Afaka Manao ny Aprily 2000 ho ny Volana Tsara Indrindra ho Antsika ve Isika?
1 Ho ny zava-misongadina amin’ny taom-panompoantsika, ny alarobia hariva 19 Aprily. Amin’io andro io, rehefa milentika ny masoandro any amin’ny toerana samihafa, dia hanao ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny kongregasiona sy ny antokona Vavolombelon’i Jehovah rehetra maneran-tany. Na aiza na aiza hasin’ora misy antsika, dia ho ny fisehoan-javatra fara tampony amin’ny taona ny fahatsiarovana ny soron’i Jesosy Kristy. Ny datin’ny Fahatsiarovana dia asongadina eo amin’ny volana Aprily, amin’ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2000.
2 Ny volana manontolon’ny Aprily dia manome antsika fahafahana mahatalanjona haneho, amin’ny fanahintsika manontolo, ny fankasitrahantsika ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, nasehony tamin’ny alalan’ny soron’ny Zanany. Amin’ny fomba ahoana? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” (2 Kor. 5:14, 15). Eny, mandritra ny Aprily, dia afaka mampiseho isika fa velona, tsy ho an’ny tenantsika, fa ho an’ilay maty ho antsika, ka hanao io volana io ho ny tsara indrindra ho antsika, amin’ny maha mpitory ilay Fanjakana antsika!
3 Misorata anarana ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily: Namela ohatra mandrisika ho antsika ny apostoly Paoly, rehefa nilaza toy izao: “Tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.” (Asa. 20:24). Manana io tombontsoa hanao fanambarana feno momba an’i Jehovah Andriamanitra io koa isika. Mba hahavitana izany, dia ho tiantsika ny hanao ny Aprily ho ny volana tsara indrindra ho antsika, amin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy!
4 Ho volana tsara dia tsara mba hanaovan’ny maro ny asan’ny mpisava lalana ny Aprily 2000, noho izy io misy faran’ny herinandro dimy feno. Tamin’ny Martsa 1997, fony isika nahatratra ny tampon’isantsika ambony indrindra tamin’ny mpisava lalana mpanampy, dia 16 isan-jaton’ny tontalin’ny isan’ny mpitory ireo 1 341 izay nandray anjara tamin’io asa io. Roa taona tatỳ aoriana, ny tontalin’ny isan’ny mpitory nanao tatitra tamin’ny Martsa 1999, dia nampiseho fitomboana maherin’ny 22 isan-jato. Midika izany fa manana fahafahana lehibe hihoatra ny tampon’isantsika tamin’ny mpisava lalana mpanampy teo aloha isika. Fanampin’izany, dia efa nahena ny ora takina, ka mahatonga an’io endri-panompoana io ho vitan’ny maro ao amin’ny kongregasiona. Ny mpitory vita batisa tsirairay dia tokony handinika amim-bavaka, raha afaka ny ho mpisava lalana mpanampy izy na tsia amin’io Aprily io.
5 Amin’ny fampiasana ny volana Aprily ao amin’ny Kalandrie 2000, dia ataovy dieny izao ny fandaharanao ho amin’ny volana manaraka. Farito ireo andro hahafahanao handray anjara amin’ny fanompoana, ary atambaro ny ora rehetra izay tsapanao fa azonao atokana ho amin’ny asa fitoriana mandritra ilay volana. Ampidiro ireo fotoana izay azonao lanina hitoriana ara-potoana sy tsy ara-potoana. Manakaiky ny 50 ora takina amin’ny mpisava lalana mpanampy ve ny fitambaran’izy ireo? Raha mbola tsy ampy ilay ora ilainao, moa ve ianao afaka manao fanitsiana hafa amin’ny fandaharam-potoananao, mba hakana fotoana hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy? Hila adiny iray sy 40 minitra monja isan’andro ianao, mba hanatratrarana 50 ora amin’ilay volana.
6 Efa mba nieritreritra ny hirotsaka hanao ny fanompoana manontolo andro ve ianao, satria efa nahena koa izao ny ora takina amin’ny mpisava lalana maharitra? Nahoana no miandry aoriana vao manomboka manao izany? Ho volana tsara dia tsara hanombohana ny Aprily! Raha misalasala ny amin’ny fahafahanao hanatratra ny 70 ora takina amin’ny mpisava lalana maharitra ianao, nahoana raha manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy aloha amin’ny Aprily, ka mametra 70 ora ho tanjonao? Raha vao hitanao fa afaka manao izany ianao, dia mety harisika kokoa ianao hanao fangatahana hirotsaka amin’ny laharan’ny mpisava lalana maharitra, haingana araka izay azo atao. — Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 113-114.
7 Aoka isika mpitory ilay vaovao tsara handray anjara amin’ny fomba feno amin’ny fanompoana: Ho antsika rehetra, na mpitory na mpisava lalana, dia ny fitiavantsika amim-pahatsorana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona no manosika antsika hanao izay rehetra azontsika atao, amin’ny fanahintsika manontolo, eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, mifanaraka amin’ny toe-javatra misy ny tenantsika manokana. (Lioka 10:27). Asehontsika amin’izany fa ‘miasa mafy sy mikely aina isika, satria isika nametraka ny fanantenantsika tamin’ny Andriamanitra velona iray, izay Mpamonjy ny karazan’olona rehetra, indrindra fa ireo izay mahatoky’. (1 Tim. 4:10, NW ). Tokony hanampo hahita fandraisana anjara 100 isan-jato isika amin’ny Aprily, satria handray anjara amin’ny fomba feno amin’ny asan’ilay Fanjakana ny rehetra.
8 Aoka tsy hohadinointsika ny fampirisihan’i Jesosy hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” Taorian’ny nitenenana an’izany avy hatrany i Jesosy, dia niantso an’ireo apostoly 12, ka naniraka azy ireo mba hitory. (Matio 9:37, 38; 10:1, 5, 7). Tokony ho herintaona taorian’izay, rehefa voaofana tsara tamin’ny asa fitoriana ireo 12, i Jesosy dia “nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy”, ary nanome izao toromarika izao ihany: “Be ny vokatra (...); koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Lioka 10:1, 2). Milaza ny fomba namalian’i Jehovah an’ireo vavaka ireo ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nitombo ka nahatratra tokony ho 120 ny isan’ny mpianatra. Avy eo, dia tampon’isan’ny mpianatra 3 000 sy 5 000 nisesy no tratra. (Asa. 1:15; 2:41; 4:4). Taorian’izay, dia “nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra”. (Asa. 6:7). Toy izany koa ankehitriny, fa tsy maintsy mangataka amin’ilay Tompon’ny vokatra isika, mba hisian’ny mpitory ilay Fanjakana maro kokoa hatrany! Mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika, ny mpitorin’ny kongregasiona tsirairay dia tokony hanao fandaharana voafaritra tsara mba handraisana anjara amin’ny fanompoana isam-bolana.
9 Diniho akaiky ny volana Aprily eo amin’ny Kalandrie 2000. Koa satria asabotsy sy alahady ireo andro roa voalohany amin’ilay volana, moa ve ianao afaka manao fandaharana mialoha mba handraisana anjara amin’ny fanompoana amin’izany faran’ny herinandro izany, mba hanombohana aloha be amin’ilay volana? Afaka manohana ny “Andro Fanelezana Gazety” rehetra, mandritra ilay volana, miaraka amin’ny mpitory ao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasionanao ve ianao? Ahoana ny amin’ny fandaniana adiny iray na mihoatra eny amin’ny fanompoana, isaky ny alahady? Afaka manao fandaharana mba handraisana anjara amin’ny fitoriana takariva ve ianao? Ary aza hadinoina ny manararaotra ny fahafahana rehetra hanao fitoriana tsy ara-potoana eny amin’ny toeram-piasana, any an-tsekoly, na rehefa manao ireo asa hafa fanaonao isan’andro. Mariho ireo andro hahafahanao handany fotoana elaela eny amin’ny fanompoana, ary ampiasao ilay kalandrie mba handraisana an-tsoratra ny oranao amin’ilay volana.
10 Ny Aprily dia ho fotoana mety mba hahatongavan’ireo rehetra mahafeno fepetra sy neken’ny loholona, ho mpitory tsy vita batisa. Raha miara-mianatra Baiboly amin’ny olona iray ianao, moa ve efa nandroso tsara izy io, ka afaka manatona ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha mba hekeny ho mpitory ny vaovao tsara? Raha manan-janaka mbola tsy vita batisa ianao, moa ve ianao efa niresaka momba ny fandrosoany ara-panahy tamin’ireo loholona? Tsy ho fotoana tsara hanombohan’izy ireo hitory ve izao? — Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 97-100.
11 Amin’ny fiezahantsika hanao ny Aprily 2000 ho ny volana tsara indrindra ho antsika, dia ilaintsika rehetra ny mandray anjara amin’ny fanompoana, ary avy eo dia mamerina ny tatitra momba ny fanompoantsika amin’ny faran’ny volana. (Ampitahao amin’ny Marka 6:30.) Ireo mpitory vaovao tsy vita batisa, izay sambany vao mandray anjara amin’ny fanompoana, dia tokony hampirisihina hamerina haingana ny tatitra momba ny fanompoany. Amin’ny fanaovana ny anjarantsika, ny ezaka ataontsika eo amin’ny fitoriana dia afaka mahatonga ny tatitra amin’ny Aprily ho tsara dia tsara, ary hampitombo ilay hiakam-piderana lehibe ho an’i Jehovah.
12 Ento miaraka aminao any amin’ny Fahatsiarovana ny hafa: Tsy hampientam-po antsika ve ny hahita tampon’isa vaovaon’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, amin’ny taona 2000? Eny tokoa! Hidika izany fa ho maro be ireo olona hiara-mivory mba hampiseho ny fankasitrahany ny fanehoam-pitiavana lehibe indrindra, izay nataon’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ho antsika! (Jaona 3:16; 15:13). Ataovy izay fandaharana rehetra ilaina, mba tsy hisy na inona na inona hanakana anao sy ny fianakavianao tsy hanatrika ny Fahatsiarovana.
13 Izao koa no fotoana hanombohana hanasa ny hafa ho amin’ny Fahatsiarovana. Manaova lisitr’ireo rehetra ho tianao hanatrika. Ampidiro ao ireo rehetra nianatra Baiboly tamin’ny lasa sy ireo mianatra ankehitriny ary ny fiverenanao mitsidika rehetra. Ataovy ao anatin’ilay lisitra koa ny olom-pantatrao any am-piasana, any an-tsekoly, ny eo amin’ny manodidina anao, ary koa ny olona rehetra mifampiraharaha aminao. Aza hadinoina ny mampiditra ireo olom-pantatrao hafa sy ny havanao. Rehefa vita ilay lisitra, dia manomboha manasa amin-kafanam-po ny tsirairay. Lazao aminy mazava tsara ny fotoana sy ny toerana hanaovana ny Fahatsiarovana. Rehefa mihamanatona ny 19 Aprily, dia ampahatsiahivo ireo olona nasainao, na mivantana na amin’ny alalan’ny telefaonina. Manolora ny hiarahan’izy ireo aminao any amin’ny Fahatsiarovana, amin’io takariva io.
14 Mifanaraka amin’ny toromarika teo aloha avy tatỳ amin’ny Fikambanana, ny fitambaran-doholona dia hanao ezaka manokana mba hampirisika ireo rehetra tsy mitory intsony, ao amin’ny faritaniny, mba hanatrika ny Fahatsiarovana. (Matio 18:12-14). Tokony handinika indray ny taratasin’ny Fikambanana tamin’ny 2 Febroary 1999 ireo loholona. Ny mpitan-tsoratry ny kongregasiona dia tokony hanao lisitr’ireo rehetra tsy mitory intsony, ary hanendry loholona ny mpiandraikitra ny fanompoana mba hitsidika sy hanasa ireny olona ireny ho any amin’ny Fahatsiarovana. Angamba amin’ny fitsidihana mampahery ataon’ny mpiandry, haingana araka izay azo atao, dia azo ampiana mba hanjary harisika indray amin’ny fanompoana, ireny olona tsy mitory intsony ireny, na dia mandritra ny Aprily aza. Hampahery azy ireo ny hiaraka amin’ireo mpitory za-draharaha.
15 Ampirisiho ny rehetra hanohana tsara ny Aprily! Mitaky fandrindrana tsara avy amin’ny loholona sy ny mpanampy amin’ny fanompoana ary ny loham-pianakaviana rehetra, ny fanaovana ny Aprily 2000 ho ny volana tsara indrindra. Hazoto handamina tsara ny zava-drehetra sy hitari-dalana ireo loholona. (Heb. 13:7). Tokony hisy fandaharana azo ampiharina amin’ny fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, amin’ny andavanandro sy amin’ny faran’ny herinandro. Mety hisy fivoriana fanampiny ho amin’ny fanompoana halamina amin’ny faran’ny tolakandro.Tokony hatao petadrindrina ireo fandaharana feno kasaina hatao amin’ny Aprily. Hisy olona iray hilaina hotendrena mba hikarakara ny fivoriana tsirairay ho amin’ny fanompoana izay efa nanaovana fandaharana. Tokony hisy faritany ampy ho an’ny mpitory tsirairay.
16 Mandritra ny Aprily, dia ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! no hasongadina. Mba hiezahana hitarika fampianarana Baiboly, dia tokony hatolotra ho an’izay rehetra mampiseho fahalianana ny bokikely Takina. Noho izany, dia ilaina hatao ampy ny tahirin-gazety sy bokikely.
17 Amin’ny fiafaran’ilay volana, ny mpitarika ireo fianarana ny boky rehetra sy ny mpanampy azy ireo, dia tokony hampirisika ny tsirairay ao amin’ny antokon’olona misy azy, mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana, aorian’ny faran’ny volana avy hatrany. Angamba ho azo atao izany na dia amin’ny alahady 30 Aprily aza. Avy eo, rehefa mandrakitra an-tsoratra ireo tatitra ny mpitan-tsoratra, ka raha voamariny fa mbola tsy namerina ny azy ny mpitory sasany, dia afaka mampahatsiahy azy ireo amin-katsaram-panahy mba hanao izany alohan’ny 6 May, izy, rehefa tsy maintsy mandefa ny tatitry ny kongregasiona any amin’ny Fikambanana. Mety hangataka fanampiana amin’ny mpitarika ny fianarana ny boky izy, mba hanampy azy eo amin’ny firesahana amin’ny mpitory tsirairay.
18 Ny fotoanan’ny Fahatsiarovana no vanim-potoana lehibe indrindra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Tokony ho fotoana tena hahabe hatao antsika rehetra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy io. Ho izany no izy, raha mizara ny vaovao tsara amin’ny fomba feno araka izay azony atao ny mpitory rehetra, sy raha misoratra anarana ho mpisava lalana mpanampy izay afaka manao izany, ary raha mazoto mitondra ny hafa hiaraka amintsika ho any amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy isika. Aoka isika hivavaka amim-pahatsorana mba hahazo fitahiana manana amby ampy avy amin’i Jehovah, eo am-piezahantsika manao ny Aprily 2000 ho ny volana tsara indrindra ho antsika, ka izany rehetra izany dia ho fiderana sy ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra! — Heb. 13:15.
[Teny notsongaina, pejy 3]
Mpisava Lalana Mpanampy
Tampon’isantsika Ambony Indrindra: 1 341 (Martsa 1997)
[Teny notsongaina, pejy 4]
Tontalin’isan’ny Mpitory
Tampon’isantsika Ambony Indrindra: 10 411 (Aogositra 1999)
[Teny notsongaina, pejy 5]
Mpanatrika ny Fahatsiarovana
Tampon’isantsika Ambony Indrindra: 46 392 (1999)