Ampianaro ny Zanakao
Nahita ny Faharatsiana Talohan’ny Safodrano sy Taorian’izay i Sema
TAFAVOAKA velona i Sema, zanakalahin’i Noa, rehefa naringana ilay tontolo nisy azy. Fantatrao ve hoe nahoana no naringana io tontolo io?...a Nahoana izy sy ny fianakaviany no mbola afaka niara-niaina foana taorian’izay?... Andao hojerentsika ny momba izany.
Milaza ny Baiboly fa be dia be “ny faharatsian’ny olona”, tamin’i Sema mbola tanora. Nieritreritra “zava-dratsy foana” ny olona. Inona àry no nataon’Andriamanitra?... Nandefa safodrano izy, ka ringana ilay tontolo ratsy. Hoy ny apostoly Petera: ‘Noravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.’—Genesisy 6:5; 2 Petera 3:6.
Fantatrao ve hoe nahoana Andriamanitra no nandringana an’ilay tontolo?... Satria ratsy toetra ny olona, ary nieritreritra “zava-dratsy foana.” Niresaka momba azy ireo i Jesosy. Nilaza izy fa “fony mbola tsy tonga ny safodrano”, dia falifaly “nihinana sy nisotro” ny olona, sady “nampaka-bady sy navoaka hampakarina.” Hoy koa i Jesosy: “Tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Matio 24:37-39.
Inona no tsy noraharahain’izy ireo?... Ny zavatra nolazain’i Noa “mpitory ny fahamarinana”, izay dadan’i Sema. Nankatò an’Andriamanitra i Noa ary nanamboatra vata be afaka mitsingevana, atao hoe sambofiara, mba hiarovana azy mianakavy amin’ilay Safodrano. Olona vitsy monja no nanaraka izay nasain’Andriamanitra natao, dia i Noa sy ny vadiny, Sema sy Hama ary Jafeta, ary ny vadin’izy ireo avy. Ny hafa kosa nanao izay tiany fotsiny, ka ringana tamin’ny Safodrano.—2 Petera 2:5; 1 Petera 3:20.
Nivoaka avy tao amin’ny sambofiara i Sema sy ny fianakaviany, herintaona teo ho eo taorian’ny nanombohan’ilay Safodrano. Tsy nisy olona ratsy fanahy intsony tamin’izay, saingy tsy naharitra izany. Nanao zavatra tena ratsy i Kanana, zanakalahin’i Hama rahalahin’i Sema, ka hoy i Noa taminy: “Ho voaozona anie i Kanana!” Ratsy fanahy koa i Nimroda zafikelin’i Hama. Nanohitra an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izy. Nasainy nanamboatra tilikambo avo be ny olona mba hampahalaza azy ireo. Nantsoina hoe Babela io tilikambo io. Nanao ahoana i Sema sy ny dadany rehefa nahita an’izany?...—Genesisy 9:25; 10:6-10; 11:4, 5.
Nalahelo izy ireo, ary nalahelo koa i Jehovah. Inona àry no nataon’i Jehovah?... Nataony tsy nitovy intsony ny fitenin’ny olona, ka tsy fantatry ny iray izay nolazain’ny anankiray. Tsy afaka nanamboatra an’ilay tilikambo intsony àry ny olona. Niparitaka tany amin’ny toerana samihafa izy ireo, ka izay nitovy fiteny no niaraka. (Genesisy 11:6-9) Tsy novan’Andriamanitra kosa ny fitenin-dry Sema mianakavy. Tsy nisaraka àry ry zareo ary nifanampy teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Fantatrao ve hoe nandritra ny firy taona i Sema no nanompo an’i Jehovah?...
Niaina nandritra ny 600 taona izy, izany hoe 98 taona talohan’ny Safodrano, ary 502 taona taorian’izay. Azo antoka fa nanampy an’i Noa hanamboatra sambofiara izy, sady nampitandrina ny olona hoe ho avy ny Safodrano. Inona kosa no nataon’i Sema nandritra ireo 500 taona mahery taorian’ny Safodrano?... Nantsoin’i Noa hoe “Andriamanitr’i Sema” i Jehovah. Azo inoana àry fa nanompo an’i Jehovah foana i Sema, sady nanampy ny fianakaviany hanao izany. Anisan’ny taranak’i Sema i Abrahama sy Saraha ary Isaka.—Genesisy 9:26; 11:10-31; 21:1-3.
Eritrereto indray izao ny tontolo misy antsika, izay miharatsy foana hatramin’ny andro niainan’i Sema. Inona no hitranga amin’izy io?... Milaza ny Baiboly fa “mandalo” izy io. Mampanantena koa anefa ny Baiboly fa “izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” Raha manao ny sitrapon’Andriamanitra àry isika, dia mety ho anisan’ireo ho tafavoaka velona sy hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. Hampian’Andriamanitra isika, ka ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany sy ho sambatra.—1 Jaona 2:17; Salamo 37:29; Isaia 65:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.
Fanontaniana:
○ Nanao ahoana ny olona talohan’ny Safodrano? Milazà antony roa nahatonga an’Andriamanitra handringana azy ireo.
○ Velona firy taona i Sema, ary lehilahy nanao ahoana izy?
○ Inona no hitranga amin’ity tontolo ity tsy ho ela?
○ Inona no tokony hataontsika, raha tiantsika ny ho tafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo ity?