Mamafy Be ve Ianao?
1 Misy fitenenana iray manao hoe: “Arakaraka ny ikelezanao aina amin’ny zavatra iray no handraisanao soa avy amin’izany.” Marina indrindra izany eo amin’ny fanompoam-pivavahantsika. Arakaraka ny andaniantsika fotoana sy anaovantsika ezaka betsaka amin’ny fanomanana ireo fivoriana, amin’ny fitoriana ny hafatr’ilay Fanjakana, sy amin’ny fanehoana fitiavana ireo rahalahintsika, no hahazoantsika be eo amin’ny fitomboana ara-panahy. Marina koa ny mifanohitra amin’izany. Raha mitsitsy ny tenantsika isika na miroa fo, ho afaka hanantena marina hahazo vokatra mahafa-po ve isika?
2 Nilaza mazava ilay fotopoto-pitsipika toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 9:6: “Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.” Mamafy be ve ianao?
3 Amin’ny fianarana manokana ny Baiboly: Mba hahatongavana ho mpitory mamokatra, dia voalohany, tsy maintsy mamafy be eo amin’ny fianarantsika manokana isika. Tokony haniry mafy ireo zavatra ara-panahy isika. (Sal. 119:97, 105; Matio 5:3, NW). Noho ireo fanahiana rehetra eo amin’ny fiainana isan’andro manery antsika, dia mila manao ezaka amim-pahatsiarovan-tena isika mba hampitombo fahatsapana marina ny filantsika zavatra ara-panahy. Mitaky ‘fakana fotoana ilaina avy amin’ireo ampiasaina amin’ny asa hafa’ izany ho an’ny ankamaroantsika. (Efes. 5:16, NW). Ny sasany manao fandaminana hifohazana aloha kokoa amin’ny andro voafaritra mba hanaovana fianarana manokana. Ny hafa manokana takariva sasany ho fikendrena izany. Amin’ny heviny ahoana isika no mijinja be? Mahazo finoana matanjaka kokoa isika, hoavy mamirapiratra kokoa, sy toe-tsaina falifaly sy manorina kokoa. — Rom. 10:17; 15:4; 1 Pet. 1:13.
4 Amin’ireo fivorian’ny kongregasiona: Nilaza toy izao i Davida ao amin’ny Salamo 122:1: “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.” Mahatsapa izany koa ve ianao? Milaza fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriantsika dimy isan-kerinandro ny famafazana be. Aoka ianao ho tapa-kevitra tsy hamela ny toetr’andro ratsy hanakantsakana anao. Arakaraka ny andresentsika ireo vato misakana mazàna no hahabe ny fitahiana ho azontsika.
5 Aoka ianao ho tonga aloha sy hijanona aorian’ny fivoriana mba hanaovana resaka mampandroso amin’ireo rahalahy. Itaro ny habetsahan’ny olona iarahanao mba hahafaoka olona maro samy hafa araka izay azonao atao. Miomàna tsara ho amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ireo fivoriana hafa mba hahafahanao hamafy be, amin’ny alalan’ny fanomezana valin-teny rehefa miseho ny fahafahana. Amin’ny ‘fanondrahana malalaka’ ny hafa any am-pivoriana, dia ‘hotondrahana malalaka’ kosa ianao. — Ohab. 11:25, NW.
6 Amin’ny asa fanompoana: Na aiza na aiza angamba dia tsy marina kokoa noho ny amin’ny asa fanompoana itỳ fitsipika momba ny famafazana be itỳ. Arakaraka ny anokanantsika fotoana betsaka amin’izy io, no azo inoana fa hijinjana betsaka fanandraman-javatra mahaliana, fiverenana mitsidika mandaitra, sy fampianarana Baiboly mahavokatra.
7 Ny famafazana be eny amin’ny asa fanompoana dia mahafaoka ny hatsarana, ary koa ny habetsahana. Fanampiana iray tsara dia tsara hanampy antsika hanatsara ny toetran’ny fanompoantsika ny boky Fanjohian-kevitra. Ny pejy faha-9–15 dia mandahatra fampidiran-dresaka maherin’ny 40 momba ny foto-kevitra 18 natao hanampy amin’ny fanairana ny fahalianana eny am-baravarana. Raha mahita fahalianana ianao, dia ataovy azo antoka ny fandraisana an-tsoratra izany, mba hahafahanao hiverina sy hijinja ny vokatry ny famafazanao. Antenaina fa hitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly ny ezaka ataonao, ka ho afaka hampianatra olon-kafa ny fomba hamafazana be ianao any.
8 Raha mamafy be ianao, dia ho afaka hanantena fitahiana lehibe kokoa avy amin’i Jehovah. — Mal. 3:10.