika ho fahafenoana ny isa fito eto. Asehon’ny Apokalypsy àry fa ho “tanteraka hatramin’ny farany”, na amin’ny fomba feno, ny “zava-miafina masin’Andriamanitra.”—Apok. 10:7.
1:8, 17—Iza ilay antsoina hoe “Alfa sy Omega”, ary iza ilay “Voalohany sy Farany”? Anaram-boninahitr’i Jehovah ny hoe “Alfa sy Omega.” Asehon’izany fa tsy nisy Andriamanitra Mahery Indrindra talohany, ary tsy hisy handimby azy. Izy no “fiandohana sy ny fiafarana.” (Apok. 21:6; 22:13) Marina fa antsoina hoe “ny voalohany sy ny farany” izy ao amin’ny Apokalypsy 22:13, satria tsy nisy Andriamanitra talohany sady tsy hisy handimby azy. I Jesosy anefa ilay antsoina hoe “Voalohany sy Farany” ao amin’ny Apokalypsy toko voalohany, rehefa jerena ny teny manodidina. Izy no olona natsangana tamin’ny maty voalohany ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty, ary izy no farany natsangan’i Jehovah mivantana.—Kol. 1:18.
2:7—Inona ilay “paradisan’Andriamanitra”? Nolazaina tamin’ireo Kristianina voahosotra ireo teny ireo. Azo antoka àry fa ny tiana holazaina amin’ny hoe paradisa eto, dia toerana mahafinaritra any an-danitra, izay tsy inona fa ny fanatrehan’Andriamanitra mihitsy. Hahazo valisoa ireo voahosotra tsy mivadika, ka hihinana “amin’ny hazon’aina.” Ho lasa tsy mety maty izy ireo.—1 Kor. 15:53.
3:7—Oviana i Jesosy no nahazo “ny lakilen’i Davida”, ary ahoana no nampiasany azy io? Nohosorana ho mpanjaka anisan’ny taranak’i Davida i Jesosy, rehefa natao batisa tamin’ny taona 29. Tsy nahazo ny lakilen’i Davida anefa izy raha tsy tamin’ny taona 33, rehefa nasandratra ho eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Nomena azy avokoa tamin’izay ny zon’ny mpandova ny fanjakan’i Davida. Nanomboka teo no nampiasan’i Jesosy an’ilay lakile mba hahafahana hanome tombontsoam-panompoana mifandray amin’ilay Fanjakana. Nankinin’i Jesosy tamin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ny “lakilen’ny ankohonan’i Davida”, tamin’ny 1919, rehefa notendreny “hiandraikitra ny fananany rehetra” io mpanompo io.—Isaia 22:22; Matio 24:45, 47.
3:12—Inona ilay ‘anarana vaovaon’i’ Jesosy? Manondro ny andraikitra vaovao nomena azy izy io. (Fil. 2:9-11) I Jesosy ihany no tena mahalala an’io anarana io. Soratany eo amin’ireo rahalahiny tsy mivadika izay efa any an-danitra koa anefa izy io, ka lasa afaka mifandray akaiky aminy izy ireo. (Apok. 19:12) Zarainy amin’izy ireo mihitsy aza ny tombontsoany sasany.
Lesona ho antsika:
1:3. Efa “antomotra ny fotoana voatondro” hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’ny tontolon’i Satana. Ilaina maika àry ny mahazo ny hevitry ny hafatra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, sy ny mankatò izany.
3:17, 18. Mila mividy “volamena voadio tamin’ny afo” amin’i Jesosy isika, raha te hanan-karena ara-panahy. Manao izany isika rehefa miezaka hanan-karena amin’ny asa tsara. (1 Tim. 6:17-19) Ilaina koa ny manao “akanjo ivelany fotsy” an’ohatra, izay mampiseho fa mpanara-dia an’i Kristy isika. Zava-dehibe koa ny mampiasa “fanafody maso”, anisan’izany ireo torohevitra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Hanampy antsika hanana ny fomba fijerin’i Jehovah izany.—Apok. 19:8.
7:13, 14. Manondro an’ireo anisan’ny 144 000 efa any an-danitra ireo anti-panahy 24. Mpanjaka sy mpisorona izy ireo any. Mifanitsy amin’ireo mpisorona teo amin’ny Israely fahiny, izay nozarain’i Davida Mpanjaka ho antokony 24, izy ireo. Ny iray tamin’ireo anti-panahy 24 no nampahafantatra an’i Jaona hoe iza ny vahoaka be. Noho izany, dia tsy maintsy ho nanomboka tamin’ny 1935, fara fahatarany, ny fananganana an’ireo Kristianina voahosotra. Tamin’io taona io mantsy no nampahafantarina an’ireo voahosotr’Andriamanitra teto an-tany hoe iza marina ny vahoaka be.—Lioka 22:28-30; Apok. 4:4; 7:9.
NOTSOFINA IREO TROMPETRA FITO REHEFA NOVAHANA NY TOMBO-KASE FAHAFITO
Izao no hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana fahadimy: Novahan’ny Zanak’ondry ny tombo-kase fahafito. Nomena trompetra iray avy ny anjely fito. Nitsoka ny trompetrany ireo anjely enina, ka nanambara hafatra nanameloka “ny ampahatelon’ny” olombelona, dia ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. (Apok. 8:1, 2, 7-12; 9:15, 18) Nandray anjara mihitsy i Jaona tao amin’ny fahitana fahenina, ka nihinana ilay horonam-boky kely sy nandrefy ny toerana masin’ny tempoly. Rehefa notsofina ny trompetra fahafito, dia nisy feo mafy nanao hoe: “Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny.”—Apok. 10:10; 11:1, 15.
Nanome tsipiriany momba ny zavatra tantaraina ao amin’ny Apokalypsy 11:15, 17 ny fahitana fahafito. Nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra. Tera-dahy ny vehivavy iray, ary noroahina avy tany ny Devoly. Tezitra tamin’ilay vehivavy izy, ka lasa “nandeha niady tamin’ny sisa amin’ny taranany.”—Apok. 12:1, 5, 9, 17.
Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:
8:1-5—Nahoana no nisy fanginana tany an-danitra, ary inona no natsipy mafy tetỳ an-tany taorian’izay? Nisy fanginana an’ohatra tany an-danitra mba handrenesana “ny vavaky ny olona masina” teto an-tany. Nitranga tamin’ny faran’ny Ady Lehibe I izany. Maro ny Kristianina voahosotra nanantena hiakatra ho any an-danitra tamin’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa, nefa tsy nitranga izany. Niharam-pahoriana izy ireo nandritra ny ady, ka nivavaka mafy mba hahazoana tari-dalana. Ho valin’ny vavak’izy ireo, dia nanipy afo an’ohatra ho etỳ an-tany ny anjely iray, ka lasa nafana fo ireo Kristianina voahosotra. Nanomboka nitory eran-tany izy ireo na dia vitsy aza. Nasaina nisafidy ny olona raha hanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra na tsia. Toy ny hoe nandrehitra afo teo anivon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izy ireo. Natao nanakoako toy ny kotroka ireo fampitandremana avy ao amin’ny Baiboly. Nampahafantarina ireo fahamarinana avy ao amin’ny Soratra Masina, izay nazava toy ny tselatra. Nohozongozonina hatramin’ny fotony ny fivavahan-diso, toy ny trano hozongozonin’ny horohoron-tany.
8:6-12; 9:1, 13; 11:15—Oviana ireo anjely fito no niomana hitsoka ny trompetrany? Oviana no naneno ny trompetra ary inona no hevitr’izany? Nanome toromarika ho an’ireo voahosotra toa an’i Jaona ireo anjely tamin’ny 1919 ka hatramin’ny 1922. Anisan’ny fiomanany hitsoka ireo trompetra fito izany. Nandamina indray ny asa fitoriana ireo voahosotra nahazo hery ary nanangana trano fanontam-pirinty. (Apok. 12:13, 14) Notsofina ireo trompetra rehefa sahy nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny tontolon’i Satana ny vahoakan’Andriamanitra, izay niara-niasa tamin’ireo anjely. Nanomboka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 1922, tany Cedar Point, Ohio izany, ary tsy hitsahatra raha tsy amin’ny fahoriana lehibe.
8:13; 9:12; 11:14—Nahoana no milaza “loza” ny feon’ireo trompetra telo farany? Ny feon’ireo trompetra efatra voalohany dia fanambarana fa maty ara-panahy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Milaza loza kosa ny feon’ireo trompetra telo farany, satria misy ifandraisany amin’ireto fisehoan-javatra ireto: Nafahana avy tao amin’ny “lavaka mangitsokitsoka” ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny 1919, rehefa notsofina ny trompetra fahadimy. Toy ny hoe tao amin’io lavaka io izy ireo talohan’izay, satria tsy nanao na inona na inona. Nanomboka teo anefa dia tsy nitsahatra nitory izy ireo, ary toy ny loza nampijaly ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izany. (Apok. 9:1) Ny feon’ny trompetra fahenina indray, dia mifandray amin’ny fanafihan’ireo mpitaingin-tsoavaly sy ny fitoriana maneran-tany izay nanomboka tamin’ny 1922. Ny feon’ny trompetra fahafito kosa dia nanambara fa teraka ny Fanjakan’ny Mesia.
Lesona ho antsika:
9:10, 19. Mirakitra hafatra mahery avy ao amin’ny Baiboly ireo boky sy gazety avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Matio 24:45) Manindrona io hafatra io, ka mifanitsy amin’ny rambon’ilay valala, izay manana “fanindronana toy ny maingoka.” Mifanitsy amin’ny ‘rambo toy ny bibilava’ eo amin’ireo soavaly koa izany. Nahoana? Satria mampitandrina ny olona momba ny ‘andro famalian’Andriamanitra’ ireny boky sy gazety ireny. (Isaia 61:2) Aoka àry isika ho sahy sy hazoto hizara azy ireny.
9:20, 21. Maro ny olona manetry tena mandray tsara ny hafatra torintsika, any amin’ireo tany tsy kristianina. Tsy manantena anefa isika hoe hiova ho Kristianina ny ankamaroan’ny olona any amin’ireny firenena ireny, izay antsoina hoe ‘ny sisa amin’ny olona.’ Na izany aza dia manohy manompo foana isika.
12:15, 16. “Ny tany” resahina eto, dia ny ampahany amin’ny tontolon’i Satana, izany hoe ireo mpitondra fanjakana any amin’ny tany samihafa, izay manohana ny fahalalahana ara-pivavahana. “Nitelina ny renirano [na fanenjehana] naloan’ilay dragona” ireny mpitondra ireny, taorian’ny 1940. Afaka mampiasa an’ireo mpitondra fanjakana tokoa i Jehovah mba hanatanteraka ny sitrapony, raha izany no tiany. Hoy ny Ohabolana 21:1: “Toy ny lakandrano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka, ka aviliny hankany amin’izay itiavany azy.” Tsy manatanjaka ny finoantsika an’Andriamanitra ve izany?