Fampidiran-dresaka mandaitra
1 Rehefa mitory isan-trano isika dia manontany teny toy izao hatrany: ‘Inona no holazaiko voalohany?’ Manana fanoloran-kevitra mahasoa azo omena ireo mpitory ampy fanandraman-javatra izay mahazo vokatra tsara eo amin’ny fanompoana. Aoka hodinihintsika ny sasantsasany amin’izany.
2 Voalohany indrindra, dia tokony hihevitra amim-pahatsorana ny olona iresahantsika isika ka ho hita izany amin’ny fitenintsika sy ny ataontsika. Tena ilaina ny hanehoantsika fiheverana ny fomba fiheviny. Aoka isika hilaza fanontaniana mifanentana ary hihaino ny valin-teniny amim-pitandremana. Tokony hiezaka amin’ny fomba rehetra isika mba hanampy azy hahatakatra fa afaka mandray soa avy amin’ny hafatra izay velabelarintsika aminy izy.
Aoka ianao haneho fiheverana ny fomba fiheviny
3 Rehefa nanao fanambarana tamin’ny vehivavy Samaritana iray i Jesosy, teo amoron’ny fantsakana iray akaikin’i Sykara, dia toa hafahafa tamin’io vehivavy io ny teny sasany nolazainy; tsy nifanitsy tamin’ny fomba fiheviny sy ny fomba fivavahany izany. Niseho ho nihaino tamim-pitandremana i Jesosy, ary tamin’ireo valin-teniny dia naneho fiheverana izay voalazan’ilay vehivavy Samaritana izy. Tiany ny hanampy azy (Jaona 4:13, 14, 19-26). Moa ve ianao miezaka hanahaka an’i Jesosy amin’izany lafiny izany rehefa mandray anjara amin’ny asa fitoriana?
4 Inona no hatao raha vao mitonona ianao ka miteny ny mponina ao amin’ny faritaninao hoe: “Manana ny fivavahako aho”? Nanambara toy izao ny mpanoratra ny Baiboly anankiray: “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.” (Ohab.15:28). Izany ve no ataonao? Araka ny hevitra fonosin’io andinin-teny io, moa ve ianao mampiasa ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy faha-18 sy faha-19 ao amin’ny boky Comment raisonner? Afaka miaraka amin’ny mpitory ampy fanandraman-javatra koa ianao mba hampiasana fampidiran-dresaka mandaitra kokoa.
5 Any amin’izay misy olona miteny matetika hoe manana ny fivavahany izy dia angamba mety ny hanakanana izany fanoherana izany. Rehefa avy miarahaba ilay olona iresahanao ianao, ohatra, dia ho afaka hanontany azy hoe: “Angamba manana fivavahana ny tenanao? [Avelao izy hamaly.] Ampoiziko ho izany no izy satria toy izany avokoa ny ankamaroan’ny olona eto. Nefa, matoa aho mitsidika anao androany maraina dia mba...” Voaboasy avy eo ny foto-dresaka izay efa nomaninao horesahina.
6 Raha miverimberina matetika ny fanoherana hoe “Sahirana aho” dia afaka mifidy iray na maromaro amin’ireo hevitra atolotra ao amin’ny pejy faha-19 sy faha-20 ao amin’ny boky Comment raisonner ianao amin’ny fampifanarahana izany amin’ireo mponina ao amin’ny faritaninao. Azo atao ny mampiasa izany fanipazan-kevitra izany mba hisakanana mialoha ireo fanoherana mahazatra.
Aoka isika hampiasa ireo fampidiran-dresaka
7 Mpitory maro be no mahazo vokatra tsara amin’ny fampiasana ireo fampidiran-dresaka ao amin’ny pejy faha-9 ka hatramin’ny faha-15 ao amin’ny boky Comment raisonner. Hahamarika ianao fa miompana amin’ireo raharaha mazàna no mahaliana ny olona izy ireny, toy ny zava-misy maneran-tany, ny tsy fananana ahiahy, ny asa, ny trano ipetrahana, ny fianakaviana ary ny hoavy. Mariho koa anefa fa ireo fampidiran-dresaka atolotra dia natao mba hanintonana ilay olona iresahana hilaza ny heviny, ka izany dia manampy azy hahay hanavaka fa tena zava-dehibe ilay foto-dresaka aseho ary mahakasika azy manokana. Angamba ny fampiasana amim-pahombiazana ireo fampidiran-dresaka ireo hanafaka antsika amin’ny sasany amin’ireo fanoherana fandre indrindra.
8 Eritrereto amim-pitandremana ireo fampidiran-dresaka izay hitanao fa mety hanaitra ny sain’ny mponina ao amin’ny faritaninao. Ampiasao izay atolotry ny boky Comment raisonner anao. Mandraisa soa avy amin’ny fanandraman-javatry ny mpitory hafa. Angataho Jehovah mba hitahy ny fiezahanao. Noho ny fahaizanao sy ny fitahian’Andriamanitra dia mety ho olona maro kokoa no handray ny vaovao tsaran’ny famonjena ao amin’ny faritaninao.