Fianarana Manokana — Raharaha Tokony Hahina
1 Raharaha inona avy no tokony hahintsika amim-pitandremana? Tokony hiahy mafy ny hanorina sy hihazona fifandraisana akaiky amin’i Jehovah isika. Ny fianarana manokana dia manana anjara lehibe eo amin’ny fambolena izany fifankahazoana akaiky izany. Amin’izao andro izao, dia vitsy amintsika no manana ireo toe-javatra hamela antsika handany fe-potoana lava be hisaintsainana sy hianarana manokana. Kanefa, raha tsy mamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka isika, dia afaka ny ho tonga malemy ka tsy hanana ny hery hahatoherana ny toe-tsain’izao tontolo izao sy ireo filan’ny nofo ao aminy.
2 Mamoròna faniriana fatratra ny Teny: Fony isika nianatra momba ireo fikasan’Andriamanitra voalohany, dia azo inoana fa may ny hahazo fahalalana bebe kokoa isika. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana anefa, dia mety ho nihalefy ny hanoanantsika hanina ara-panahy. Mety hilaina ny ‘hamorona faniriana fatratra’ hanina ara-panahy. (1 Pet. 2:2, NW). Ahoana no ahafahantsika mamboly izany faniriana izany?
3 Ny fofon’ny hanina tiantsika indrindra dia hampihetsika ny hanoanantsika, noho ny fahatsiarovana mahafinaritra. Afaka manana fiantraikany mitovy amin’izany eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fe-potoana fohy anaovana fianarana manokana. Mety hampitelin-drora antsika hahazo fahamarinana lalina kokoa ny fankafizana sombin-tsakafo ara-panahy matsiro vitsivitsy. Mety hampirisika antsika handalina kokoa ao amin’ny Tenin’i Jehovah ny fahafaham-po azo avy amin’ny fianarana.
4 Mambole fahazarana iray izay mandaitra indrindra ho anao: Ny sasany dia manokana takariva iray manontolo mba hanaovana fianarana manokana. Ny hafa kosa dia tia kokoa ny fe-potoam-pianarana fohy kokoa saingy matetika kokoa. Raha hitanao fa afaka mifantoka tsara kokoa ianao amin’ireo ora vao maraina, dia mety hanapa-kevitra ny hanao fianarana alohan’ny sakafo maraina ianao. Raha matsilo kokoa ny sainao amin’ny takariva, dia mety hifidy hanao ny fianaranao alohan’ny handehananao hatory amin’ny alina ianao. Na ahoana na ahoana, ny zava-dehibe dia ny ho tsy tapaka sy ny hifikitra amin’ilay fahazarana mety indrindra amin’izay ilainao.
5 Rehefa ampirisihina hanao fianarana manokana bebe kokoa isika, dia mety ho mailaka erỳ hamaly hoe efa feno ny fandaharam-potoanantsika. Kanefa, isika rehetra dia mila ny milaza ny marina eo am-panombanana ny fomba andaniantsika ny fotoanantsika. Moa ve ora maro no lanintsika isan’andro hijerena fandaharana ao amin’ny televiziona? Moa ve isika vonona ny hamoy zavatra sasany mahaliana antsika manokana? Ny fandinihana araka ny tena zava-misy ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika dia azo inoana fa hampiharihary fa misy fe-potoana isan’andro ho azontsika ampiasaina amin’ny fomba handraisan-tsoa kokoa mba hanaovana fianarana manokana. — Efes. 5:15, 16.
6 Mendrika ny hanehoantsika fiheverana tsy mizarazara ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Ho faran’izay kely ireo soa horaisintsika raha sady mianatra isika no mitady hanao zavatra hafa koa. Raha mirona hianatra eo am-pihinanan-kanina, na eo am-pihainoana radio, na eo am-pijerena televiziona isika, dia tsy ho azo inoana fa hifantoka lalina amin’izay tadiavintsika hianarana. (1 Tim. 4:15, NW). Koa ilaina àry ny manesotra ireo fanelingelenana. — Jereo ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy 33-34.
7 Zava-dehibe ny fianarana sy fampiharana ny torohevitry ny Baiboly isan’andro, satria izany no fomba andraisantsika fitarihana avy amin’i Jehovah. Ataovy tanjona hotratrarinao ny hampidirana ao am-ponao ny fahamarinana ianaranao ao amin’ireo pejy vita pirinty. Hararaoty ny fahafahana rehetra, na fohy toy inona aza, hamakiana, na hanaovana famerenana, na hisaintsainana momba ny zavatra ara-panahy. — Deot. 6:6-8; Kol. 1:9, 10.